Ny efa mahalala tsara no afaka MAMADIKA ny marina!

21. rhaj0 ( 20/02/2015 15:17)
[size=10]okey dokey.. .onkey donkey...
"Ny efa mahalala tsara no afaka mamadika ny marina" (Strong3 - 20/02/2015 12:10)[/size]


Fa @ ireo tantara-na mpanjakanao re ry Strong3... maninona ho'a tsy mba manana revi-na casques bleus ilay A.tr'Israely raha zanany daholo ny olona rehetra e... Sady tsy mba vitan'ny tsy manana revi-na casques bleux, fa vao mainka, ilay A.tra tsisy antra, tena mandriparipaka h@ zaza aman'antitra sy ny akoho aman-kisoa...
22. sitlo ( 20/02/2015 16:15)
Strong3:
aleo ve minomino foana toa izay mino fatin'olona? __ iza ilay maty tamin'ny 2000 izany fa tsy fantatro(tray) ?


Minomino foana ny miteny hoe tsy misy faty mitsangana izany?

Raha te hahafantatra ianao dia averiko indray, efa mécanisme ao anaty atidoha mihitsy ny matahotra fahafatesana. Izay no mahatonga anareo mibaboka amin'ny boky milaza fa mbola ho velona indray. Eny fa na dia zavatra apetrapetraka toy ny faty mitsangana aza dia aleo hinoana ihany fa sao maty mandrakizay.

Dia izaho indray hono no minomino foana amin'izany. Asisio amin'ny vodifanjaitra marina ny rameva fa tsy. Aza miasa na manasoa ny fiainanao eto an-tany mihitsy fa sao manan-karena dia tsy lasa any an-danitra.
23. rhaj0 ( 20/02/2015 16:37)
sitlo:
mécanisme ao anaty atidoha mihitsy ny matahotra fahafatesana

Miombo-kevitra. Misy fanontaniana tsy hita valiny. Avy aiza, ho aiza, fa maninona sy ny pou-rou-kwah.. Dia rahefa be zizo eo ilay sain'olb, dia tonga azany ny sasany mandroso "folklore". Dia mandry tokoany ny sain'ny bezizo

Folklore: Ensemble des pratiques culturelles (croyances, rites, contes, légendes, fêtes, cultes, etc.) des sociétés traditionnelles.
Aspect pittoresque de ce qui tranche avec les habitudes, la vie ordinaire .


Dia efa "folklore" efa t@ taona 2000 lasana ve dia mbola fikirinao ao ihany.

Dia na hiolankolana sy hi-spin tahak'n'inona ve dia afaka hampilahatra ny fahalalana t@ izany fotoan'androny izany @ izao fotoan'androny izao...


Aiza moa i Endriny in-1 mandeha tsy vaky vava toatoa ny hoe.. ndao amorona folklore vaovao fa tena tsy mifandraika @ taona 2000 intsony izany resaka izany.. Ndao atao mandeha moto i J.C...
24. Strong3 ( 23/02/2015 07:48)

rhaj0:

Tafajery sombiny fohy t@ ilay filma hoe La Bible ho'a zaho omaly. (tsy fidiny fa dia tafajery ee..). Dia tantaran'i Saul sy Samuel. Dia hoe.. .i Saul hono ka mpanjaka mahery tao, ary nandresy foana ny fahavalony. Fa ny babo an'ady tsy avy dia novonoin'i Saul fa nogadrainy. Dia avy i Samuel. Dia hoe, efa nolazain'i A.tra fa ripaho dia ripaho. Ka raha tsy hanaraka ny didin'A.tra ianao, ka tsy handripaka ianao, dia ho hitanao fa tsy ho ela dia ho rava ny fanjakanao. Dia novonoin'i Samuel ilay gadra. Dia lasa i Samuel tezitra be lasa nandeha..

Dia tena nivanaka aho. kay ve izany hono izany ilay izy tao...Dia izany koa ve no tantaraina @ ankizy ao ??...

Ampazahoy verset eto hoe jerena sao dia nanitatra ilay nanao filma...


