Ireo pretra (sasany) nanolana ankizy (4)

1. rhaj0 ( 10/12/2014 15:52)
Tohizako indray ny teto izay efa noresahina tatsy sy taroa.

Tsy izany fa midona aty antokotaniko aty ny resaka. T@ herinandro, dia nisy pretra (kanadiana) natolotra ny Fitsarana, satria nikitikitika boaikely 14 taona t@ 2008. (vaovao eto). Atsy @ Eglizy atsy ambadikanay atsy ilay bainina.

Dia miresaka @ r-a-d manodidina, ary dia tena mandaginina dia mandaginina...

- ka ity pretra hono kay ka nandalo tatsy @ sekoly katolika tatsy koa vao t@ 1 volana. Dia io izy izany sirika io. Koditra tanteraka ny boaikely mpiray tanana ato.

- ny boaikely misahota-tsaina, fa ilay sekoly katolika hono tsy mikozy tsy miteny. Mihevitra angaha ireto fa tsisy hahita ny tay an-tsalaka, fanefa dia ny andron'ny niakaran'i pretra t@ Fitsarana dia efa nanakoako eraky tokotany taty ny resaka...

- ny tena nandaginina (ahy), dia nisinisy ramatoabe, dia mbola manohana sy manatsara be an'ilay pretra ihany. Efa 50/50 io ny kOzy, io miakatra Fitsarana io, fa aleon-dramatoabe manohana ny "reputation"-n'ilay pretra (sy ny Eglizy ary ny system katolika iray manontolo), toa izay mijery ny fisahota-tsainan'ny boaikely rehetra. Tsy lazaina akoriny ilay zaza naolan-dra pretra io indray..


izaho aloha nefa dia "faly" fa mivoaka toa izao ny marina. Occasion ampianarana an-janako hoe, AZA mba matokitoky an'ireny olona ireny, na pretra izy na mpampianatra na i dadatoa akoriny aza... tsihaitsihay intsony ny olona pervers izao, nefa en position d'autorite..
novalian'i rhaj0 ny 12/12/2014 14:56
2. rhaj0 ( 10/12/2014 17:09)
Ity izao ho'a dia tena maharikoririko ahy..

Dia h-nilaza ny mpanohana an-dra-pretra ka hoe... ka "olombelona" ihany anie izy e... mety "manota" na mety diso.
Fa ilay zaza voaolana @ io izany dia hotry ny "fanaka" angambany an...
Fa dia mahatsiravina ilay izy e.. maharikoriko..


Fa mahatsiaro an'i Hery izay toa faly milaza foana koa hoe, "ka tena olombelona ihany tokoany koa i Jesoa"..


izaho zareo raha (tena) "mino", dia te-hino aho hoe, TSY olombelona ireo pretra (sy Jesoa) ireo fa tena superpower tsy mety diso, ary tena atokisako 100%, mikipy maso...

Izay no tsy mampety ny saiko, ary mahatsiaro ho tena tsy salama aho raha toa ka roboka @ "mino" (manaiky-tsisy-porofo, tsisy famabahana)...
3. gasy1zay ( 10/12/2014 18:02)
Jodasy ary anie rhaj0 ka anisan'ireo mpianatra 12 voafidy e, nahita ny fahagagana rehetra nataon'i Jesoa fa mbola voafitak'i Satana ihany. Tsy ny pretra na ny pastera no hinoana sy hametrahana ny fiainana fa i Jesoa Kristy ihany.

Io aloha dia safidinao ihany ny hino sy tsy hino fa tsy misy azo noterena,raha i Andriamanitra aza nanome safidy malalaka ny olona koa iza moa izahay no hanafoana izany safidy nomeny izany?
4. rhaj0 ( 10/12/2014 19:37)
Izany hoe TSY afaka, na akoriny aza hoe, TSY mahazo mametraka fahatokisana an'i Mopera/Pasitera 100% izany @ fiainana ? Izay ve no tian'i Gasy1zaylazaina ?

Raha tsy any am-piangonana/eglizy nefa izao ny olona en position d'autorité toa ireo, dia, normalement,
- misy background check,
- dia misy koa ilay tompon'andraikitry ny nanendry azy,
- dia misy koa ny procedure sy izay zavatra hafa mipetraka an-tsoratra, toa ny code d'ethique ets..
- ary dia rahefa misy raorao, dia misy ny procedure mifankahita any @ Fitsarana

Ka io ny olana (intrinseque) @ Fiangonana/Eglizy/Finoana/Fivavahana. Ny Mopera/Pasitera tsy hita mazava @ ahoana hoe, hatraiza ny redevabilite-ny, fa toa "minoa fotsiny ihany"..

5. gasy1zay ( 10/12/2014 20:20)

rhaj0:

Izany hoe TSY afaka, na akoriny aza hoe, TSY mahazo mametraka fahatokisana an'i Mopera/Pasitera 100% izany @ fiainana ? Izay ve no tian'i Gasy1zaylazaina ?

Raha tsy any am-piangonana/eglizy nefa izao ny olona en position d'autorité toa ireo, dia, normalement,
- misy background check,
- dia misy koa ilay tompon'andraikitry ny nanendry azy,
- dia misy koa ny procedure sy izay zavatra hafa mipetraka an-tsoratra, toa ny code d'ethique ets..
- ary dia rahefa misy raorao, dia misy ny procedure mifankahita any @ Fitsarana

Ka io ny olana (intrinseque) @ Fiangonana/Eglizy/Finoana/Fivavahana. Ny Mopera/Pasitera tsy hita mazava @ ahoana hoe, hatraiza ny redevabilite-ny, fa toa "minoa fotsiny ihany"..




