ahoana no ahalalana azy???
41. fahamarinana
(
29/09/2008 13:10)
:arrow: zà koa mba liana tahaka any mandefitra raha mba azo atao e..misaotra mialoha (l)
42. ni81
(
29/09/2008 13:22)
==> "tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona" :Raha mba azo atao dia mba omeo kely ny toko misy an'io fa tena nozahako anikeo fa tsy tadidiko. Misaotra
43. ikaretsaka
(
29/09/2008 17:05)
[quote=coopsal]
==> Tsy mpino (an'i Kristy) ianao izany?
ko efa mazava be izany ko... ho atsika mpino hono de kristy no resaka!
sa misy olana raha mino isika dia izy tsy mino?
bizinesiny izany
hoanareo mpino, (fijo)
==> Tsy mpino (an'i Kristy) ianao izany?
ko efa mazava be izany ko... ho atsika mpino hono de kristy no resaka!
sa misy olana raha mino isika dia izy tsy mino?
bizinesiny izany
44. fahamarinana
(
29/09/2008 17:23)
:arrow: mbola tsy fantatry copsal angambany ry ika fa vao tonga izy na izay vao niditra matetika ny dinika ato.. (l)
45. coopsal
(
30/09/2008 13:37)
ni81:
Raha mba azo atao dia mba omeo kely ny toko misy an'io fa tena nozahako anikeo fa tsy tadidiko. Misaotra
==> Matio 24:27 (nosoratan'i rijadolly etsy ambony)
Ikaretsaka, fahamarinana:
fa sao mba azonao velabelarina ...
==> Azoko velarina mahatratra 25 pejy, fa aleo fintiniko eto aloha :
Nandritra ny herin-taona latsaka teo dia nisy zavatra nampangirifiry ny fanahiko (ny foko) izay, hatrizay nananako olana dia voavaha ny olako satria aho nahay, natanjaka, salama, nanana ny moyen rehetra e! Fa ity anakiray (t@ taona 2003~2004) ity tena tsy nananako moyen hihoarana taminy. Rehefa tao anaty hakiviana faran'izay lalina aho (indray Alakamisy), ka tafatomany ny maraina tany am-piasana (nisy olona nahita), ary ny alina aho nody tao an-trano tonga dia niakatra tao amin'ilay efitra fatoriako fa tsy nisakafo na niteniteny tamin'iza na iza.
Tao anaty aizina tao aho no nitomany moramora (mba tsy hahenoan'ny olona ahy) no nametraka fanontaniana maro tamin'ny tenako, kivy tanteraka aho t@izay fa tsaroako daholo koa tamin'io fotoana io ny oloko rehetra hatrizay (ny fanilikilian'ny olona, ny zavatra tsy nety, ... sns). Feno fanontaniana tao anatiko hoe "fa nahoana?" ... ary dia tonga hatr@ hoe "ka inona aza no ilàna ahy eto ambonin'ny tany e?'. Fa tao anatin'izany (fo nangetaheta fahamarinana izany) aho no tonga tao anatiko izao vavaka fohy kely izao : "raha misy marina ianao Jesosy dia lazao amiko ny anton'izao zavatra izao". Vao tapitra ny vavaka nataoko (tsy namoaka feo aho) dia nisy valin-teny tonga tao am-poko ihany hoe: "raha tsy nisy an'izao ianao tsy ho nitodika tamiko". Rehefa avy nahazo izay valin-teny izay aho dia namerina ireo fanontaniako rehetra ary dia nahazoako valiny daholo izy rehetra. Nanomboka teo aho no nino amin'izay fa tena (isy ary) velona tokoa kay izany Jesosy ao amin'ny baiboly izany! Teo aho izany vao resy lahatra ny amin'izay ambaran'ny baiboly, ary nanomboka teo aho dia tsy ny handalina baiboly na hamaky satria misy tantara milay be ao na hijerijery tenim-pahendrena hoentiko miady hevitra @ olona (fa izany no fanaoko fony aho nafàna fo t@ finoan' antoko), fa rehefa namaky baiboly aho nanomboka ny marainan'io dia tena nandray am-po izay rehetra nambaran'i Jesosy sy izay hafa koa e!
Izany no ilazako hoe, manana porofo tsy azon'iza na iza esorina amiko aho. Fa ankoatra izay rehetra izay, izay niainako taorian'io fotoana io dia nanaporofo tamiko ny fahamarinan'i Kristy sy ny teniNy. Ary nahafantarako fa kay Kristy miresaka amin'ny olona tsirairay, fa tsy vitan'ny mamaky baiboly na mandalina no fahenoana ny tenin' Andriamanitra.
