fivavahana, lasa mivoana any amin'ny tsy alehany

1. xxx ( 27/11/2006 15:22)
Ianareo ve ry reto mba efa tratran'izany hoe mivavaka dia lasa renoky ny torimaso, na mandeha any amin'izay tsy alehany? Mahery ny satana eto aminity tany ity ka tsy avelany ny tena fa tazominy foana.
novalian'i niryna ny 17/12/2006 19:10
2. xxx ( 27/11/2006 15:51)
cutie a mba omeo valiny kosa aky izahay fa tsy fantatray ireo dikan'ny olona be dia be ireo a
3. cutie ( 27/11/2006 15:55)
koa raha tsy oul antitra koa renoky ny torimaso
sa mampatory le toriteny :-D:-D:-D
4. ikaretsaka ( 27/11/2006 16:17)
indraindray kosa na ilay toriteny lava be na ilay filatrony mampatory...
na ianao tsy te hatory aza lasa tampoka kooo
5. cutie ( 27/11/2006 16:26)
de refa ohtr'reny ny toriteny de mandeha mivoaka kely koa :lol::lol::lol:
6. Fiffi ( 27/11/2006 17:16)
matoa renokin'ny torimaso eo ampihainohina ny toronteny de tsy misy concentration zany le olona !
Tandremo kosa anefa fa misy ny haretina hatao hoe "maladie du someille , na koa ny apnée du someille" ireny na de faran'zay concentré aza le olona rehefa tonga le torimaso de tsy lasa intsony fa matory !
7. Rasiligaoma ( 28/11/2006 00:21)
ka ilay izy aza mampatory ko...mitsory ihany ny nestle na concentre be ohatran'ny inona aza
8. diamondra27 ( 28/11/2006 04:11)
Tsy voatery hoe: ilay toriteny no mampatory c'est facile de dire ça fa avant dia mba avereno tadidiana hoe: natory sy ampy torimaso tsara ve aho t@ alina iny . Raha tsy izany dia mazava ho azy fa te-hatory ianao un moment donné fa matetika ilay izy tonga @ ora fitoriana teny.

Tsy misy toriteny hoe tsara sy ratsy na hoe intéressant na tsia izany fa ny disponibilité-nao no tsy tao de tsy voaray ny message, tsy nisy réseau.

Tahaka ny olona mianatra ihany io; raha tsy ampy torimaso ny ankizy na ny olona 1 de iny @ 11H iny manomboka manoaka na te-hatory matetika. Misy koa ny an'ny sasany iny dans l'après-midi iny indray

Mila miomana tsara rehefa hihaino sy miresaka @ Atra
9. xxx ( 28/11/2006 05:52)
Ilay mifoha maraina iny anie izany e. Eo am-pandriana ny tena no mivavaka misaotra an'Atra na ny hariva hatory dia lasa any amin'izay tsy izy ilay vavaka. Ny ataoko dia mivavaka mandohalika ao amin'ny toerana mangina fa indraindray vao avy mifoha na hatory dia izay mandeha amin'ny lalany hafa izay.
Mianatra soratra masina izahay any am-piasana, ity namanay iray vao manomboka fontsiny ny famakiana baiboly dia renoka izy.Hoy ilay namanay iray hoe ialahy izany matory toa izao koa rehefa mampianatra sekoly alahady?
Misy olona matory aloha rehefa tonga ny toriteny any am-piangonana, fa izaho indray tsy matory fa mandray naoty no ataoko.
10. Rasiligaoma ( 28/11/2006 11:05)
fa za ampy torimaso..asiako kafe sns fa e e e rehefa tratran ilay feo mampatory izay....
ao anaty torimaso koa anie afaka miresaka @ andriamanitra e! ny magy sy i Josefa izao tao no niresahany!
mpanao gazety angaha i XXX? dia hatrany am-piangonana koa ve de mbola zany ihany
11. booboo ( 28/11/2006 12:29)
:-D
12. methode ( 29/11/2006 09:12)
Za aloha mahita hoe matoa matory zany de tsy mifantoka ao ny saiana e! Raha mivavaka mantsy ohatran\'ny hoe miresaka amin\'ny olona ihany de refa tsy mahita lazaina intsony sady tsy te-hihaino ilay lazain\'ny iray intsony de matory ny farany na lasa amin\'ny zavatra hafa ny saina. Fa zany nge anatin\'ny vavaka daholo e! Ilay \"intention\" no teny izy hoe vonona hivavaka! Tsy voatery miteny vaéo miresaka amin\'Andriamanitra.
13. cutie ( 29/11/2006 22:43)
methode
ary raha toriteny? Mbola firesahana koa ve zany :lol:
14. ikaretsaka ( 30/11/2006 05:11)
za koa aloha indraindray tsy afeniko fa "mivavaka amin'andriamanitra ao anaty torimaso e"
Mitovy @ nahazo toriteny ihany indraindray rehefa manonofy miresaka aminy
15. dailynews ( 30/11/2006 18:15)
xxx> azoko ny tianao lazaina...mpahazo ahy taloha io....ary indraindray ihany koa izao rehefa tsy miambina aho.


