Ny Fampianarana Katolika sy ny Fianakaviana Ankehitrio

1. rhaj0 ( 06/10/2014 13:42)
Misahotaka ny sangan-dradokodahy... sangisangy zary tenany io, fa toa mandeha be hono ny kaon-doha ao Vatican ao, ka raha ny fahazoako azy, dia toa mieritreritra ny @ ahoana ny Fampianarana "Katolika" (mety ho vaovao) ny olona ny @ Fianakaviana..

Ireto misy rakitra 2014 siritsiriko teny ho eny, toa mila (iarahana) vabahana...
- February 2014, GLOBAL SURVEY OF ROMAN CATHOLICS
- SYNOD OF BISHOPS, III EXTRAORDINARY GENERAL ASSEMBLY, THE PASTORAL CHALLENGES
OF THE FAMILY IN THE CONTEXT OF EVANGELIZATION, INSTRUMENTUM LABORIS, VATICAN CITY 2014
novalian'i rhaj0 ny 19/10/2014 23:28
2. hery ( 06/10/2014 14:19)
Tsy dia misy vahabahàna firy io ka.

Marina fa betsaka ny fanamby manoloana ny fianakaviana kristianina amin'izao fotoana izao. Ny anton'ny fivoriana ao Vatican indrindra dia hoe ahoana no hahafahana mitory an'i Kristy ao anatin'izany fanamby izany.
Ho diso fanantenana izay mieritreritra "restructuration" fa indrindra ireo izay manantena hoe hisy fitsimbadihana "éthique" amin'io sinaoda io. Satria tsy izany no tanjona.

Tsy ao anaty discussion mihitsy ohatra ny hoe "Afaka ravaina ny mariazy"... satria tsy misy mariazy azo ravàna izany. Fa ny mety hivoaka avy ao angamba dia hoe ahoana no fomba handraisana an'ireo olona misara-panambadiana sy ny status mikasika azy ireo ao amin'ny fiangonana.

Fa eo isika mahita izy.
3. rhaj0 ( 06/10/2014 14:26)
Tena mbola eo "am-panaovana" rizareo raha tsy diso aho. Sa efa vita sy tapaka ny "revy" ?

Ts'haiko aloha fa I Hery ao am-potony ao mahalala bebe kokoa.. Fa raha ny rereko sy hitakitako, dia ... misahotaka ny sangan-dradokodahy... fa ny olona mametra-panontaniana (remise en question?) be dia be (ny olona sy ny questions), dia ny Papa Fransoa toa revolisionera, ary nefany ny spin doctor koa be dia be ...

"Fa eo isika hahita izy."

[size=8]F'izany hoe izaho kosa aloha tsy hiandry an-dry Bishops, dia manao rafotsibe miandry izay hidonany eo, fa dia mba hanao ny questionnement-ko koa aho...[/size]
4. rhaj0 ( 06/10/2014 14:56)
[size=8]'Zafady fa tena tsy aritro ary dia hotry ny mateti-pihavy toa sotrokely... dia politisiana mihintsy i Hery izany (tato ho ato), ka hoe "Tsy dia misy vahabahàna firy io ka." [/size]

Hotry ny hoe dia izaho no olon-doza, fa ity ohatra no hitako:
CNN: More than 200 Catholic bishops, priests and laypeople from around the world gathered in Rome this weekend to begin discussing Catholic teachings on a range of hot-button topics, from contraception and same-sex unions to polygamy and communion for divorced and remarried Catholics.

Ary ity ny teny fampidiran'ilay Survey natao teo
The majority of Catholics worldwide disagree with Catholic doctrine on divorce, abortion, and contraceptives. Additionally, the majority of Catholics in Europe, Latin America and the United States disagree with established doctrine on the marriage of priests, as well as on women entering the priesthood.


Ka tena "eo am-panaovana" izany rizareo izao, ary dia tsihaitsihay izay ho "haterany"...
5. hery ( 06/10/2014 15:56)
Tsy mbola vita ka :-)
Fa efa napetraka kosa ny zavatra hodinihina.

Fa raha resaka survey dia hosahirana ihany satria any Afrika sy Amerika atsimo ny ampahany be dia be amin'ny Katolika. Nanontaniana ve ireny amin'ity hoe worldwide?

