Ny homosexual sy ny Katolika

21. manoasoa ( 11/03/2014 06:05)
1- Mivaona be ilay adi-hevitra

rhaj0:

Etoy misy maro azonao safidiana ny ho vakiana (sy inoan-teny)... ohatra hoe:
"Pope Francis: gay priests in the Vatican? Yes."


2- Izaho aloha tsy niteny mihitsy hoe misy sa tsy misy ny pretra homosexuel fa raha ny lozika no resahana [size=20]tokony tsy hisy pretra manambady [/size]izany point barre. Izay no efa nekeny tsy an-tery.

rhaj0:

...ny bibin'i Noah rehetrany anie ka nahitana fiainana homosexoaly..


3- Mba omeo ny toko sy andininy misy an'izany ao anaty Baiboly?


radadatoa :

homosexuel zareo d sodomita a en plus koa ts mis biby manao izany ar ts d aretina loatr fa filana mvadika fahazarandrats


4- Marina bibliquement

rhaj0:

"Being homosexual is only partly due to gay gene, research finds."
".. Clearly, prenatal or postpubertal hormone levels do not determine the development of sexual orientation..."


5- Marina scientifiquement fa mbola mitohy hatrany ny fikarohana....
22. ombelline ( 11/03/2014 08:08)
rhaj0:

bor2lais:
Hoy ny filamatry ny dokotera ("sasany") izay : "Izahay dia mitsabo ihany fa Tokana no manasitrana"

Izaho mino fa mba resaka ka atao. Mety vali-teny ialana sirika rahefa tsy mahomby akory aza io, raha ny fahitako azy.

Satria raha ohatra ka efa Misy ny "manasitrana", maninona izy ireo no mbola "hitsabo"?

Io indrindra ilay hevi-diso rahefa raisin'ny sasany "ara-baki-teny" ilay hoe "Tokana ny manasitrana". Ary izany dia "meloka" (criminelle) mihintsy, raha ny fahitako azy, rahefa zaza no tsy alefa ho tsaboina satria ...


Ary ekenareo ve fa fitaovana entin'ilay Tokana hanasitranana ny mpitsabo ?
23. Tefigasy ( 11/03/2014 12:16)
Aty amin'ny fivavahana sy finoana ity no mipetraka dia andeha haompana kokoa amin'ny resaka fivavahana ilay izy fa tsy any amin'ny resaka siansa !
Raha manomboka mamaky ny baiboly isika; vao ao amin'ny bokin'i Genesisy dia efa hahitana sy miresaka sahady izany homosexualite izany : tantaran'i Sodoma, ny nandravan'Andriamanitra izany tanana izany .
Mipetraka tsara ao amin'io bokin'i Genesisy io ihany koa fa vehivavy iray (Eva) no nataon'Andriamanitra ho vadin'ny lehilahy iray (Adama). Ary ireo no notsofiny rano. Ny dikany izany raha te hahazo fitsofan-drano (fanamasinana) eo anatrehan'Andriamanitra ny olona eo amin'ny sehatry ny fanambadiana dia tsy maintsy ho vehivavy iray sy lehilahy iray ihany no azo atao izany (mariazy). Dia hoy ilay fitenin'ny tetezamita izay hoe: "dia gaga ialahy" fa betsaka ny antokom-pivavahana manda sy tsy manaraka intsony izany planin'Andriamanitra mikasika ny fanambadiana izany ka mankatoa izany hoe mariazy homo izany !!!!!!

Hotohizantsika ny boky ao amin'ny baiboly, hikisaka kely ato amin'ny levitikosy isika. Lev.20:13 "raha misy lehilahy mandry amin'ny lehilahy, tahaka ny fandry amin'ny vehivavy dia (....) efa nanao fahavetavetana izy roalahy"
Niniako tsy nosoratana ilay teo afovoany fa toa mavezatra tokoa ho an'ny hafa, lazainy fa mampitahotra eo indray aho nefa dia tena izay no drafitr'Andriamanitra ho an'ny olombelona, ary fahavetavetana eo imasony izany homosexuel izany.

