Ny homosexual sy ny Katolika

1. rhaj0 ( 05/03/2014 19:08)
Raha ny fahazoako azy, dia ny Katolika no (tena) mbola nanipaka ny homosexualitE (hatramin'izao aloha) fa ny Kristiana hafa kosa efa manaiky (na dia tsy miteny aza). Fa tato ho ato, ny Papa Francis dia, raha ny fahazoako azy, dia manomboka mikisaka moramora ny hanaiky ny homosexualitE. Araka ny taterin'i CNN eto ohatra, raha amim-pomba ofisialy aloha izy dia mbola milaza fa manohitra ny fanambadian'ny homosexuel, fa kosa :
- izao indray izy manisika hoe mety hanohana "fiarahana sivily" (civil union, mba tsy ampiasaina ilay teny hoe "fanambadiana" izay misy heviny lalina eo @ kristiana).
- efa nalaza iny ilay valin-teniny raha ohatra ka natsikafon'ny mpanao gazety ny momba ireo pretra homosexuel: "who am I to judge?", hoy ny Papa Francis


Raha ny fahatakarako ny kabariny, dia efa tsy manadevoly (diaboliser), na hoe manondro fa "aretina", ny homosexuel intsony (na mihintsy) ny Papa Francis.


Raha ny hevitro manokana dia tsara rahefa miha-miala @ ... homophobie izao tontolo izao.
novalian'i rhaj0 ny 13/03/2014 14:33
2. Maranatha ( 06/03/2014 05:21)
rhaj0:

Raha ny fahazoako azy, dia ny Katolika no (tena) mbola nanipaka ny homosexualitE (hatramin'izao aloha) fa ny Kristiana hafa kosa efa manaiky (na dia tsy miteny aza). Fa tato ho ato, ny Papa Francis dia, raha ny fahazoako azy, dia manomboka mikisaka moramora ny hanaiky ny homosexualitE. Araka ny taterin'i CNN eto ohatra, raha amim-pomba ofisialy aloha izy dia mbola milaza fa manohitra ny fanambadian'ny homosexuel, fa kosa :
- izao indray izy manisika hoe mety hanohana "fiarahana sivily" (civil union, mba tsy ampiasaina ilay teny hoe "fanambadiana" izay misy heviny lalina eo @ kristiana).
- efa nalaza iny ilay valin-teniny raha ohatra ka natsikafon'ny mpanao gazety ny momba ireo pretra homosexuel: "who am I to judge?", hoy ny Papa Francis


Raha ny fahatakarako ny kabariny, dia efa tsy manadevoly (diaboliser), na hoe manondro fa "aretina", ny homosexuel intsony (na mihintsy) ny Papa Francis.


Raha ny hevitro manokana dia tsara rahefa miha-miala @ ... homophobie izao tontolo izao.

Hoatry ny somary diso ny fijerinao nilaza fa ny Katolika no (tena) mbola nanipaka ny homosexualitE (hatramin'izao aloha) fa ny Kristiana hafa kosa efa manaiky (na dia tsy miteny aza).
Ho an'ireo rehetra mitandrina ny Didin'ny Tsitoha dia tsy mankasitraka velively io izahay. Aza adino fa io no antony nandravana an'i Sodoma sy Gomoro. Tsy hiombona aminareo velively ny amin'izany izahay vahoakan'i Tsitoha. Rehefa mihamiroborobo io dia fantaro fa tafakatra eo @ lanitra ny fahotana ho avy ny anjelin'i Ray handrava izao tontolo izao. Mibebaha hianao fa tsy ny manao ihany fa ny mankasitraka koa.
3. bor2lais ( 06/03/2014 13:00)
Tahaka ny marary sy ny aretina io : tsy ilay marary akory no tsy tiana fa ny aretina. Tsy ny olona voan'ny "sida" akory ohatra no tsy tiana fa ny "sida". Saingy ny olana dia ity : tena sarotra be mihitsy ny mitsabo olona izay tsy manaiky ny tenany fa marary (ary ny loza dia mety mifindra mihanaka amin'ny hafa ilay aretiny amin'izay fotoana izay) !