Fa ho hita eo ihany.
6. gasy1zay ( 06/10/2014 16:03)

rhaj0:

[

same-sex unions to polygamy [/i].



Izao zavatra izao no tena ilain'ny fampianarana kristianina mijoro @ ilay hoe fampianarana tsy misy kilema, rehefa tsy mifanaraka @ sitrampon'Andriamanitar dia tokony holavina hatr@ farany fa tsy hoe droit et liberté des personnes dia amboamboarina arak'izay ny tenin'Andriamanitra. Ny resaka divorce aloha dia mazava hoe halan'Andriamanitra saingy azo atao ihany fa ilay mariazy lahy sy lahy , vavy sy vavy na polygamie dia tokony tsy azo hamasinina velively anaty fiangonana kristianina.
7. rhaj0 ( 06/10/2014 16:27)
Atsy @ ilay http://bendixenandamandi.com/wp-content/uploads/2014/02/ExecutiveSummary.pdf ny fitsapan-kevitr'olona, ary hatrany Afrika sy Amerika atsimo tokoany izy ao. Ary toa i Vatican ihany anie no nampanontany e... Fa raha demokrasia izany ny Eglizy, dia ... tena hisahotaka ny sangan-dradokodahy :)

Fa i Gasy1zay kosany dia tena (miombon-kevitra @) Afrikana tokoany e... Ny Eoropeana sy Amerikana efa nisokatra @ taona 2000.. Aty Kanada izao ny resaka contraception sy ny kaondaona dia tsisy mikozy ny r-a-d katolika isan'isany fa any ambadika any samy miaro ny zanany fotsiny e.. f'angaha raha bevohoka na mahazo aretin-tsex eo ny Ankizy dia ho sitrana any @ Eglizy ? Ny @ sekoly katolika azany aty efa misokatra @ fikambanan'ny mpianatra gay sy lesbian kouh... Dia ilay anarana entin'ilay fkbn sisany no roritin'ny Eglizy fa tsy hay hidina/fefena intsony ny fi(s)ainan'ny Ankizy e...

Fa dia miditra kihon-dalana ny Finoana/Fivavahana e.. (tohin'ilay resaka atsy koa io).. K'aza dia manohan-dria-drano e... lasa izao :-)
8. gasy1zay ( 06/10/2014 17:11)

rhaj0:

Atsy @ ilay http://bendixenandamandi.com/wp-content/uploads/2014/02/ExecutiveSummary.pdf ny fitsapan-kevitr'olona, ary hatrany Afrika sy Amerika atsimo tokoany izy ao. Ary toa i Vatican ihany anie no nampanontany e... Fa raha demokrasia izany ny Eglizy, dia ... tena hisahotaka ny sangan-dradokodahy :)

Fa i Gasy1zay kosany dia tena (miombon-kevitra @) Afrikana tokoany e... Ny Eoropeana sy Amerikana efa nisokatra @ taona 2000.. Aty Kanada izao ny resaka contraception sy ny kaondaona dia tsisy mikozy ny r-a-d katolika isan'isany fa any ambadika any samy miaro ny zanany fotsiny e.. f'angaha raha bevohoka na mahazo aretin-tsex eo ny Ankizy dia ho sitrana any @ Eglizy ? Ny @ sekoly katolika azany aty efa misokatra @ fikambanan'ny mpianatra gay sy lesbian kouh... Dia ilay anarana entin'ilay fkbn sisany no roritin'ny Eglizy fa tsy hay hidina/fefena intsony ny fi(s)ainan'ny Ankizy e...

Fa dia miditra kihon-dalana ny Finoana/Fivavahana e.. (tohin'ilay resaka atsy koa io).. K'aza dia manohan-dria-drano e... lasa izao :-)


rhaj0 > tsy novakianao tsara ilay post nalefako fa ny NON catégorique amiko dia ny fandavana tanteraka ny mariazy homosexuel sy ny polygamie izay hitako fa tsy tokony hohamasinina any ampiangonana kristianina mihintsy, na katolika na protestant.

