Fa maninona ny olona no mandositra Azy?

1. niryna ( 26/04/2007 06:30)
Kanefa Izy no mpanavotra, mpampahery,mpiaro,
mpamonjy,mpanasitrana ahy.Tsy misy toerana hafa ahafahako miafina aminy ka tsy hitondrako fahoriana. Izy no manafaka ahy rehefa sendra onja-mahery aho.Izy no antsoiko sy hanome hery ahy rehefa solafaka sy azo mpahoriana aho.Izy no mpiaro ahy raha sendra ny olana sy ady mahery aho.Nanome sy manome toky ahy Izy mba hanantona Azy rehefa miasa fatratra sy mavesatra entana aho.
Handositra? Hiafina? Hanary dia ? Hiverin-dalana?Hanala soritsoritsaina amin'ny fahaverezana maro samy hafa? .
Na inona ataoko na aiza alehako dia hitany foana izany ary ho very foana aho raha tsy miaraka sy manankina ny fiainako manontolo aminy.
Fantany foana izay rehetra ataoko koa nahoana aho no mandositra sy manalavitra azy?
Omeo fampaherezana ireo namana izay tsy mahafantatra Azy na minia miverindalana mba tsy ho tara satria ny nofontsika dia ho levona fa ny fanahintsika dia hitoetra ho mandrakizay.Mino ny fiainana mandrakizay ve ianao?Ary aiza no hieritreretinao alehanao?Vonona ve ianao raha miantso anao ny Tompo?
novalian'i tsiafoi1 ny 30/04/2007 12:35
2. rakaroka ( 26/04/2007 09:25)
'za aloha mbola misy zavatra atrehiko sy tiako vitaina: dia tsy mbola vonona loatra ny handeha hanaraka ny "Tompo"izany fa ny miatrika ny fiainana araka ny sitrapon'Atra no mbola ataoko!:lol:
3. Mandefitra ( 26/04/2007 09:47)
Fa maninona ny olona no mandositra Azy?

Anisany ngamba hoy aho ny fanasarotana loatra ilay fampianaram-pinoana.Nefa de tsotra ny fahazoana famonjena "...Nomeny ny Zanany Lahy tokana mba tsy ho very zay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay".Rehefa mahalala sy manana zay finoana zay,de mianatra miandalana ny sitrapony io ilay hoe "Mitombo @ fahalalana tsara an'Andriamanitra",
avy @ teniny.Ary manaiky ho Tarihin'ny Fanahy.
4. nikopol ( 26/04/2007 10:52)
za tsy mandositra fa i lery no manaraka ahy foana eny :-D:-D:-D
5. johnnyandri ( 26/04/2007 12:28)
manana fikasana ny hanao tsara ny olona hanaraka Azy ary manana fikasana hiala amin ny ratsy saingy ny mifanohitra foana no vita izany hoe ny zavatra tiana hatao tsy atao fa ny tsy tiana hatao foana no atao. Mila fiafiana ny fanarahana Azy. Tsy mandositra azy ny olona fa tsy mahavita manaraka azy.:-/
6. Rasiligaoma ( 26/04/2007 12:31)
Misy tenin'olomasina malaza izay manao hoe.
"Omeo ahy ry Jesoa ny (izao zy izao) saingy fa tsy mbola izao aloha..."
7. niryna ( 26/04/2007 13:15)
rakaroka:

'za aloha mbola misy zavatra atrehiko sy tiako vitaina: dia tsy mbola vonona loatra ny handeha hanaraka ny "Tompo"izany fa ny miatrika ny fiainana araka ny sitrapon'Atra no mbola ataoko!:lol:

Aza ela fangataka andro ary .

8. niryna ( 26/04/2007 13:18)
Mandefitra:

Fa maninona ny olona no mandositra Azy?

Anisany ngamba hoy aho ny fanasarotana loatra ilay fampianaram-pinoana.Nefa de tsotra ny fahazoana famonjena "...Nomeny ny Zanany Lahy tokana mba tsy ho very zay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay".Rehefa mahalala sy manana zay finoana zay,de mianatra miandalana ny sitrapony io ilay hoe "Mitombo @ fahalalana tsara an'Andriamanitra",
avy @ teniny.Ary manaiky ho Tarihin'ny Fanahy.


Sady ihany koa miandry antsika tsirairay izy hanantona azy,izy eo anilantsika foana fa isika no be siasia

9. Rasiligaoma ( 26/04/2007 13:19)
rehefa "lalan'ny mody" (antitra) raha notahian'andriamanitra ...no fotoana.
10. niryna ( 26/04/2007 13:19)
nikopol:

za tsy mandositra fa i lery no manaraka ahy foana eny :-D:-D:-D

Raha fantatrao fa manaraka anao ary izy dia antsoy e.Ity aho Tompo o fa miantso sy mitady anao:P

11. niryna ( 26/04/2007 13:21)
johnnyandri:

manana fikasana ny hanao tsara ny olona hanaraka Azy ary manana fikasana hiala amin ny ratsy saingy ny mifanohitra foana no vita izany hoe ny zavatra tiana hatao tsy atao fa ny tsy tiana hatao foana no atao. Mila fiafiana ny fanarahana Azy. Tsy mandositra azy ny olona fa tsy mahavita manaraka azy.:-/

Tenin'i paoly nomeny antsika io.Fampaherezana ny tsy ho tara ihany koa.Ny ho lavorary dia tsy hisy fa raha manandrana mitady Azy isika dia ahita azy tokoa.