Fomba fijeriko ihany anefa izay ! ;-)
4. rhaj0 ( 06/03/2014 14:25)
Raha hitsikarakaraka atsy @ ranamana Google izao ohatra, etoy, dia ahita ireo olona izay handrandrain'ny mpiara-monina nefa homosexual: ry Drew Barrymore, ry Martina Navratilova, ry Elton John, Jason Collins... Koa na i Vatican aza lasa manaja (honorer) an'ilay ranamana ato. Ka hetsehin'ny devoly sa tena manan'aretina tokoany ireo olona ireo?

Fa ny atambo dia.. jereo tsara ny fiantraikan'ny manadevoly (diabolisation) sy ny manilika-fa-aretina ny homosexualité.
Nisy mpianatra eny @ ambaratonga faharoa taty, dia satria izy homosexuel, dia satria voapepo ny sain'ny ankizy namany hoe devoly/aretina izany, ary dia nampijalian'ireto adala ireto (harassement/bullying) ilay ranamana; ny niafarany dia namono tena ilay ranamana.

Izao izao ny any Ouganda dia nampiditra ho lalàna fa ho vonoina ny homosexuels. (hotry ny hoe izay hono, hoy ny mai-vava, no fanomezany ho an'ny Papa Benoit)


Nefa anie jereo fa mivoaka foana hatrany izao ny niafina, ohatra ireo pretra pedophiles izay homosexuals ny ankamaroany. Indray mandeha t@ fahita lavitra taty, hatramin-dry Masera (sasany) tao @ilay fitaizana zaza kamboty aby koa no nanery ireo mpianany, na vavy na lahy.


Ny fahitako azy, dia rahefa poretina ho devoly/aretina ilay izy, nefa anie izany dia "natioraly" ao anatin'ilay olona, dia mipoitra ny olanabe.
- lasa afenina ary lasa manimba ny ao anaty
- lasa afenina ary lasa manery ny olona/zaza hafa eo ambany fahefanao (ry pretra sasany ohatra io)
- potika ny fiaraha-monina: lasa "normal" sy hoe "mendrika" ny fanenjehana sy fampijaliana (harassement/bullying), ary izany dia miitatra h@ famonoana (sy fandringanana..).


Ny fahitako azy, dia ireo mpanilika ny homosexualité indrindra (matetika) no toa mihilana mankamamy izany ao anaty fo sy fanahiny lalina ao, kanefa moa poretin'ny aty ivelany izy, ary dia lasa manana vali-ketsika mahery vaika feno fankahalana ny hafa. Ary hahita foana izy fanamarinana izay fihetsiny mahery vaika sy feno fankahalana izay, ohatra hoe anaty Baiboly. Nefa ve ohatra ny Baiboly mandrisika "fihetsika mahery vaika sy feno fankahalana" ?



Fa dia fianarana ny fiainana e... mivoatra hatrany isika olombelona. Sokafy ny maso sy sofina sy saina ary ny fanahy sy ny fo. Tsy ilaina ny mamikitra ny "fomban-tany sy riba" t@ fotoanany...
5. rhaj0 ( 06/03/2014 14:40)
Ampiako kely.. i Leonardo da Vinci, i Ricky Martin, siantista sy pretra
6. bor2lais ( 06/03/2014 15:36)
Ary sao dia tokony tsy hitsabo tena intsony koa ary isika satria "natioraly" ny fahafatesana ! :-)

Miala tsiny fa mety HS angamba ny ahy iny ! Tsy hita fa toa lasa amin'ny fomba fiteny hoe "mandeha ho azy io fa ianareo no tsy zatra !" izy ity ! :-)
7. rhaj0 ( 06/03/2014 15:59)
bor2lais:

Fomba fijeriko ihany anefa izay ! ;)


Ka "aretina" tsaboan'ny psi ve no tianao tenenina?

