Fomba fijery/fijoro kristianina

1. rhaj0 ( 13/03/2014 14:29)
Avy tatsy ity no nakisako teto azony niova ny lohahevitra...

Tefigasy:
Aty amin'ny fivavahana sy finoana ity no mipetraka dia andeha haompana kokoa amin'ny resaka fivavahana ilay izy fa tsy any amin'ny resaka siansa !

rhaj0:
Raha ny hevitro dia tsy hary ho saratsarahina (compartimenter) ny fiainana. Mino aho fa ny maro eto dia mihevitra koa fa TSY hoe ... ndao hihidy aman-trano ary tsy hiresaka afa-tsy finoana/fivavahana.. Izany, raha ny fahitako azy, dia sahala @ kisarisary hoe: alahady mivavaka fa alatsinainy mangalatr'akoho..

Tefigasy:
Na inona na inona ataonao sy karohinao ary hitadiavanao fanazavana na hangalana petrakevitra etsy sy eroa dia tsy ho hain'ny siansa, tsy ho takatry ny siansa mihitsy ny hanaraka na ny hanazava ny resaka finoana ao anatin'ny fivavahana. Milaza ny genesisy fa niteny Andriamanitra dia nisy izao zavatra hary rehetra izao. Na mandrapahafatinao aza dia tsy ho voazavanao ara-tsiansa izany. Toa izany koa, niteny i Jesoa dia sitrana ny marary, mofo dimy sy hazandrano roa nahavoky olona mihoatra ny dimy arivo, .... na hiorika avia ianao na havanana dia tsy ho hain'ny siansa na oviana na oviana izany, hany ka ny sisa faraherin'ny siantifika tsy mino an'Andriamanitra dia milaza fa angano sy arira ny genesisy sy ny baiboly. Ka tsy aleo ve asaraka mazava tsara le izy fa ny iray ambany loatra ka tsy hahatakatra ny ataon'ilay iray hafa mihitsy ! Tsy mihidy aman-trano akory zany fa rehefa hita fa tsy haharaka ny iray dia aleo apetraka amin'ny toerana tokony ho sahaza azy fotsiny izy fa tsy alingilingy hanakatra izay tsy ho takany !

Raha ny fahazoako an'i Tefigasy izany dia hoe :

"na hiorika avia ianao na havanana dia tsy ho hain'ny siansa" ny hanamarina na handiso "izao rehetra izao", manomboka @ fiforonan'izao tontolo izao ka h@ fifampitondrana ao @ fiaraha-monina, sy izay zavatra hafa rehetra tsy mbola takatry Raolombelona (@ fotoana iainany t@ izany ka h@ izao); fa rehefa "niteny i Jesoa", na koa araka izay rehetra voatatitra ao anaty Baiboly, dia ho mazava daholo "izao rehetra izao".

Koa raha mifantoka lalina, ary tsy mifantoka afa-tsy @ Baiboly (sy ny tenin'i Jesoa), dia tsy midika hoe nohidiana ny varavarana, fa kosa, ary indrindra, nosokafana ny varavaran-tsaina ahatakatra ny fanazavana (izay efa) ao @ Baiboly (sy ny tenin'i Jesoa).


Mitombona ve izay fahazoako azy izay sa diso?

[size=8](aleoko apetraka ny fanontaniana avy @ fanehoako ny fahazoako ny resak'i Tefigasy, azony indraidray mantsy rahefa @ fifanakalozana toa itony, dia hotry ny samy manesika azy fa tsisy mihaino na mba manaja ny andaniny)[/size]
novalian'i rhaj0 ny 20/03/2014 20:20
2. Tefigasy ( 13/03/2014 14:34)
rhaj0:

(...)
Koa raha mifantoka lalina, ary tsy mifantoka afa-tsy @ Baiboly (sy ny tenin'i Jesoa), dia tsy midika hoe nohidiana ny varavarana, fa kosa, ary indrindra, nosokafana ny varavaran-tsaina ahatakatra ny fanazavana (izay efa) ao @ Baiboly (sy ny tenin'i Jesoa).


