Tsy te ho faty?

1. mahaizamifidy ( 29/09/2003 18:48)
An-kehitriny vao tsapako hoe:mafy @izay mikatsaka ny Paradisa mihitsy ilay hoe:ho faty sy antitra,izany anie no mahatonga an-drizareo ho anny am-piangonana io e!,ny tsy hofaty sy ny tsy ho antitra.Ny fiainana hoa mbanjinina,raha hiakatra velona angaha ka tsy mifaka aho.
novalian'i xxx ny 16/01/2005 10:03
2. xxx ( 29/09/2003 09:27)
Mahazamifidy!
Inona koa ary izany lohateny izany! Fa angaha moa tena zavatra ratsy aminao ve izany mivavaka izany! Ohatry mahamenatra ihany raha izany no mba olàna aminao izay manoratra!
Ka maninona moa rahefa izay no fantatry ny tsiraray fa mety sy mahatsara ny fiainany. Amiko aloha raha mazoto miangona daholo moa tsy izany ve no ilaina? rahefa mahatsapa fa misy tsy mety ny atao ka mahalala mibebaka dia zavatra tsara izany amiko, ary iza moa no tsy matahotra ny ho faty na mivavaka na tsia koa!
3. jokely ( 29/09/2003 10:27)
Mahaizamifidy a
Aminao ve dia tena ny hoe tsy te-ho faty sy tsy te-ho antitra tokoa no andehanana any ampiangonana. Tsotra fotsiny e ! Raha tsy te-ho any ampiangonana ianao na tsy mpiditra fiangonana mihintsy dia aleo mangina fotsiny amin'izao fa aza mitsaratsara olona ohatran'izany. Ny Fiangonana dia anisan'ny arofanina iray miaro ny tsirairay, manaporofo izany ny didy 10 efa napetrak'Andriamanitra.
4. xxx ( 29/09/2003 11:42)
Ilay lohateny moa dia hoe : Tsy te ho faty ?

Misy tokoa ny mikatsaka ny Paradisa satria tsy te ho faty, nefa na izay tsy mikatsaka ny Paradisa aza dia tsy te ho faty koa, toy ny hoe vita sahady ve ny fiainana eto ?

Fehiny : Tsy te ho faty daholo, nefa dia ho faty daholo ihany, saingy ny iray mikatsaka ny Paradisa, ny iray tsy mino an'izany.

Izao no mba hevitro : Raha mino marina ianao fa misy ny Paradisa, motivé ianao hanao izay ahatongavana any ! Fa raha tsy mino ve ianao hoe misy izany, handany andro amin'izay hoe ho any am-piangonana ? Fitia te hiseho ho tsara amin'ny fiaraha-monina angaha !
Raha mino marina ianao fa ho tafiditra any Paradisa, tsy tamàna eto ianao ! Marina fa mahatamàna eto, indrindra raha metimety ny fari-piainanao. Namana iray izay (kristiana) vao nahavita trano goavana, dia nametrahana fanontaniana hoe : Te hody ve ianao amin'izao ? Mazava ho azy fa satry aloha hipetrapetraka eto, fa ny trano vao vita ve hilaozana sahady !! Fa raha lalina aminao ny fahafantarana fa ny any Paradisa anie ka hatsarana tsy takatry ny saina, tsy maika ve ianao hahita an'izany ?
Rehefa halalinina ny ataontsika eto, dia tsorina fa toy ny TSY MINO hoe ho any rahatrizay ! Mihary harena eto isika (izay tsy misy azo entina any akory), matahotra ny ho faty, nefa anie 5/5 ny ho vantanin'izay mino e ; Ka inona no hatahorana ? Tsy mino na ny mpivavaka sasany aza, fa ho any ! Aleo angaha havahana hoe mpiangona, fa tsy mpivavaka.

Ireo mikatsaka ny Paradisa dia ny mankany am-piangonana no vahaolana fantany. Manakaiky ny làlana mankany @ Paradisa ny any am-piangonana, fa tsy any ! Ny Baiboly manao hoe "Izaho no Làlana sy Fahamarinana ary Fiainana" ary koa "Izay mino ny Zanaka no manana ny Fiainana".
I Jesoa, na Jeso, na Jesosy ... (izay mahazatra ny fiangonanao) no tiana ho lazaina.

Ny fandehanana any am-piangonana kosa no manampy hitahiry ny finoana, hampahery satria mandreraka raha izao fiainana izao, hitaiza mba ho tafatoetra hatramin'ny farany, hifanerasera amin'ny mpino samihafa, satria hampianarina isika hifankatia, fa tsy hoe any vao hifampiarahaba, hifampiresaka ...

Farany, manafatra ny mpino aho fa mety tsy hiakatra velona any an-danitra isika, nefa hitandrina kosa sao zavatry ny tany no mahatonga antsika tsy ho tafiditra any an-danitra. Azo antoka ny any fa izaho sy ianao no mety tsy azo antoka !