Aleo ary vakiana ahoana hoy ny psi. Hoy ny namantsika Google hoe etoy jerena. Ny lahatsoratsa farany dia milaza hoe :
Avy @ Cornell University :
Then the article goes on to detail a study published in 1987 by a scientist named Hooker that lead to the undermining of the commonly accepted theory that homosexuality was tied to mental illness. After that the article discusses the progression of the Statistical Manual of mental Disorders, which eventually resulted in a complete removal of homosexuality from its list of disorders, and finally details the evolution of the Association of Gay and Lesbian Psychiatrists.



.. fa dia aza miala @ google ho'a... ;)
8. bor2lais ( 06/03/2014 17:12)
Hoy ny filamatry ny dokotera ("sasany") izay : "Izahay dia mitsabo ihany fa Tokana no manasitrana"

Tsy fantatro indray aloha raha mety ao @ google io na tsia ! ;-)

Tsy dia "référence"-ko loatra mantsy io anao io ! :-)
9. rhaj0 ( 06/03/2014 17:31)
bor2lais:
Hoy ny filamatry ny dokotera ("sasany") izay : "Izahay dia mitsabo ihany fa Tokana no manasitrana"

Izaho mino fa mba resaka ka atao. Mety vali-teny ialana sirika rahefa tsy mahomby akory aza io, raha ny fahitako azy.

Satria raha ohatra ka efa Misy ny "manasitrana", maninona izy ireo no mbola "hitsabo"?

Io indrindra ilay hevi-diso rahefa raisin'ny sasany "ara-baki-teny" ilay hoe "Tokana ny manasitrana". Ary izany dia "meloka" (criminelle) mihintsy, raha ny fahitako azy, rahefa zaza no tsy alefa ho tsaboina satria ...
10. rhaj0 ( 06/03/2014 17:47)
Fa aza miala @ google ihany ho'a fa ity izao koa hitany... Etoy jerena :
“The capacity of gentle souls to unite their voices in a message of peace and strength is certainly the greatest gift of mankind—I’m not denying any of that. But when you’re a 94-year-old man with a horrible lung infection, you need trained medical professionals. That’s really most important. All that prayer stuff is, frankly, pretty useless.” xxxxxxxx said...


Fa dia ianaro ny fahendren'ny antitra (94 taona) fa ... tsara ilay Tokana fanefa ny fitsaboana no ilaina.
11. rhaj0 ( 06/03/2014 17:55)
hey bor2lais, tsy hitan'i google marina ny lazainao; fa ianao kosa hitan'i google tsaratsara mihintsy eto ;)
12. RBNIR ( 07/03/2014 05:34)
Faly miarahaba namana,

Homosexuel, lahy sy ny lahy, na vavy sy ny vavy, filan'ny nofo efa tsy voafehy intsony ota B tafapaka any amin'Andriamanitra, jereo ny tantaran'ny sodoma sy gomora ao anaty baiboly Vakio ato,

Nahita ireo anjely roalahy ny olona tao an-tanana dia saika "hanolana" mihitsy aza noho ny filan'ny nofo efa tsy voafehy intsony.

Andriamanitra tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay, ka raha nofaiziny sodoma sy gomora noho izany dia mazava ho azy fa raha ho tonga amin'izany koa ny zanak'olombelona aty aoriana tsy hiangatra mihitsy IZY fa tsy maintsy hahazo ny anjara mitovy amin'ny azon'i sodoma sy gomora izay manao izany.

Samia mandinika tsara e, Efa mizotra mankaiza isika izao???

IZAY MANAMASO AOKA HAHITA, IZAY MANAN-TSAINA AOKA HISAINA

Samia ho tahin'ny Tompo daholo namana
13. bor2lais ( 07/03/2014 11:34)
rhaj0:

Izaho mino fa mba resaka ka atao.

Izay izany ny finoanao ka akory atao ! :-)
rhaj0:

Mety vali-teny ialana sirika rahefa tsy mahomby akory aza io, raha ny fahitako azy.

