Ho avy tsy ho ela mitaha amin'ny rongony

1. endriny ( 28/03/2016 04:28)
Efa hatramin'ny andron'ny mpaminany no nisy filazana fa ho avy tsy ho ela ny Mesia, dia maty foana izay maty fa tsy tonga ny Mesia. Fa ho an'ny Kristianina moa dia efa tonga ny Mesia, ary Jesosy no anarany.

Dia teo indray dia raikitra indray ny hoe " :Ho avy tsy ho ela ny andro farany, sy ny andro hiverenany hitsara ny velona sy ny maty". SAingy maty foana izay maty fa mbola tsy niverina izy. (Raha tsy hoe ilay nahabevohoka vehivavy virjiny tany Afrika tokoa angaha)

Fa inona hoy ianao no idiran'ny rongony amin'izany?

Tsy inona akory fa ny hiran'ny Kristianina ihany ilay manao hoe:
"Tsy rongony mampatory, mampanao ampitso lava o o o"

Ka inona moa no mahasamihafa an'ireo milaza hoe "HO avy tsy ho ela isan'andro" sy ny "Rongony mampatory" raha izany?

Lasa... lasalasa ny fisainana a
satria...
novalian'i rhaj0 ny 11/04/2016 15:30
2. rhaj0 ( 28/03/2016 14:43)
Ho avy eee.. ho avy tsy ho ela ny vaovao an-tsary.. Izany no t@ tv t@ andron'i Raveloson. Dia niandry teo zahay nanantena hahita an'i debabe, efa @ 10 alina fa mbola tsy hita ihany :-)

Lesy poara fe vivra les uns be cils...

tena mi-imbecilliser ny olona kosany ho'a rizareo ee...
3. endriny ( 29/03/2016 15:06)
Tatsy ambadika tatsy dia hoy
RBNIR:

Ity no porofo fa efa natolotra ny devoly marina tokoa ny fahefana rehetra eto amin'izao tontolo izao ary dia izy no manome izany amin'izay olona tiany.....

« Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; » (Lio.4:6)


Dia ahoana tokoa moa izany no mbola hisy fanavotana amin'izany? "Rongony mampatory" fotsiny izany ilay fitsanganana amin'ny maty amin'ny fara andro, fa kay ny eto an-tany efa lafo tamin'i Devoly

Mety Mpandainga koa I Devoly satria izy Devoly. Aza hitako marina... Kanefa I Jesosy tsy niteny hoe: "Mandainga inao ry Devoly" aloha e

Sarotra ihany ny fitantanana
4. RBNIR ( 30/03/2016 11:38)
Endriny, tsy eto amin'ity tany ity ny fampanantenainy fa any amin'ilay tany vaovao....

« [Ny amin'i Jerosalema vaovao] Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. » (Apokalypsy 21:1)
« Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. » (Apokalypsy 21:2)
5. endriny ( 30/03/2016 15:37)

RBNIR:

Endriny, tsy eto amin'ity tany ity ny fampanantenainy fa any amin'ilay tany vaovao....


Aza mampihomehy fa tsss, vao io ambony io ianao no milaza ny ny eto an-tany dia efa nomena an'i Devoly. Ianao mihevitra ny tenanao fa tsy anisan'ny eto an-tany?

Ilay hoe tany sy lanitra vaovao, Jerosalema vaovao. Hatreto aloha dia maty foana izay maty, fa I Jerosalema ihany no Jerosalema, ny Mars aza mbola hanahirana ny ahatongavana eny.

Fa dia marina ny an'ny hira "Rongony mampatory" amin'ny alalan'ny nofinofy "Jerosalema vaovao, sy lanitra mangirana ary fiainana mandrakizay fahasambarana".

Saingy tsy "Rongony zava-mahadomelina" tokoa ny fivavahana fa "Fandemen-tsaina malalaka" hoy ilay dinika tary aloha be tary...

