Xmasy

1. rakekely ( 16/12/2005 06:41)
raha mankalaza izao Xmasy izao ianao dia tsarovy fa fahasoavana sy famonjena ho anao izany.
Te-hiaina ao anatinao sy hiara-honina aminao mandrakariva Andriamanitra.
Tsy mba manavaka Izy fa ny fonao no tranon'omby tiany hidirana sy hahaterahana indray
Mahaiza ary manararaotra izany fitiavan'Andriamanitra izany.
Dia manaova Xmasy sambatra avokoa.
novalian'i dadabe ny 10/01/2006 22:45
2. jentilisa ( 16/12/2005 08:22)
taiza ary no nisy izany tranon'moby izany? Mba lazao ahy hoe! toko andininy...vakio tsara aloha!
3. akamatiana ( 16/12/2005 15:00)
rakekely=D^:^
4. Bariry ( 16/12/2005 15:04)
Merci rakekely
:P
5. marozevo ( 17/12/2005 01:14)
Jentilisa > Tsy misy filazana hoe tranon'omby tokoa angamba, saingy ny hoe FIHINANAM-BILONA dia misy. Ka ny inona moa no mihinam-bilona?
6. Nickovy ( 17/12/2005 17:14)
marozevo:

Ka ny inona moa no mihinam-bilona?

Ny akoho, ny kisoa, ny bitro, ny ganagana, ny ondry , ny osy, ny ...

7. diamondra27 ( 17/12/2005 18:14)
d aoana ny fidirany ato @ foko
8. lapino ( 17/12/2005 19:52)
Nickovy:

marozevo:
Ka ny inona moa no mihinam-bilona?

Ny akoho, ny kisoa, ny bitro, ny ganagana, ny ondry , ny osy, ny ...

... ny dinôzôro :)

9. ravakamalala ( 17/12/2005 22:43)
Mba mipetraha tsara ry reto fa inn azy ty? maninn nefa na atao aza hoe tranon omby fa izay no efa tao anatin ny fisainana ny olona ka inn no maharatsy azy, nga koa moa tena voaporofo marina ilay tantaran ny paoma sy ny menarana, fa dia mba amenoana ny "imaginaire"tsika fotsiny zany!
10. marozevo ( 20/12/2005 00:10)
Nickovy > sady toran'ny hehy aho no mamaly anao. Kay tokoa moa mihinam-bilona ireo bibikely voalazanao ireo. Dia andao atao hoe tao an-tranon'akoho indray ary eh!! Sa tranom-bitro no tianao. Raha tranon-kisoa kosa aloha tsy lasa ko le aza !
11. Veloo ( 20/12/2005 01:44)
:-D:-D=))=))=))=))
marovezo a manaova Xmas sambatra an. Sendra ny ankizy be anihany ato kle
12. xxx ( 21/12/2005 23:16)
Misy tsy mazava ity e,izay mahafantatra fa tena vaky ny lohako:
-I Matio milaza fa i Jesoa dia teraka tamin'ny andron'i Heroda izay maty tamin'ny taona moins quatre.
-I Lioka kosa mampiteraka an'i Jesoa tamin'ny andron'ny recencement ,izany hoe plus six.
Dia atao ny calcul dia hita fa misy 10 taona be izao ny elanelany.
Dia iza ary no tena evanjely amin'ireo??
Ny an'i Matio izay vovolombelona nahita maso sa ny an'i Lioka nanao fanadihadiana lalina sy nanontany vavolombelona nahita maso ny zava-niseho?

Dia ahoana koa ary ilay circuit an'i Jesoa fa tena sport be?Rehefa ampitoviana ny voyagen'ny sainte famille dia tena mifandipatra be mihitsy.Ny an'i matio nalefany nitsekaraka nankany Ejipta ry zareo,ny an'i Lioka kosa tonga dia naveriny direkta any Nazareta rehefa teraka i Jesoa.