F'angaha mbola misalasala tahaka izany indray ilay finoanao azy ? :-)
rhaj0:

Satria raha ohatra ka efa Misy ny "manasitrana", maninona izy ireo no mbola "hitsabo"?

:-)
Raha ilazako ianao hoe : "misy ny afaka aretina fa tsy sitrana" na "misy ny sitrana fa tsy afaka aretina" dia tapitra avadibadikao ao angamba ra-google e ! :-)
rhaj0:

Io indrindra ilay hevi-diso rahefa raisin'ny sasany "ara-baki-teny" ilay hoe "Tokana ny manasitrana". Ary izany dia "meloka" (criminelle) mihintsy, raha ny fahitako azy, rahefa zaza no tsy alefa ho tsaboina satria ...

Dia aza raisina ara-bakiteny ary ilay izy e ! :-)
14. rhaj0 ( 07/03/2014 14:31)
Ka rahefa tsy tianareo aza i Google dia.. siriho indray Wiki (karohy avy @ Google)...
Eto izao famintinana kely ny @ Kristiana sy ny Homosexualite:
"Quelques Églises, anglicanes ou protestantes, acceptent aujourd'hui le ministère ecclésial de personnes homosexuelles et bénissent des couples de personnes de même sexe ou transgenres ; mais la majorité des Églises dans le monde refusent ces pratiques."

Dia eto koa misy salanisa mety ahaliana anao:
"... available figures for homosexual priests in the United States range from 15–58%"
Ny salanisa misy moa dia ny ao Zamerika ao, fa "mino" aho fa toatoa izany koa ny eran-tany fa ny salanisa fotsiny no tsisy. Indrindra ny any amintsika. Fa ny fanafenana ny natioraly fotsiny ny any amintsika no lasa mila atao rezatra satria mafibe ny vavan'ny mpiara-monina. Sa izaho no diso...


Fa io moa zavatra tsy mahagaga satria... eto izao ohatra hoy ny Hinduism :
"Homosexuality is regarded as one of the possible expressions of human desire. Although some Hindu dharmic texts contain injunctions against homosexuality, a number of Hindu mythic stories have portrayed homosexual experience as natural and joyful."


Dia averiko kely indray ilay fijeriko. Ny "natioraly" (sy ny lozika) dia ahatsindry (foana) izay fanapriatin'ny Fiaraha-monina/Fivavahana fa hoe devoly/aretina ny zavatra iray araka ilay ... fomban-tany sy riba t@ fotoanany.


Fa dia mba hanokano fotoana sy hery ary finiavana sy fahavitrihana re ny tsikarokaroka (eo @ Google), ary ampirisiho @ izany ny ankizy fa... (tokony) ho lasa lavitra (kokoa) ny gasy
15. manoasoa ( 10/03/2014 12:39)

"Quelques Églises, anglicanes ou protestantes, acceptent aujourd'hui le ministère ecclésial de personnes homosexuelles et bénissent des couples de personnes de même sexe ou transgenres ; [size=15]mais la majorité des Églises dans le monde refusent ces pratiques." [/size]


Ianao ihany ary dia efa mamaly azy koa inona no mbola tokony hiresahako betsaka. N'aiza n'aiza alehanao ny majorite foana no manjaka ka!!!



"... available figures for homosexual priests in the United States range from 15–58%"


Na ahoana na ahoana kosa aloha sady tsy natioraly no tsy lozika kosa raha misy io salan'isa io e! Tsy tokony hisy petra homosexuel izany, Ataoko fa tsy manambady foana reny na lahy na vavy ny ho vadiany ary tsy misy nanosika azy nanao pretre(le célibat des prêtres n’est pas une norme théologique, mais disciplinaire). Donc diso izy amin'izay fanekena efa nataony. Ny fiaraha monina, ny fivavahana no nametraka ny pretra teo amin'io place tokony hisy azy io ary nisy fifanekena tao matoa nanolon-tena ho amin'izany izy. Exemple hafa tadiavina ao google sy wiki e!
16. rhaj0 ( 10/03/2014 13:00)
manoasoa:
Ianao ihany ary dia efa mamaly azy koa inona no mbola tokony hiresahako betsaka. N'aiza n'aiza alehanao ny majorite foana no manjaka ka!!!

