Safidio izay tianao

21. mirananirina ( 04/03/2013 17:58)
Betsaka ny teny voarara voalaza ao anaty baiboly nefa mbola hiniana atao ihany oh (miala tsiny fa baiboly vazaha no ananako)
"Tu ne te feras aucune image sculptée, rien qui ressemble a ce qui est dans les cieux, la-haut, ou sur la terre, ici-bas, ou dans les eaux, au-dessous de la terre" Tsy ny fanaovana statue an i Jesoa na masina Maria no lazainy eto fa ny manompo sampy ny masoandro ,ny biby sns..eto!Ary mitovy ihany satria raha tsy diso aho toa misy hazofijaliana ihany koa any @ fiangonana hafa, mbola statue ihany izany satria tsy ilay tena IZY!Manao batisa na batemy mbola image ihany koa izany satria tsy i Jeso mivantana no manao azy.

Exode 22:16
16. Si un homme séduit une vierge qui n’est point fiancée, et qu’il couche avec elle, il paiera sa dot et la prendra pour femme: Firy amitsika moa no nanaraka izany???Ao anaty baiboly io

Exode 35:2
On travaillera six jours; mais le septième jour sera pour vous une chose sainte ; c’est le sabbat, le jour du repos, consacré à l’Éternel. Celui qui fera quelque ouvrage ce jour-là, sera puni de mort: betsaka ihany no ho tapatenda raha izany ko!

Lévitique 24:18
Celui qui frappera un animal mortellement le remplacera : vie pour vie: dia ahoana isika mihinana hena ireto?sa tsy isika no mamono azy ireo?

Deutéronome 22:5
Une femme ne portera point un habillement d’homme, et un homme ne mettra point des vêtements de femme ; car quiconque fait ces choses est en abomination à l’Éternel, ton Dieu. : hihi izany no ao anaty baiboly nefa tsy arahatsika!

Première Épître aux Corinthiens 11: 3-5
3. Je veux cependant que vous sachiez que Christ est le chef de tout homme, que l’homme est le chef de la femme, et que Dieu est le chef de Christ.
4. Tout homme qui prie ou qui prophétise, la tête couverte, déshonore son chef.
5. Toute femme, au contraire, qui prie ou qui prophétise, la tête non voilée, déshonore son chef : c’est comme si elle était rasée:
manaiky izany ve ianareo? nefa ao anaty baiboly io?

"Le septième commandement interdit l'adultère" Manaja an'io daholo ve ny olona!

Voarara ao anaty baiboly ny aza mangalatra, mamono olona sns...betsaka ihany ny manao io
anefa..

FEHINY:Io baiboly io raha arahina vakiteny dia tsisy manaraka daholo isika rehetra miteniteny ireo!Ka aza dia mifanenjika loatra.
22. amig0 ( 04/03/2013 18:48)
Misy andriamanitra bedebe hono eh!
23. smileyah ( 05/03/2013 08:13)
Ny olana dia ny tsy fahatakaran'ny sasany ny hevitra fonosin'ireny sary ireny sy ny fandraisana azy. Moa mba efa fantatrareo ve fa efa maro ny olona nibebaka tamin'ny fahitana ireny sary ireny fotsiny. Tsy hitovy mihitsy ny akon'ny lakroa misy ny sarin'i Jesoa mifantsika sy ny lakroa tsy misy na inona na inona raha olona tsy mino sy tsy mbola nahalala an'i Jesoa no manoloana izany. Moa ve ireny tsy fitaovana entina ampahafantarana ny fisian'ireo olona asehon'ireny sary ireny ka ahatonga ireo tsy mahalala ho liana te hahafantatra ny mombamomba azy?
Ary raha mamaky tsara ny Baiboly isika dia ny fiaran'ny fanekena nirakitra ny lalàna sy ny tehin'i Aarona dia nisy ny sarin'ireo kerobima teo amboniny. Tsy sary vongana ve izany? Ary natao teo anoloan'ny vahoaka izany na nandeha izy ireo na nijanona na tao an-tempoly. Koa raha niankohoka hivavaka ve ny olona dia niankohoka teo anatrehan'ny kerobima sa anoloan'ny fiaran'ny fanekena?
Fantaro tsara aloha ny ataon'ny olona izay vao mitsara.
24. Nehemiah ( 05/03/2013 12:28)