« [Ny tsy nahatanterahan'i Saoly ny tenin'Andriamanitra ny amin'ny handringanana ny Amalekita, sy ny nandavan'Andriamanitra azy tamin'izany] Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: Jehovah naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely olony; koa ankehitriny mihainoa ny tenin'i Jehovah ianao. » (1 Samoela 15:1)
« Ary hoy Saoly tamin'ny Kenita: Andeha miala ianareo, ka midìna hiala amin'ny Amalekita, fandrao miaraka aringako aminy ianareo, fa ianareo nanisy soa ny Zanak'Isiraely rehetra, fony izy nivoaka avy tany Egypta. Ka dia niala tamin'ny Amalekita ny Kenita. » (1 Samoela 15:6)
« ary Jehovah naniraka anao ka nanao hoe: Mandehana, ka aringano* avokoa ny Amalekita mpanota, ary miadia aminy ambara-paharingany.[Heb. ataovy herema] » (1 Samoela 15:18)
« Koa nahoana ianao no tsy nihaino ny feon'i Jehovah, fa nanao an-kazakazaka tamin'ny babo ka nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah? » (1 Samoela 15:19)
« Fa hoy Saoly tamin'i Samoela: Efa nihaino ny feon'i Jehovah ihany aho ka nandeha tamin'izay nanirahan'i Jehovah ahy ary nitondra an'i Agaga, mpanjakan'ny Amalekita, sady nandringana ny Amalekita rehetra. » (1 Samoela 15:20)
« Nefa nangalan'ny olona ondry aman'osy sy omby ny babo, dia izay soa avy tamin'ny zavatra haringana,1 mba hovonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao ao Gilgala. » (1 Samoela 15:21)
« Fa hoy Samoela: Sitrak'i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon'i Jehovah? He! ny manafaka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran'ondrilahy. » (1 Samoela 15:22)
« Fa ny miodina dia toy ny heloka amin'ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin'i Jehovah ianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa. » (1 Samoela 15:23)
« Dia hoy Samoela: Entonareo eto amiko Agaga, mpanjakan'ny Amalekita. Ary Agaga nankeo aminy sady falifaly ka nanao hoe: Lasa tokoa ny fangidian'ny fahafatesana. » (1 Samoela 15:32)
« Fa hoy Samoela: Toy ny tsy nampananan'ny sabatrao zanaka ny vehivavy no tsy hananan'ny reninao zanaka kosa ao amin'ny vehivavy. Dia notetitetehin'i Samoela teo anatrehan'i Jehovah tao Gilgala Agaga. » (1 Samoela 15:33)
« Ary Samoela tsy namangy an'i Saoly intsony ambara-pahafatiny; fa Samoela nalahelo an'i Saoly. Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany an'i Saoly ho mpanjakan'ny Isiraely. » (1 Samoela 15:35)
_______ _____ ______

Tsy mbola novakianao angamba fa efa resaka nifanaovan'i A.tra tamin'i Abrahama hoe : handova ny tany tany kanana manotolo. ary izy naverin'ny tamin'i Saoly io hoe "ireo MPANOTA IREO"

___ fa misy mahatsikaiky ahy ihany tokoa raha hanareo resaka kivalavala kely namana rhaj0;
nahoana tamin'izany fotoana izany no tsy tonga dia nananan'Atra planina hoe hasorina ao anatin'izao tontolo izao ny fahota. fa navelany ho feno ny fahotan'ireo amalekita vao haripaka izy ireo, nefa izy ireo (amalekita) tsy nisy nampibebaka... ???

°°° io ilay lazaiko anao hoe : "Ny efa mahalala tsara no afaka mamadika ny marina" ___ fony vao zaza ara-panahy aho dia nametraka io fanotaniana io tamin'ny mpitandrina lehibe anakiray ; saingy tsy nahita valiny nahafapo aho...
Mahafinaritra ahy ny filazan'anteroneto, mahakasika ny athée, hoy izy: "... vao teraka ny olobelona dia athée avokoa, fa ny fiarahamonina no mampitombo fahalalana azy ka hidirany amin'ny finoana..."
__ IO fanotaniako io dia manamarina izany tokoa, fa hay za efa mba tsy nino fahiny :p