Fa ho anareo tsy mbola mikasa ny ho any, araraoty ny fiainana fa 70 na 80 taona ihany, eny 120 aza tsy maninona raha tahiny ka mateza ! Mi-comprendre anareo aho satria mandiso fihevitra ny amin'ny fivavahana ny fahitana ny mpivavaka, nefa tsy mampiova izay voasoratra ao amin'ny Baiboly izany
5. mahaizamifidy ( 29/09/2003 13:55)
Mahafinaritra be,tena tafita ny zava-kinendry.No heverinareo mantsy fa adala ny olona t@ izany andro izany ka tsy ahalala hoe:hitapy sy hifamono ny olona rehefa miha betsaka raha tsy manan-javatra hatahorana sy hantenaina,saingy ny tsy mampitovy azy, izy hendry fa ianareo manantena ny ho any an-danitra.
6. jonah ( 30/09/2003 11:27)
Mahaiza marina mifidy e!
Paradisa sa afobe?
Tena fiainana ara-panahy no ilaina e!
7. mahaizamifidy ( 01/10/2003 10:57)
Fanazavana kely,izaho akory tsy mpanohitra fa mpanakiana aho raha misy zavatra hitako fa tsy mety,nefa koa tsy mpanery,raha izaho aloha dia aleoko mitaraina @ zavatra tsy hitanny maso toy izay hanompo zavatra hita nefa sady hanao inona akory,ny tena tiako holazaina tsy hoe:mpanohitra an Andriamanitra tsy hita aho akory,fa tsy tiako fotsiny ilay olona manantena be izany Paradisa izany satria,matoa ianao natao dia ny zavatra misy aloha no tsara dinihana tsara,raha misy tokoa moa ilay Paradisa ve inona moa ny olanao @izany rehefa vitanao izay tokony hatao t@ mpiarabelona aminao nihezaka ny mba hanao ny marina ianao fa tsy ninia tsy nijery akory.Hahitsiko kely fotsiny ilay nosoratannilay xxx io ambony io,izaho aloha tena tsy mpiditra am-piangonana saingy aminao angaha raha tsy miditra am-piangonana dia tsy afaka ny hiezaka hanao ny tsara ka!,tsy afaka hitia ny manodidina ve izaho?,satria aho tsy mpiditra am-piangonana?
8. mahaizamifidy ( 01/10/2003 13:02)
Mbola tsy afam-po @nareo mihitsy aho fa zarako aza nareo namaly,Misaotra betsaka.Fa ity hoa mba misy fanontaniana kely e!,ny fiainana ve kisendrasendra sa lahatra?,dia hatao ahoana kay no manavaka ny lahatra @kisendrasendra?,mbola ao koa ary ny anjara amam-bintana.ka izao, Andriamanitra tsy miditra @kisendrasendra sy vintana,ny azy mety hoe:ny lahatra sy anjara ihany!?,nefa anie rireto dia misy olona tena tsara vintana mihitsy e!,ny mankany an-danitra ko ve mbola misy vintana sy anjara e!?,zavatra mifampitohy mantsy ireo, ianao mbola variana matory Jesosy efa tonga,ianao somokotra mikarakara baba,izy efa ery @habakabaka,inona koa re...e!,fa ianao aloha tsy maintsy variana na somokotra e!,mety hoe:efa anjara na vintana angamba vao hoe:vao nijery ambony aho aloha dia variana nandinika,tampotampoka teo indreo olona ihany fa saingy misy elatra miaraka @Jesosy,izaho anefa mbola variana mitady hevitra hanavotako ny rahalahiko na ny reniko mba hanana fianana mahafinaritra,tonga tampoka anefa i Jesosy,tonga de faly be aho no tsy nahatsiaro saina fa tonga dia nandohalika,hadinoko hatr@ilay fikasana,eny fa na dia ry zareo aza,efa tonga tsinnn ny niandrasana.Nony avy eo,tonga tany andanitra,tsy mampaninona na dia tsy tafiditra tany aza ny olon-tiako sy ny namana tsy foiko fa lasa any @afobe,fa tonga dia Faly be aho satria tsy ho faty intsony,raha vao malahelo eo koa anefa aho de mety ho lasa any @afobe mijoalajoala,tsy maninona rangahy izany e!,fa saingy tsy hanambady mandrakizay koa aho izany raha azoko tsara?,zanak iza no alaiko aty,sady aty ko angaha mba misy zavatra mampitaintaina izany intsony e!,ohatriny hoe:coup de foudre a!,afa ny tany an-tany hoe:tsy ratsy lesy iny sipa iny,tsy maintsy azoko iny.Hafatra farany, ny fiainana ihany no fiainana,manaova ny marina fotsiny dia rehefa maty mahita ny tohiny.
9. rfanjav ( 10/10/2003 11:56)
Na hahita ny tohiny any @ "fahafatesana" aza ianao, tsarovy fa tsy afaka ny hizara izany na @ iza na @ intsony ianao, fa ho anao samirery izany.