Ka asa re? na zava-mahadomelina io na fandemen-tsaina toa mitovy daholo ny vokatra azo avy aminy: "fampanantenana zavatra tsy mbola hitan'ilay mpivarotra akory" "Varotr'omby anaty ambiaty"
6. RBNIR ( 31/03/2016 02:39)
Tsy mamaky tsara ianao fa ao amin'ilay apokalipsy 21:1,2 dia voasoratra hoe:
1- tany vaovao (tsy misy ranomasina)
2- lanitra vaovao

Any amin'ny 2 Petera kosa dia manambara fa ity tany ity dia .....
« Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. » (2 Pet.3:10)
« Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, » (2 Pet. 3:11)

Izany hoe ity tany ity ho levona, fa hisy kosa tany vaovao mihitsy hisolo azy ho an'ireo olona hovonjena....
7. solooo ( 31/03/2016 13:42)
Tsy haiko na ny fijeriko no donton'ny baiboly na ny anareo fa :
-marina ilay voalaza hoe: 70 na 80 taona no andro hiainana eto e, noho izany rehefa feno io dia tsy maintsy ho faty na dia mikaroka mafy aza ny olombelona manam-pahaizana hitady hiala amin'ny fahatesana, tsy mampiesona izany ilay namorona izao rehetra izao fa milaza ny marina.
-tsy tompon'ny lera isika fa fehezin'ny fotoana, noho izany tsy haintsika preciser-na ny : "ho avy tsy ho ela"an' Andriamanitra, na firy segondra, na firy taona, na firy siecle. Ary tsy hitantsika ho foanana koa anefa satria isika faible; ny aintsika aza tsy haintsika fehezina tsy hiala.
-mbola marina foana ny voalaza fa tokony hanjaka amin'ny zava-boahary ny olona fa tsy ny olona no hamboarin'ny zava-boahary, jereo fa ny rongony aza dia mampiesona azy, nefa anie dia zava-boary noforonin'Atra mba hampety ny olona fa tsy hanandevo azy e; mety fanafody ngorogosy tsara izy.
Rehefa tsy matoky ilay Mpahary sy ny teniny mantsy dia miseho hendry nohon'ny hendry (Ny fatahorana an'i Jehovah no voaloham-pahendrena), ka entin'y lohabe fotsiny dia manaonao foana ka sahy miteny mihitsy fa tsy misy izany Andriamanitra mifehy izany fa izay tiako no atao; tsy misy izany ilay ratsy izany fa fandrebirebena fotsiny ireny.
Tsy misôma aminao ilay ratsy fa zarany aza ianao manohitra ilay Tsitoha ka tarihiny ho very miaraka aminy any @ 'ny fahaverezena, izay noforonin'Atra ho azy ireny;
Ho avy tsy ho ela Izy hamarana ny tantara saingy mbola ontsa anao ny fon'ny Tompo, ka mamindra fo aminao, manome fotoana hiverenanao @ 'ny hevidisonao tsy mino Azy.
Saingy na hanao soratra 5 pejy eto ary aho, ny safidy anao foana, ary an'Andriamanitra irery no manendry ny fotoana ahatongavany na afaka 1 sec na afaka 1000 taona; ny anjarako dia mamafy ny fitiavany efa nomeny ahy, mizara ny fifaliako sy ny fiadanako miaraka amin'ilay Tsitoha. Ny fiainako, Izy no mandidy sy mitondra ahy @'izay tiany satria hoy Izy:
"izaho mahalala ny hevitra hiheverako anao, dia hevitra mitondra fiadanana fa tsy loza" (Jeremia 29:11); ka zaraiko aminao; Mahereza
8. rhaj0 ( 31/03/2016 14:54)
solooo:
Tsy haiko na ny fijeriko no donton'ny baiboly na ny anareo fa :
-marina ilay voalaza hoe: 70 na 80 taona no andro hiainana eto e

hi hi hi.. eto izao ianao dia hitanao mazava hoe ahoana ny aminao. Fa dia mila "mivoaka" ny Baiboly ianao raha te-ahalala be koakoa, mba tsy hitenitenenana foana eee. Ka jereo eto hozy ny mpandinika, ny "esperance de vie" t@ siekla nifandimby..
http://www.cvm.qc.ca/glaporte/vie.htm

Dia rahefa mahita io ianao, dia hanontani-tena hoe, inona koa azany ilay resaka abobo hoe, velona an-jaton-taonany ry Abrahama sns..

solooo:
noho izany (..) dia tsy maintsy ho faty

Rehefa potika ny mekanika dia vita, na olona na biby na zava-maniry sy Solooo aaa... Fa ianao moa nampinoana hoe, ny olona dia hafa noho ny hafa rahefa potika ny mekanikany... Nefa izao ilay izy: ireo olona taloha "nampino" anao an'izany anie, dia diniho kely hoe, toatoa ny ahoana ny fahalalany t@ izany fotoan'androny izany. Dia izay no mba "noforoniny" sy "ninoany" mba ampilamina ny sainy anoloan'ny fahafatesana, na ny fahalovan'ny mekanika. Hitanao tsara fa ny sivilizasiona isan-karazany, samy manana ny mazia-mazia-mirakla "aorian'ny fahafatesana" hono... Fa ianao izao efa 2015 ny taona ho'a, ka dia... herezo ilay saina eee....

solooo:
-mbola marina foana ny voalaza fa tokony hanjaka amin'ny zava-boahary ny olona

hi hi hi... inty bilagy vao reko omaly..

