Ny fianarana

1. ratina ( 18/02/2004 14:05)
Ahoana avy ny hevitry ny tsirairay raha toa ka haverina ho malagasy indray ny fomba fampianarana ?
novalian'i fijo ny 14/04/2004 23:40
2. kally ( 18/02/2004 15:56)
Tsy azo averina tonga dia hoe hagasiana daholo ny fampianarana fa mila fotoana sy fanofanana goavana be izany:ny mpampianatra aloha mila hofanina tsara fa tsy hoe ovay teny gasy ny fampianarana dia lasa izao ny 2004/2005 tonga dia hagasiana.Ary rehefa voaofana tsara ny mpampianatra dia ny ankizy vao miditra T1 no anombohana azy dia tohizina moramora hatrany fa tsy ny ankizy efa 3è no havadika ho teny gasy fa manjary manimba azy izany.Izany hoe ny T1 taona 2004 ohatra no nanombohana azy fa ny T2 (2004) tsy manao,izany hoe izay tsy nanomboka hatramin'ny voalohany dia avelao hitohy ohatran'iny foana fa rehefa hanova dia aty @ fotony dia efa ovaina.
3. donemaskit ( 18/02/2004 16:28)
tsara ilay hevitra, fa aleo tsy ny rehetra no manao azy
4. ikaretsaka ( 18/02/2004 17:30)
tena ilay Voambolana aloha manahirana be ry reto raha tsy tena heo efa hifanarahana mihitsy, fa ilay gasian any voambolana.. tena fanina ianoa rehefa tratran'ilay manao azy ka
5. kally ( 18/02/2004 18:58)
Ka izay no antony tsy anaovana azy eny an-tenantenam-potoana fa hatrany @ fotony.
6. donemaskit ( 18/02/2004 19:25)
fa inona avy ireo tena tombon-tsoan'ny fanagasiana ny fampianarana ?
7. fijo ( 19/02/2004 09:40)
misy diso fandraisana ilay hoe fanagasiana.tamin'ny 1972 anie raha nitaky ny fanagasiana ny mpianatra,tsy hoe hovana teny gasy daholo ny teny ampiasaina,fa ny taranja ianarana no atao izay mifanaraka amin'ilain'ny gasy azy.oh/izahay dia mbola nampianarina hoe nos dadabe sont les gaulois.taiza no nanananay fiaviana avy aty ?
ny toa izay no tena notakiana,fa nony tonga teo ilay vendrana iry,dia zavatra hafa no nataony.
8. ikaretsaka ( 19/02/2004 15:33)
misy ange any avaratra rehefa miteny hoe amin'ny firy izao dia hoe kelera? e izany ny teny gasy any aminy ! tsy hitako izay maharatsy izany noho ilay mamorona voambolana gasy 100% nefa tsy azo akory...
9. donemaskit ( 19/02/2004 12:27)
hita ho'aho sady tsy azo no tsisy mampiasa akory. oh : "vata maro bokotra"
10. pitchou ( 19/02/2004 14:11)
mitovy hevitra @ Kally aho! raha izaho tsy mampaninona ahy ny fampianarana raha atao @ teny gasy saingy omanina tsara mialohan'ny hampiharana azy, ary atomboka aty @ maternelle. ny olana lehibe kosa amiko dia ny hanofanana ny mampianatra handray ireo ankizy ireo rehefa miditra eny @ ambaratonga faharoa, dia rehefa hiditra eny @ université. tena sarotra be e! @ izao fotoana izao ange jereo fa @ teny frantsay ny fampianarana rehetra, ary betsaka ireo eny @ univ no tsy nandia fianarana @ teny gasy nefa tena mahamenatra ny ankamaroany @ tsy fahaizana ilay teny frantsay e! asa angamba ny mpampianatra tety @ fotony no tratran'ny teny gasy? ary tsy tokony ho adino koa fa na @ teny gasy aza ny fampianarana dia tokony hianatra teny vahiny ihany koa dieny eny @ EPP. Ny mety ho hitantsika indray anefa dia izao: hisy marobe indray ny école hanandratra ny teny frantsay ka hizara roa indray ilay génération, ireo nianatra eny @ école d'expression française sy ireo sarambabem-bahoaka!!!
11. fijo ( 20/02/2004 11:01)
any danemarka ny fianarana dia amin'ny teniny.rehefa any amin'ny universite izy dia miteny anglisy.nefa dia maharaka,satria nianatra teny anglisy koa avy aty amin'ny fototra.
12. pitchou ( 20/02/2004 14:33)
ka izay manko! raha tsara conditions angamba ny mpampianatra @ EPP ary tsara koa ny fampianarana any d tsy olana mihitsy ny hanovana azy @ teny gasy! taloha ange tena rehareha izany hoe voaray tao @ EPP e! izany hoe tafiditra 6è tany @ lycée na farafaharatsiny teny @ CEG.
13. fijo ( 26/02/2004 10:16)
marina izany.saindry indrisy taloha.
14. jhouhlambout ( 14/03/2004 11:42)
Ka ny taloha no iaingana mba hatongavana @ ankehitriny kou!
15. ikaretsaka ( 15/03/2004 12:56)
nga ny danois ireny ry fijo.. ny soedoa , ny holandey koa
16. angie ( 18/03/2004 10:22)
Tsara ny mitahiry ny teny malagasy fa ilaina koa ny teny vahiny mba entina hampandrosoana ny firenena sy ahafana mifandray @ hafa fiaviana. Izao aza @ teny frantsay maro be ny tsy mahay na dia bonjour maika moa raha atao teny gasy daholo lasa miha mihemotra isika @izany. Ny tsara atao: fanamafisana ny fandahana ny lesona malagasy mba tsy hijanona fotsiny eo @ teni-paritra.
17. kitjo ( 21/03/2004 10:30)
voalohany aloha le fanagasiana ny tena dikany tsy oe atao teny gasy ny fampianarana, fa ny zavatra ianarana no atao mifanaraka @ zavamisy ao Madagasikara,azo ampiharina ao ary atao araky ny kolontsainantsika