Fa ahoana koa anefa no ahafahanao miteny hoe tonga dia ho any an-danitra ianao na ho any @ afobe?
Efa lalana napetraka ho arahina ny hoe ho any an-danitra, fa arakaraka ny asanao tety an-tany ihany no mahatonga anao ho any na tsia, mitovy daholo ny lalantsika rehetra, fa raha mibolisatra na solafaka kely ianao dia mety ho latsaka na hivily lalana dia izay no tsy hahatonga anao any an-danitra.
Raha fintinina dia hoe misy lalana mazava napetraka ho arahina raha te ho any an-danitra, "tokana sady èty hoy ny mpivavaka ny lalana mankany" , "donc tu dois aussi y mettre du tien".
Ohatra ny eto an-tany ihany e, misy didy sy lalàna mifehy ny tany eto M/kara, tsy maintsy manaraka an'io ianao raha mbola monina eto koa, fa raha vao manao ny tsy mety kely dia any @ violon, na tonga dia any Tsiafahy mihitsy e!

Ny mitia ny manodidina, miezaka manao ny tsara, manao izay tokony ho vitanao @ mpiara-belona, amiko, dia efa anisan'ny lalana mankany an-danitra, ary matoa ianao miezaka manao ireo dia manana ny tanjonao @ fiainanao koa ianao, fiainan'ny fanahinao indrindra no tiako hotenenina!
10. mtiana ( 11/10/2003 17:34)
Ilaina tokoa any miditra any am-piangonana satria tadidio fa vavahadin'ny lanitra io fiangonana io, ety an-tany dia efa atao ny fiombonam-bavaky ny mpino.
Rehefa ao anatintsika ny Fanahy Masina dia izy no mpanolon-tsaina antsika ka tsy tokony hatahotra fahafatesana na ny andro fihavian'i Jesoa izay ho avy tampoka. Koa mila fihomanana izany rehetra izany, ka tokony hiezaka hanao ny tsara mandrakariva. Izany akory tsy midika hoe tsy mpanota izy fa miezaka miala tsikelikely amin'ny faharatsiana.
Mila mamaky ny tenin'Andriamanitra sy mivelona amin'izany mandrakariva mba hahitana ny tokony hatao mandra-piala eto amin'ity tany fandalovana ity.
Ary ny mpino kristiana dia manana tombony ny amin'ny fiainana mandrakizay raha tena mino sy manao sy sitrapon'Andriamanitra mandrakariva izy satria efa manana an'i Jesoa hisolo vava azy amin'ny andro fitsarana.
11. kakalahy ( 03/11/2003 18:51)
hono ho'aho, tsy tsara kokoa ve aloha mba manopy maso matetika na dia hamaky Baiboly ho toy ny tantara fotsiny aza moa maninona raha izay no tiana, dia izay vao manohy ny fifanakalozana eto fa manjary sady tsy mahasoa no tsy mampandroso ilay serasera rehefa aoriana, dia ny sasany koa toa hoatry ny mamaly be fahatany fotsiny tsindraindray fa tsy mba toy ilay hoe avadibadio im-pito aloha......vao...mamaly.
Faniriana ny ahy io.
12. levondraky ( 09/11/2003 13:56)
Tena Dakaoro kakalahy a!
Atsangano hoe ny tànana ho an'izay mamaky baiboly na Kôrany.
... zara raha misy marina ;-)
Aoka samy hazoto mandinika soratra masina isika dia mba tsy mpihaino fotsiny fa ho mpankato ihany koa.
Raha izay no tanterana dia tsy hisy kil i Belzaboba sy losofera sy ny namany.
13. rajaona ( 09/11/2003 15:14)
mahaizamifidy ô!
mahaiza mifidy!
ianao ve matahotra ny ho faty? ianao io ve matahotra ny ho antitra?
14. mahaizamifidy ( 12/11/2003 13:04)
Dia raha matahotra aho dia aninona anefa,hanantena lanitra ve no fikanareo farany sa ahoana e?,soa ihany fa mba nanan-tsaina namorona ny baiboly ny olona taloha fa raha tsy izany dia teo nareo no niraisina.
15. moi ( 17/11/2003 10:32)
Iza ary no valiako aminareo ? Mino aho fa ahatsiaro tena izy. Izao ary :
Tsy hoe tsy afaka hanao ny tsara, na tsy afaka manatanteraka ny marina ny olona tsy mpiditra am-piangonana.
Misy 5/5 mihitsy ny tsy mpiditra am-piangonana raha asa fanasoavana sy ny sisa, mety ho resiny be lavitra ny mpiangona, saingy izao : tsy handovany ny lanitra izany !
Diniho ny Soratra Masina IKor13 ilay misy ilay resaka hoe Finoana, Fanantenana, Fitiavana ... hoe na dia mahafindra tendrombohitra aza, na dia atolotra ho dorana aza ny tena, na miteny amin\'ny fiteny tsy fantatra aza, sy ny sisa ... dia tsinontsinona izany raha tsy manana Fitiavana...

