Mikasika ny takelaka vetso.serasera.org

1. hery ( 02/05/2023 21:54)
Azo atao hoe vita izany izao ny fanavaozana ny takelaky ny tononkalo vetso.serasera.org. Miezaka manamaivana ny lohamilina sisa satria hitako mbola miadana vokatry ny fivangongon'ny angona (database) avy amin'ny takelaka hafa.
Raha ohatra ka manana sosokevitra na zavatra tokony hatsaraina ianareo dia azonareo apetraka eto amin'ity lohahevitra ity.
novalian'i Djess ny 02/01/2024 15:14
2. MyhAndry ( 17/06/2023 06:19)
Salama, ary ahoana no atao raha hamafa ilay mpanoratra, tsy misy safidy momba izany mantsy ao

Mankasitraka
3. hery ( 17/06/2023 08:00)
MyhAndry:
Salama, ary ahoana no atao raha hamafa ilay mpanoratra, tsy misy safidy momba izany mantsy ao

Mankasitraka


Mila fafaina daholo aloha ny tononkalony izay vao afaka mamafa mpanoratra.
4. MyhAndry ( 17/06/2023 08:40)
hery:
MyhAndry:
Salama, ary ahoana no atao raha hamafa ilay mpanoratra, tsy misy safidy momba izany mantsy ao

Mankasitraka


Mila fafaina daholo aloha ny tononkalony izay vao afaka mamafa mpanoratra.


Dia rehefa voafafa daholo ny asa sorany
5. MyhAndry ( 17/06/2023 08:41)
hery:
MyhAndry:
Salama, ary ahoana no atao raha hamafa ilay mpanoratra, tsy misy safidy momba izany mantsy ao

Mankasitraka


Mila fafaina daholo aloha ny tononkalony izay vao afaka mamafa mpanoratra.


Dia rehefa voafafa daholo ny asa sorany
6. hery ( 17/06/2023 09:08)
MyhAndry:

Dia rehefa voafafa daholo ny asa sorany


Dia tokony azo fafaina amin'izay... Saingy:
- rehefa mitady any amin'ny Google ianao dia mbola ho hita any ilay mpanoratra sy ny tononkalony izay tadiavina
- mety hisy olona hafa koa hampiditra an'ilay mpanoratra sy ny tononkalony (i Rado izao dia tsy i Rado no nametraka azy ao)
- mety hisy mpanoratra mitovy anarana amin'ilay mpanoratra koa mahazo an'ilay adiresy dia hametraka ny momba azy sy tononkalo hafa.

Ny site-n'ny tononkalo dia natao indrindra hananan'ny mpanoratra trace hoe izy no nanoratra an'ilay tononkalo. Ny tononkalo napetrako tato izao dia efa tamin'ny 2003 no nipetraka tato. Raha mitranga any amin'ny facebook izy taorian'izay dia mpangalatra izay namoaka azy tany.
7. Djess ( 24/09/2023 16:52)
mankasitraka an'i Hery amin'ny fiantsana...fa misy fanamarihana kely fotsiny azafady
somary maika kely ise dia misy voadingana ilay teny
mankasitraka indrindra zoky
8. hery ( 25/09/2023 19:56)
Djess:
mankasitraka an'i Hery amin'ny fiantsana...fa misy fanamarihana kely fotsiny azafady
somary maika kely ise dia misy voadingana ilay teny
mankasitraka indrindra zoky

nahitsinao ary ilay izy :-)
9. Natiora Natoraly ( 13/10/2023 00:14)
Salama avy,
Ahoana ny atao raha te hanisy sary eny amin'ny faran'ny tononkalo nosoratana. Mino aho fa ho tsaratsara kokoa manko raha afaka haingoina sy hisarihana ny olona hamaky ny asa-soratra ny sary.
Misaotra betsaka
10. hery ( 13/10/2023 19:47)
Natiora Natoraly:
Salama avy,
Ahoana ny atao raha te hanisy sary eny amin'ny faran'ny tononkalo nosoratana. Mino aho fa ho tsaratsara kokoa manko raha afaka haingoina sy hisarihana ny olona hamaky ny asa-soratra ny sary.
Misaotra betsaka


Ny sary azo ampidirina aloyha hatramin'izao dia ny sarin'ny mpanoratra.
Tsindrio ilay mpanoratra (ohatra Natiora Natoraly) dia ery amin'ny havia misy hoe hampiditra sary.
jereo eto
11. Djess ( 01/11/2023 17:57)
eny tsy laviko fa nihaino tsara kosa moa aho e????
mankasitraka foana foana kango e??
12. Djess ( 01/11/2023 18:01)
ary tsy maneho an'ilay kisarisary kely fanehoana fihetseham-po kay ilay pejim-piresahana :'(
13. Djess ( 03/11/2023 03:01)
Miarahaba an' i Hery...inona angaha no mety ho olana fa tsy mety tafiditra ao anaty fampidirana tononkalo mihitsy aho fa ny ankoatra nefa mety daholo...somary gaga ihany ny tena!!!
Manantena valiny mahafapo raha mba azo atao.
Mirary tontolo andro manja be ho antsika rehetra
14. hery ( 04/11/2023 22:45)
Djess:
Miarahaba an' i Hery...inona angaha no mety ho olana fa tsy mety tafiditra ao anaty fampidirana tononkalo mihitsy aho fa ny ankoatra nefa mety daholo...somary gaga ihany ny tena!!!
Manantena valiny mahafapo raha mba azo atao.
Mirary tontolo andro manja be ho antsika rehetra


Euh, tokony tafiditra ka.
Raha tafiditra n'aiza n'aiza ianao dia tokony tafiditra ao koa.
15. Djess ( 05/11/2023 02:09)
dia izao mantsy ilay zavatra tsy azoko amin'ilay izy misy an'ity soratra ity foana isaky ny mampiditra tononkalo fa tsy mety tafaditra mihitsy
:'(
Whoops!

We seem to have hit a snag. Please try again later...
16. hery ( 05/11/2023 11:08)
Djess:
dia izao mantsy ilay zavatra tsy azoko amin'ilay izy misy an'ity soratra ity foana isaky ny mampiditra tononkalo fa tsy mety tafaditra mihitsy
:'(
Whoops!

We seem to have hit a snag. Please try again later...


Ok, nisy olana tokoa fa olona vitsivitsy no tratrany.

Andramo indray hoe sao efa mety.
17. Djess ( 06/11/2023 03:07)
eny mantsy ho'aho :)
efa tafiditra fa mankasitraka indrindra dia mirary tontolo andro mahafinaritra re a
18. Djess ( 02/01/2024 15:14)
Tsara hariva ny mpanakanto rehetra ato o
Rehefa namaky ny asa sorantsika miranty ato anaty pejy ny tena dia toa seranin'alahelo ihany mahita ny fahadisoan'ny tsipelin-teny
Ny fanajana sy fampitiavana ny teny Malagasy anefa dia miainga tanteraka amintsika mpanoratra koa raha mba azo atao re dia hiangaviana isika hanoratra tsara sy mazava ny teny.
Antony:
1-maro no mihevitra fa izay soratantsika no tena marina amin'ny maha mpanoratra antsika.
2-manova tanteraka ny hevi-teny tiana havoaka ihany koa anefa ny tsipelina diso ataontsika
ohatra: Manantona=Mampikirazorazo, mampikiraviravy
Manatona= manakaiky
teny hatsipy fotsiny fa tsy filàna voa tsy ary akory
Rariana soa ny kantontsika ary rosoa hasina daholo tompoko!!!
Sitraka indrindra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5368