mirananirina:
dia ahoana isika mihinana hena ireto?sa tsy isika no mamono azy ireo?
Ahoana indray ny Gen. 9:3 : "Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra" ? Hafa ny "tuer", hafa ny "assassiner".
25. matah ( 05/03/2013 14:08)
Ilay sarivongana anie fanehoana fahatsiarovana ihany fa tsy hoe iny no hivavahana e.
Fa nahoana ary isika no mamatraka sary fahatsiarovana ireny ray amandrenintsika taloha ireny, ohatra hoe dadabe sy nenibe. Ka atao tsara eo amin'ny rindrina. Moa ve tsy hahatsiarovana ny tantarany sy ny zava bitany.
Ka nahoana no tsy omena endrika amin'izay talenta amin'ny fanaovana sarivongana izay heverintsika fa mendrika izany.

Ilay fifanoherantsika amin'io lafiny io no toa mampisy fihafahafana. Satria tsy mahalanjalanja ny teny avoaka.

Tsy aleo ve any amin'ny fampiharana izay fampianarana entin'ny baiboly no ifantohana bebe kokoa.

Izaho izao dia tsy mpiditra am-piangonana intsony fa dia miaina ny fianana maha kristianina ahy tsara.
26. mirananirina ( 05/03/2013 15:08)


Io misy statue an i Michael Jackson, dia be ny mitomany sy malahelo eo dia midika ve ireny olona ireny fa manompy sampy an i Michael Jackson e? Sa mahatsiaro ilay tena IZY !Mahafantatra daholo fa tsy izy io fa statue-any ,nefa nahoana no malahelo sy mitomany izay mahita an 'io?
27. mirananirina ( 05/03/2013 15:14)

Nehemiah:


mirananirina:
dia ahoana isika mihinana hena ireto?sa tsy isika no mamono azy ireo?
Ahoana indray ny Gen. 9:3 : "Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra" ? Hafa ny "tuer", hafa ny "assassiner".

Hay ve neveriko hoe izay mamono olona na biby dia mpamono olona na biby izay? ka izay ilay ao anaty baiboly samy manana ny nolazainy ny tsirairay avy satria olombelona ihany, ka iza no hinoana?iza no arahina?
28. Nehemiah ( 05/03/2013 15:16)
Ka ny teny hebreo mihitsy no misy an'izay fahasamihafàna izay e ! Meteza ianao handray fahalalàna.
29. niryna ( 05/03/2013 17:39)

didi10:

Iray amin'ireo ve ny Jesosinao sa iray ihany ireo aminao?


amiko raha mivavaka aho dia mivavaka amin'ny fanahy masina satria tsy tsangan'olona na zavatra no hivavahako fa fanahy noho izany tsy maka ny endrika na iray amin'ireo aho ."Aza mivavaka na miankohoka na manao sarin-javatra hiankohana ho andriamanitrao" Andriamanitra saripiharo,Andriamanitra tsy azo vazivaziana fa Andriamanitra mamela heloka,mitsodrano ny taranaka aman-dimby rehetra
Ka na iza na iza no mametraka sary ao an-trano ka milaza fa mitovitovy amin'io ny Jesosiny dia mivavaka amin'ny sary izy izany whooops
30. toriteny ( 05/03/2013 18:38)
Miharena:

Rehefa irahina izy hividy zavatra betsaka ka tsy hampitondraina lisitra, dia adinony ny sasantsasany. Rehefa ihany koa, ka omena lesona izy hoe misy izany Jesoa izany, dia tsy aseho azy hoe toy ny ahoana Izy izany, dia tsy hotsaroiny rehefa lasa mihodina fotsiny izy avy eo. Ohatra hoe : mpisotra labiera sy toaka no ampianarinao. Rehefa omenao sary iray anefa izy, ka ataonao ao ampaosiny, dia rehefa hisotro izy dia mahatsiahy ilay nomenao azy. Io tsy mifidy na sary olona na sary lakroa (misy na tsy misy olona).


Miditra eto foana ho raha sitrakao ny ahitsy

1)Dia raha tsy misy an'iny sary iny ve izany ny katolika (katolika hoy aho fa tsy ilay mpisotro toaka nolazainao satria misy sarin'i Jesosy daholo na ny lakilasy, ny chapel, ...) tsy hahatsiaro an'i Jesosy? Ny ahy ry ise vao miratra ireo masoko roa ireo dia Jesosy no tsaroako voalohany kou! ary tsy miala amin'ny fiainako mihitsy Izy raha tsy milentika io masoandro ka hatory. Tsy misy 1 minitra tsy hahatsiarovako sy tsy hiresahiko aminy.