47. fijo
(
30/09/2008 21:54)
mitombo isa ihany ny mpitsimpona izany an.
za koa izao ,vao mamaky ny fomba fanoratrareo ,dia avy dia haiko hoe ity ^rot ity kanto.
io tsimpona be io izao dia prot.
za koa izao ,vao mamaky ny fomba fanoratrareo ,dia avy dia haiko hoe ity ^rot ity kanto.
io tsimpona be io izao dia prot.
48. coopsal
(
02/10/2008 10:02)
Fony aho mbola nisalasala ny amin'i Kristy koa dia hitako mihitsy hoe iry protestant, iry sekta, iry katolika (izay no naseho ahy tsinona : mizarazara, na dia iray aza ny ao amin'i Kristy ary famanatarana ny maha irak' Andriamanitra marina an'i Kristy ny firaisan'ireo mpianaNy).
T@izany ny maha kristiana protestanta ahy dia tena couleur religieuse mihitsy, izay narovako fatratra sy nahasaro-piaro ahy.
Fa ankehitriny aho ry fijo (sy izay mahay mahafantatra tahaka azy), dia efa nampianarin'i Kristy ny famantarana olona, misy karazan'olona anakitelo (extérieurement 3 fa intérieurement 2 ihany) :
1- Ny rahalahy (rahalahin'i Kristy, izay mpiray tampoho daholo, tena ankohonana iray ao amin'i Kristy, tsy misy sous-etiquette hoe protestant, katolika, JM, Apokalypse, patekotista, ... sns). Ankohonan'i Kristy ireo satria naterak' Andriamanitra, ary izao no fomba nahatonga azy ireo ho zanak' Andriamanitra : nino an'i Kristy nohombohona teo @ hazo fijaliana (sy nahafatesany) mba hahazo fiainana (fifaliana sy fiadanana) mandrakizay izay mijery Azy ka mino!. Amin'ireto sokajin'olona ireto dia tena ankatoavina ara-bakiteny izay tenin'i Kristy fa tsy mila alalinina
2- Ny Mpiatsara ivelatsihy : ireo izay nantsoin' Andriamanitra ihany, toa mino ary misalotra anarana kristiana ihany, mpamaky baiboly ihany, mpivavaka be sy mafana fo ao am-piangonana ihany, saingy tsy tena mino ao am-po an'i Kristy izy ireo ka laviny tsotra izao na iodinany ny tena tenin'i Kristy!
3- Ny tsy mpino (antsoina hoe jentilisa) : dia ireo izay tsy mino an'i Kristy. Mety ho mino an' Andriamanitra izy, ary manana izay fomba fijeriny an' Andriamanitra sy faharesen-dahany manokana! Fa an-kitsimpo no tsy inoany hoe : rehefa hitan' Andriamanitra ny olona fa niala tamiNy ka tsy nahafantatra Azy intsony (noho ny fahotana), dia Izy mihitsy no nanao déguisement (izay ilay hoe nitafy nofo), ka natao hoe Kristy, mba hahafantaran'ny olona fa Andriamanitra tia azy ireo, manakiaky azy ireo, ary miresaka amiNy amin'ny fiteniNy (na langue io na langage) fa tsy amin'ny fiteny tsy fantatra ka hampandositra ny olona. Fa ny sitrapon' Andriamanitra dia : mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mijery (@ fo) an'i Kristy ka mino Azy.
Fahiny aho tsy haiko na sokajy 2 na sokajy 3, fa fantatro fotsiny hoe tsy sokajy 1. Ankehitriny aho dia sambatra fa tafiditra tao @ sokajy 1 (noho fahasoavaNy fa tsy noho ny fivavahako).
Izay tafiditra ao amin'ny sokajy 1 ihany no voavonjy.

49. ni81
(
02/10/2008 10:08)
mitombo isa ihany ny mpitsimpona izany an.:) Tsy mpitsimpona fa mitady porofo, na dia tsy ahaleo ny tena tapi-pahaizana aza e!
51. fahamarinana
(
02/10/2008 10:37)
:arrow: mba tena ho tiako koa ilay mba ho tafiditra ao amin'ilay sokajy 1er... :D (l)
52. Mandefitra
(
02/10/2008 10:52)
Tsy sarotra ilay miditra ao ka : Mino an'i Jesosy dia mankato ny TeniNy.