Mitombona ve izay fahazoako azy izay sa diso?

[size=8](aleoko apetraka ny fanontaniana avy @ fanehoako ny fahazoako ny resak'i Tefigasy, azony indraidray mantsy rahefa @ fifanakalozana toa itony, dia hotry ny samy manesika azy fa tsisy mihaino na mba manaja ny andaniny)[/size]

Salama,
Feno dia feno ny fandaharam-potoanako androany ka tsy nahavita niditra naharitra teto aho. Hovaliako ianao rahapitso mikasika ny hoe "fomba fijery/fijoro kristianina"
Mazotoa
3. Tefigasy ( 14/03/2014 05:38)
rhaj0:

"na hiorika avia ianao na havanana dia tsy ho hain'ny siansa" ny hanamarina na handiso "izao rehetra izao", manomboka @ fiforonan'izao tontolo izao ka h@ fifampitondrana ao @ fiaraha-monina, sy izay zavatra hafa rehetra tsy mbola takatry Raolombelona (@ fotoana iainany t@ izany ka h@ izao); fa rehefa "niteny i Jesoa", na koa araka izay rehetra voatatitra ao anaty Baiboly, dia ho mazava daholo "izao rehetra izao".

Tsy izay aloha no nosoratako fa hoy aho tatsy ambadika hoe : "tsy ho vitan'ny siansa mihitsy ny hanazava ny finoana ao anatin'ny fivavahana". Ohatra noraisiko tao ny hoe mofo dimy sy hazandrano roa nahavoky olona mihoatra ny dimy arivo, resaka nataon'i Jesoa tamin'ny kapiteny iray nahasitrana ny zanany narary tany an-tranony, ny fomba namoronana izao tontolo izao tany amin'ny genesisy, .... Nitarinao sy nahodinao ilay izy ka hatramin'ny fomba fifampitondrana eo anivon'ny fiaraha-monina no nampidirinao tao anatin'ilay hevitra tsy ho azon'ny siansa ho hazavaina ! Mety hazava ihany angamba raha somary andeha hovaiko ny fitondrako azy: ny rivotra izao dia zava-misy eo anivon'ny fiaraha-monina, azon'ny siansa hazavaina tsara fa io rivotra io dia misy oxygene, hydrogene, ....ny oxygene sy ny hydrogene mbola hain'ny siansa ihany koa ny fangaro rehetra ao anatiny, saingy alefaso any amin'izay farahainy ary ny siansa fa tsy ho voazavany mihitsy ny antony nahatonga io molecule faran'izay kely indrindra io amin'ireny fangaro rehetra hitany ireny. Ny hany fanazavan'ny siantifika sasany dia hoe avy amin'ny kisendrasendra (lol) hono no nipoiran'ireny rehefa minia mikipy tsy hijery ilay Andriamanitra namorona azy ireny izy ireo ! Mbola afaka hitarina lavabe io resaka io, saingy ho fotoana very maina fotsiny satria averiko indray fa na mandrapahafoanan'izao tontolo izao aza dia tsy ho vitan'ny siansa hazavaina mihitsy ny fomba fiasan'Andriamanitra, afaka manao fanadihadiana mikasika ny voaharin'Andriamanitra ny siansa saingy voafetra hatreo ihany ny toerana misy azy !
rhaj0:

Koa raha mifantoka lalina, ary tsy mifantoka afa-tsy @ Baiboly (sy ny tenin'i Jesoa), dia tsy midika hoe nohidiana ny varavarana, fa kosa, ary indrindra, nosokafana ny varavaran-tsaina ahatakatra ny fanazavana (izay efa) ao @ Baiboly (sy ny tenin'i Jesoa).

