A.A.M. Antenimieran'ny Andriana Merina???

1. Tianabeloo ( 13/12/2017 14:17)
Zavatra manitikitika ahy ilay horesahiko mba hitadiavako valim-
panontaniana marina, izay tsy azoko tany an-kafa ka inoako misy
afaka mamaly any eto.

T@ity taona 2017 dia nalaza(c'est selon) fa tafatsangana ny A.A.M., efa resaka nandeha efa ela izy io saingy t@ity taona ity vao hoe tafatsangana tanteraka.

Nanampy ny Iazany tampoka ny fanambarana fa nanangana
“Andriamben'ny Merina" izy ireo, ary nanokana toerana hanaovana lapa ho an'ny fanjakana vaovao ery Mangabe (raha tsy diso aho).

Mazava ho azy fa maro no tsy nanaiky ary tsy nanome rariny ilay
?hetsika. Na ireo taranak'Andriana izany. na ireo olon-tsotra (samy
manana ny hevitra tohananay ihany koa moa ry zareo).

Ny tenako manokana moa rehefa nanadihady dia varavarava mihidy
sy teny an'avona no azoko (olako izaho samirery iny fa tsy iny no
tiako hasongadina eto).

Dia lasa any saiko hoe : Iza ireo? Avy aiza? Taritin'iza? Hanao inona?
novalian'i saho ny 04/01/2018 18:29
2. rhaj0 ( 14/12/2017 15:05)
Ameo anarana tokoany hoe, iza aby no ao anatin'izy izany?


Mahavariana ahy ihany hoe, nataoko fa ny generation 60s no coince @ resaka toa izany, ilay mifanambady ao sy mihidy aman-trano ao fa "samy Andriana" ihany no ady eo. Nefa dia efa @ izao andron'ny interinety izao ve dia mbola @ izany ihany?? mahavariana...

Dia raha izany, dia misy "tanjona" AMBADIKA hafahafa ao rey olona...

Ka dia tandremodremo ao, fa ngo dia rahefa mipoaka sy lasan'ny kivindro ny taolana hono, izay vao mandray vato eo indray.
3. endriny ( 14/12/2017 18:04)
Ny foko rehetra eto Madagasikara dia saika mbola manana ny ampanjakany daholo afa tsy ireto foko manaraka ireto: sihanaka, betsileo, ny merina, ny bezanozano, ny Tanosy sy ny Tandroy.

Inona no antony?
4. tianabeloo ( 15/12/2017 05:49)
rhaj0:

Ameo anarana tokoany hoe, iza aby no ao anatin'izy izany?


Mahavariana ahy ihany hoe, nataoko fa ny generation 60s no coince @ resaka toa izany, ilay mifanambady ao sy mihidy aman-trano ao fa "samy Andriana" ihany no ady eo. Nefa dia efa @ izao andron'ny interinety izao ve dia mbola @ izany ihany?? mahavariana...

Dia raha izany, dia misy "tanjona" AMBADIKA hafahafa ao rey olona...

Ka dia tandremodremo ao, fa ngo dia rahefa mipoaka sy lasan'ny kivindro ny taolana hono, izay vao mandray vato eo indray.


Amiko manokana, ny fisian'ireo "taranaka" mitandro sy sarotiny @hasiny tsy olana rehefa tsy hasesika ho ekena sy hibahanana ny sain'ny rehetra. Izaho koa na mba mitandro aza tsy hanakasitrahako mihitsy iloay "mizesta" sy misehoseho.

Fa ity A.A.M. lazaiko ity dia mifanohitra @izay fiheverako azy izay no ataony raha ny hita sy reko hatreto.

Indro ny rohy misy ny pejy A.A.M. ho an'izay liana :
https://m.facebook.com/Antenimieranny-Andriana-Merina-A-A-M-210675662759071/

Ireto sary ireto no hany hitako raha nikaroka aho fa ry izareo rahateo moa nanakatom-baravarana raha iny aho namaly ny fanasana avy @izareo ihany isaky ny hetsika nataony.

Sary 1: Ireo mpikambana ao @A.A.M. nandritry ny "fanosorana" ny "Andriambenimrenina" notanterahin'izareo tao ao an-tokantranon'ity farany

Sary 2 : Ny "Andriambenimerina" sy ny Tsiarondahy betsileo nandritry ny "fanosorana ity voalohany

SAry 3 : Ireo mpikambana sy mpitarika nanokana ny "lapa" teny Mangabe

Sary 4 : Randriamahary Hamon (Andriambenimerina nofidian'ny A.A.M.)