2) Mikasika ilay mpisotro toakanao. Dia sur ve ianao fa rehefa hampisehoana ny sarin'i Jesosy ny olona any amin'ireny bar ireny dia tsy hisy hisotro toaka ry zareo? Koa tsy handeha isiaka sy ianao handeha hitety bar miaraka amin'ny sarin'i Jesoa dieny androany hariva?

Araka ny averiko eto ombieny, tsy haharesy dragona mihitsy ianao raha mandeha amin'ny maha olona anao fa mila Fanahy ambonin'i satana ianao vao afaka amin'ny fahotana mamatotra anao. Tokana ihany no mampihodina ny olona amin'ny toaka ary tena manala azy amin'izany fitaoman-dratsy izany sy tsy mampiverina azy amin'izany intsony: dia ny fampidirana an'i Jesosy eo amin'ny fiainana fa tsy sanatria sary fotsiny akory nefa ilay Jesosy aza tsy ao aminy akory

Miharena:

Aza dia miziriziry hoe izao no voasoratra ianao fa fiainana andavanadron'ny olombelona ireo nolazaiko taminao ireo ary mahomby amin'ny namana maro. Izany fomba izany rehefa ampiana fitarihana sy fampianarana matotra dia miraikitra tsara. Fiandohana fotsiny ilay sary fa ny manaraka rehetra fonosiny no izy.

Ny tianao ataoko ve izany dia hikipy (aza mizirizizy hoy ianao), hanao mody tsy hita ny adalanareo izay efa noraran'ny baiboly. Tena ohatran'ny tsy mety amiko izany ry Miharena kou!

Tadidio tsara fa ny iavahan'ny kristianina amin'izao tontolo izao dia ny fankatoavana ny baiboly izay tenin'Andriamanitra. Aleo aza manaraka foana ny sitrapon'Andriamanitra na dia mahantra be aza toy izay misy zavatra atoron'ny olona fa mahomby sy mamaly vavaka ary dia lasa mankany koa ianao nefa tsy mifanaraka amin'ny sitrapony ilay izy.

Ny tiako tenenina, mety mahomby amin'ny namana hafa tokoa ny mampiasa ny sarin'i Jesoa fa sur ve ianao fa avy amin'Andriamanitra izany résultat izany? (Nefa ilay pratique tsy hankasitrahin'Andriamanitra? Fahavetavetana eo imsaon'Andriamanitra?) Sa mpiatsaravelatsy be io Andriamanitra io ka mandà sy mandrara mafy antsika ao anaty baiboly fa mi-exhaucer ny vavakareo amin'ireny sary ireny ihany aty ambadika?

Miharena a! Izahao toetra ny fanahy dia tadiavo Jesoa hanjaka eo amin'ny fiainanao dia hazava be ho toy ny masoandro ny tena sitrapon'Andriamanitra.




31. toriteny ( 05/03/2013 19:22)
mirananirina:

"Tu ne te feras aucune image sculptée, ]rien qui ressemblea ce qui est dans les cieux, la-haut, ou sur la terre, ici-bas, ou dans les eaux, au-dessous de la terre" Tsy ny fanaovana statue an i Jesoa na masina Maria no lazainy eto fa ny manompo sampy ny masoandro ,ny biby sns..eto!Ary mitovy ihany satria raha tsy diso aho toa misy hazofijaliana ihany koa any @ fiangonana hafa, mbola statue ihany izany satria tsy ilay tena IZY!Manao batisa na batemy mbola image ihany koa izany satria tsy i Jeso mivantana no manao azy.

Deo4:15: "Dia tandremo tsara ny fanahinareo ; fa tsy nahita endrika akory ianareo tamin'ny andro izay nitenenan'i Jehovah taminareo tao amin'ny afo tany Horeba (RAha tiany no-représenter na ny Tenany dia nampisehoany ny endriny ) ; fandrao manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo , araka izay endri-javatra na inona na inona , dia sarin-dehilahy , na sarim-behivavy , na sarim-biby izay eto ambonin'ny tany , na sarim-borona manana elatra izay manidina eny amin'ny habakabaka ,na sarim-biby mandady na mikisaka amin'ny tany , na sarin-kazandrano izay ao amin'ny rano ambanin'ny tany. Ary andrao raha miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana , dia izay rehetra eny amin'ny lanitra , dia ho voataona ianao hiankohoka eo anatrehany sy hanompo azy , izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao ho anjaran'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra.

mirananirina:

Exode 22:16
16. Si un homme séduit une vierge qui n’est point fiancée, et qu’il couche avec elle, il paiera sa dot et la prendra pour femme: Firy amitsika moa no nanaraka izany???Ao anaty baiboly io

"Le septième commandement interdit l'adultère" Manaja an'io daholo ve ny olona!
Voarara ao anaty baiboly ny aza mangalatra, mamono olona sns...betsaka ihany ny manao io
anefa..


