Midera manokana ireny mpivarotena ireny ny tenako

1. endriny ( 31/10/2016 03:28)
Ho ahy dia anisan'ny olona mendri-piderana eo amin'ny fiaraha-monina ny mpivarotena, noho izy ireo mahery fo sy be finoana amin'ny ataony ka sahy misedra ny alina mangina. Manana herin-tsaina mandao ny zanany irery an-trano amin'ny alina manontolo. Ary manaiky ny vatany ampiasan'ny olona tsy fantatra mandalo rehetra.

Iza tamintsika no manam-pinoana sy manana herintsaina toa azy ireo?
novalian'i endriny ny 20/01/2017 12:39
2. rhaj0 ( 31/10/2016 11:35)
Raha "Manana herin-tsaina mandao ny zanany" ny mpivaro-tena, dia izy anie izany no ho tafiditra voalohany any @ lanitra faha-fito eee... i Lioka mihintsy no mitatitra an'i Jesosy niteny izany.

Lioka 18:29 Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano, na vady, na rahalahy, na ray, na reny, na zanaka, noho ny fanjakan’ Andriamanitra, 30 izay tsy handray be lavitra amin’ izao andro ankehitriny izao, ary amin’ ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.


Ary efa nataon-dRado an-tononkalo ary vitan'i Bessa hira anie io, fa 'nareo kouh ou...


3. endriny ( 01/11/2016 06:05)
Raha ohatra ny finoana sy ny herintsain'ireto Mpivarotena ireto ho'a ny finoana sy herintsain'ny mpitondra sy ny Malagasy tsirairay dia efa niova efa ela ity Madagasikara ity.
4. Strong3 ( 22/11/2016 08:05)
manofy atoandro raha ny mpitondra malagasy no andrasana ... !

--> Lioka 18:29 Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano, na vady, na rahalahy, na ray, na reny, na zanaka, [size=20]noho ny fanjakan’ Andriamanitra.[/size]

fa tsy hoe noho ny kibony sy fitafiany
5. Strong3 ( 22/11/2016 08:12)
fa raha io sujet io aloha dia marina fa tena matanja-tsaina ny mpampanofa vatana :)
6. endriny ( 20/01/2017 12:39)
Ny mpiasa rehetra dia mampanofa ny vatany sy ny fahaizany @ tompon'ny orinasa iasany. Saingy ilay zotom-po sy finiavana tafian'ny mpivarotena dia hafa mihintsy. Ka tsy gaga aho raha mandeha any @ faritany, mahita fa ny ankamaroan'ny trano vato dia raha tsy an'ny sinoa sy karana ary ny fiangonana, dia an'ny olona mpivarotena efa manambady. Hainy ny mitady sy manondrotra ny eo aminy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2849