VONONA NY MALAGASY

1. xxx ( 29/04/2009 21:05)
VONONA NY MALAGASY
Valin-kira ho an'i Dr Radaody Ralarosy P. - 4 sept 1958 -

Vonona ny Malagasy
Hanandratra ny tanindrazany
Ary tsy hilasilasy
Hanatratra izay voalazany.
Vonona ny Malagasy
Fa fitiavana sahazany.

Vonona ny Malagasy
Hamelo-maso 'reo nikoro,
Tsy hamela hangasihasy,
'Zay voamarina nijoro.
Vonona ny Malagasy
Handrafitra "reo torotoro

Vonona ny Malagasy
Hanavotra izay efa nisy
Ireo nolazaina ho kasy
Ka nirodana indrisy ...
Vonona ny Malagasy,
Ny fanetri-be dia tsisy.

Vonona ny Malagasy
Ka ny hajany no hakarina,
Gasikarany no lasy,
Ary azy, azy marina :
Vonona ny Malagasy,
Ny fanjakany no hitarina.

Vonona ny Malagasy
Ny hitana izany lova ;
Eny na dia efa tasy,
Hamboarina tsy hiova
Vonona ny Malagasy
Hanarina izatsy Rova !

Rô Andriamaneva
novalian'i saranga ny 30/04/2009 06:44
2. pikatti ( 29/04/2009 21:27)
en 1958 ,ve zany hoe vonona ny haka ny fahaleovantena ny Malagasy,

raha ny handrodana an'io fanjakana basy io enao de vonoina fa ny aty efa lera tonton a
3. xxx ( 29/04/2009 21:54)
Ny Alahelon´olombelona

Injay manako moramora
toa ra mipololotra
feo kely feno akora
sady latsa mafy loatra

Mitampody indray ny lasa
ka mamoha ny efa maty
zava- bery tsy voakasa
sady vata hobakaty

Ao ny sasany tomany
ao koa ny ketra-po!
hisentoako eto izany
holazaiko ny manjo

Fo kely iray maratra
nontsongohim-boron-tiana
hafaliana mahazatra
izao re itomaniana!

Voron-kely nantenaina
hiaraka ory, hiara-paly
kanjo dia naningotra aina
kanjo koa nampijaly

Safosafo tonga hoho
tonga ratra sady fery
hasambarana miamboho
mba tadiaviko, ka miery!

Vata vola tsisy vody
tsangambato very laza
sambo vaky tsy ho tody
ray sy reny maty zaza!

Voninkazo nokoloina
nefa kosa ka nalazo!
rehareha namboloina
vao tazana dia tsy azo!

Ho lo ny ra sy ny nofo
´zay nifindra tamin´iny
ny hafaliany mantsy hiofo
ho tadidy ny fahiny

Voron-kely lava akany
zanak´ondry dia manjeny
singan´aina ambony tany
i kala maty ray sy reny

Bodo zatra tambitamby
sy tamana angotingoty
vao maraina dia somamby
izany andron´ny kamboty!

Andry roa re ka lavo
hatahanta, aiza intsony!
ny fo mangorak´ilay Avo
no sisa hampitony!

Aiza kosa re ry tany
izay mba mamy entinao?
sa toloko sy tomany
no hitanao lava izao

O! afero sy mangidy
izany ihany no fisotro
simbanao ny sarobidy
nitokiana sy nisotro

Nantenaiko ho paradisa
ny fotoananao tontolo
kanjo tany hay madisa
feno angatra sy lolo!

J.-J. Rabearivelo


4. pikatti ( 29/04/2009 22:00)
indrisy mantsy ry taniko tokoa fa dia niangaran'ny vintana ve ty Madagasikara ,tsia
5. saranga ( 30/04/2009 06:44)
Tena sahy tokoa ve
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2648