Fa araho ny fivoatran'ny salanisa, na koa ny fivoatran'ny fomba fisainana/fiainana ary fahalalana sy fahalalahan-dRaolombelona.. Koa na ny kristianisma koa angaha moa tsy niainga t@ vitsy an'isa..

Namaky magazina aho omaly. Dia hoe.. "raha ohatra ka" no resaka.
Ohatra hoe, "raha ohatra ka" tsy maty hono i JFK.. dia hoe, hoy ny mpahay tantara sy mpandinika hoe, ny nahalasanan'i JFK no nahatonga saina ny Bekintana hoe, fa maninona tokoany isika izany no be fankahalana, hany ka noekena ihany farany ny zon'ny mainty hoditra. Fa i JFK mantsy, dia isan'ny tena namohy ilay hevitra, nefa dia angady tsy nahatapak'ahitra, satria ny Congress t@ izany dia nanohitra (toa ny mitranga @ Obama izao). Nihaona t@ Martin Luther King izy hono, dia ny voalohan-teniny dia hoe, tsisy inona azoko atao aminareo aloha izao, fa ovay ny fangatahanareo.

Dia tao @ ilay magazina koa hoe.. "raha ohatra ka" tsy naty teo @ vokovoko i Jesosy, "raha ohatra ka" nijoro i Pilaty ary niteny hoe tena tsisy heloka i Jesosy ka tokony TSY ho vonoina. Dia ny hitan'ny mpahay tantara teo dia hoe, dia ho lasa nanohy nampianatra ny mpanaraka azy i Jesosy, toa ny sekta misy ankehitrio io, ary dia mety levona ho azy teny ny fampianarany (toa ireo sekta maro t@ androny), ary dia ho tsy nisy ny kristianisma sy ny kortezy manaraka azy h@ izao.


manoasoa:
Exemple hafa tadiavina ao google sy wiki e!

Etoy misy maro azonao safidiana ny ho vakiana (sy inoan-teny)... ohatra hoe:
"Pope Francis: gay priests in the Vatican? Yes."
17. radadatoa ( 10/03/2014 14:52)
homosexuel zareo d sodomita a en plus koa ts mis biby manao izany ar ts d aretina loatr fa filana mvadika fahazarandrats
18. rhaj0 ( 10/03/2014 15:13)
radadatoa:
... ts mis biby manao izany ...

Siritsiriho ihany i google, ohatra eto, fa tena... angamba voatanisa ao anatin'ity lisitra ity ny bibin'i Noah rehetrany anie ka nahitana fiainana homosexoaly..
19. ombelline ( 10/03/2014 15:21)
Efa nisy nanao étude tokoa ve ny taux d'hormones @ olona homosexuel ? Arak'ilay fanontaniana tary ambony hoe "inné ou acquis" ve ny homosexualité ?

Ny étude génétique koa manao ahoana ? Au lieu de XX na XY dia manome inona ? Ny olona trisomique manko dia fantatra eo @ resaka gène hoe misy diso ilay chromosome 23
20. rhaj0 ( 10/03/2014 15:45)
Ny @ hormones dia izao no hitan'i google avy eto ka manketo hoe:
".. Clearly, prenatal or postpubertal hormone levels do not determine the development of sexual orientation..."

Ny @ zenetika indray, dia hoy i google avy eto ka manketo hoe:
"Being homosexual is only partly due to gay gene, research finds."

Fa mbola mitohy ny tsikaraka sy tsikaroka ataon-dRaolombelona fa dia tohizo koa ny tsikaroka sy tsikaraka eto google e... ;)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2135