misy tsy tia maizina

1. Strong3 ( 19/08/2015 12:09)
Dia halanareo ato ny katolika sy ny reforme protestant
na sekta na fiangonana zandriny na tsimisiAtra na raokandro malagasy na finoana nentin-drazana dia tsy misy hanavahana fa dia mandaroka baomban'ny fahakahalana avokoa

enao mitsidika eto mba lazao ny antony manokana mahatonga izany!

Misaotra ! dia enga anie mba hisy porofo ilay teninao :-)
novalian'i Strong3 ny 21/08/2015 07:01
2. rhaj0 ( 19/08/2015 12:35)
"mandaroka baomban'ny fahakahalana" sa "fahalalana" ??

Ny an'i Strong3 ve moa tsy hoe, raha vao TSY mifanandrify @ finoany (sy ny saim-pantany) dia "fankahalana"... Asa.. izany ve no nampianarin'i Baibl azy ao..

Tsy mba afaka ny miresaka mifanakalo hevitra sy FAHALALANA sahala @ olon-dehibe ve ry Strong3, dia samy mamoaka ny heviny, dia samy mitsakotsako izay tiany tsakotsakoina any aaa... vivre et laisser vivre...
3. Strong3 ( 19/08/2015 12:43)
ianao aza no tena mpanenjika katolika ao kou inona no idirako amin'izany?
za zao no mametraka fanotaniana hoe nahoana ianareo no manenjika ireo roa ireo?
mba hoe vivre et laisser vivre nefa ny atao atao ihany... :-)
4. rhaj0 ( 19/08/2015 12:45)
tsisy "manenjika" re eo ry Strong3 aaa... ny "hitsoahana" akoriny aza no ho atao, rahefa mazava ny resaka sy ny fahalalana ..
5. Strong3 ( 19/08/2015 12:59)
goueéé dia ny tena no menatra hahaha ... tsra rehefa miala bala eh


ny anavanareo an'i OMAR izany moa de eeeh aoka fotsiny :-)

atsy izao dia hoe : hita any amin'ny afo be hoe ny papan'olona
miaiky anareo za zay amin'ity fitsohana mihemotra ity
6. rhaj0 ( 19/08/2015 13:12)
Hozy ny rakibolan'i Hery:
manenjika = manaraka avy aoriana mba hanatratrarana.

Milaza sy manavoitra ny zava-bitan'i OMAR ve midika hoe "manenjika" azy ???

Sa lazao hoe ahoana ny dikan'ny "manenjika" ara-baiboly ao azany eee...
7. Fiffi ( 19/08/2015 16:38)
tsy hitako we iza no manenjika an'iza....

m'enfin...raha misy te hanenjika de anazy zany....ny ahy aloha dé zay mahasoa ahy no ataoko eh

....tsy hitondra an'iza na an'iza lavitra lé fanenjehana ....ka raha misy manao an'zany dé libre à eux.....
8. Strong3 ( 20/08/2015 07:45)
manenjika: 1/raha arabatiteny dia hoe: avy aorina ka manao izay ahatratrana ny eo aloha
2/ heviteny: manaratsy , mifosa, mandesoka, manosipotaka , manendrikendrika

Hita moa ilay izy fa fantatreo ihany fa izany hoe menatra dia aholoka any amin'ny heviteny ny resaka :-) ... efa hendry ka

Nga dia tsy mahita lafitsaran'olona mihitsy eh? kou ny hoe tsy manenjika fa milaza izay ataony.
Mitondra soa inona no moa izany ilay filazana ny ataony?
9. rhaj0 ( 20/08/2015 11:26)
ameo source k'lou ry Strong3 aaa...

Inty ny rakibolan'i Hery
http://www.rakibolana.org/rakibolana/teny/enjika
Fanarahana avy aoriana mba hanatratrarana

@ dikany teny frantsay, dia hoy ny eto hoe "poursuite".. IO no lasa hoe "mampiakatra any @ fitsarana"

Fa eo, aoka hazava fa mbola TSY misy jugement rehefa vao "miakatra fitsarana", Ny FItsarana no hanapaka ny maha-meloka na maha-marina ilay "voaenjika".

Ka tsy maninona fa dia "manenjika" izany aho e... navoakako mazava eto ny zava-bita sy ny fisainan'i OMAR, ary dia izay (mpamaky) hitsara dia mitsara..


Fa ity indray dia averina im-10 kely ngo dia mazava @ Strong3 ihany @ farany... :-)
Ny an'i Strong3 ve moa tsy hoe, raha vao TSY mifanandrify @ finoany (sy ny saim-pantany) dia "fankahalana"... (na manaratsy , mifosa, mandesoka, manosipotaka , manendrikendrika).. Asa... izany ve no nampianarin'i Baibl azy ao..
10. Strong3 ( 20/08/2015 12:41)
averibereno eo fa misy mamaky foana io eh! :-)

ka mitsara ihany izany na inona filazanao azy eo eh!

moa ianao koa mandray ilay izy ho manindrona anao de miezaka manadio tena eo hahaha...

fa maninona raha valiana tsotra hoe satria ny katolika na ny protestant manao izao na izatsy dia tsy mety amiko ...
fa dia miala bala fotsiny ... :-)
11. rhaj0 ( 20/08/2015 12:54)
Tsy resaka anti-Kakolika na anti-Propespampa no resako re ry Strong3, fa ny Finoana (rehetra) sy ny korteziny dia tsy @ kapoakako aaa... Efa hozy foana aho hoe, "reveo ao azany ny anareo".. dia mivanitika be fotsiny aho :-)

Ianao no hita mibaribary eto @ forum eto fa "manenjika", @ dikany a-la-Strong3, ianao Strong3 no manenjika izay TSY mitovy na ny TSY mifanaraka Finoana aminao (@ saim-pantatrao) ao ...
12. Strong3 ( 21/08/2015 06:55)
avadika kely ny resaka , enao moa izany efa tsy dia tena mahay teny gasy firy intsony na hoe : ilay dikateny taloha no hainao eh? ... (y) :-)

efa lazaina foana averina impiry aminao fa tsy misy saim-patako eto fa izay lazain'ny baiboly na ilay box-kely tsy levin'ny vavoninao no milaza ny marina.

dia izao no ambara sy toriana , ka iny no mitsara sy manintsy izay melomeloka... io no doctrine iombonana ,
fa tsy mamorporona ao dia hoe izany no marina... fa raha mbola mitonona kristiana nefa tsy mifototra amin'ny baiboly ny fiangonany dia SANDOKA SY TSY IZY ARY MANDOTO RANO

ka izay filazanao ao na izaho mivantana ny baiboly no manenjika na ankolaka na mibaribary ny filazako azy. fa FANANANA IOMBONAN'NY KRISTIANA NY BAIBOLY KA TSY TOKONY HISY MAMOROPORORANA nefa milaza ho kristiana.

raha hainao ny zavatra enjehinao dia faly aho...! :-)
13. Strong3 ( 21/08/2015 07:01)
aiza ny sasany ka milaza fa izy ilay tondroin'ny baiboly hitory aty madagasikara! hahaha :-)

misy raha latera :-) :-)

mba ela ihany no namakiako baiboly fa mbola tsy nahita olona nilazana izany taty aho hihihi
dia ny tena no menatsss
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0925