Ny sexualité adolescent indray mbola resaka lava be ka sao dia lasa hors sujet, fa ny afaka ambarako anao dia mahasitrana ny fanantonana an'Andriamanitrana inona na inona aretina, izany Andriamanitra mahay ny zavadrehetra izany anie no tianay hanankinanareo ny fiainanareo koa e, saingy tsy mino moa ny sasany ka tsy afaka ho forcena
9. rhaj0 ( 06/10/2014 17:24)
Atsy @ ilay fitsapa-kevitr'olona atsy izao dia 19% @ Katolika eran-tany (raha araky ny marge d'erreur-n'ity fanadihadiana ity) no manohana ny fanamasinana ny mariazin'ny Lahy-lahy sy koa Viavy-viavy any @ Eglizy.

19%. Eo @ 1/5 eo. Raha misy Katolika 5 eto @ serasera izany, dia ny iray manohana ny hanamasinana ny mariazin'ny gay/lesbian any @ Eglizy.

Na dia mitongilana (biased) azany ilay resaka, ka nanisihana polygamie (zara tsy nanisihany zoophilie koa azany), dia mbola misy 19% io no olona hendry mitovy @ iretsy 81% hafa hendry koa ka mihevitra fa tokony ho tohanan'ny Eglizy izany firaisana izany.

(hum... ilay resak'i Fransoa @ hoe "who am I to judge" aloha dia hiverimberina eo foana @ izay.. isaorana ny Papa)
10. rhaj0 ( 06/10/2014 19:21)
T@ ilay fitsapa-kevitr'olona io ihany, dia 19% kosany no manohitra indray @ ity mitoraka ity, 19% no manohitra ny ampiasana contraception (Condom). Dia toa io ambony io ihany, dia raha misy Katolika 5 izany eto @serasera eto, dia ny 1 amin-dreo no manohitra ny hampiasan'ny Ankizy condom (satria hono izany no Fampianarana Katolika).

Ka dia hanaja ny demokrasia ve izany ny Papa ? Ka TSY hanamasina ny firaisan'ny L-L sy V-V ao @ Eglizy, fa kosa hamela ny Ankizy hampiasa Kaondoma ?
11. hery ( 06/10/2014 19:34)
Tsy demokrasia ny Fiangonana :-) soa ihany...

12. rhaj0 ( 07/10/2014 10:53)
Sarotra ihany, raha amiko aloha, ny miaina TSY ao anatin'ny revin'ny taona 2000. Rahefa mahita tsirony @ fahalalahana/demokrasia/accountability/transparency... na dia tsy parfait azany izany izao, dia tena tsy te-hitodi-doha intsony, satria tsy manaiky intsony ilay saina sy fo.

Ohatra izao any @ sekolin-janako, dia mihetsika ny r-a-d-n'ny mpianatra, fa tsy fotoanany intsony izao ny @ toatoa ny hoe, ny mpampianatra no mpanjaka kely (aorian'A.tra) ao andakilasy. Tsy fotoanany intsony izao ny @ hoe, raha mankany ampianarana ny r-a-d, dia satria maditra ny zaza, na hoe ndeha hihaino ny didy sy fanapaha-kevitr'i Radiry. Izao ny conseil d'ecole dia tena miandry zavatra betsaka @ sekoly. Hotry ny hoe, "client" ny r-a-d sy ny mpianatra izao, ka dia redevable @-dreo ny "A.tra-kely-taloha-tao-an-tsekoly"


Ka mino aho fa tsy "izaho" irery no toa izany. Efa mahita akoriny moa aho izao izany. Mino aho fa mahita ny Ankizy ankehitrio ary miaina, na mibanjina ny hiaina, ao anatin'izany. Ary dia veloma-lava ry Bainina sy Baofy mbola tery, na voatery, na mitady haneritery, ny fi(s)ainan'ny Ankizy @ TSY-demokrasia, TSY-fahalalahana, TSY-accountablility/redevability,TSY-fanajana ny tsirairay, na ny maroisa na ny vitsy-isa...
13. vahiny2004 ( 07/10/2014 11:09)
hery:

Tsy demokrasia ny Fiangonana :-) soa ihany...