Ny amin\'ilay hoe sao dia misy lahatra sy anjara koa ny mankany an-danitra (fa izay no fahazoako ilay resaka) dia valiako hoe Nomanina ho any daholo isika, saingy safidy tena malalaka ilay izy ka maro ny misafidy ny tsy ho any, sady ireo tsy te ho any koa manakana ny olona te hiditra any mba tsy ho any ! Tery anefa ny làlana mankany ka vitsy no tafiditra ... Fa ny mankany amin\'ny afobe tsy misy pasoara.
16. moi ( 17/11/2003 10:33)
Iza ary no valiako aminareo ? Mino aho fa ahatsiaro tena izy. Izao ary :
Tsy hoe tsy afaka hanao ny tsara, na tsy afaka manatanteraka ny marina ny olona tsy mpiditra am-piangonana.
Misy 5/5 mihitsy ny tsy mpiditra am-piangonana raha asa fanasoavana sy ny sisa, mety ho resiny be lavitra ny mpiangona, saingy izao : tsy handovany ny lanitra izany !
Diniho ny Soratra Masina IKor13 ilay misy ilay resaka hoe Finoana, Fanantenana, Fitiavana ... hoe na dia mahafindra tendrombohitra aza, na dia atolotra ho dorana aza ny tena, na miteny amin'ny fiteny tsy fantatra aza, sy ny sisa ... dia tsinontsinona izany raha tsy manana Fitiavana...

Ny amin'ilay hoe sao dia misy lahatra sy anjara koa ny mankany an-danitra (fa izay no fahazoako ilay resaka) dia valiako hoe Nomanina ho any daholo isika, saingy safidy tena malalaka ilay izy ka maro ny misafidy ny tsy ho any, sady ireo tsy te ho any koa manakana ny olona te hiditra any mba tsy ho any ! Tery anefa ny làlana mankany ka vitsy no tafiditra ... Fa ny mankany amin'ny afobe tsy misy pasoara.
17. rpisokely ( 03/12/2003 10:56)
izay mitsy ry moi, zao alou no lazaiko ani maaizamisafidy, ary tena maaizamisafidy araka ny anaranao toukou, fa maninona ianao no mametraka iero fanotanina ireo? dia ny tsy fahafataranao na inona na inona, fa aza manotany enao fa vakio ny baiboly de ho voavaly zay fanotaninao retra zay, ary tsy natao itsikerana ny ol sasany oue antitra e tsy te ho faty e! satry noho ny tsy fahafataranao nainona na inona no maatonga a anao iteny izany aôna kosa mou no ilazano fa mataotra ny ho faty izy na ho antitra no makany apengonanan nefa azy enao tsy makany akoury? ndanda mbô makany apengonanana na indray mande fotsiny de ho itanao ny valiny oue in no matonga zareo makany kou! avy eo enao mitsara. Fa tsy izay retra manao ny marina akoury no mahazo ny fanjakan'ny lanitra na kou oue paradisa, fa ny fanoloranao ny tenanao, ary ny finoanao mibahana ao aminao
18. mahaizamifidy ( 03/12/2003 18:58)
Izao ihany no hosoratako ho an i rpisokely,tsy izay rehetra manao ny marina no mahazo ny lanitra na ny paradisa hoy ianao(aminao izany),fa amiko ny marina no tsara ka tsy hanenjeheko paradisa akory no antony hanaovako azy io,raha ny eto an-tany aloha dia mila paradisa kely mihitsy aho,na tsy azo entina ary izany mba misy hiadanany taranaka rahatr izay,inona moa no maharatsy an izany,fa ianareo mampihomehy, rehefa misy olona mba metimety noho ianareo nefa tsy mba mivavaka sy mino akory,dia lazaina indray fa tsy hanaraka anao akory io vola sy harena io,Ha! Ha!
19. six ( 03/03/2004 20:45)
ka marina anie fa tsy hanaraka anao ny vola sy ny harena e, metyhitondrana anao amin'ny corbillard sy hanaovana vata-paty sisa no azo atao anao dia ny fasana fenoina voninakzo, sa ny anao atelinao? raha izay angaha dia mety hanaraka ihany le izy
20. librepenseur ( 03/03/2004 09:40)
Religion de l'au-delà ny an'ny mpino fa tsy réalité ! mahagaga !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5398