Fa ianao ve izany izay fanaon'ny olon'izao tontolo izao no ataonao fitaratra é ka hoe permis ireo amin'izao tontolo izao dia za koa izany afaka manao izay tiako atao. Izao tontolo izao anie ka tsy io passage io ihany no tsy rarahiny sy harahiny fa ny baiboly manontolo é.

FA raha misy kristianina, olona efa ao amin'ny Tompo no tady hanao an'izany dia ampisehoy azy ny baiboly fa sur aho fa raha tena manana ny Tompo Izy tsy hiditra amin'izany mihitsy satria important ho azy ny Tenin'ny Tompo noho ny fahavetavetan'izao tontolo izao

Ary raha efa nanao izany izy vao nandray ny Tompo, mpamindra fo tsisy ohatran'izany io Tompo io ary olona mpanota ohatran'ireny mihitsy no tiany hovonjena sy antsoiny

mirananirina:

Exode 35:2
On travaillera six jours; mais le septième jour sera pour vous une chose sainte ; c’est le sabbat, le jour du repos, consacré à l’Éternel. Celui qui fera quelque ouvrage ce jour-là, sera puni de mort: betsaka ihany no ho tapatenda raha izany ko!
Lévitique 24:18
Celui qui frappera un animal mortellement le remplacera : vie pour vie: dia ahoana isika mihinana hena ireto?sa tsy isika no mamono azy ireo?
Deutéronome 22:5
Une femme ne portera point un habillement d’homme, et un homme ne mettra point des vêtements de femme ; car quiconque fait ces choses est en abomination à l’Éternel, ton Dieu. : hihi izany no ao anaty baiboly nefa tsy arahatsika!
Première Épître aux Corinthiens 11: 3-5
3. Je veux cependant que vous sachiez que Christ est le chef de tout homme, que l’homme est le chef de la femme, et que Dieu est le chef de Christ.
4. Tout homme qui prie ou qui prophétise, la tête couverte, déshonore son chef.
5. Toute femme, au contraire, qui prie ou qui prophétise, la tête non voilée, déshonore son chef : c’est comme si elle était rasée:
manaiky izany ve ianareo? nefa ao anaty baiboly io?

Ahita valiny ianao ato: http://forum.serasera.org/forum/message/m50f95ed1d94c7
32. hery ( 05/03/2013 19:43)
Amiko dia tsisy olana ilay izy.

- Ireo izay miteny hoe mivavaka amin'ny sary raha manao sary tahaka an'io dia tsy manota satria kay izy raha manao sary tahaka an'io dia raisiny hoe iny no Andriamaniny. Ka soa ihany izy tsy manao sary toa izany.

- Ireo izay mampiasa sary koa dia tsy manota satria milamina tsara ny sainy hoe tsy Andriamanitra ny sary ataony. Ary Jesoa dia Andriamanitra tonga Olombelona, ka raha misy ny olana dia tokony tsy nandalo olombelona akory Jesoa. Fantany tsara fa ny olombelona dia alaina sary. Ianao ve teraka ao antranon'omby dia hieritreritra hoe tsy hanao tranon'omby sns ny olona hahatsiarovana ny nahaterahanao?

Rariny raha voarara tao amin'ny testamenta taloha ilay izy satria tsisy nieritreritra mihitsy hoe ho tonga olombelona i Jesoa... na ny sasany aza moa tsy manaiky an'izany hatramin'izao.
33. toriteny ( 05/03/2013 19:52)

mirananirina:



Io misy statue an i Michael Jackson, dia be ny mitomany sy malahelo eo dia midika ve ireny olona ireny fa manompy sampy an i Michael Jackson e? Sa mahatsiaro ilay tena IZY !Mahafantatra daholo fa tsy izy io fa statue-any ,nefa nahoana no malahelo sy mitomany izay mahita an 'io?