Efa fantatro sy efa azoko anefa ny valin'io fanotaniana io ry rhaj0 rehefa nitombo ny fahalalako ; ka mihamifototra amin'ny finoana voaporofo aho amin'ireo fahalalana nomena ahy sy nokatsahiko. Hay toin'ny hendry ny olona rehefa tsy feno fahalalana anton-javatra iray na maromaro izy; ka mametraka fanotaniana tsy misy famadibadihana sy famakafakana ary fandinihana lalina ombana fifantohana.
25. rhaj0 ( 23/02/2015 13:06)
Tsy azoko tsara... inona izany ilay vokatry ny "famadibadihana sy famakafakana ary fandinihana lalina ombana fifantohana" nataoNAO raha mikasika io tantaran'i Saoly sy Samoela io ohatra ?

Ny ahy k'lou dia tena hoe... tena TSY takatry ny sekreteram-baiboly tao, mba tsy (mbola) hilazana hoe TSY takatr'i Atr'Israely, izany hoe
- revin'ny Casques-Bleus. Hoe rahefa misy ady, dia misy 3eme miezaka ny hanelanelana ny andaniny roa ary mampandry ny tany
- revin'ny Croix-Rouge. Hoe rehefa misy ady, dia misy 3eme mamonjy ny aina sy izay maratra @ andaniny roa

TSISY mahagaga raha tsy mba natao ho qualitE-n'i A.tr'Israely ny revy casques-bleus sy croix-rouge, satria izay no takatry ny mpanao folklore t@ izany fotoan'androny izany... (io k'lou ho'a, alohan'ny hilazana hoe tena TSY takatr'i A.tr'Israely izany satria Izy dia tena tsisy antra, cruel, miangatra/mitanila... ao @ imagination-collective ao)

Dia izay ve ho'a no soatoavina fikirinao ao ?
26. gasy1zay ( 23/02/2015 19:58)
Raha ny croix rouge aloha dia manaiky aho hoe tena miasa ry zareo ary tena manampy ny mpiara-belona fa ity casque bleu anareo ity toa resaka ambony latabatra fotsiny na tena "revy" nofinofy fotsiny ihany fa zay tapaky ny be sandry ao @ conseil de sécurité ONU ihany no manjaka e! Ahoana izao ity syria olona firy no maty toa tsy hita izay ataony? ka io dia resaka vola foana no miasa ao e!

Mikasika ny fandringanana ny Amalekita indray dia mety hoe tsy rariny raha resaka mahaolombelona fa saingy misy antony ny nampanaovana izany ka io ry rhaj0 dia matoa Andriamanitra miteny hoe ataovy izao dia mila mahatoky azy ianao hoe izay no mety satria izy mahalala ny ho avy, tadidio ohatra fa ilay mpanjaka tsy novonoin'i Saoly no niteraka an'i Hamana izay nikasa ny handringana ny Jiosy babo ao @ bokin'i Estera.
27. rhaj0 ( 23/02/2015 20:36)
bien sur.. bien sur... rahefa hoz'Izy hoe, vonoy ataovy sorona ny zanakao, na hoe rovito ny sofiny, dia iny koa ianao... (nefa ny imagination-nao no lasa gaigy irery tao.. indrindra rahefa tia divay iny)

T@ ilay filma aloha dia rahefa jereko ilay Samuel, dia tena tahaka ireny ilay sorcier du village ireny e.. masiatsiaka, dia sur ery hoe izay hono no nolazain'i Seigneur.. nefa raha ny fahitako azy, izy no manana ny teoriany ao, dia romodromotra ao, dia lazainy fa Atr'Israely no miteny aminy ao... dia h@ izao izany ianao dia mbola tena mino an'izany tokoany... wow...
28. booboo ( 24/02/2015 01:12)
Gasy1zay > mamaky ilay soratanao farany zao zà dia ry EI no tonga ato an-tsaiko... Ilay lian-drà toa io mihitsy no tsy azoko @ testamenta taloha. Atao @ anaranY ny famonoana...brrrrrrrrrrrrrrrrrrr.
29. endriny ( 24/02/2015 04:49)
"Ny efa mahalala no mamadika ny marina"

Dia izay tokoa ve? Sa hoe tonga saina ireo nahalala ka niala fa hay feno fitaka ilay tantara?
30. Strong3 ( 24/02/2015 07:00)

rhaj0:

Tsy azoko tsara... inona izany ilay vokatry ny "famadibadihana sy famakafakana ary fandinihana lalina ombana fifantohana" nataoNAO raha mikasika io tantaran'i Saoly sy Samoela io ohatra ?

