Saino kely ange...: "Tena vahoakan'Andriamanitra marina ve ny zanak'Isiraely?"

1. Rafieritreretana ( 14/04/2015 17:32)
Lasa hoaho ny saiko raha nandinika teny vitsivitsy nataon'ny mpaminany tamin'ny zanak'Isiraely, eny fa ny Mesia koa aza.
Noheveriko mantsy fa tena vahoakan'Andriamanitra marina tokoa ny zanak'iIsiraely, kanefa teny mandevilevy toy izao nahazo azy avy amin'ireo izay manana ny Fanahin'Andriamanita:

Jaona mpanao batisa:

- Matio 3:7/ Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: RY TARANAKY NY MENARANA, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?

Mesia:
- Matio 12:34/ Ry TARANAKY NY MENARANA! hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara?
- Jaona 8:43-44/ Nahoana no tsy azonareo ny teniko? satria tsy mahay mihaino ny teniko hianareo. HIANAREO AVY TAMIN'NY DEVOLY RAINAREO, ka izay sitraky ny RAINAREO (devoly) no tianareo hatao (...).
- Matio 23:15/ Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina hianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ARY REHEFA AZONAREO IZY, dia ATAONAREO ZANAKY NY HELO MIHOATRA INDROA LAVITRA NOHO IANAREO aza.
- Matio 23:27/ Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa hianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra.
- Matio 23:33/ Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny helo?

Raha toy izany ary ny ampahany amin'ireo teny mandrivorivo nahazo ny zanak'Isiraely izay vahoakan'Andriamanitra! DIA MBA AHOANA KOSA NO ANJARATSIKA JENTILISA, izay tsy nahalala an'Andriamanitra akory fahiny????
novalian'i stahtam ny 21/03/2017 08:18
2. hasiniony ( 14/04/2015 17:43)
Raha fakafakana zany ireo andian-tsoratra masina nomenao ireo dia izao no azo tsoahina:

JIOSY =
- Bibilava, TARANAKY NY MENARANA
- ZANAKY NY DEVOLY
- ZANAKY NY HELO.

...loza666.
3. sitlo ( 15/04/2015 20:52)
Ny malagasy dia nanaja ny zavaboahary sy ny nahary fahiny. Aleo tsy hodisoina ny tantara.
4. Strong3 ( 16/04/2015 11:25)
« Ary hoy Jesosy taminy: Anio no tonga eto amin'ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak'i Abrahama koa. » (Lioka 19:9)

« Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan'ny amboadia*; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà** tahaka ny voromailala. [* lopa] [** Gr. aoka ho tsotra] » (Matio 10:16)

Aza dia mihinana ambolony hoa fa zary manimba tena ...
dia hoe tsy reniny koa ve i marie raha nilazany hoe : __« Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? tsy mbola tonga ny fotoako. » (Jaona 2:4)

NY TARANAK'ISRAELY NIVADIKA TAMIN'NY LALANA FOTOTRA SY MPIVADIBADIKA NO HILAZANY IZANY fa tsy izay mifototra tsara
5. endriny ( 17/04/2015 08:29)
Ny olona aza lazainy fa ondry... Hihihihi Ondry mideronina ... Dia faly ery fa ondry... Hihihihihi
6. Strong3 ( 17/04/2015 10:20)
7. kolo ( 21/04/2015 12:49)
" Saino kely ange...: "Tena vahoakan'Andriamanitra marina ve ny zanak'Isiraely?""
TSIA izay no valiny. Zanak'i ISIRAELY izy" tahaka ny hoe " Ny MALAGASY dia zanak'i GASIKARA" Aza hiadeina hevitra intsony .
8. rhaj0 ( 21/04/2015 14:22)
Ilay fanontaniana io anie, ka izay valiny amena dia gaigy daholo e...

- hoe "tena vahoakan'Atra ny zanak'Israely"... Dia io no arantirantin'i Netanyahu sy ny kristiana-mpino-be aty zamerika aty, ka iangarany ilay "vahoakan'Atra", ary h@ izao dia... kely sisa no tsy "handripahany", araka ny fomban'Atra, ny vahoaka (hafa) manohitra ilay "tena vahoakan'Atra".

