Ry tovovavy isany.....

1. xxx ( 23/11/2003 20:30)
Aleo koa aho mba hitaraina.
Matetika ny lehilahy heverinareo fa hoe mandefitra foana. Ny ankamaroanay mantsy na dia mampirafy aza nareo dia ekenay ihany... na dia midongy aza nareo dia ekenay ihany!!! na dia manao an'izao rehetra izao nareo dia ekenay.
Dia rehefa mba misy faute kely ataonay anefa dia maika ery nareo hitsikera sy hangataka anay hifona. Fa angaha nareo kou tsy mba mahay mandefitra kely indraindray???
Dia dinoho ihany aza.
novalian'i mawashi ny 14/01/2004 11:22
2. bonetra ( 24/11/2003 09:07)
marina mintsy izany, maro ireo vehivavy milaza fa ny lehilahy rehetra dia mahatsiravina fa mampirafy daholo ony nefa le izy antaonareo @ ankapobeny " generalise " dia tsy hitanareo ireo lehilahy izay tsy manao otran' izany
3. oupsyyy ( 24/11/2003 10:06)
Za kou ange efa miteny foan, ho an reo vevavy reo fa tsy tokony ho généraliser na, ny lelahy tsy mtovy daolo, toraky izany ko ny vevavy
4. fijo ( 25/11/2003 20:14)
ka tsy mahita an'izany ry zareo anie.ny azy le mahazatra no fantany.
5. rfanjav ( 25/11/2003 15:45)
ny vehivavy kosa no tena olon'ny fo e!

ary ny vehivavy no tena mahari-pery!

fa firy amin'ny lehilahy hono no manaiky hoe mampirafy ny vadiny na sipany?

nefa betsaka ny vehivavy no mahazaka an'izany satria efa manamboatra saina hoe fomban-dehilahy izany e!
6. fijo ( 26/11/2003 09:34)
raha sipa aloha tsy mampaninona ahy mihintsy e.samy mbola mitady izay tena mety aminy ko.ny tena mampiomehy dia ilay samy mitondra sipa dia mifanena any amin'ny boaty.kay samy mody fanina.tena efa nisy io.
7. xxx ( 26/11/2003 13:55)
fa maninona kai ra mampirafy ny lehilahy io fahasarotampiaronareo io anie ra tianareo ho fantarina dia fitiavantena diso tafahotrae!za alou tsy saropiarp@vadiko fa efa noresahako izy hoe ra misy any ambadika any dia aoka ilay fitiavana tsy ihena dé miarova tena.
8. rfanjav ( 26/11/2003 14:46)
hafa indray ny an'i xxxx izany,

vehivavy aloha ianao sa lehilahy no manome alalana mampirafy vady ohatra an'izany kay?!
9. fijo ( 26/11/2003 18:54)
vehivavy izy izany ry rfanjav a,ary ilay mba micomprendra ny lehilahy,fa tsy ireo manageja be tsy ahafahana mivoaka mihintsy.ireny no tena iraiketan'ny bandy.
10. rfanjav ( 27/11/2003 11:55)
sady miraikitra ao aminy izany ny bandy no mitankisina any @ hafa koa!

fomba ahoana koa moa no angejana lehilahy? arakaraky ny amatoranao azy any aminao no vao maika mampitady lalana azy,

sady izaho anie niteny tery aloha hoe ny vehivavy mahazaka raha mampirafy ny lehilahy, fa ny lehilahy vitsy no mahazaka an'izany,
11. xxx ( 27/11/2003 12:05)
Diso hevitra mitsy enao fa ao anaty ny couple iray ny vevavy no tena mandefitra dc zo anay ny mitaraina sy mitsikera ary mangataka fifonana e! Zao koa no tsy tsapanao fa ny faute ataonareo tena tsy zakan'ny saina mitsy ka tsy maintsy mitsikera foana izahay
12. rfanjav ( 27/11/2003 14:33)
ka tsikera hanatsarana zavatra ilay izy sa tsikera hanapotehana fiainana!
raisina an-tanandroa anie ny tsikera sy fifonana angatahinareo e, ary moramora ho anay vehivavy ny mamafa an'iny, na miezaka manadino azy no marimarina kokoa
13. fijo ( 28/11/2003 20:34)
avelao re izahay hiaina ry vehivavy e,tsy ho aiza anie fa eo aminareo ihany e.afa ihany aniy ho aho ny vary,na dia eo aza ny mofo sy pate e.
14. rinakely1 ( 28/11/2003 12:28)
Zao ry reteo an, tsotra fotsiny: "avelao ko izahay mba hiaina" refa hainareo v ny manaja anay inn moa no hilainay vaniny @nareo?
15. rfanjav ( 28/11/2003 12:32)
hita akia ry rinakely kou,

ny lehilahy indrindra no tena mila vaniny @ izao fiainana izao,
16. lema ( 28/11/2003 13:29)
zay lehilahy anie rehefa mahatra anereo mampirafy dé miala zay ra tsy mataty e!fa nareo kosa na dé efa matratra aza dé sady miady no midongy toerana no tsy mety misaraka§mahagaga an!
17. xxx ( 29/11/2003 10:13)
Ho an'ilay xxxxx tsy saropiaro @ vadiny etsy ambony.
Tsy fitiava-tena mitsy ny anay raha toa ka mandrara ny sipanay hampirafy fa ataoko fa ao anaty couple iray mba tokony hisy ihany ny moindre respect e!
Rehefa tianao ny oln iray, refa nanaiky azy enao d tokony koa manaja azy.
18. xxx ( 29/11/2003 10:16)
Tokony andeha tsara mitsy ny fiainana ara -pitiavana raha samy mba mifandefitra kely ny iray ary mba tsy mandeha mibililalila any an-kafa any nareo lelahy.
19. xxx ( 29/11/2003 10:18)
Ny vevavy ry Lema refa tia d tena tia fa tsy fitia kilalao ohatran'ny ataonareo no ilainay e! Io fahazaran-dratsy manandrakandrana io, mbola hahitanareo faisana fa atovy ihany moa e!
20. sifotra ( 29/11/2003 18:29)
"Fantaro ny zava-drehetra ary hazony mafy izay tiana".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2343