Ny ahy k'lou dia tena hoe... tena TSY takatry ny sekreteram-baiboly tao, mba tsy (mbola) hilazana hoe TSY takatr'i Atr'Israely, izany hoe
- revin'ny Casques-Bleus. Hoe rahefa misy ady, dia misy 3eme miezaka ny hanelanelana ny andaniny roa ary mampandry ny tany
- revin'ny Croix-Rouge. Hoe rehefa misy ady, dia misy 3eme mamonjy ny aina sy izay maratra @ andaniny roa

TSISY mahagaga raha tsy mba natao ho qualitE-n'i A.tr'Israely ny revy casques-bleus sy croix-rouge, satria izay no takatry ny mpanao folklore t@ izany fotoan'androny izany... (io k'lou ho'a, alohan'ny hilazana hoe tena TSY takatr'i A.tr'Israely izany satria Izy dia tena tsisy antra, cruel, miangatra/mitanila... ao @ imagination-collective ao)

Dia izay ve ho'a no soatoavina fikirinao ao ?


« Fa raha tsy navelan'Andriamanitra ny anjely fony nanota, fa noroahiny ho any amin'ny helo ka natolony ho ao an-davaka maizina* mba hotehirizina ho amin'ny fitsarana, [* Na: (nafatony tamin'ny gadra fahamaizinana)] » (2 Petera 2:4)

MIANGAVY an'i namana rhaj0 ny tenako aloha mba hifantoka amin'ny tena resaka fa tsy hanao ohatran'ny sasany (izay manao resaka mirefarefa lohatra...) ngamba mba efa olom-be ihany isika fa tsy hanao zaza sy handany andro amin'ny resaka manalazy tsy hoan-tsy ahoana eto...

« Fa raha tsy navelan'Andriamanitra ny anjely fony nanota, fa noroahiny ho any amin'ny helo ka natolony ho ao an-davaka maizina* mba hotehirizina ho amin'ny fitsarana, [* Na: (nafatony tamin'ny gadra fahamaizinana)] » (2 Petera 2:4)

Andeha tsy hiresaka finoana aloha isika fa hiresaka tsotra ny tranga ( ara-tantara) fotsiny.
__ raisintsika hoe : tantara noforonina araka ny filazanao aloha ny baiboly.

1/ Atra; iza no mpanjaka (misy olona entiny eo izany)
2/ satana; tadampa notolorana fahefana ho mpanapaka eo ambanin'Atra.
3/ anjely; vahoaka nofehezina teo amin'ny fanjakana (nefa noforonina ihany koa ireo...)

Dia izao no fandehany; Tsy mbola nisy teo amin'ny fitondrana nanana saina hanohitra an'Atra (tsy novisavisaina izany) fa nahatoky tanteraka ireo vahoaka sy tadampa ilay Atra.
_ tampoka teo anefa dia nitsiry tao amin'ilay satana ny saina fa tsy hitany IZAY MAMPIAVAKA AZY AMIN'Atra . Ka nahoana moa raha mba MASI-MANDIDY koa ny tenany.
Noho io fikomiana io dia nandray fanampahan-kevitra Ilay Atra!
1/ ... RAHA IANAO ILAY MPANJAKA dia inona no fanampaha-kevitra HO RAISINAO namana rhaj0 ? __ toa endrika fanongam-panajakana io ( fa tsy araka ny eritreritrao hoe : kaska blé blé anao izany hihihi...)
1*/ ... fa ny fanampahan-kevitr'Ilay Atra dia ny nanala ny fahefany ary nanjera ary tsy ho ao amin'ny atmaosifera misy azy ireo. Tsy hoe novonoina akory
2/ ... aminao namana rhaj0 ; naditra ny iray amin'ny zanakao, dia nosazianao... avy eo , nanao koa ny anakiray ary mitovy amin'iny ihany no ditrany... INONA NO ATAONAO AMIN'ILAY FAHARAO?
2*/ .. raha tsy hampitovian'Ilay Atra mpanjaka amin'ny nanasaziana an'i satana, ny voahariny(vahoakany) izay nanao ny tsy nety toa ilay satana , DIA INONA NO METY HO FITSARAN'I SATANA IZANY FIHETSIKA IZANY? raha ianao no teo amin'ny toeran'i satana?

