FIHAONAN\'NY NAMANA ATY AM-PITA

1. ralay ( 13/01/2004 18:43)
Araky ny fantatsika izay aty am-pita, indrindray isika eto Frantsa moa dia misy ny antsoina hoe RNS izay fihaonana sportiva fanaon\'ny gasy isan-taona dia ny Week End ny paka izany.Maro maintsika namana angamba ny mamonjy azy io, ka maninona moa raha hararaotina io fotoana io hihaonana. Misokatra ho antsika ny adi-hevitra. Fialam-boly koa izy io ho an\'izay tsy manao fifaninanana ara-panatanjaha-tena.
novalian'i dd ny 20/03/2004 15:41
2. adamilus3a ( 13/01/2004 11:40)
de aiza dray hono @ty
3. sipagasy ( 13/01/2004 14:45)
Any VICHY ny RNS 2004 é! tongava maro é!
4. fitiah ( 13/01/2004 15:11)
ho antsika gasy rehetra eto france , lavitra mada ka tokony mifanohana tsy miavona eh,
5. aly ( 13/01/2004 16:37)
Izaho koa dia mpamonjy RNS taloha saingy tsy eto frantsa intsony izao dia ahoana? Sao mba misy afaka miaraka aminay manao karazana RNS eto La Réunion amin'ny volana Mars ho avy izao miaraka amin'ny équipe malagasy hafaranay hihaona amin'ny gasy eto La réunion (foot io ) fa azo atao koa ny sport hafa afaka mikarakara izahay.
6. oully ( 13/01/2004 17:41)
Avy hatrany dia manohana 100% aho ary tena hihaona any zany isika raha tsy misy ny sampona.
Raikitra eh!
7. xxx ( 14/01/2004 10:49)
aiz moa ty vichy!any idf v ??
8. fijo ( 15/01/2004 11:51)
manaraha carte,fa ao ampovoany ao no misy azy.
9. xxx ( 15/01/2004 19:27)
Misy lalao kanetibe ve leitsy any rafijo?
10. hery ( 15/01/2004 10:09)
Afaka mandeha koa ve ny avy aty Italie?
Ny tiako lazaina dia ny lafiny pratika.
hébergement indrindra indrindra...

11. fijo ( 16/01/2004 10:35)
ny fanaonay dia maka formul1 ireny.misy avy any suisse tonga aty.ie misy boule koa ka.
12. mawashi ( 16/01/2004 15:49)
mlay B le hevitra sady za zao mbol tsy nahita gasy tsy miavona taty!!!!!
Tena loza B mintsy!!!!
Tsra ra mba mifankalala kely alou!!
13. boulki ( 16/01/2004 16:57)
Ho an'i hery ny hebergement dia samy mi-debre ny azy fa misy ireny hotel premiere classe na formule 1ireny dia @ ireny no manao reservation dieany zao ary afaka mitambatra roa na telo fa tsy koi fa malalaka ny fandriana misy lit superposé. Dieny zao de mila manao reservation fa vety² dia feno ny hotely refa RNS.
14. ralay ( 19/01/2004 14:04)
Araky ny rensaignement farany azoko indray anefa mikasika ny hebergement dia :Vichy moa somary tanàna kely ihany ka dia ny CEN (Mpikarakara ny RNS) no mitantana ny hebergement rehetra ka any no mangataka ny renseignement sy manao ny reservation ny equipe izay handray hanjara. Ny momban'ny olona izay hanotrona angamba dia any @ office de tourisme angamba no tsara maka renseignement.Jereo ato ny momban'i RNS Vichy 2004 http://www.rns-cen.com
15. tsytaitra ( 24/01/2004 16:17)
Mahafinaritra ny dinika ataonareo ato, manolotra hevitra ny mba hihaonan\\\'ny namana amin\\\'ny RNS.
Hatramin\\\'izao aloha de toa tsy mbola voalaza ao amin\\\'ny site rns-cne ny programme. Fa raha ohatra ka misy cabaret ohatry ny tamin\\\'ny herintaona dia mety hoe ao angamba no tsara mety hihaonana sa ahoana ny hevitrareo ?
Ho an\\\'ireo tsy mahita an\\\'i Vichy, any akaikin\\\'i Clérmont-Férrand (afaka jerena ao amin\\\'ny www.mappy.com).
16. faravavy ( 26/01/2004 11:34)
tsy de sport loatra akory za fa mande any @ io rencontre io isan-taona fa ilay farany teo dia tena tiko satry nisy an'ilay cabaret iny,raha mba averina iny bien fa hasiana plus kely tsy aiko hoe inona fa mba miova e aza atao be olona fa intime otran'ilay teo dia ampy.Ankotran'izay raha mba misy zavatra ho an'ny ankizy dia vao maika tsara fa ny paka dia sortie pour tous otran'ny any Dago e rehefa lundi de paka dia mivoaka ny fianakans.Ny sakafo mitsangana ataovy ampy,ny boisson aza atao lafo aza asiana alcoola fa mankaleo ny mijery ny Gasy mamo lava mahamenatra sady tsy tian'ny joba sa ahoana!!!Zay fa mba ataovy zay mety fa tonga ny fety e
17. fijo ( 27/01/2004 10:45)
aiza indray izany fety tsy misy toaka izany le,mba samia fotsiny mahay misotro dia izay fa aza ny toaka no rarana
18. ralay ( 29/01/2004 15:31)
faravavy
Ny antsika eto dia zavatra manokana tsy misy hifandraisany @ fikarakarana mihintsy ka tsara angamba raha any @ tompon'andraikitry ny RNS enao no milaza an'io. Ny antsika dia mbola ho sur place vao tapahina ny programa.
Ny resaka fisotroana angamba dia mahaiza misotro fotsiny fa samy efa olon-dehibe isika e!!!
19. fijo ( 30/01/2004 20:39)
izay mantsy ralay
20. dd ( 12/02/2004 16:06)
Izaho ry namana isany tsy afaka amin'ny RNS! tena ialako tsiny, nefa mba te hoany aho, tsy ny maha RNS azy fa ny hahita ireo namana ... aleo angamba manao fotoana hafa koa hihaonan'ny namana! sa ahoana hoy ianareo ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9438