VONONA NY MALAGASY 
xxx - 29/04/2009 21:05
|
![]() Valin-kira ho an'i Dr Radaody Ralarosy P. - 4 sept 1958 - Vonona ny Malagasy Hanandratra ny tanindrazany Ary tsy hilasilasy Hanatratra izay voalazany. Vonona ny Malagasy Fa fitiavana sahazany. Vonona ny Malagasy Hamelo-maso 'reo nikoro, Tsy hamela hangasihasy, 'Zay voamarina nijoro. Vonona ny Malagasy Handrafitra "reo torotoro Vonona ny Malagasy Hanavotra izay efa nisy Ireo nolazaina ho kasy Ka nirodana indrisy ... Vonona ny Malagasy, Ny fanetri-be dia tsisy. Vonona ny Malagasy Ka ny hajany no hakarina, Gasikarany no lasy, Ary azy, azy marina : Vonona ny Malagasy, Ny fanjakany no hitarina. Vonona ny Malagasy Ny hitana izany lova ; Eny na dia efa tasy, Hamboarina tsy hiova Vonona ny Malagasy Hanarina izatsy Rova ! Rô Andriamaneva |
pikatti - 29/04/2009 21:27
|
![]() raha ny handrodana an'io fanjakana basy io enao de vonoina fa ny aty efa lera tonton a |
xxx - 29/04/2009 21:54
|
![]() Injay manako moramora toa ra mipololotra feo kely feno akora sady latsa mafy loatra Mitampody indray ny lasa ka mamoha ny efa maty zava- bery tsy voakasa sady vata hobakaty Ao ny sasany tomany ao koa ny ketra-po! hisentoako eto izany holazaiko ny manjo Fo kely iray maratra nontsongohim-boron-tiana hafaliana mahazatra izao re itomaniana! Voron-kely nantenaina hiaraka ory, hiara-paly kanjo dia naningotra aina kanjo koa nampijaly Safosafo tonga hoho tonga ratra sady fery hasambarana miamboho mba tadiaviko, ka miery! Vata vola tsisy vody tsangambato very laza sambo vaky tsy ho tody ray sy reny maty zaza! Voninkazo nokoloina nefa kosa ka nalazo! rehareha namboloina vao tazana dia tsy azo! Ho lo ny ra sy ny nofo ´zay nifindra tamin´iny ny hafaliany mantsy hiofo ho tadidy ny fahiny Voron-kely lava akany zanak´ondry dia manjeny singan´aina ambony tany i kala maty ray sy reny Bodo zatra tambitamby sy tamana angotingoty vao maraina dia somamby izany andron´ny kamboty! Andry roa re ka lavo hatahanta, aiza intsony! ny fo mangorak´ilay Avo no sisa hampitony! Aiza kosa re ry tany izay mba mamy entinao? sa toloko sy tomany no hitanao lava izao O! afero sy mangidy izany ihany no fisotro simbanao ny sarobidy nitokiana sy nisotro Nantenaiko ho paradisa ny fotoananao tontolo kanjo tany hay madisa feno angatra sy lolo! J.-J. Rabearivelo |
pikatti - 29/04/2009 22:00
|
![]() |
saranga - 30/04/2009 06:44
|
![]() |