Ie fanompoan-tsampy ireny. Raha misy zavatra tianao mihoatra an'Andriamanitra dia efa fanompoan-tsampy izay. Sur ve ianao fa hahita kristianina tena manana an'ny Tompo hitomany eo koa?

Fa na ny vola sy ny harena no tianao (tia hoy aho fa tsy miankohoka na mitomany na mivavaka fa mbola tia fotsiny) mihoatra an'Andriamanitra dia efa fanompoan-tsampy an'i MAmona izay. Torak'izany ihany koa ny zanaka, ny RAD, ny vady, tsy tokony hisy zavatra tianao mihoatra noho A/tra)

34. toriteny ( 05/03/2013 20:59)

smileyah:

Ny olana dia ny tsy fahatakaran'ny sasany ny hevitra fonosin'ireny sary ireny sy ny fandraisana azy.


Ao anatiny izany Andriamanitra (tsy mahatakatra ny hevitra fonosin'ny sary) satria Izy nandrara ny tsy hanaovana ny sariny ao amin'io deo 4:15 eo ambony io
35. didi10 ( 06/03/2013 05:50)
Dia ahoana indray ary ity e! iza no mankasitraka fa sarin'ny Andriamaniny ireto rangahy be volombava ireto

36. hery ( 06/03/2013 06:22)
Tsy fantatro mihitsy hoe inona ilay olana.

Azy sy Andriamanitra ihany io. Raha hitan'Andriamanitra fa io sary io no mampifandray aminy, ho inonao izany? Raha mila sary izy hahafahany mireasaka amin'Andriamanitra fa tsy tahak anao dia maninona? Tsy azoko mihitsy. Ny olona sasany izao mahita anao hoe mila baiboly ianao vao afaka mireasaka amin'Andriamanitra dia tsy ivakiany loha. Jesoa tsy nampiasa an'iny baiboly lazainao iny ary tsy niteny mihitsy izy h. oe soraty ny teniko, raha tsy izany dia izy no nanoratra azykanefa tsy olana loatra fa anao sy Andriamanitra izany. Ka tsy azoko hoe inona no olana aminao momba izay hifandraisany amin'Andriamanitra :-)

37. leva2 ( 06/03/2013 07:45)
Velona Jesosy!

Raha mijery ny kara-panondro isika izao : tsy maintsy misy sary ao, fa sady misy soratra koa manambara ny anarana sy ny mombamomba ny tena.
Jesosy rehefa tonga nofo (fa tsy nijanona ho Fanahy fotsiny ihany) dia hita maso sy notsapain-tanana ary nanana endrika physique. Izay no nahafahana nanao ny sariny.
Namana didi10, vao nijery ilay sary ianao dia nahalala avy hatrany fa sarin'i Jesosy ilay izy. Fantatrao izany.
Ekeko mihitsy ny tsy tokony handoalehana na hiankohofana na hivavahana amin'ny sary (na endrik'Andriamanitra aza ilay izy).
Fa hono hoa namana isany : ny fahitanao ny sarin'i Jesosy mifantsika eo amin'ny hazo fijaliana ohatra, midika inona aminao? manambara inona? mampahatsiahy anao inona?
Tahaka izany koa, ny tenin'Andriamanitra na Soratra Masina : ny famakianao izany, na ny fahitanao izany any anaty fiara, eny an-dalana, eny amin'ny rindrina, sns ... tsy ilainao ve? tsy manampy anao ve? tsy mitondra soa ho anao ve?
Izany tsy midika hoe alaivo ny baiboly dia ataovy ambany ondana hiaro anao, na asio sarin'i Jesosy eo an-doham-pandriana fa heverina hoe miaro; fa boky fotsiny ihany iny ary sary fotsiny ihany ireny fa tsy tokony heverina ho misy "pouvoir" akory ka hotompoina.
Tokony hijery amin'ny fomba malalaka kokoa isika izany, saingy mitandrina ihany koa mba tsy ho lasa hanompo boky, na sary, sns...

Misaotra namana isany!
38. matah ( 06/03/2013 07:54)

[quote=didi10]
Dia ahoana indray ary ity e! iza no mankasitraka fa sarin'ny Andriamaniny ireto rangahy be volombava ireto

Ady hevitra moa ny atao ka mazoto foana aho isaky ny afaka.