rhaj0:

Tsy azoko tsara... inona izany ilay vokatry ny "famadibadihana sy famakafakana ary fandinihana lalina ombana fifantohana" nataoNAO raha mikasika io tantaran'i Saoly sy Samoela io ohatra ?

io ilay valiny ry "rhaj0"
... Amiko marina ny Atra , ka tsy te ho diso eo anatrehan'i satana , amin'ny fanasaziana ireo izay manohitohina ny fanjakana. fitsarana marina tsy mitanila.

_ feno ny fahotan'ny Amalekita teo ka tonga ny fandriganana azy ireo.
31. rhaj0 ( 24/02/2015 11:25)
Dia mbola mamikitra ny soatoavin'i Atr'Israely ny handripaka ny olona (izay manota hono) i ranamana. @ io, tsy mba hoe, fara-faharatsiny hoe, rahefa maty ilay, vao asosa any @ helo, fa izy mbola velona io, dia ARIPAKA.

Dia efa hoe izay ho'a nysoatoavina t@ izany andro izany, ka dia mbola ankalazaina h@ izao ve ?


Ankoatry ny casques-bleus sy ny croix-rouge, dia misy koa soatoavina ankehitrio, ka hoe, rahefa meloka ianao dia gadraina, fa avy eo amena lasantsy faha-2 ianao, ary dia afahana raha tsara fitondra-tena.


Mba takatry ny Atr'Israely ve izany ?? Sa ny mandripaka ihany no hainy ??? Aripaka ny Amalekita, naripaka ny Ejiptiana...

Dia ganga ianao avy eo raha mi-s'inspirer @ io tantara io ny adala rehetra izao dia mandriparipaka koa.


Dia nefa moa ny toa an'i Gasy1zay izao dia ho avy eto fa hoe, izy mpanota-mpandeha-boite-de-nuit taloha anie ka efa afak'ota satria namelan'Atr'Israely.. Ahoana azany ianao no tsy tonga dia naripaNY ??? Ny zaza aman'antitra Ejiptiana anefany tsy nananany antra ???

32. Strong3 ( 24/02/2015 12:08)

rhaj0:

Dia mbola mamikitra ny soatoavin'i Atr'Israely ny handripaka ny olona (izay manota hono) i ranamana. @ io, tsy mba hoe, fara-faharatsiny hoe, rahefa maty ilay, vao asosa any @ helo, fa izy mbola velona io, dia ARIPAKA.

Dia efa hoe izay ho'a nysoatoavina t@ izany andro izany, ka dia mbola ankalazaina h@ izao ve ?


Ankoatry ny casques-bleus sy ny croix-rouge, dia misy koa soatoavina ankehitrio, ka hoe, rahefa meloka ianao dia gadraina, fa avy eo amena lasantsy faha-2 ianao, ary dia afahana raha tsara fitondra-tena.


Mba takatry ny Atr'Israely ve izany ?? Sa ny mandripaka ihany no hainy ??? Aripaka ny Amalekita, naripaka ny Ejiptiana...

Dia ganga ianao avy eo raha mi-s'inspirer @ io tantara io ny adala rehetra izao dia mandriparipaka koa.


Dia nefa moa ny toa an'i Gasy1zay izao dia ho avy eto fa hoe, izy mpanota-mpandeha-boite-de-nuit taloha anie ka efa afak'ota satria namelan'Atr'Israely.. Ahoana azany ianao no tsy tonga dia naripaNY ??? Ny zaza aman'antitra Ejiptiana anefany tsy nananany antra ???




:-) ... mafinaritra!

rehefa azonao tsara aloha hatreo, enga anie ka tsy hanao zava-boribory tsy mety tapitra aoriana kely...

