Fa mba ataon'ny olona inona aza ity mangalatra taolam-paty ity?

1. sitlo ( 22/04/2015 02:10)
Mety hanamboarana fiangonana natokana ho an'ny olomasina ve?

[center][/center]
[center]Tsara kosa an![/center]
novalian'i gasy1zay ny 14/05/2015 16:52
2. endriny ( 22/04/2015 06:04)
Izao ilay atao hoe manam-panahy e...
3. RBNIR ( 22/04/2015 09:20)
ny mahagaga rehefa manao recherche google dia eto madagascar no mivoaka voalohany ao : aty amin-tsika ihany no tena misy anio???
4. rhaj0 ( 22/04/2015 10:12)
http://www.motherteresa.org/09_relics/relics.htm
A relic is something connected with a saint or blessed, including a part of their body (e.g. hair or a piece of bone), their clothing, or an object that the person used or touched.

Raha finoana/fivavahana no resaka, dia tsara hanontaniana izany ny Katolika, fa zareo hotry ny profesionely @ izy io: fomba katolika io. Mety hamoahany dogme sy bulle papale mihintsy io, raha tsy hoe dia misy versets koa manamarina io fomba katolika io, fa isika no tsy mahalala.

Fa rahefa mamaky ny ao @ ilay mother Teresa .org, dia hita(ko) ilay spin mihatsara velatsihy sahala @ fanaon'ny bevava politisiana...
It is not the kind of relic or how big it is that is important, but rather the faith and prayer that the relic occasions.
5. Strong3 ( 22/04/2015 10:32)
raha tsy hoe mbola hitsangana ireny dia mba atokana eny akaikin'ny fiangonana mba ho hitan'i zézo voalohany rehefa hotonga indray izy :p
6. bor2lais ( 22/04/2015 11:36)
sitlo:

Fa mba ataon'ny olona inona aza ity mangalatra taolam-paty ity?


kolo:

Mila valiny aloha hoe , Iza marina ilay Andriamanitra lazaianreo eto? Amiko mantsy zany Andriamanitra izany vao haingana (tamin'ny namolavolana ny boky baiboly tamin'ny fiteny gasy) no nahalalan'i Malagasy azy fa raha ny fantatro dia toa izany ZANAHARY izany no ninon'ny Ntaolo, izay tsy iza fa ireo RAZAM-BE nipoirantsika rehetra ireo. " RAZAM-BE tena nanampahendrena sy fitiavana " miohatra lavitra an-tsika " mandala sy mino ny voarakitrin'ny boky Baiboly"

Sao mba misy ifandraisana amin'io lazain'i kolo io kosa ary ilay resaka fangalarana taolam-paty (fitadiavana an'i ZANAHARY) ! :-)
7. bor2lais ( 22/04/2015 11:39)
Ramose rhaj0 koa moa mitady ny taolaNY ? :-)
8. Strong3 ( 22/04/2015 12:42)
Ny tsy mino na very na tsy very ny ntaolany tsy miasa saina izany ,fa tsy miandry fitsanganana tsinona hihihi :-)
9. rhaj0 ( 22/04/2015 12:46)
bor2lais:
Ramose rhaj0 koa moa mitady ny taolaNY ? :-)

Ilay @ ilay resaka hoe aiza ny taola-nofon'i JC ve ? TSY mitady izay taolaNY any aho, fa ny tiako ahatongavana, asa i dokotera Bor2lais raha efa tonga @ izany, dia hoe..

- tsisy an'izany niakatra tany an-danitra tany izany niaraka t@ taola-nofony izany ny an'i JC, fa mba fabulation no be dia be
- fa mety hoe, nangalarin'ny akamany ny nofo-taolan'i JC, dia nafeniny, dia @ izay afaka miteny hoe, "tanteraka" ilay "faminaniana" na izay frappe-n'i JC tao
- sy koa mety hoe, nisy debabe nanafina ireto taola-nofo ngo dia ataon'ireto mpanaraka azy ivavahana ka hanahirana

Sa mety @ dokotera Bor2lais ny minou fotsy eto, dia hoe tena lasa nisidina tany ambony sahala @ boomerang ireo taolataolana, ary tsy nijanona fa tonga hatrany @ volana, ary dia avy any IZY no mitampody mihodina dia hiverina indray ? ... hi hi hi... 2000 taona ve izay tsy efa tafaverina @ izay n'enao eee ?? :-)
10. bor2lais ( 22/04/2015 13:32)
rhaj0:

...

:-)
Izay ange : te-hanaporofo ramose fa Andriamanitra maty no inoan'ny Kristiana, izany hoe tsy misy !
:-)
[size=8] Ka sao dia akamanareo ireto mpangalatra taolam-paty ireto hanaovanareo fikarohana momba izany ![/size]
:-)
11. rhaj0 ( 22/04/2015 13:39)
Akanga aloha fa mifamaofao izy izany.. JC ve no Atra tianao lazaina io hoe, "Andriamanitra maty no inoan'ny Kristiana" io ??
12. rhaj0 ( 22/04/2015 13:42)
dia tena manapa-tsinay eee... ieee... mila manao fikarohana izany izao ny Siantista hoe, aiza any @ espace habakabaka any, ilay taola-nofo nisidina lasa tany ambony tany, 2000 taona lasa izay..
13. bor2lais ( 22/04/2015 13:43)
Voalazanao ! :-)
14. endriny ( 25/04/2015 04:28)
3000 taona talohan'i jeesosy ry zareo dia efa nisy mpanjaka natao Onasy izay nilaza hoe rehefa maty izy dia hiakatra eny amin'ny telonohorefy eo amin'i Haorisy Aoriaona, ary dia mbola hiverina indray izy indray andro any...

Dia tonga koa Jesosy dia niteny toa io..

Dia i Soeur Fabiola koa mba niteny hoe maty izy dia mitsangana..

Dia andraso eo ny fiverenany e... Miandry bus aza manahirana
15. vonynive ( 05/05/2015 13:36)
salama
ny mahatalanjona amin'ity resaka taolam paty ity dia tsy mbola nisy tratra hoe nisy taolam-paty avy tany Madagasikaara ka tratra tany @ firenena izao na izao hatreto nefa ny volamena, ny sokatra, ny andramena dia mba nahenoana avokoa izany
16. endriny ( 08/05/2015 11:47)
Ka izay no tsy mahatratra azy angamba ka.. Izy ampiasaina ananganan-dry zareo fiangonanana miafina ho an'ny lohandohan'ny mpisorona
17. booboo ( 11/05/2015 12:19)
Tsisy hifandraisany @ resaka fivavahana, tsy haiko zay fshamarinany, fa gaga be aho nolazain'olona hoe ilaina @ fanamboarana raha swarovski ! Daaaaaaa very aho bijoux-ko raha tena izay tokoa an.
18. endriny ( 14/05/2015 04:06)
Nisy taolana vao tratra fa angamba nahita an'ity serasera ity ry zareo dia mba nisy natao tratra aloha
19. gasy1zay ( 14/05/2015 16:52)
Ny rite d'innitiation ao @ Franc Maçon hono mampiasa karan-doha ka asa raha mba aiza tokoa moa ry zareo no nahita raha tsy naka tany ampasana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1549