Tsy ho fantatrao mihitsy io Andriamanitra io raha tsy Izy mihitsy no mampahafantatra aminao ny tenany. Afaka manao ny fomba rehetra entinao mamantatra an'io Andriamanitra io ianao fa tsy hahavita izany mihitsy akory! Otran'ny solotsaina izay nataon'olombelona e : mety hahafantatra ny olombelona izay nanao azy ve ny solontsaina raha tsy ilay olombelona ihany no manolotra an'ilay solontsaina ny mombamomba azy ? Dia toa izany ianao eo anatrehan'Andriamanitra, voahary bitika kely, tsinotsinona manoloana ny fahefany sy ny fahalalany !
Ajanoko hatreo ny amin'iny fa aleo ilay lohahevitra napetrakao eto no hovaliako eto ambany : fomba fijery / fijoro kristianina
4. Tefigasy ( 14/03/2014 06:21)
Satria kristianina no resahina dia tsy hijery ary tsy handray ankoatran'ny baiboly aho satria io ihany no "feuille de route" ho an'ny kristianina : : "fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao" (sal.119:105). Noho izany ny kristianina dia mijoro sy mijery ny fiainana araka ny tenin'Andriamanitra irery ihany. Ahoana ny momba io tenin'Andriamanitra io ? Jao.1:1-3 : "Tamin'ny voalohany ny Teny , ary ny Teny tao amin'Andriamanitra , ary ny Teny dia Andriamanitra (...)Izy no nahariana ny zavatra rehetra ; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra hary izao , na dia iray aza" Tsy iza izany fa i Jesoa Kristy , ary Izy irery ihany. Ny fomba fijery/fijoro kristianina ary dia mifototra amin'i Jesoa Kristy irery ihany, tsy mifototra amin'ny fianarana etsy sy eroa, ny siansa, .... fa mifototra amin'i Jesoa Kristy irery ihany. Ao amin'io Jesoa kristy io no hanazavana ny zavatra rehetra sy mampahazava ny zavatra rehetra eo amin'ny fiainan'ny kristianina fa tsy amin'ny alalan'ny zavatra hafa akory !