12. niryna ( 26/04/2007 13:28)
Rasiligaoma:

rehefa "lalan'ny mody" (antitra) raha notahian'andriamanitra ...no fotoana.

Rasiligaoma a ahoana no hitompoanao teny fatratra fa antitra no mety ho alainy isika?Moa tsy izy no nanome ary izy ihany no maka amin'izay fotoana hitiavany azy?
Aza mangataka andro lava fa tsy ho fantatra izay ho avin'ny ampitso.Na ny fivavahana aza dia milaza fa omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay.Hanina anio izany fa tsy ny rahampitso.Fehiny tokony ho vitaina izay mety ho vita na ny fitoriana ny filazantsara izany na ny fanantonana azy na ny fangatahana ny famelankeloka aminy sy amin'ireo anananao alahelo sy nomenao alahelo.Izay aloha no fantatro e.Mandositra? Mitady vaha olana haingana sy hieritreretina ahaomby azy ny olona ka mamono eritreritra amin'ny zavatra hafa fa tsy manantona mitalaho na mangataka famelan-keloka aminy.

13. cutie ( 26/04/2007 22:59)
Mpandefa : rakaroka [ Valio ] 26-04-2007 11:25:15
Lohateny : Re : Fa maninona ny olona no mandositra Azy?
'za aloha mbola misy zavatra atrehiko sy tiako vitaina: dia tsy mbola vonona loatra ny handeha hanaraka ny "Tompo"izany fa ny miatrika ny fiainana araka ny sitrapon'Atra no mbola ataoko!

hum hum :lol:
msndeha mankaiza moa le manaraka an;i tompo :wink:
14. niryna ( 27/04/2007 06:17)
cutie:

Mpandefa : rakaroka [ Valio ] 26-04-2007 11:25:15
Lohateny : Re : Fa maninona ny olona no mandositra Azy?
'za aloha mbola misy zavatra atrehiko sy tiako vitaina: dia tsy mbola vonona loatra ny handeha hanaraka ny "Tompo"izany fa ny miatrika ny fiainana araka ny sitrapon'Atra no mbola ataoko!

hum hum :lol:
msndeha mankaiza moa le manaraka an;i tompo :wink:


cutie a izaho koa aza mba gaga amin-drakaroka
15. Rasiligaoma ( 27/04/2007 07:25)
tsy mitompo teny fatratra aho fa rehefa tanora aho no alainy dia izay izany.. tsy nitahy anahy izy
16. Zina ( 27/04/2007 17:16)
Oy i nyrina oe:
Fa maninona ny olona no mandositra Azy?


Mbola variana amin'ny fiainana eto an-tany isika ka mandositra azy...mbola lambolamboin'i satana amin'ny reha rehetra ka adino Izy. Fa rehefa tonga ny zavatra ratsy manjo mahatsiaro azy ihany.. Nefa tsy tokony hiandry an'izany voa hanakaiky azy satria indraindray tsy misy fotoana hieritreretana an'Azy intsony:wink: satria efa maty.....
17. fijo ( 27/04/2007 22:06)
niryna an,tsy misy mandositra eo,fa na te hanantona aza izahay,iza no hoantonina eo???rivotra sa afo sa inona??sady tsy miteny no tsy re no tsy misy fofona no tsy tsapa ko atao inona .tsy misy izany amiko
18. niryna ( 27/04/2007 22:13)
Rasiligaoma:

Misy tenin'olomasina malaza izay manao hoe.
"Omeo ahy ry Jesoa ny (izao zy izao) saingy fa tsy mbola izao aloha..."

Ahoana izany rasily

19. niryna ( 27/04/2007 22:15)
Rasiligaoma:

tsy mitompo teny fatratra aho fa rehefa tanora aho no alainy dia izay izany.. tsy nitahy anahy izy

Ka izay indrindra rasily no antony hiambenana andro aman'alina a.Ny tsy fahafantarana ny andro omeny antsika,tsy satry aza ve mba ho voavonjy daholo ny olona rehetra?

20. niryna ( 27/04/2007 22:17)
Zina:

Oy i nyrina oe:
Fa maninona ny olona no mandositra Azy?


Mbola variana amin'ny fiainana eto an-tany isika ka mandositra azy...mbola lambolamboin'i satana amin'ny reha rehetra ka adino Izy. Fa rehefa tonga ny zavatra ratsy manjo mahatsiaro azy ihany.. Nefa tsy tokony hiandry an'izany voa hanakaiky azy satria indraindray tsy misy fotoana hieritreretana an'Azy intsony:wink: satria efa maty.....

Marina aky izany ry zina a

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 3.0952