miarahaba ny rehetra Araky ny hevitsika , kristi...

1. lahindroy ( 03/09/2016 09:31)
miarahaba ny rehetra

Araky ny hevitsika , kristiana ve Jesosy sa ...jiosy ?
novalian'i rhaj0 ny 08/09/2016 22:27
2. rhaj0 ( 03/09/2016 13:27)
Ny fiheverako azy, dia Jiosy i Jesosy. Mazava ho azy fa tsy mbola nisy ny "kristianisma" t@ fotoan'androny. Ary TSY namorona "fikambanana" na "fivondronana" koa i Jesosy, fa nifampitaritarika t@ "mpianany" tany foana fotsiny...

Dia fanampiny kely: zanaka-na mpandrafitra koa i Jesosy. Ny fahatakarako azy, dia t@ izany fiaraha-monina Jiosy tao Moyen-orient tao, t@ fotoan'androny l'an zero izany, dia ifandovana ny asa. Ka tokony ho "mpandrafitra tahaka an-drainy" izany i Jesosy, Saingy i Jesosy moa dia "nisavi-tsaranga". Ary nanendri-tena (na nilaza fa voatendry) ho "mpitory" na "mpampianatra" na ... inona moa no anaran'ny mpitarika ny mpino Jiosy ao.
3. RBNIR ( 04/09/2016 13:11)
1 I Jesosy no atao hoe Kristy,
2 Ny atao he Kristianina dia ireo mpanaradia an'ilay Kristy (fa tsy ilay Kristy) raha ny voasoratra ao amin'ny Soratra Masina....
4. lahindroy ( 04/09/2016 15:42)

[quote=RBNIR]
1 I Jesosy no atao hoe Kristy,
2 Ny atao he Kristianina dia ireo mpanaradia an'ilay Kristy (fa tsy ilay Kristy) raha ny voasoratra ao amin'ny Soratra Masina....

manakory daholo isika ?

I Yeshoua mihitsy ve no nilaza hoe : izy no "kristy" ?
-raha toa ka eny ny valiny aiza avy ny "toko sy andininy " milaza an'izany ary iza no nanroratra azy ? ary hoviana no nanoratana an'izany ? fony fahavelony ve ?
-raha toa ka tsia kosa ny valiny , iza no nilaza fa izy no "kristy" ?

ny fanambarana n°2 kosa dia mazava fa saingy tsy mamaly an'ilay hoe Jiosy ve izy ?
5. RBNIR ( 04/09/2016 17:08)
« Ary hoy Jesosy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? » (Matio 16:15)
« Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra velona. » (Matio 16:16)
« Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 16:17)
6. RBNIR ( 04/09/2016 17:13)
Ary Jesosy dia efa fantatry ny olona rehetra tamin'izany fotoana izany fa IZY no ILAY KRISTY....

Pilato koa aza mba nahafantatra satria efa nalaza loatra tamin'ny tanana fa IZY marina tokoa ilay kristy.....

« Hoy Pilato taminy: Ka ahoana kosa ary no hataoko amin'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana amin'ny hazo fijaliana Izy. » (Matio 27:22)



Tsy araka ilay fampianaran'ny sasany ankehitriny hoe ny olona taty aorina no nametaka ny anaran'i Jesosy hoe KRISTY.....

TSIA DISO TANTERAKA IZANY FA TAMIN'NY FAHAVELOMAN'I JESOSY DIA EFA NALAZA BE FA IZY MARINA ILAY KRISTY ARY IZY DIA TSY NANDA IZANY MIHITSY!!!!
7. rhaj0 ( 06/09/2016 10:50)
Mahery ny propagandy eee... mbola mandaitra amin-dry RBNIR ilay izy h@ izao 2016 izao.
8. endriny ( 08/09/2016 06:18)
I Jesosy dia Jiosy ary ananan'ny Jiosy ny tetiarana mahajiosy azy
Kristianina ve izy. Raha izy no Kristy dia tsy kristianina izy izany. Sady izy raha teo nampianatra ny boky taloha hatrany fa tsy niteny hoe mamorona boky vaovao.. Sy finoana vaovao
9. rhaj0 ( 08/09/2016 22:27)
lahindroy:
kristiana ve Jesosy sa ...jiosy ?

Toa ny hoe: Marxista ve i Karl Marx sa ... jiosy?

I Karl k'lou dia Jiosy ee..

Ny Marxisma indray dia mifototra @ hevitr'i Marx sy Engels. Ny Marxista dia mirevy ny Marxisma. Ka i Karl izany mirevy(-tena) ny hevitr'i Marx sy Engels eee...
Hotry ny sampona ihany io, satria t@ faha-velony, dia tsy mbola tena nandeha ny boky menan'i Karl.

T@ faha-velon'i Jesosy koa, dia tsy mbola nisy ny TV... hi hi hi... ka ny TV efa taty @ 1900 vao nisy kouh...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3509