- hoe "tsy tena vahoakan'Atra ny zanak'Israely"... Io indray k'lou dia tena te-hino mafy an'io izay te-hino, fa @ izay izy tenany mino an'io ao, dia mba mahazo lasantsy handova ilay lovabe eee... io ilay adi-lova fataon'ny zanak'adala dia mody fanontaniana no anombohana azy :-)
9. endriny ( 21/04/2015 16:11)
Ny frantsay sy ny katolika ihany no tsy mankato ny maha-vahoak'Atra an' Israely e..

Vereno vakiana ny baiboly dia isao izao teny izao: 1) Atr'Israely... 2) Atr'i Abrahama...

Ny sisa fanarian-dia sy fitiavana mba te hitovy amin'Israelita fotsiny...

Ataoko ity tsy vao haingana ve ny Frantsay sy ny Katolika mbola nandrangaranga ny fankahalana ny Jiosy, satria rehefa tonga tany Eraopa ny Jiosy mafiady dia lasa ry zareo indray no nanana ny fitantanam-bola lehibe indrindra ka saika safotra mihintsy i Fitantanana tao Raoma sy Frantsa... Dia natao an-gazety sy naely isam-piangonana ny fankahalana ny Jiosy ...
10. mpanompotsymahasoa ( 25/05/2015 15:35)
Galatiana 3 : 23. Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin'ny lalàna isika ka voahidy ho amin'ny finoana izay efa haseho ato aoriana. 24. Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika. 26. Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesoa. 27. Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy. 28. Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesoa. 29. Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.
11. mpanompotsymahasoa ( 25/05/2015 15:35)

12. rhaj0 ( 25/05/2015 18:11)
"Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesoa..." Ka io izany dia ho anareo izay "mino an'i Kristy Jesoa" IHANY eee....

Ny Moslimo sy ny Jiosy ohatra dia TSY mino hoe, i Jesoa no "mpamonjy"; amin-dreo dia "mpaminany" (profeta) fotsiny ihany Jesoa. Ary ho an'ny TSY-Mpino indray moa dia ... anareo ao ihany izany eee...
13. stahtam ( 21/11/2016 12:30)

[quote=Rafieritreretana]
Lasa hoaho ny saiko raha nandinika teny vitsivitsy nataon'ny mpaminany tamin'ny zanak'Isiraely, eny fa ny Mesia koa aza.
Noheveriko mantsy fa tena vahoakan'Andriamanitra marina tokoa ny zanak'iIsiraely, kanefa teny mandevilevy toy izao nahazo azy avy amin'ireo izay manana ny Fanahin'Andriamanita:

Jaona mpanao batisa:

- Matio 3:7/ Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: RY TARANAKY NY MENARANA, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?

Mesia:
- Matio 12:34/ Ry TARANAKY NY MENARANA! hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara?
- Jaona 8:43-44/ Nahoana no tsy azonareo ny teniko? satria tsy mahay mihaino ny teniko hianareo. HIANAREO AVY TAMIN'NY DEVOLY RAINAREO, ka izay sitraky ny RAINAREO (devoly) no tianareo hatao (...).
- Matio 23:15/ Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina hianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ARY REHEFA AZONAREO IZY, dia ATAONAREO ZANAKY NY HELO MIHOATRA INDROA LAVITRA NOHO IANAREO aza.
- Matio 23:27/ Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa hianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra.
- Matio 23:33/ Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny helo?

Raha toy izany ary ny ampahany amin'ireo teny mandrivorivo nahazo ny zanak'Isiraely izay vahoakan'Andriamanitra! DIA MBA AHOANA KOSA NO ANJARATSIKA JENTILISA, izay tsy nahalala an'Andriamanitra akory fahiny????