Ny olombelona no manasarotra azy fa Andriamanitra efa nanome ny fara -fitiavany, ary mbola maniraka ny Fanahiny hanazava ny TeniNy.
Ny olombelona no manasarotra azy fa Andriamanitra efa nanome ny fara -fitiavany, ary mbola maniraka ny Fanahiny hanazava ny TeniNy.
53. fahamarinana
(
02/10/2008 12:35)
:arrow: ka na sarotra na tsy sarotra dia tsy afaka ny hitompo tena fatratra kosa aho hoe efa ao nefa ny tenako aza mahatsapa fa tsy tanteraka ary manenjika sy miresaka ary manohitra ny hafa ary indrindra mbola misy dingana vitsivitsy tsy vita raha atao hoe ny didy folo monja aza no resahana...Izay no hamafisako hoe sambatra nareo izay tafiditra...raha tsy sarotra tokoa dia tokony ho hitako o ?Ndeha zahako akaiky ndray aza hoe aiza ilay tena faille tsy ahafahako tena tafiditra ao... (l)
54. fijo
(
02/10/2008 21:58)
ni81 an tsy ndry anie io lazaiko io,fa le milaza fa rahalahan'i lery e.nefa tsy mbola nahita azy akory.
55. coopsal
(
06/10/2008 18:30)
fahamarinana:
ka na sarotra na tsy sarotra dia tsy afaka ny hitompo tena fatratra kosa aho hoe efa ao
==> I Kristy no milaza hoe "izay mino ny Zanaka no manana ny fiainana, fa izay tsy mety mino kosa, ny fahatezeran' Andriamanitra no mitoetra eo aminy". Mino an'i Jesosy marina ve ianao? Tsy misy isalasalanao ny amin'io teny nolazainy (imbe dia be) io izany. Fa ianao koa manana ny fiainana mandrakizay = ianao koa tafiditra sokajy 1.
fahamarinana:
nefa ny tenako aza mahatsapa fa tsy tanteraka
==> "Ary ... maharo anareo ho tanteraka ka tsy manan-tsiny ... Izy no hanefa izany".[I Tesaloniana 5:23,24]
mbola misy dingana vitsivitsy tsy vita raha atao hoe ny didy folo monja aza no resahana
==> Vao ny didy anakiray aza dia efa tsy tanterako, ahoana no hieritreretako ny handingana zana-tohatra folo? Ary satria izay mandika ny Didy dia mihatra amiNy ny sazy = fahatezeran' Andriamanitra. Fa isaorana Andriamanitra nandefa ny ZanaNy nanatanteraka ny Lalàna rehetra (izay tsy tanterak'olombelona, ary tsy ho tanterak'olombelona na oviana), sady manadio antsika Kristy no manatanteraka ny Didin'ny Ray, fa isika mpirahalahy kosa dia nomeNy (Kristy) ny DidiNy mba hitoerantsika ao amin'izany fitiavaNy izany
fahamarinana:
aiza ilay tena faille tsy ahafahako tena tafiditra ao...
==> Tahaka izao ilay izy ry fahamarinana : ny fidirana @ fanjakàn'ny lanitra dia tahaka ny examen misy sessions anakiroa.
Ny première session dia ny fanatanterahana ny Lalàn'i Mosesy (ohatra, Didy 10) ... izay nazavain'i Kristy @ tena hitsiny (justice de DIEU).
Ny deuxième session dia ny finoana an'i Jesosy.
Izay mbola tsy nahatsapa fa tsy afaka t@ première session dia tsy mbola vonona ny hanala deuxième session, fa izay miaiky fa tsy afaka @io première session io no afaka hiatrika ny deuxième session.
Ka izaho mino fa ny faille-nao dia mbola tsy afa-po ianao fa te hampiasa ny herinao sy ny fahaizanao rehetra hanala an'ilay première session, sady mbola manana espoir fa ho afaka @izany!
Saingy raha afak'olona io première session io dia tsy ho nidina tety ny Zanaka Lahitokan' Andriamanitra (sady tsy ho Lahitokana rahateo Izy raha izany).
Fa ny nidinan'i Jesosy tety dia hanatanteraka ny première session izay tsy vitan'ny olombelona! Ary Izy afaka, satria Izy Zanaka Lahitokan' Andriamanitra, fa izay rehetra mino Azy dia efa tahaka ny hoe afaka t@ilay première session satria efa ny Zanaka Lahitokana no misolo Azy @ rehetra.