Fa andeha ary jerena ilay tenin'ilay olona eo ambony milaza fa natoraly io zavatra io. Toa milaza izy fa mahay noho ilay Andriamanitra nanao ny olona ka mamoaka fehin-kevitra avy hatrany fa natoraly io : manao an'io ny biby, manao an'io ny olona, natoraly io izany !
Hoy aho aminy hoe, tany am-piandohana, raha namorona izao tontolo izao Andriamanitra dia nahita fa tena tsara ny zavatra rehetra nataony. Hatramin'ny devoly aza dia anisan'ny arkanjely nanana ny toerany tany amin'izay nametrahan'Andriamanitra azy. Saingy izao , rehefa nisy ny fikomiana, nivadika taminy ny zava-boahary izay nataony, anisan'izany ny olombelona rehefa tsy nankatoa ny teniny, dia nipoitra daholo izao fahavetavetana rehetra izao ary anisan'izany ny resaka homosexualite. Fantaro fa misy ihany koa olona miray amin'ny biby, ary mety mihevitra koa ilay olona io ambony io fa natoraly izany !!!! Efa nisy ary moa tany an-dafy tany olona nangataka hanao mariazy amin'ny alikany !
Dia inona ny tenin'Andriamanitra ny amin'ireny : Rom.1:26-32 "Izany no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady, fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin'izay tsy fanaony, ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay amin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay tsy mahamendrika (....) ka dia feno ny tsy fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana (...) "
Ny hamaranako azy dia ity teny fampitandremana ity e: MAt.24:11 "Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro (....) fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena"
Ho an'Andriamanitra ihany ny voninahitra
24. rhaj0 ( 11/03/2014 14:51)
manoasoa:
Tsy tokony hisy petra homosexuel izany

Io no nolazainao teo aloha ka namoahako ny salanisa (15% -> 58% no pretra homosexuel). Mety mitombona ny "tsy tokony", izay filazanao manokana, fa dia io: "misy" io aloha ilay izy. Ny valin-tenin'ny Papa dia hoe : Who Am I to Judge?.
(fa raha hoy indray ianao hoe 'tokony tsy hisy pretra manambady" dia fifanakalozan-kevitra hafa indray izany, raha ny fahazoako azy)

rhaj0:
... angamba voatanisa ao anatin'ity lisitra ity ny bibin'i Noah rehetrany anie ka nahitana fiainana homosexoaly..

Lasa aloha loatra ilay "angamba"-ko, fa "angamba" no izy, satria dia efa misy ho 1500 no biby nahitana fa naneho fiainana homosexuel.

ombelline :
Ary ekenareo ve fa fitaovana entin'ilay Tokana hanasitranana ny mpitsabo ?

Fandikana manokana (interpretation) anao io sa ...
Satria rahefa mamaky ny resaka vokatry ny fon'ilay lahiantitra 94 taona aho ka hoe, "you need trained medical professionals. That’s really most important. All that prayer stuff is, frankly, pretty useless.", dia toa tsy dia hitako hoe mifameno na mifandray ny anao sy ny azy.

Tefigasy:
Aty amin'ny fivavahana sy finoana ity no mipetraka dia andeha haompana kokoa amin'ny resaka fivavahana ilay izy fa tsy any amin'ny resaka siansa !

Raha ny hevitro dia tsy hary ho saratsarahina (compartimenter) ny fiainana. Mino aho fa ny maro eto dia mihevitra koa fa TSY hoe ... ndao hihidy aman-trano ary tsy hiresaka afa-tsy finoana/fivavahana.. Izany, raha ny fahitako azy, dia sahala @ kisarisary hoe: alahady mivavaka fa alatsinainy mangalatr'akoho..

Tefigasy:
MAt.24:11 "Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro

Efa napetrako tsatsy ity fa averiko ny fanontaniana : "Mifototra @ inona ny "faminaniana" ? Na ny faminaniana ataon'olo ka hatramin'ny faminaniana ao @ Baiboly ?"
25. Tefigasy ( 12/03/2014 04:47)
Tefigasy:
Aty amin'ny fivavahana sy finoana ity no mipetraka dia andeha haompana kokoa amin'ny resaka fivavahana ilay izy fa tsy any amin'ny resaka siansa !

rhaj0:

Raha ny hevitro dia tsy hary ho saratsarahina (compartimenter) ny fiainana. Mino aho fa ny maro eto dia mihevitra koa fa TSY hoe ... ndao hihidy aman-trano ary tsy hiresaka afa-tsy finoana/fivavahana.. Izany, raha ny fahitako azy, dia sahala @ kisarisary hoe: alahady mivavaka fa alatsinainy mangalatr'akoho..