Nifanantsafa hono ny Alika sy ny Saka

- Hozy ny Alika: Tena dada ka dada ireto olombelona ireto kah... Ameny ahy na fialofana, na sakafo, na hafaliana na fanasitranana aretina. Tena Andrmntra mihintsy angamba rizareo ireo kah...

- Hozy ny Saka: Tena nandra ka nandra ireto olombelona ireto kah... Ameny ahy na fialofana, na sakafo, na hafaliana na fanasitranana aretina. Tena Andrmntra amin-drizareo mihintsy angamba izaho ity kah...

9. rhaj0 ( 31/03/2016 15:41)
http://www.lapresse.ca/sciences
La géroscience est mobilisée contre les outrages de l'âge en cherchant à prévenir les maladies et dégénérescences liées au vieillissement pour prolonger le nombre d'années passées en bonne santé, voire la durée de la vie.

« Vieillir est en fait l'accumulation des détériorations des cellules, résultant des dérèglements du métabolisme », résume ce chercheur. « Selon les prédispositions génétiques, on en accumule plus ou moins ».

L'espérance de vie s'est nettement allongée depuis un siècle, grâce surtout aux progrès de l'hygiène et à la découverte des vaccins et des antibiotiques.

La cannelle contre l'âge (..) Elle a pu prolonger la vie de mouches drosophiles de (..) 30 % avec la cannelle.

... en évitant ces maladies, on pourrait vivre en assez bonne santé la durée maximum de vie biologique, qui selon elle se situe entre 110 et 120 ans.
10. endriny ( 07/04/2016 13:52)
Izahay koa taloha dia nilazana fa ny olona taloha dia mateza, ary maharitra 100-120 taona indraindra moa tamin'ny andron'ny APostoly hono dia ry Jaona efa 110 taona vao nanoratra ny testamenta (Araka ny filazana tao am-piangonana io a).

Dia zendana sy mifananontany ny rehetra hoe fa dia marefo mihintsy izany ny olona ankehitriny fa tsy ampy 60 taona ary 70 taona dia maty?

Tsy marina anefa izany, fa ny olona taloha dia sarotra vao nahatratra 60 taona ny taonany. Ny fikarohoana ireo vakoka rehetra natao dia nampiseho fa tsy nisy olona na iray aza nanana nify nihoatra ny 50 taona nahavelomana akory aza afa tsy ilay hoe razamben'ny olona hita tao Ethiopia (2 tapitrisa taona lasa izay no nahavelomany).

Dia miampy an'ity fiainana mandrakizay fanpatoriana ity, dia adinon'ny olona ny fiainana an-davanandrony. Misy mihintsy ireo manary ny fitadiavany an-davan'andro fa lasa mpitory fotsiny izao. Dia gaga ny tena
11. endriny ( 11/04/2016 15:19)
MIsy mpitsara iray izay, mpiandry ihany koa. Dia gaga ianao fa izy izany mpiandry manao ilay akanjo fotsy be iny dia mahataona olona tokoa moa izany amin'ny fametrahan-tanana sy ny fanalana demonia, ary dia miondrika sy ny manaja azy daholo ny mpiangona ao amin'ny fiangonany. Izy rahateo manna-katao.

Fa rehefa eny Anosy amin'ilay akanjo mainty iny izy, dia aza miresaka aminy raha tsy misy vola. Ary aza manantena ny handresy izany raha tsy avo vato hoy ny fiteny eny izay.

Kanefa dia mahadizina ireo mpiara mivavaka aminy izy, ary tsongaina manokana mihintsy fa olona notahian'Atra sy nahasoavin'Atra ka nomeny Fahasoavana manokana

MIsaotra anao izahay fa notivinao e...
12. rhaj0 ( 11/04/2016 15:30)
Ka nasandratra (na nanandra-tena) ho tena raitra ao @ ilay system akanjo fotsy anie izany izy e... isan'ireo TSY mpanota (be) fa hoe tena mahay azy..
Dia rahefa @ systeme akanjo mainty izy, dia mihevi-tena ho "tsy-maty-manota" koa eee...

Io ho'a.. zohio h@ foto-pisainana (dia ny FInoany) ny zava-misy ao, dia ho azonao ho azy..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.33