Voalazanao !
14. rhaj0 ( 07/10/2014 13:00)
Ny @ "fanenjehana" indray aloha dia ... pli-vava ny tantara fahiny fotsiny izany raha ny fahitako azy. Taloha-tsy-nipataloha no nisy "nanenjika" ny Kristiana tany moyen orient tany, fa izao na aty Kanada na ao Dago dia tsisy an'izany, raha ny fahitako azy (sa ianao mbola mahita kristiana atsipy any @ liona?)

Fa raha ny @ "fankahalana" indray, dia hoy aho hoe...
rhaj0:
... ny "Kristiana sasany" (ihany) no mankahala ny "Kristiana namany" ...

Io dia hita mazavabe, na dia eto @ serasera eto fotsiny aza..
- ny Loterana faly rahefa mitsakohana ny FJKM
- ny TJ tsisy mpitia
- ny sasany manebaka ny hafa ho "sekta", ny hafa tsy te-ho... "katolika"
- ny ahy no "tena izy", ny an'izatsy pepoina ho tsy tena izy...

Raha misy io "fifankahalana", fifanilihana, na koa tsy-fifankatiavana tsotra fotsiny, eo @ SAMY KRISTIANA io, dia, raha ny fahitako azy, dia intrinseque @ Christianity ilay izy : rahefa hoe "tery ny lalana", hozy i RBNIR izay, dia mifanipaka an-karona ny valala..
15. gasy1zay ( 07/10/2014 13:27)

rhaj0:

Ny @ "fanenjehana" indray aloha dia ... pli-vava ny tantara fahiny fotsiny izany raha ny fahitako azy. Taloha-tsy-nipataloha no nisy "nanenjika" ny Kristiana tany moyen orient tany, fa izao na aty Kanada na ao Dago dia tsisy an'izany, raha ny fahitako azy (sa ianao mbola mahita kristiana atsipy any @ liona?)

Fa raha ny @ "fankahalana" indray, dia hoy aho hoe...
rhaj0:
... ny "Kristiana sasany" (ihany) no mankahala ny "Kristiana namany" ...

Io dia hita mazavabe, na dia eto @ serasera eto fotsiny aza..
- ny Loterana faly rahefa mitsakohana ny FJKM
- ny TJ tsisy mpitia
- ny sasany manebaka ny hafa ho "sekta", ny hafa tsy te-ho... "katolika"
- ny ahy no "tena izy", ny an'izatsy pepoina ho tsy tena izy...

Raha misy io "fifankahalana", fifanilihana, na koa tsy-fifankatiavana tsotra fotsiny, eo @ SAMY KRISTIANA io, dia, raha ny fahitako azy, dia intrinseque @ Christianity ilay izy : rahefa hoe "tery ny lalana", hozy i RBNIR izay, dia mifanipaka an-karona ny valala..


Fa ianao ve ry rhaj0 miaina any Québec dia milaza fa tsy misy ny fankahalana sy fanilihana kristianina? Mba gaga @ zany ihany ny tenako, ianao nilaza heo handosiran'ny olona ny kristianina tatsy @ le sujet 1 dia tsy fankahalana ve zany fandosirana izany? amiko matoa ianao mandositra olona na zavatra iray na halanao izy na atahoranao, inona moa ny atahoran'ny tsy mino kristianina raha mihevitra izy hoe tsy misy Andriamanitra, dia matoa izy zany "mitsoaka" dia amiko tsy fitiavana na fankahalana, omeko porofo indray ianao fa ianao manko hitako hoe olona pragmatique : ny femen ve tsy tsapanao hoe mankahala ny kristianina, efa hitanao ve ilay reportage mikasika an'ilay hiran'i Led Zepplin hoe "stairway to heaven" izay misy message subliminal hoe " je hais Jesus, il me rend malade", tsy fankahalana ve izany aminao? ny fankahalana sy fanenjehana tsy au sens propre du terme fa refa fanaratsiana na fandotoana na fitsoahana na fanilikilihana dia efa izy amiko.


