Nodorana indray re ny toaka gasy e

1. hery ( 10/03/2019 12:01)
Mahalasa saina ihany ny fanakanana ny famokarana toaka gasy. Marina aloha fa tsy voafehy izy ireny, na ny dôziny na ny zavatra ao anatiny. Misy tokoa ny toaka gasy tena mamono mihitsy satria misy zavatra tsy hay tsy hay any anatiny. Tsy ilay tena toaka artisanal fanaon'ny tena Gasy intsony fa afangaron'ny sasany, dia nefa ny anarany hoe toaka gasy daholo.

Ny olana nefa dia misy koa ny tena toaka gasy tena izy, vita tsara, nataon'ny tena mpamokatra avy amin'ny fary, manjary voasokajy sy voasambotra ao anatin'ireo mpanao hosoka sns.

Koa ny hevitra angamba dia hoe omena fahazoan-dalana manokana hamokatra (droit d'exploitation) ohatra ireo tantsaha tena mpanamboatra toaka gasy. Arahi-maso ny zavatra vokariny, ny akora ampiasainy, ny vola raisiny. Tokony asiana haba na hetra aloany tahaka ny mpamokatra sy ny mpivarotra rehetra.

Satria raha raràna fotsiny amin'izao dia maty nonoka ny fahaiza-manao izay mety azo karakaraina na aondrana any ivelany mihitsy aza.

novalian'i hery ny 10/03/2019 11:45
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6696