Mikasika ny takelaka vetso.serasera.org

1. hery ( 02/05/2023 21:54)
Azo atao hoe vita izany izao ny fanavaozana ny takelaky ny tononkalo vetso.serasera.org. Miezaka manamaivana ny lohamilina sisa satria hitako mbola miadana vokatry ny fivangongon'ny angona (database) avy amin'ny takelaka hafa.
Raha ohatra ka manana sosokevitra na zavatra tokony hatsaraina ianareo dia azonareo apetraka eto amin'ity lohahevitra ity.
novalian'i hery ny 17/06/2023 09:08
2. MyhAndry ( 17/06/2023 06:19)
Salama, ary ahoana no atao raha hamafa ilay mpanoratra, tsy misy safidy momba izany mantsy ao

Mankasitraka
3. hery ( 17/06/2023 08:00)
MyhAndry:
Salama, ary ahoana no atao raha hamafa ilay mpanoratra, tsy misy safidy momba izany mantsy ao

Mankasitraka


Mila fafaina daholo aloha ny tononkalony izay vao afaka mamafa mpanoratra.
4. MyhAndry ( 17/06/2023 08:40)
hery:
MyhAndry:
Salama, ary ahoana no atao raha hamafa ilay mpanoratra, tsy misy safidy momba izany mantsy ao

Mankasitraka


Mila fafaina daholo aloha ny tononkalony izay vao afaka mamafa mpanoratra.


Dia rehefa voafafa daholo ny asa sorany
5. MyhAndry ( 17/06/2023 08:41)
hery:
MyhAndry:
Salama, ary ahoana no atao raha hamafa ilay mpanoratra, tsy misy safidy momba izany mantsy ao

Mankasitraka


Mila fafaina daholo aloha ny tononkalony izay vao afaka mamafa mpanoratra.


Dia rehefa voafafa daholo ny asa sorany
6. hery ( 17/06/2023 09:08)
MyhAndry:

Dia rehefa voafafa daholo ny asa sorany


Dia tokony azo fafaina amin'izay... Saingy:
- rehefa mitady any amin'ny Google ianao dia mbola ho hita any ilay mpanoratra sy ny tononkalony izay tadiavina
- mety hisy olona hafa koa hampiditra an'ilay mpanoratra sy ny tononkalony (i Rado izao dia tsy i Rado no nametraka azy ao)
- mety hisy mpanoratra mitovy anarana amin'ilay mpanoratra koa mahazo an'ilay adiresy dia hametraka ny momba azy sy tononkalo hafa.

Ny site-n'ny tononkalo dia natao indrindra hananan'ny mpanoratra trace hoe izy no nanoratra an'ilay tononkalo. Ny tononkalo napetrako tato izao dia efa tamin'ny 2003 no nipetraka tato. Raha mitranga any amin'ny facebook izy taorian'izay dia mpangalatra izay namoaka azy tany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.5258