56. fahamarinana
(
07/10/2008 06:36)
coopsal:
Ka izaho mino fa ny faille-nao dia mbola tsy afa-po ianao fa te hampiasa ny herinao sy ny fahaizanao
:arrow: koa na ny tenako aza mbola eo ampizahana azy kouh...
ny hery sy ny fahaizana ihany koa tsy dia ananana tahaka ny ahoana ka na hampiasa azy aza tsy ahavita zvtr ngoavana akory...
Raha ny finoana indray dia mino tanteraka....ka dia ny ho avy no hitsara rahatoa ka ao amin'ny sokajy 1er tokoa na tsia fa dia misaotra anao nanao fanamarihana.:) (l)
57. bor2lais
(
07/10/2008 08:54)
Amiko dia tsy misy afa tsy ny sokajy 1 sy sokajy 3 ihany : ny sokajy 2 dia endriky ny sokajy 1 mbola tsy tonga lafatra : dingana iray maneho ny mbola maha zaza ara-pinoana fa mbola tsy tonga lehibe ! Adidin\'ny Fiangonana ny mitaiza io sokajy 2 io !
58. rijadolly
(
07/10/2008 17:32)
coopsal>>>>Misaotra ry se fa tena marina tokoa io Fijoron\'se io,ary tena mitovy mihitsy ny antsika,tsy Mopera ra ianona na Pastera ra-ianona na Fiangonana itsy na...,fa tena enonao ao anatinao ao ny famonjena ataoNy anao.Na dia tena tsy ahitanao mangirana tsony aza eo anolohan\'fiainanao fa tena vita sy maizina tanteraka,eo mihitsy ny hanamporofoiNy anao fa Velona Izy.Ary izay no hibedesan\'ika ahy foana hoe teneno ny Fiangonako satria aho tsy manonina ny misy ahy.Ampy ahy Kristy,izay efa nampiseho ny Heriny sy ny FanjakaNy teo amin\'fahakiviko tanteraka.
Fahamarinana>>>>Ampy zay ry se fa efa fantaNY ny tsy fahantanterahatsika a!Andao hino sy hatoky azy fa tena aiNy ny hamonjy antsika ary efa vitany rahateo izany na dia ny hoavy tsika aza,efa vitaNy ny Fifonana tamin\'RAYtsika ho antsika.Manjary manamaivana be ilay Nidinany tety anie raha ny tsy fahatanterahantsika no tanisaina lava e!Efa nomeNY fotoana isika hibebahana sa ahoana ny hevitry se amin\'izay teniko zay?

59. fahamarinana
(
08/10/2008 03:49)
:arrow: marina zay ry rijad fa io moa ilay toetra,asa na ratsy na tsara,dia tia mamakafaka foana..eny na dia marina mibaribary aza.. :? .
Misy itovizako hvtr ny voalazan'ny rijad sy coopsal ny mikasika manokana ny Fiangonana rehetra en general :zà manokana dia tsy ho protestant irery na catho na finoana hafa,izany Finoana iray farany izany no andrandraiko mba tsy hisian'ny ady intsony.Ho tanteraka tokoa ve !!.Fa kosa tsy azo lavina fa misy tokoa Fiangonana tsy manana any kristy ho mpamonjy...ary iny no tsy dia iraisako hvtr fa kosa tsy hanao fanenjehana aho satria nandalo tsy fahalalàna ihany koa vao tonga amin'izao fotoana zao.Na dia tsy tanteraka aza (aleo tsy hitarina fa vao teo no bedin'ny rijad.. :wink: ). (l)

60. coopsal
(
08/10/2008 15:48)
fahamarinana:
...ka dia ny ho avy no hitsara rahatoa ka ao amin'ny sokajy 1er tokoa na tsia
==> "Izay mino an'i Jesosy ho Kristy dia naterak' Andriamanitra"[1Jaona 5:1]
--> naterak' Andriamanitra = rahalahin'i Jesosy!
Izany no vato mahatafintohina, ka fahaverezana ho an'izay tsy mino, fa famonjena ho an'izay mino.
Roa ny inoako :
- Velona Jesosy ary Izy no tenin'Andriamanitra (Andriamanitra miteny amin'ny olona amin'ny alalaNy, ary izaho olona).
- Jesosy no niteny fa izay mino Azy dia voavonjy, izay mandray ny teniNy ka mino izay naniraka Azy NO rahalahiny sy anabaviny ary reniny!