Fanavaozana ny forum

1. hery ( 18/04/2023 21:36)
Mandalo fanavaozana ihany koa ny forum.serasera.org amin'izao fotoana izao ka hasehoko tsikelikely eto amin'ity lohahevitra iray ity ny zava-baovao. Marihina fa mbola tsy vita tanteraka ny fanovana fa dia efa navoaka noho ny pitsopitsony teknika.


  • Ny endrika aloha izany dia efa hitantsika fa niova, nezahina notazomina ny loko fa mety mbola hovaina ihany.

  • Ny endri-tsoratra rehefa manoratra koa no miova avy hatrany. Mampiasa ilay antsoina hoe WYSIWYG (What you see is what you get), izany hoe izay soratana no miseho ka ny fomba fampiasana ireo bokotra ireo dia mitovy amin'ny taloha ihany. Na tsindrina ny bokotra fanovana endrika (ohatra hoe B) dia manoratra. Na manoratra aloha dia safidina izay teny tiana hovaina endrika.

  • Dia tohizako miandalana eo ihany izay fanovana azo atao. Raha misy fanontaniana na fanatsarana dia azo apetraka eto ihany.


novalian'i eugene ny 18/04/2023 22:08
2. eugene ( 18/04/2023 22:08)
Misy notifications ohatry ny mbola tsy nety
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4544