Marina ny an'ireo namana eo ambony fa ny fivavahana tsy hoe fanaovana izay tian'ny be sy ny maro fa matoa ny mpitondra fivavahana manaraka ny tenin'ny be sy ny maro dia lasa toy an'i Saoly Mpanjaka izy, izay ny vavan'ny vahoaka no nahamay azy fa tsy ny fanarahana ny sitrampon'Andriamanitra.
16. rhaj0 ( 07/10/2014 13:28)
Toa misy sarintsarina demokrasia ihany ao @ Eglizy Katolika Romana raha toa izao:
There will be one vote at the end of the synod, to approve the final document of recommendations, called the Relatio Synodi, which will be given to Francis.
(vakio avy eto)

Fa avy eo ve dia ho priatiny ny teny midina, ary dia arojony ny varavaran(tsaina).. toa ny natao t@ Vatican Council II hoy ny critique-n'ny sasany ??..

Fa dia ho sahirana ny Papa Fransoa.. Izy mantsy, raha ny fahatakarako azy, dia akaikin'ny olona, ary mihaino tokoany ny olony. Hafa hono ny Papa Benoa, izay akaiky ny teoria sy ny boky, ka kinga be mamariparitra hoe izao sy izao no (tsy) tsara ho an'ny olony.

Ka rahefa hoy ny 80%-n'ny olony hoe katsaka, dia hahasahy ve izy hanitsaka, contrE et surcontrE :) hoe voanjobory?... Dia sanatria ve ho toa ny @ "demokrasia" tandrefana ihany, ka ny 1% no tena mahery, dia mody amboarimboariny hoe, ka hozy ny texte sy constitution?...

"Fa eo isika hahita azy."
17. gasy1zay ( 07/10/2014 13:49)
rhaj0 > efa voalazan'ny Baiboly io ry namana a! jereo II Timoty 4 : 3 " Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema, fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany"

Tsy zakan'ny olona mihintsy ny hoe aza manao an'izao, aza manota intsony, mibebaha, etc... Dia io ny olona mitady hanova ny fampianarana hifanaraka ny filany.
18. rhaj0 ( 07/10/2014 13:49)
Rahefa TSY mitovy hevitra dia TSY voatery midika hoe "mifankahala". Misy koa ny fahendren'ny Ntaolo manao hoe "mihatakataka aho fa fanondrobe". Ary tsy hoe "mahatahotra" ny fanondrobe @io.

Ny @ "fanenjehana": na ny politisiana (aty) azany samy manana ideoloziany, fa mifanaja zareo, manao compromis, ary tsisy ny inquisition na fosse au lion izany. Ny "fanenjehana" ny sekta, dia tsy hoe satria izy "mino", fa hoe, satria izy manitsakitsaka ny zo aman-dalana.

Ny message subliminal indray dia reaction-n'ny olona @ message subliminal namely azy. Fa individu no mamely eto fa tsy hoe system. Nefa ny system (reliziosy) @ io no namely ilay individu izay mba manana reaction...


Fa kosa, marihina tsara fa ny Kristiana (sasany) no m(p)anao an'io mampiditra fankahalana io raha vao tsy mitovy (hevitra na finoana) aminy. Ohatra i Georges W Bush (kristiana) : rahefa tsy miaraka aminy hono dia fahavalony, axe du mal axe du bien... Izany no toherin'i Obama (kristiana koa) fa tokony ho inclusive ny Kristiana fa tsy exclusive toa izany...
19. rhaj0 ( 07/10/2014 13:55)

gasy1zay:
II Timoty 4 : 3 " Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema...

TSY hoe "tsy zakan'ny olona" ilay izy, fa hitan'ny olona (mandinika) fa "absurde"..
Ohatra hoe, zakanao ve ny fampianarana fa "tsy boribory ny tany"?
20. gasy1zay ( 07/10/2014 14:24)
rhaj0 > Raha fehezina ny lazainao dia mitovy @ ilay voalaza ihany fa afaka adika hoe : " tsy zakany ilay fampianarana satria hitany hoe "absurde" fa tsy mifanaraka @ filany " resaka interpétation daoly zany fa ilay idée dia io efa ao @ Timoty II io, ianao ihany anie no miaiky hoe hahazaka fampianarana hoe boribory ny tany ve ny tenako, midika izany fa d'accord ianao hoe tsy zakan'zareo ilay fampianarana misy @ izao dia io tiany hovaina @ fanaovana pression any @ pape io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5042