Na inona na inona ataonao sy karohinao ary hitadiavanao fanazavana na hangalana petrakevitra etsy sy eroa dia tsy ho hain'ny siansa, tsy ho takatry ny siansa mihitsy ny hanaraka na ny hanazava ny resaka finoana ao anatin'ny fivavahana. Milaza ny genesisy fa niteny Andriamanitra dia nisy izao zavatra hary rehetra izao. Na mandrapahafatinao aza dia tsy ho voazavanao ara-tsiansa izany. Toa izany koa, niteny i Jesoa dia sitrana ny marary, mofo dimy sy hazandrano roa nahavoky olona mihoatra ny dimy arivo, .... na hiorika avia ianao na havanana dia tsy ho hain'ny siansa na oviana na oviana izany, hany ka ny sisa faraherin'ny siantifika tsy mino an'Andriamanitra dia milaza fa angano sy arira ny genesisy sy ny baiboly. Ka tsy aleo ve asaraka mazava tsara le izy fa ny iray ambany loatra ka tsy hahatakatra ny ataon'ilay iray hafa mihitsy ! Tsy mihidy aman-trano akory zany fa rehefa hita fa tsy haharaka ny iray dia aleo apetraka amin'ny toerana tokony ho sahaza azy fotsiny izy fa tsy alingilingy hanakatra izay tsy ho takany !
26. manoasoa ( 12/03/2014 05:38)
100% amin'ny Tefigasy o!
27. bor2lais ( 12/03/2014 07:39)
manoasoa:

100% amin'ny Tefigasy o!

+1
:-)
28. ombelline ( 12/03/2014 08:32)
Tefigasy ==> OK

ombelline:

Ary ekenareo ve fa fitaovana entin'ilay Tokana hanasitranana ny mpitsabo ?


rhaj0:

Fandikana manokana (interpretation) anao io sa ...
Satria rahefa mamaky ny resaka vokatry ny fon'ilay lahiantitra 94 taona aho ka hoe, "you need trained medical professionals. That’s really most important. All that prayer stuff is, frankly, pretty useless.", dia toa tsy dia hitako hoe mifameno na mifandray ny anao sy ny azy.


Angamba tokoa fandikàko manokana satria expérience niainako manokana izay tsy ho tantaraiko eto aloha anio .

Mandaitra amiko kokoa izay niainako noho izay tantarain'i google sy ity lahiantitrao . Tsy manao tsinontsinona izay fandikàny aho akory fa manana izay expérience niainako ihany koa izay normal raha inoako kokoa




29. rhaj0 ( 12/03/2014 14:16)
Raha ny fahazoako an'i Tefigasy izany dia hoe :

"na hiorika avia ianao na havanana dia tsy ho hain'ny siansa" ny hanamarina na handiso "izao rehetra izao", manomboka @ fiforonan'izao tontolo izao ka h@ fifampitondrana ao @ fiaraha-monina, sy izay zavatra hafa rehetra tsy mbola takatry Raolombelona (@ fotoana iainany t@ izany ka h@ izao); fa rehefa "niteny i Jesoa", na koa araka izay rehetra voatatitra ao anaty Baiboly, dia ho mazava daholo "izao rehetra izao".

Koa raha mifantoka lalina, ary tsy mifantoka afa-tsy @ Baiboly (sy ny tenin'i Jesoa), dia tsy midika hoe nohidiana ny varavarana, fa kosa, ary indrindra, nosokafana ny varavaran-tsaina ahatakatra ny fanazavana (izay efa) ao @ Baiboly (sy ny tenin'i Jesoa).

Mitombona ve izay fahazoako azy izay sa diso?
30. rhaj0 ( 13/03/2014 14:33)
Notohizako atsy ity azony niova ny lohahevitra, tsy resaka homosexual intsony fa lasa fomba fijery sy fomba fijoro (attitude) @ ankapobeny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2797