ny antony amiko dia ao no mety faharerahana tsotra fotsiny izao.

ny antony manaraka ihany koa araka ny nolazain ny pasiteranay izay dia izao:
ny olona mivavaka no zavatra tsy tian ny devoly indrindra fa @ alalan iny fifaneraserana @ Atra iny no hahazoana hery avy aminy... koa tsy tian ny devoly ianao hivavaka ary attaquer-ny @ alalan ny torimaso. ny ataovy dia izao:
alohan ny tena hiditra lalina @ vavaka ianao rehefa avy mifona sy midera an Atra dia mangataha ny ran I Jesoa handrakotra ny vavakao tsy hosembatsembanin ilay ratsy ary roahy ny fanahy izay manakorontana ny vavaka izay hataonao ary mangataha ihany koa concentration ary mangataha ny Fanahy Masina indrindra indrindra hanampy anao hivavaka

raha mangataka zavatra araka ny sitraponko ianao hoy Izy dia ataoko izany...sitrapon Atra ny mivavaka o?? dia minoa fa ho azonao ary izany.



16. ikaretsaka ( 01/12/2006 05:00)
fa tsy azoko.... angaha rah amatory tsy mivavaka.. raha manofy mivavaka ao anaty torimaso

sa mivavaka=mihaino toriteny?
17. niryna ( 01/12/2006 06:52)
Hatraiza hatraiza feno an'ikaretsaka mifanohitra izay lazain'ny olona.Aza manaiky hampiasan'ny devoly izany fa miadiva ry ikaretsaka. Fantatro fa marina io devoly maka fanahy sy misintona fivavahana io, izaho indray andro izay vao avy nivavaka olona iray, hitako tamin'ny fahita n tarehiny fa olona ratsibe ary niteny ilay izy hoe azonao izy.Miala ny devoly hoy aho dia notohizako ny vavako.
18. dailynews ( 01/12/2006 19:49)
ikaretsaka=>angamba ny mivavaka tenenin ny mpanoratra eto dia ilay mivavaka miresaka @ Atra satria hoy izy hoe ilay rehefa mandohalika mivavaka iny.

ny mihaino toriteny koa raha tianao dia tafiditra anatin izany. inona ny antony??? satria raha te hitombo ny finoanao dia mila mihaino toriteny. dia raha tsy maheno toriteny ianao dia tsy mitombo izany ny finoana. " koa ny finoana dia avy @ toriteny ary ny toriteny dia avy @ tenin i Kristy" Rom 10:17

dia raha tsy mitombo anefa ny finoana dia tsy mety mahita ny voninahitr Atra @ fianany ny olona iray dia manjary mihevitra fa ilay Atra mihitsy no efa tsy miasa intsony anefa io olona io no kely finoana...de tahakahaka izay.
19. ikaretsaka ( 02/12/2006 02:58)
Nareo reto koa re olona de tsy azoko mihitsy:
za ange manontany e.... sa tsy mahazo manontany intsony ato?

Izay ny maha[size=13px] "dinika "[/size]

1) mivavaka= voatery mihaino toriteny?

2) Raha matory ianao ka mivavaka any anaty nofy any dia tsy mivavaka?

angaha raha manana saina te hahafantatra ny marina momba ireo za dia tsy azo atao fa asan-devoly izany??
20. niryna ( 03/12/2006 07:19)
Ikaretsaka.Eo am-pandohaliana anie izany e.Taritin\'ny devoly any amin\'izay tsy izy ny fivavahana? Ianao angaha tsy mbola voan\'izany.Misy koa olona sasany na mamaky baiboly eo dia renoka ho azy, na boky hafa koa.
Fanontaniana no ilaina valiny efa voa toy izany ve ianao na mitovy an\'io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1243