Araraotiko eto ny hiteny fa sady tsy mankasitraka aho no tsy mankato no tsy manaiky ny fisian'ilay fikambanana sy ity razoky ity.

Moa va tsy teatra no fetra.

Misy zavatra ambadika mihoatra ny fitandroana ny hasina mihitsy izao rehetra izao raha amiko.







5. tianabeloo ( 15/12/2017 05:52)

endriny:

Ny foko rehetra eto Madagasikara dia saika mbola manana ny ampanjakany daholo afa tsy ireto foko manaraka ireto: sihanaka, betsileo, ny merina, ny bezanozano, ny Tanosy sy ny Tandroy.

Inona no antony?


Amiko manokana tsy olana velively ny fitazonana ny fomba na mety hoe tsy dia mety loatra @saintsika amin'izao ary.
Saingy kosa, efa manana lalàna manan-kery isika @fifehezana nys amy mpiara-monina dia adidin'ny tsirairay mitazona ny fombany no mitahiry azy tsy hihoatra ny fetran'ny fahafahany.
6. rhaj0 ( 15/12/2017 13:47)
Ny hevitro koa aloha dia, raha te-hitazona izay"fombafombany" any zareo, dia tsara izany ho azy. Raha ifampiankohoka sy ifampitrotro sy izay ataony ao ny samy zareo, dia ao tsara izany. Fa raha izaho, dia ny fantatro dia ny "fifampitondrana @ samy olona" k'lou dia TSY anaovako an'izany.

Ary raha izay resakAndriana izay no excuse
- hakana "fahefana" politika,
- na koa hanindriana, na hanavahana na hanilihana ny hafa, sy hanamboniana tena ao
dia ... hhheeeeee.... ny onjy enjehina fa tena tsy asiako sirany sy hajany na ny pitiny akoriny izany.
7. endriny ( 16/12/2017 05:31)
Ilay izy ange kosa tsy any amin'ilay hoe hiankohofana, na ivavahana e.

Ary tsy hoe any Kanada ka na ny vola aza tsy maintsy asiana andriambavy.

Fa ny fahitako azy hoe: Ireo Foko nolazaiko iro dia noravana mihintsy rafitra faha-mpanjaka tamin'ireo faritra ireo noho izy ireo niady mafy tamin'ny fanoherana ny vazaha. Adinoko koa ny Betsimiraka.

Raha hiteny aho hoe Merina ohatra: Dia iza eto Imerina aza no olona na antokon'olona mahasolotena izany foko Merina izany? Ny an'ny Betsimiraka, sy ny Bezanozano ary ny Sihanaka aloha misy ilay Tangalamena. Kanefa ny Tangalamena misy isan-tanana, ohatran'ny sefom-pokontany ihany.

Dia tsy gaga isika raha ny fomba amin'ireo foko ireo dia miha lefy tsikelikely, ary mihazakazaka mihintsy io fahasimbana io raha ny eto amin'ny faritr'Imerina sy ny Renivohitr'i Betsimisaraka. Dia ny fiangonana indray no mahazo tsiny amin'ny tsy fanarahana ny fomban-tany. Kanefa tsy misy mpitarika intsony ny fampiarana an'ilay fomban-tany.

Ny mahavariana dia rehefa mikasika ny mpanjaka any Angeletera, Japon, Monaco dia mihiratra daholo ny voamason'ny olona, ary falifaly izay tsy izy daholo fa te ho Charlie. Fa raha ny an'ny tena no hoe mba hamerina ireo symbole noravana...

Ka tsy gaga intsony aho izany raha may Andafiavaratra, sy ireo Rova 2 teto Antananarivo
8. rhaj0 ( 18/12/2017 13:11)
RAha ny fahitako azy aloha, dia "mila" sarahina ny "politika" sy ny "kolotora" (sy "finoana").