Sa raha entina amin'ny finoana izany rehetra izany dia mety ho azo ekena ihany?:lol:
13. Herimiafina ( 21/12/2005 23:22)
Izay mihintsy, vaky ny loha raha atao RATIONNEL be le izy, ka ampifandraisina amin'ny kajy matematika, satria ny Tenin'Andriamanitra de tsy voatery ho rationnel ka takatry ny sain'olombelona toy ny fikajiana famerimbolana vidina anana ohatra, hehehe:-D:-D

Courazy e!!!!8)
14. LazaRandri ( 22/12/2005 00:21)
xxx,
1) Heroda iza io resahinao io? Ny taona nahaterahan'i Jesoa aloha dia tsy hain'olombelona, ary ny andro koa dia tsy 25 Desambra.

Atao inona anefa izany? Ampy ahy ny fahafantarako fa tonga namonjy antsika izy, ary mbola hiverina haka antsika. Tsy ilaiko fantarina akory hoe rahoviana. Ny adihevitra tsy ahitan-tsoa ankoatr'izay tsy dia ilaiko loatra satria manome vahana fifanjevoana.

2) Voasoratra ao @ Likoa mihitsy ve hoe avy hatrany dia "direkta nankany Nazareta rehefa teraka Jesoa?". Sao dia mba noforoninao io fa ny Baiboly vakiako tsy misy an'izany? (NIV, KJV, NKJV, NLT, ASV,...) :)
15. jentilisa ( 22/12/2005 05:47)
fa maninona koa aloha raha tsy atao hoe tranon'omby ilay izy e? Tokony tsy hivaoaka amin'ny filazantsara mihitsy ny olona fa rehefa fihinananm-bilona dia fihinam-bilona! mety ho tahaka ireny fisotroan-dranon'ny western ireny anie ilay fihinanam-bilona matoa natao mora hitan'ny mpiandry ondry e!
16. LazaRandri ( 22/12/2005 06:54)
na tranon'omby na tranon'ondry, peu importe!....ny zava-dehibe dia hoe nanetry tena i Jesoa noho ny fitiavany antsika :)
17. naritsimba ( 22/12/2005 10:25)
Raha mandinika ianareo dia i Lioka irery no Apostoly tsy Jisosy t@ ireo ^pôstôly 12 lahy noho izany dia nanana ny fandinihany manokana izy raha mitanara ny tetiharan'ny Jesoa Kristy. Ary hafa mihitsy ny fomba fitantarany sy ny fomba entiny milaza izany satria izy dia nandia fianarana @ maha-Dokotera azy.
18. namanao ( 22/12/2005 14:22)
marozevo:

Jentilisa > Tsy misy filazana hoe tranon'omby tokoa angamba, saingy ny hoe FIHINANAM-BILONA dia misy. Ka ny inona moa no mihinam-bilona?


Ny Jiosy ange mpiompy ondry sy osy no tena ataony eh. Noho izany manakaiky kokoa ny mety ho marina raha atao hoe tranon'ondry aman'osy.
Fanaporofoana azo raisina: Jereo ny testamenta taloha, inona reo biby fiompy tanisaina fa anan'ny olana ao ka ompiany. Ry Joba zao voalaza fa manana ondry marobe, Jakoba koa, sns eh!
19. jentilisa ( 22/12/2005 14:46)
LazaRandri:

na tranon'omby na tranon'ondry, peu importe!....ny zava-dehibe dia hoe nanetry tena i Jesoa noho ny fitiavany antsika :)


Ary ilay fanetre-tena dia hoe tsy tafiditra an-trano(mbahiny ) izy fa tety ivelany, izany hoe toa tsy hoheverin'ny hafa akory fa ny asiany ny lohany atoriany sy hampafana azy ihany no fantany!

Ary izay koa ilay hoe tonga tany amin'ny azy izy fa ny azy tsy nandray azy...Noambaniana noho ny olona mahazatra izy...tratran'ny kely tsy mba mamindro!
20. naritsimba ( 23/12/2005 04:30)
Ilay fanentren-tena nasehon'ilay zanak'Andriamanitra nidina tety an-tany no tena tokony ho jerentsika fa tsy ilay hoe, omby sa osy sa ondry.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.376