« Ary saiky diovina amin'ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka. » (Hebreo 9:22)

io no planina vaovao nenitna niala tamin'ny fitsarana mety hataon'ny satana amin'Atra, ka izay mino izany no ho voavela heloka na nanao fanoherana an'Atra toa an'ny satana aza izy taloha.

Izay no mahatonga ny finoana tian'ny satana ho levonina ao antin'ny olombelona tonga kristiana. satria hiamaro ireo voavela fa izy (satana) koa efa tsy manana anjara amin'izany fa ny olona nofitahiny tramin'ny fahagola no dia naripaka noho ny tsy fananany toetra mendrika amin'ilay MPahary.
« Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy. » (Jaona 3:36)
« Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko? » (Jaona 5:47)
« Raha tsy manao ny asan'ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy. » (Jaona 10:37)
« Ary Jesosy niantso ka nanao hoe: Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy. » (Jaona 12:44)
Ry rhaj0, efa TONGA NY KASKA BILE TADIAVINAO SADY KROUA ROUZY ...io Jesosy io no miady hoan'ny zo maha olona ka manelanelana antsika amin'i Atra Tsitoha. « Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. » (Jaona 14:6)

FA IZAY TSY MINO AZY KOSA dia ho very sy ho faty amin'ny fahafatesana faharoa ihany koa « Izay mino Azy dia tsy helohina*; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka** rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy. [*Gr. tsaraina] [**Gr. voatsara] » (Jaona 3:18)
« Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy. » (Jaona 3:36)

MINOA MBA HO VELONA IANAO NAMANA! :-)
33. rhaj0 ( 24/02/2015 13:33)
Strong3:
Ary saiky diovina amin'ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna;

ntsss.. ny olona izao efa mivoatra dia tsy manao execution au poteau intsony.. t@ 2000 taona lasa no toa izany, dia mbola izany foana ve no taritaritina atao dridra-gilo h@ izao.. aoka ho'a

Strong3:
ho very sy ho faty amin'ny fahafatesana faharoa ...

ntsss.. ny olona izao efa mivoatra dia efa mba "3 strikes", diso in-3, izay vao tena atao "very".. koa n'enao vao faha-2 dia efa "very mandrakizay". Fa tsara fa efa mba mivoatra marina izany i J.C... i Atr'Israely taloha tonga dia "ripaka" raha vao "manota", na zaza na antitra...
34. endriny ( 24/02/2015 15:22)
Izay vao azoko izany ilay fanantonana olona amin'ny hazo fijaliana any Filipinina isaky ny paska. Kay mila ra mihintsy ity Atr'Israely ity...

Ny Zanaharinay koa mila ra an'Akoho sy Omby a
35. Strong3 ( 25/02/2015 08:12)

rhaj0:

Strong3:
Ary saiky diovina amin'ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna;

ntsss.. ny olona izao efa mivoatra dia tsy manao execution au poteau intsony.. t@ 2000 taona lasa no toa izany, dia mbola izany foana ve no taritaritina atao dridra-gilo h@ izao.. aoka ho'a

Strong3:
ho very sy ho faty amin'ny fahafatesana faharoa ...

ntsss.. ny olona izao efa mivoatra dia efa mba "3 strikes", diso in-3, izay vao tena atao "very".. koa n'enao vao faha-2 dia efa "very mandrakizay". Fa tsara fa efa mba mivoatra marina izany i J.C... i Atr'Israely taloha tonga dia "ripaka" raha vao "manota", na zaza na antitra...


ka izay ilay laziko hoe : "ny efa mahalala no afaka mamadika ny marina" ...
Tena girasy hoantsika izay manaiky fa misy Atra io JK io , tsy te-hamono antsika intsony ilay Atr'israely. ka novidiany lavo tamin'ny alalan'ny fandatsahan-drà ny zanany isika.

ny hevitra taingina hoe : Atra no mila rà dia TSY FAHALALA SY TSY FAMAKAFAKANA TSARA NY ZAVATRA RESAHINA SY HARATSIANA,