Fa andeha hotaritiko ianao hijery ny drafitr'Andriamanitra mikasika ny fiainan'ny kristianina ao amin'izany Kristy Jesoa izany. Boky iray fotsiny ao amin'ny baiboly no hanasako anao mba hovakianao fa tsy ny boky rehetra akory ka: taratasy nosoratan'i Paoly ho an'ny fiangonana tany Efesosy, bokin'ny efesianina izany e! Paoly no nanoratra ity boky ity ho an'ny olo-masina tany efesosy. Ny hoe masina aloha tsy midika hoe tsy misy kilema fa kosa hilazana ireo olona efa voavidin'i Kristy tamin'ny rany ka natokany ho an'Andriamanitra, natokany ho amin'ny fiainana mandrakizay. Ato amin'ity epistily ity no hanehoan'ny apostoly Paoly ny drafitr'Andriamanitra ny amin'izao tontolo izao, ny toerana misy ny fiangonana rahatrizay, fiangonana efa any anatin'ny voninahitra no resahina eto. Any amin'ny epistily ho an'ny korintianina sy galatianina ny fiangonana dia mbola miady sy ao anatin'ny ady fa aty amin'ny efesianina kosa dia fiangonana efa nandray ny fandresena efa azo tao amin'i Kristy nohon'ny finoana izay noraisiny. Ka izay no handraisako sy hisafidianako ho anao ity bokin'ny efesianina ity amin'ity lohahevitra iray ity.
5. Tefigasy ( 14/03/2014 06:28)
Efes.1:3-5 : “Isaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra , araka ny nifidianany antsika tao aminy , fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao , mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika . rehefa notendreny rahateo amin'ny fitiavana isika mba ho Azy amin'ny fananganan'anaka amin'ny alalan’i Jesoa Kristy , araka izay ankasitrahan'ny fony”
==> Ny fiangonana dia efa nofidin’Andriamanitra tany alohan’ny fahariana ny zavatra rehetra. Tsy ianao na izaho no nofidiana mba handray na tsy handray ny famonjena. Kristy no nofidiana hatrany amboalohany, ary ao amin’i kristy no mipetraka ny zavatra rehetra indrindra ny fiangonany izay fofombadin’i kristy. Kristy no voafidy hatrany amboalohany fa isika kosa izay manana anjara toerana ao amin’i kristy rehefa mandray ny fananganan’anaka ao amin’i kristy dia lasa mandray ilay fifidianana tany amboalohany isika. Toy ny hoe efa voafidy mialoha isika nefa tsy noho ny maha isika antsika ka lazaina fa efa misy olona voafidy mialoha na manao ahoana na manao ahoana ny toetrany, tsy misy olona tsy maintsy ho very, fa izay manapa-kevitra ny hino no ampidirina ao amin’izay fifidianana izay.
Izay fiangonan’i Jesoa kristy izay, hatrany amboalohany no tena resahin’ity epistily ho an’ny efesianina ity.
Efe.2:6 “ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin’i Kristy Jesoa”
==> Andriamanitra no miasa, nametraka antsika ho ao an-danitra, ao amin’i Kristy Jeso. Efa mipetraka ao amin’izay misy an’i kristy izany isika ankehitriny. Isika mbola ety an-tany fa ny finoana kosa dia mahatakatra ny fijerin’Andriamanitra sy ny marina eo amin’Andriamanitra.
Efes.4:1 “ary noho izany izaho , mpifatotra noho ny amin'ny Tompo [ao amin'] , dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo”
==> Asaina mandeha isika rehefa tafapetraka tsara ao amin’ilay toerana miaraka amin’Andriamanitra ho ety amin’izao tontolo izao mba asaina maneho ny fahamarinan’Andriamanitra, ny fiainam-baovao izay efa azo. Ety an-tany no fanehoana izany .
Efes.6:14 “Mifahara ary , ka sikino fahamarinana ny valahanareo , ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra”
==> Rehefa mandeha ety amin’izao tontolo izao isika dia misy zavatra be dia be manohitra sy manakana ny firosoana amin’ny fanantanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Asaina mamahatra isika mba tsy hisy intsony hanaisotra amin’ireo zavatra efa nomen’ny Tompo ireo.
Ny fiangonana dia efa ao anatin’ny voninahitra araka ny fijery avy amin’Andriamanitra fa raha isika kosa no mijery dia mbola miady isika. Asaina mitazona izany toeram-boninahitra izany isika, asaina mifahatra mafy mba tsy hisy haharombaka intsony izay eo ampelatanan’Andriamanitra.
Efes.6:10-13 : “Farany , mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany . Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra , mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly . Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra , fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao , dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra [lanitra] . ary noho izany , dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra , mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa , dia hahafahatra ianareo”
==> Misy ady izay tsy maintsy hatrehan’ny kristianina mba hahatonga azy hifahatra hatramin’ny farany ka hitoetra tsara. Maro ny ady (nofo, politika, ekonomika, siansa, …) fa ny kristianina tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra. Tsy olona no fahavalo na ny toetrany, na ny heviny, … fa ny devoly sy satana no fahavalo. Miady amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra, ny anjely efa naongana avy any an-danitra. Ny olona manana toetra ratsy dia misy fanahy mamatotra azy. Ilay olona dia tian’Andriamanitra hovonjena fa ilay fanahy mampiasa ilay olona no fahavalo. Tsy tokony ho diso fahavalo ny kristianina sy ny fiangonana ka mamorporona izao karazana bibidia rehetra izao .....
Ny loharanon-kery entina miady amin’ny fahavalo ary:
- Mahereza ao amin’ny Tompo: Jesoa kristy no herin’ny kristianina, tsy ny fampianarana no herin’ny kristianina, tsy zavatra hotadidiana na arahina isaky ny teboka fa kristy no herin’ny kristianina entina manohitra ny fahavalo. Rehefa tonga ny fizahan-toetra dia tsy handeha hamerin-desona akory ianao fa ny teny dia tonga nofo, ilay fampianarana dia tonga olona, Jesoa no herin’ny kristianina.
- Mahereza ao amin’ny herin’ny faherezan’ny Tompo : milaza ilay hery izay ao amin’i Jesoa kristy. Ilay hery nanangana Azy tamin’ny maty, hery tsy misy mahatohitra azy na mahasakana azy, hery nentina nahariana izao tontolo izao. Miasa ao anatin'izay manana an'i Kristy izany hery izany.
- Tafio , raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra. Ireo telo ireo dia tsy afaka misaraka fa ireo no loharano entin’ny kristianina hanovozana ny heriny ka hahazahoany antoka fa tsy maintsy mandresy izy. Inona avy ary izany fiadian'Andriamanitra sy tokony ho hita miaraka amin'ny kristianina eny am-pijoroana izany:
Efes.6:14-17 : “Mifahara ary , ka sikino fahamarinana ny valahanareo , ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra , ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo; ary ho fanampin’izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga , izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipika marehitra rehetra izay alefan'‘ilay ratsy. ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy”
==> Misy fito ireo ny fiadiana ambaran’ny tenin’Andriamanitra entina manohitra ny asan’ny maizina. Ny dimy entina miaro-tena, ny roa entina manafika.
Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !
6. rhaj0 ( 14/03/2014 17:34)
rhaj0:
Raha ny fahazoako an'i Tefigasy izany dia hoe :

