TARA LOATRA

1. Timoty2009 ( 19/10/2019 05:01)
Dada a,tara loatra ianao
Fa i Neny efa nandao
Noho ireny ditranao
Herinandro lasa izay
No lasa mamanay
Nandao anay tsy satry
Nalevina fa maty
Nalefanay ny filazana
Anonjam-peo sy anonjan-tsary
Nefa ianao toa tsy mba tamy
Fa variana tany ho any
Tara loatra ianao vao nody
Tara ireto fanafody
Izay noentinao ho an'i Neny
F'efa lasa i Mama tsy niteny...
#Timoty_Josto
novalian'i hery ny 18/04/2023 22:50
2. hery ( 18/04/2023 22:50)
Misaotra anao dia azonao ampidirina ao amin'ny vetso.serasera.org ihany koa e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2339