ahoana no ahalalana azy???

1. fijo ( 24/09/2008 21:29)
raisiko ilay resakay sy prime atsy ambany atsy ry zareo an,hoanareo mpino,ahoana no ahalalanareo raha tonga tokoa jesoa hoe iny le tena izy,fa tsy ilay sandoka voalazan'ny baiboly.
ny baiboly mantsy milaza fa homaro ny mpaminany sandoka.

izao mantsy no mahatonga le resaka.

ny jesoa hita matetika amin'ny sary dia jesoa fotsy hoditra lavavolo ary manga maso.araka ny fantatra anefa,ary maro ianareo mpino no mahalala fa tsy tena toa izany ny volokodiny sy ny masony sns.

ka mba lazao hoe,amin'ny fomba ahoana no ahalalanareo hoe le tena izy io tonga io ka hanaraka azy isika,na ilay sandoka io,ka aleo darohana.sao dia ilay tena izy mantsy no hovoadaroka eo.
novalian'i fijo ny 16/10/2008 19:52
2. rakapy ( 24/09/2008 21:37)
Rehefa tsy manana kara-pokotany dia izay le tene izy fa raha vao manana dia sandoka :-D :-D :-D
3. fijo ( 24/09/2008 21:38)
hihihi elahy io an
4. rabilabila ( 24/09/2008 21:40)
:oops: :) :lol: :-D :-D
5. fijo ( 24/09/2008 21:52)
ka lery koa anie tsy hay akory hoe aiza "hono" no hitontona e??????ary avy aiza hono lery????????izany fanontanianaa daholo.
6. rakapy ( 24/09/2008 21:58)
Izay ilay jesosy miravaka fara andro
Hitafy jaky mena,ary hitelina ny masonadro
Hitsara ny olombelona sy ny taranany
Fa ireo mpanota ihany no tena akamany. :-D :-D :-D
7. rabilabila ( 24/09/2008 22:08)
Toa ny mpangalatra ,hono, ny fomba iaviany
Ka ny hiitelemany masoandro dia fanahy iniany
Mba ho maizina ny tany hijokojokoany
Fa ny zavatra tsy rakany dia :
ho antsika ilay masoandro dia efa nosoloina :-D :-D :-D
8. rakapy ( 24/09/2008 22:18)
Miandry mafy ireo mpanara-dia
Ka tsikoloviny no sady ampifilain'i lery
Alefany avokoa ny mpaminany sandoka
Ny sasany aza mahasitrana raboka


9. rakapy ( 24/09/2008 22:26)
Nivavaka mafy ary i ramatoa
nangataka mafy @ tompo tsy toha
ka ilay lamba salakan'i jesoa
no nafeni-dry zalahy tao ambohimahasoa :-D :-D :-D
10. ikaretsaka ( 24/09/2008 22:33)
Farandro wawawa
mikoropaha mivavaha
Lasa i Jesony no Surveillant

Nga izy 'ty karaha an-dakilasy
no hoe miala any i Tale ka mianara mafy?
11. rabilabila ( 24/09/2008 22:52)
Ambohimasoa , ambohimasoa!!
Ny hany tena tiako ao amin'ny tanĂ na
Dia ilay toakagasy tena tsara tokoa
Manginy fotsiny ny tantely sy ny landy
Ka sao dia ilay azy no voavidiko tsinahy? :oops: :oops: :-D
12. rakapy ( 24/09/2008 23:11)
Razezo, Razezo o! ampio zahay
fa ny kilonganay dia tsa mahalatasa-t...
fa noraofin'i ngahy pasitera ny fananay
mba hipetrahana eo an-kavanan'ny Ray


13. rabilabila ( 24/09/2008 23:18)
Mifona aho, mifona fa aok'izay
'ty Rakapy 'ty mahatapaka tsinay
Ampiako "voara" kely dia vita amin'izay
dia tafandry mandry fa rahampitso indray. :D
14. rakapy ( 24/09/2008 23:20)
Amena! :-D :-D :-D .Fa omena inona i Razezo? :-D :-D :-D
15. ikaretsaka ( 25/09/2008 02:26)
amena fiatsara mbelatsihy sy koropaka vavaka speed angalana 19
16. rakapy ( 25/09/2008 04:47)
Azafady Ra Fijo fa lasa ny ainga-mpanahy ka lasa peom ilay lohahevitrao.
Fa ny tena marina dia tsy hiisy olona ahafantatra azy raha toa ka hiverina tokoa izy.
Dia mbola isika olombelona ihany no hamono azy satria efa mizarazara be mihintsy ny xnisma @zao fotoana izao.
Raha atao hoe ao @ Rema izy no hipoitra, dia tsy hiino ny jesosy mamonjy, raha ao @ kato , dia hiino ny protest sns...
vao maika moa fa hitonotena fa tsy xana de asa fotsiny angamba!!!
Ka hoy aho hoe," Ry ,mpanara dia an'i Kristy , ambeno lalandava iny faravodilanitra iny sao dia miala any izy"
17. rabilabila ( 25/09/2008 06:51)
Azafady tokoa Rafijo fa sendra olona tsy valahara tsy mataohotra an'lery :wink:
18. arialy ( 25/09/2008 11:07)
:-D :-D :-D
19. rijadolly ( 25/09/2008 19:28)
fija:
k mba lazao hoe,amin\\\'ny fomba ahoana no ahalalanareo hoe le tena izy io tonga io ka hanaraka azy isika,na ilay sandoka io,ka aleo darohana.sao dia ilay tena izy mantsy no hovoadaroka eo.a
MATIO 24: 24 - 35; 24 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.25 Indro, voalazako aminareo rahateo izany.26 Ary amin\\\'izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany hianareo; Indro, ao amin\\\'ny efi-trano Izy, aza mino.27 Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian\\\'ny Zanak\\\'olona.28 Fa izay itoeran\\\'ny faty, dia any no hiangonan\\\'ny voromahery.29 Ary raha vao afaka ny fahoriana amin\\\'ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin\\\'ny lanitra hohozongozonina.30 Ary amin\\\'izany andro izany dia hiseho eo amin\\\'ny lanitra ny famantarana ny Zanak\\\'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin\\\'ny tany, ary hahita ny Zanak\\\'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin\\\'ny rahon\\\'ny lanitra izy.31 Ary amin\\\'ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin\\\'ireo ny olom-boafidy avy amin\\\'ny vazan-tanyefatra hatramin\\\'ny faravodilanitra rehetra.32 Ary mianara ny fanoharana ny amin\\\'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.33 Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy.34 Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan\\\'izany rehetra izany.35 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.

rakapy:
Raha atao hoe ao @ Rema izy no hipoitra, dia tsy hiino ny jesosy mamonjy, raha ao @ kato , dia hiino ny protest sns...
JAONA 4/20-21 : 20 Ny razantsika nivavaka teto amin\\\'ity tendrombohitra ity; fa hianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.21 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin\\\'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin\\\'ny Ray.


20. ikaretsaka ( 25/09/2008 19:49)
ka ny tsy mazava amin'ny tsimpon'i RD ange de hoe inona no hifandraisan'ny protestant sy ny rema @ @ ny tendrombohitra?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1033