... Efa nazavaiko tery ambony izany, fa ny famonoana an'i Jesosy Kristy dia tao ireny akouza japoné ireny, manapaka ny akikeliny izy ho fanonerana ny fahatezeran'ilay mpiara-miasa aminy. Eto amin'ny resaka devoly izay efa nazavaiko teo ambony dia MAZAVA, te HAMELA ANTSIKA OLOMBELONA ATRA fa noho ilay fanasaziana natao an'i satana tsy nisy fepetra dia tsy AZO AVELA TSY MISY FEPETRA ISIKA OLOMBELONA , KA HO SOLON'IZANY DIA NATOLONY NY AIN'NY ZANANY hanonerana io famotsorana antsika io (raha mino ianao) ,
Aza raha azona ilay sary tiana ampita?

izay ilay fandehany. tsy i Jesosy Kristy akory no te hanao izany fa Atra mihitsy no tonga saina hoe: mila famonjena isika, satria noho ny fitaka nataon'i satana no mety ahafaty antsika. nefa isika tsy azo avela fotsiny fa ny Zanany lahitokana no nomeny HO VIDIN'NY FITSARANA ATAON'I SATANA AZY (ANDRIAMANITRA)

Mirary ny sainao hisokatra amin'ny fanazavana, izany akory tsy midika hoe: hanery anao hino ny fanazavako fa mba hampitombo ny fahalalana ao anatinao ry rhaj0!
Ka hitondranao hevitra vaovao indray izaho amin'ny maha TSY MPINO ANAO :-) ... fa tsy hiverina amin'io resaka io indray isika afaka aoriana kely ka ho zava-boribory miodina tsy misy farany (vetaveta hoy ianao izay)
36. rhaj0 ( 25/02/2015 18:03)
"I came not to bring peace, but to bring a sword" .. O iza iza no niteny an'io hoe ry Strong3 ?

Dia ampitomboy ny fahalalana re ry Strong3 a...
http://en.wikipedia.org/wiki/Christianity_and_violence
37. rhaj0 ( 25/02/2015 20:38)
Entre pa fa hotry ny jejo ery anie i Strong3 izany mamerimberina ny
"Ny efa mahalala tsara no afaka MAMADIKA ny marina!"

Ohatra hoe, i Einstein sy ry Dalai-Lama izany "mahalala tsara", dia tonga dia hotry ny efa "suspect" fa "hamadika ny marina" ??

Giravy anie izany fanatombatombananao ny integrite intellectuel-n'ny olona izany e..
(ilay mametapetaka hoe "tsy tena izy" sy ny "taraiky" sns.. manginy fotsiny)
38. Strong3 ( 26/02/2015 11:34)
fanondroana izay mahay ny zavatra itopoany sy lazainy no mipetraka eto, fa tsy fanindraindrana olona iray na fanivaivana olona iray;
raha Athée ianao ohatra, hainao tsara ve ny mahakasika izany alohan'ny handresehanao lahatra anay fa aleo athée toa izay kristiana
sa ve hoe samy miteniteny fotsiny eto isika de avy eo vao mitombo ny fahalalanao tamin'ny alalan'ny olona neverinao fa tokony tsy ahay izany?
39. endriny ( 27/02/2015 15:07)
Sariteny atao be dia be dia valaka ny olona koa
40. rhaj0 ( 27/02/2015 16:29)
Strong3:
andresehanao lahatra anay fa aleo athée toa izay kristiana

Izaho indray k'lou TSY ny handresy lahatra ana(re)o no ataoko eto e.. averiko indray: TSY ny handresy lahatra ana(re)o no ataoko eto e..

Mizara ny fijeriko, dia manipika izay fahitako azy eo fotsiny aho ... ohatra izay absurditEs rehetra iaraha-mahita eo io, sy (iarahana) ivanitihana gaigy eto io :-)

... dia izay irevenao azy eo dia mahasoava aminao ao e..


Dia efa hoe ho'a hoe, raha mahasambatra sy mahasoa anao ny finoanao ao, dia inona moa ny idirako @ izany ? ny mahasambatra sy mahasoa ahy mety tsy mety aminao.

Fa ny reciproque-n'izay no hitako tsy misy.. fa tsy quoi, fa izaho fotsiny aloha rahefa mivanitika eto dia ... izay, fa mampi-relax ahy ato am-piasana ato izany :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4059