Ny mpitondra fanjakana gasy nanao kolikoly ireo ve dia afaka nanao trafic bois de rose ohatra t@ izy ireo olon-tsotra? Ka raha nanao fanadihadiana aza ny fanjakana hoe nanao trafic ve ianao talohan'ny hidiranao ministra, dia hisy historique trafiquant ve? Tsia ngamba ny valiny, satria io voalazanao io hoe ny position maha ministra azy no nahafahany nanao trafic bois de rose.

Dia mitovy @ izay rhaj0, io tantara nozarainao io dia ny position nisy ilay pretra no nahafahany nanao "crime" fa raha tsy pretra izy moa na tsy en contact @ ankizy ahoana no fomba nahazoany nanao izany ka tsy tratra?

Izany hoe TSY afaka, na akoriny aza hoe, TSY mahazo mametraka fahatokisana an'i Mopera/Pasitera 100% izany @ fiainana ? Izay ve no tian'i Gasy1zaylazaina ?

Tsy anjarako ny hitsara hoe iza no azo atokisana na tsia, fa io na ny olona eritreretinao ho azo atokisana toy ny havana akaiky aza mety havanondoza @ zavatra tsy nieretreretinao.

Efa nolazaiko teto ihany anefa hoe misy ny zanak'Ambodia mitafy hodi-janakondry, misy ny mpaminany sandoka, mila fantarinao ny olona iray vao afaka lazaina hoe tena mifanaraka tokoa @ tenin'Andriamanitra ny fampianarana ataony, ny fomba fitondrantenany.

"L'habit ne fait pas le moine", mahalaza azy angamba io filaza vahiny io.
6. rhaj0 ( 11/12/2014 03:37)
Ka dia TSY azo atokisana intsony izany Mopera/pasitera. Ramalina aza mifehy an'ireo..

Taloha moa tsara afina ny tain-tsaka an-tsalaka, fa izao tsisy azon-dreo @ izany intsony.


Ity izao mitovy @ fantsin'i Kenyatta taloha:
« ... nous avions les terres et ils avaient la Bible. Ils nous ont appris à prier les yeux fermés : lorsque nous les avons ouverts, ils avaient la terre et nous la Bible. »


Version maoderina :

"Ils nous font prier les yeux fermés... et ils ont profité pour nous ... caresser" ... "pour l'Amour de Dieu" ????
7. rhaj0 ( 11/12/2014 11:32)
Asa raha mba azonareo an-tsaina ny angoisse mahazo ireo boaikely ireo.

T@ mbola kely aho, dia ny kianja filalaovanay dia ao Mahamasina. Dia atsy @ fanaovana tennis, dia malaza fa misy caliste (pedophile). Dia tsisy mankany mihintsy zahay. Fa in-1 andro nifanome defi rizalahy. (Izaho sendra narary t@ izay dia tsy teo, fa tena soa ihany). Fa tena noenjehin'i Caliste tokoany hono rizalahy, ary nitsoaka gaigibe daholo. Dia natao nihomehezana fotsiny sisa avy eo, fa tsy maintsy nihanika grillage-n'le court de tennis angaha rizalahy tao, ary nisy namana katavikely, fa tena tafahanika ilay grillage avobe koa hono lery. izany hono no tena hotry ny hoe ho faty raha tsy tafita, ary dia miracle... :-)

Izaho ho'a tsy nahita tao ka dia nivanika fotsiny. Fa ilay namana katavikely tena vaky fo sy tena koditrabe mihintsy. Sady lery ao Mahamasina no mipetraka dia nampitahorin-drizalahy hoe, tadidiny ialahy.


Izao izao... ireo boaikely ireo ve te-handeha any @ Eglizy ????? Efa hita io fa misy pedophile any ????
8. rhaj0 ( 11/12/2014 12:11)
http://ottawacitizen.com/news/local-news/ottawa-reverend-charged-with-sex-offences-on-young-boy
Amesse had previously served at Stittsville’s Holy Spirit Catholic Church. In response to a national poll about sex abuse cases, Amesse told the Citizen in 2002 that his parish had been growing despite the unhappiness of Catholics with how the church handled the abuse.

Amesse told the Citizen that many Catholics advocate allowing priests to marry and that they make what he thought was a misleading connection between the vow of celibacy and sex abuse.

“I think it’s a general concern that people might have that their priests are lonely,” Amesse said. “You can be lonely and have a family.”


Ka tena tsy olana ho an'i Amesse, ilay pretra miakatra fitsarana fa hoe pedophile, ka tsy olana aminy hono ny "celibacy" e.... dia io hita io izany ny "vaha-olana" aminy.

maharikoriko...
9. gasy1zay ( 12/12/2014 14:22)
Tsy katolika ny tenako ka mba saika hanontany izay mahafantatra, ity Holy Spirit Catholic Church ity ve izany mitovy ny fiangonana katolika romana ihany sa misy mahasamihafa azy?

Misaotra hoan'izay hamaly.
10. rhaj0 ( 12/12/2014 14:56)
Holy Spirit no anaran'ilay Catholic Church
Hotry ny hoe misy iray koa hoe Holy Redeemer..
Fa TSY hoe sekta ireo. Tena Eglizy Katolika Romana pure.
Raha any Dago dia hotry ny hoe Katedralin'Analakely dia fiangonana protestanta
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0292