Mba fantatrao ve ny talenta anananao? afaka mamaly ianao na hanao tsia. Dia hiteny ve ianao hoe tsy talenta no niavian'ny famoronana ireny kanto ireny. Raha izaho aloha tsy hahavita tsara noho izao.
Ny ahy tsy hoe mankasitraka na tsia, fa ny hevitry ny sary foronina toy itony amiko dia taratry ny momba ilay olona. Ndeha ataoko hoe fanehoany ny fantany momba ilay nahary azy, asehony amin'ny endrika olona, tsotra fa manana fahefana. Raha nisy fo te dia hoe be fitiavana.

Moa ve ianao efa nahita ireny mpanao hosodoko ireny ve ianao ka nanontany azy hoe avy aiza ny niavian'io sary na loko nataonao io. Fa mety tsy ho azonao ny valin-teniny satria ny avy ao aminy rehetra no mivoaka amin'ny asa tanany. Ary inona moa ny maha olona antsika, "ny fanahy ..." hoy ny ohabolan-drazantsika.

Moa tsy isika ve no malaky mitsara hoe ratsy na tsara ity sary ity rehefa tsy metimety amintsika ny loko avoakany.

Noho izany, tsy efa tsirimpanantenana ho antsika ve ny finoan'ny olona toy izay mahita azy mivary lavo tsy te hiady intsony.
39. toriteny ( 06/03/2013 07:59)

leva2:

Velona Jesosy!

Raha mijery ny kara-panondro isika izao : tsy maintsy misy sary ao, fa sady misy soratra koa manambara ny anarana sy ny mombamomba ny tena.
Jesosy rehefa tonga nofo (fa tsy nijanona ho Fanahy fotsiny ihany) dia hita maso sy notsapain-tanana ary nanana endrika physique. Izay no nahafahana nanao ny sariny.
Namana didi10, vao nijery ilay sary ianao dia nahalala avy hatrany fa sarin'i Jesosy ilay izy. Fantatrao izany.
Ekeko mihitsy ny tsy tokony handoalehana na hiankohofana na hivavahana amin'ny sary (na endrik'Andriamanitra aza ilay izy).
Fa hono hoa namana isany : ny fahitanao ny sarin'i Jesosy mifantsika eo amin'ny hazo fijaliana ohatra, midika inona aminao? manambara inona? mampahatsiahy anao inona?
Tahaka izany koa, ny tenin'Andriamanitra na Soratra Masina : ny famakianao izany, na ny fahitanao izany any anaty fiara, eny an-dalana, eny amin'ny rindrina, sns ... tsy ilainao ve? tsy manampy anao ve? tsy mitondra soa ho anao ve?
Izany tsy midika hoe alaivo ny baiboly dia ataovy ambany ondana hiaro anao, na asio sarin'i Jesosy eo an-doham-pandriana fa heverina hoe miaro; fa boky fotsiny ihany iny ary sary fotsiny ihany ireny fa tsy tokony heverina ho misy "pouvoir" akory ka hotompoina.
Tokony hijery amin'ny fomba malalaka kokoa isika izany, saingy mitandrina ihany koa mba tsy ho lasa hanompo boky, na sary, sns...

Misaotra namana isany!



Dia mba hazavao amin'izay fomba fijerinao izay ary hoe io lazain'ny deo4: 15 io?
Za aloha raha ny hevitro no anontanianao raha mbola misy doute izany hoe hitondra ny olona any amin'ny fanompoan-tsampy aleoko tsy atao ary tsy mampirisika ny olona hanao an'izany aho.

Tsy hoe banga be ny finoanao rehefa tsy mahita ny sarin'i Jesoa isaky ny 1 mètre ianao fa ny ahy tsy mila sary izany ny fanompoako sy ny fahatsiarovako ny Tompo fa araky ny voalazako tetsy ambony vao mifoha aho dia efa Izy no tsaroako voalohany.
40. hery ( 06/03/2013 08:21)

toriteny:

fa ny ahy tsy mila sary izany ny fanompoako sy ny fahatsiarovako ny Tompo fa araky ny voalazako tetsy ambony vao mifoha aho dia efa Izy no tsaroako voalohany.


Dia izay izany ny anao.
Ny an'ny olona indray, izay mety malemy finoana ho anao (ho hita eo ihany amin'ny andro farany), dia mety mila sary izy hahatsiarovany ny Tompo. Fa tsy ny sary no Andriamaniny. Ary resy lahatra tsara izy fa tsy manompo sampy na manompo sary amin'izany satria tsy ilay sary no andriamaniny. Porofon'izany, afaka miovaova ilay sary, raha may ilay sary dia soloiny hafa, satria Andriamanitra no ao antsainy fa tsy ny sary.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1132