Tsy ratsy aloha ilay hevitra kanefa ao anatin'ny "mondialisation" tanteraka tsika zao,inddra efa nampidirin FMI sy BM @ "privatisation",sao vao mainka afaka hanambany antsika kokoa ny vazah nohon'ny amin'izao fotoana izao?
Ny ao Dago manko ny ankizy matetika, ireo izay miditra @ sehatryny asa, sady miasa amin'olona, matetika ireo izay tsy dia nahavita fianarana lavitra,(tsy ny rehetra akory an),ka raha hiandrasana @ universite ve vao hianatra teny vahiny tsy eo dol no raisina??nanomboka maternelle aza ny sasany nianatra "bezoro m'ise"iaany no hainy

Hafa ange ny any @ tany mandroso e,betsaka ny tompon-tany (nationaux no tiako lazaina),mitazona ny orinasa lehibe ao aminy ary ny asa rehetra mitsy aza,

ka ny ilainy ny vazaha matetika dia resaka fiaraha-miasa,
Ireo grand patron znay matetika no tena mifandray @ vahiny,fa ny mpiasa madinika dia resaka fifandraisana indraindray fts na koa resaka technique no ilainy an'izany,

Fa ao amintsika le gasy misolelaka mba akaikin vazah iany no mahay miteny vazah,satria vahiny aby mazana ny mpampiasa,samihafa mitsy le "circonstance" e,

Ny taranja malagasy angamba hoy aho no amafisina tsara,dia ny resaka kolontsaina koa,ary na @ fianarana frantsay"homologue" reny aza dia asina taranja malagasy koa,
18. ikaretsaka ( 21/03/2004 19:46)
ka ny antsika ilay hoe fanagasiana mbola ilaozana mifaninana mamorona teny hafahafa fa tsy mety hono raha gasy tanteraka.. dia ny termes rehefa avy eo na tsy mahadika ny tena fotokevitr'ilay zavatra sady tsy azon'ny tanora akory.. eritrereto fa na samy mpampianatra fizika t@ teny gasy aza ny anakiray ohatra manao hoe miiba sy miabo ny anakiray manao hoe mijotso sy misonga .. dia avy eo raha mifindra prof ilay akizy dia fanina tanteraka...
19. angie ( 22/03/2004 20:43)
Tsara ny teny gasy raha hamafisina kokoa, fa tokony ho hisy ezaka manokana koa entina hampianarana ny français na anglais be be kokoa ary dia tokony hiditra ao antin'ny projet Etats mihitsy. mampalahelo mahita ankizy bi-bacc mahazo izay lazainao rehetra na anglais na français fa tsy capable mamaly. na olona maka Visa ao ò ambassade nefa tsy mahay miteny frantsay. akory à 26 ans....Mampalahelo e
20. ikaretsaka ( 22/03/2004 17:10)
ka ohatran'ny hollandais io hoa.. miteny ny fiteniny aby fa rehefa amin'ny vahiny dia miteny anglisy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3678