Ny "politika", na ny "gestion de la cité", dia @ izao 2017 izao, araka ny traikefan'olb rehetra izao, dia ny hita fa "mahomby" SY manaja an-draolona REHETRA ary MITOVY @ maha-olona azy, dia, raha ny fahitako azy aloha, dia ny demokrasia tandrefana. TSY lafatra io, fa toa ny zava-drehetra, dia "work in progress"

Ny kolotora, sy izay fombafomban-tany eny rehetra eny indray, raha (mbola) izay no maha-salanitra an-draolona (ny majorité) ao @ jeogirafiany ao, dia izay izany. Fa ny critère-ko, dia averiko ihany, ny fanajana an-draolona REHETRA ary MITOVY @ maha-olona azy


maka ohatra i Endriny @ aty Kanada. Dia eny, ny olona aty, eo @ +/- 50%, dia tena mbola mitia ny mpanjakavavy. Raha n yfahazoako azy, dia toatoa ny superstar-n'i Hollywood ihany ilay revy. Fa kosa, TSY manana fahefana politika @ ahoana i ramatoa. "symbole" fotsiny izy @ io, hoe, izy no sefoben'ny sefobe. Fa fanampin'ilay symbole kosa aloha, dia izy tokoany no tokony hoe, manapa-kevitra raha ohatra ka misy litige tsy voavahan'ny lalàna sy lalam-panorenana ary ny politisiana. Tsy hary ho hay (prévu) daholo ny tranga mety hitranga rehetra, ka dia raha sanatria misy ny tranga toa izany, dia apetraka aminy ny fanapahan-kevitra.

Fa kosa
- ny lalàna sy lalam-panorenana dia efa mahita lavitra ihany, ary ny fifampitondrana eo anivon'ny fiaraha-monina dia an'ny politisiana. TSy miteny n'inon'inona akoriny azany i mpanjakavavy @ izay fiainam-pirenena eo. Ny kabary "ataony" eny @ antenimiera, dia ny praiministra no nanoratra azy.
- ny olona dia efa @ ilay hoe, tonga @ "conscience sociale", toa ny noresahina tatsy @ Finoana ihany, izany hoe, efa samy olon-dehibe, mahatsapa fa ny mampirindra ny fiarahana monina eto dia mila fifandeferana (compromis) ohatra.
9. saho ( 04/01/2018 18:29)
Tsara raha hitazonana ny fahendren ny Ntaolo le izy, mba ho hain ny tanora ankehitriny ny tantara taloha na koa ireo izay liana. Toa ireo soa tiavina Malagasy rehetra , ohatra TSY MISY TSY MAFY TSY LAITRY NY ZOTO, IZAY TSY MAHAY SOBIKA MAHAY FATAMBARY, TRANO ATSIMO SY ANDREFANA KA IZAY TSY MAHALENA HIALOFANA, ALEO VERY TSIKALAKALAMBOLA TOY IZAY TSIKALAKALMPIHAVANANA, TANORA RATSY FIARY KA ANTITRA VAO RATSY LOAKA, sns...tena niasa teo fiarahamonina izany taloha ary tafavoaka fa saingy ankehitriny niovan ny fitiavambola no namadiana ny fahendrena taloha izany

Za mahatsapa mihitsy fa betsaka le fomba fiteny taloha hoe TANANA LAVITRA ANDRIANA E! Tena TOA TENY NY ANDRIANA TALOHA, misy aza masimbava hono ary tena tanteraka tokoa ny nolazainy sns....ankehitriny dia simba tanteraka eo fiaraha monina Malagasy izany satria tsy nifanaraka intsony ny to teny sy ireo mpamadika taloha ary fahiny. Mba asio tantara izay manana tahiry izany mba ho fantatry ny mpamaky etoana ny zava nisy taloha ary ny antony nahafoana izany sns....

Tsy atao hanambaniana ny hafa le izy na koa hanakorontana fa mba hoe nisy izany tantara izany ary tena mbola betsaka ireo taranaka Mpanjaka Malagasy ary koa mbola misy koa erantany toa
ao Angleterre, Hollande, Norvege, Suede eto Europe. Ary mbola misy taranaka ireo mpanjaka eraky i europe

Tia tantara ve ianao, eto europe dia mbola be dia be ny misy Mpanjaka toa angleterre sy belgique, ary hollande. ao koa Norvege sy suede. ireo mpanjaka ireo dia Mpihavana daholo ny akamaroany eto Europe. Ohatra ny Mpanjaka vavy Elisabeth dia manana havana be dia be eto allemagne fa marihiko fa eto allemagne efa tsy misy afa tsy ny taranaka mpanjaka , ohatra ao Hollande ny Mpanjaka alexandre koa dia manana havana taranaka mpanjaka ao francfort sns....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1547