"na hiorika avia ianao na havanana dia tsy ho hain'ny siansa" ny hanamarina na handiso "izao rehetra izao", manomboka @ fiforonan'izao tontolo izao ka h@ fifampitondrana ao @ fiaraha-monina, sy izay zavatra hafa rehetra tsy mbola takatry Raolombelona (@ fotoana iainany t@ izany ka h@ izao)

Tefigasy:
Tsy izay aloha no nosoratako fa hoy aho tatsy ambadika hoe : "tsy ho vitan'ny siansa mihitsy ny hanazava ny finoana ao anatin'ny fivavahana".

Ny "finoana" izany eto, hoy Tefigasy, no TSY ho hain'ny siansa hohazavaina. Nefa indray aoriana, hoy Tefigasy:
Tefigasy:
Ny fomba fijery/fijoro kristianina ary dia mifototra amin'i Jesoa Kristy irery ihany, tsy mifototra amin'ny fianarana etsy sy eroa, ny siansa, .... fa mifototra amin'i Jesoa Kristy irery ihany. Ao amin'io Jesoa kristy io no hanazavana ny zavatra rehetra sy mampahazava ny zavatra rehetra eo amin'ny fiainan'ny kristianina fa tsy amin'ny alalan'ny zavatra hafa akory !

Ka tsy mitovy (fa tsy sahala) kosany ve izany:
- hoy ianao hoe "Jesoa kristy (..) no hanazavana ny zavatra rehetra",
- hoy aho hoe, ny fahazoako anao dia hoe, "tsy ho hain'ny siansa" ny hanamarina na handiso "izao rehetra izao""?
[size=8](miala tsiny fa r@ alatsinainy indray aho vao ho tafaverina eto)[/size]
7. rhaj0 ( 20/03/2014 20:20)
Hivoaka @ Imax-3D izao ilay Island of Lemurs - Madagascar. Dia io izao ohatra hoe, efa ho 40 tapitrisan-taonany ny Lemurs no nikisaka tao Mada hoy ny mpikaroka (siantista). Jereo ohatra eto.
- dia ahoana anefa hoy Genesisy ny @ fahanteran'ny Tany ? Jereo ohatra eto : latsaky ny 10.000.
- dia aiza ho aiza ny @ i Noah sy ny tondra-drano ? Jereo ohatra koa eto) : latsaky ny 5000. Dia eto koa izao dia hoe, dia mba isan'ireo biby "voavonjy" tao @ sambofiaran'i Noah koa ve ny lemurs ??

Ka eo izany ve ianao hanao hoe, alatsinainy mijery Imax-3D (sy ny kabarin'ny siantista) fa alahady miresaka zavatra hafa...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0823