[quote=stahtam]
Raha namadibadika teto @ ity forum ity ny tenako dia mba te-hitsapa ny halalin'ny fandinihana nataon'ny olona mpandefa itony resaka itony. Raha mahatakatra tsara ny mpamaky dia hahita fa milaza @ fomba ankolaka ny mpanoratra hoe: tsy olon'Ilay ivavahana ny Zanak'Israely ka ireo versets ampahampahany ireo no santinony @ porofo omeny.
Ka raha mba apetrako ireto fanontaniana ireto dia ahoana no valin-teny avy @ mpanoratra?
1- "...dia tonga tany @ azy Izy fa ny AZY tsy nandray Azy...": iza no tondroina @ hoe "Azy" ireo? Ireo TSY AZY ve?
2- Nahoana no nanatona ny batisan'i Jaona ireo Fariseo sy Sadoseo ireo? Satria ve tsy AZY?
3 - Ny fototr'ireo versets manaraka rehetra dia ny Matio 23; ka zavatra mba nahagaga ahy (fanahy iniana ve sa tsy nahy?) ny tsy mba nitanisàna ny andininy 1 mihitsy;
Nahoana ny MPIANANY no nasain'ny Mesia HIHAINO sy HANAO izay REHETRA lazain'ny zanaky ny devoly sy ny mpihatsaravelatsihy ary ny fasana milalotra fotsy...?
Sao dia mba efa misy fisainana tiana hapetraka @ mpamaky fa mody manontany mba tsy te-hiharihary imasom-bahoaka ilay hoe "ekeo ny fieritreretako fa marina"?
Inona no mba famaritana omen'ny mpanoratra ny hoe vahoakaNY: olona tsy misy pentina ve? Ary rehefa maditra ve, na voasazy, dia TSY oloNY tokoa?
14. RA TAN ( 21/03/2017 06:17)
Olon'A/TRA ny zanak'israely taloha, fa nivadika ireo dia lasa FAHAVALON'A/TRA. Ko raha tsy izany ve ireo voaroaka t@ taniny.
Ankehitriny kosa izay itenenany hoe "INTY AHO"(firenena mbola tsy niaraka taminy) no olony fa tsy ny zanak'israely intsony
15. stahtam ( 21/03/2017 08:18)

[quote=RA TAN]
Olon'A/TRA ny zanak'israely taloha, fa nivadika ireo dia lasa FAHAVALON'A/TRA. Ko raha tsy izany ve ireo voaroaka t@ taniny.
Ankehitriny kosa izay itenenany hoe "INTY AHO"(firenena mbola tsy niaraka taminy) no olony fa tsy ny zanak'israely intsony

[quote=stahtam]
ka io mihitsy ange ilay tiako holazaina fa efa takatra ny tiana(re)o hahatongavana sy ny fomba fiadina(re)o mody mifampisalovana io. Ka io indray izany dia :
1- NA tora-pon'ny te-hisandoka fahefana tahaka io ataona(re) io, ka na ny voasoratra aza dia tsaingotsaingohana sy interpréter-na vilana @ izay mampetipety ilay fisandohana;
2- NA hamaky hatr@ farany sy hamaky tsara ary hino izay lazain'ny faminaniana rehetra, dia manaiky izay voasoratra. Izay safidy roa izay ihany no misy.

Fanamarihana hita eto mantsy izao dia niniana tsy novaliana ilay fanontaniana napetraka fa dia ilay tora-po sy vetsovetso mahazatra ihany no anasàna ny ati-dohan'ny mpamaky eto. Ka averina izany ireto raha mahasahy mamaly ny mpiresaka:
Fanontaniana (efa nipetraka teo ambony) mifandraika @ thème nomen'i Rafieritreretana:

1- Nahoana no nanatona ny batisan'i Jaona ireo Fariseo sy Sadoseo ireo? Satria ve tsy AZY?
2 - Ny fototr'ireo versets manaraka rehetra dia ny Matio 23; ka zavatra mba nahagaga ahy (fanahy iniana ve sa tsy nahy?) ny tsy mba nitanisàna ny andininy 1 mihitsy;
Nahoana ny MPIANANY no nasain'ny Mesia HIHAINO sy HANAO izay REHETRA lazain'ny zanaky ny devoly sy ny mpihatsaravelatsihy sy ny fasana milalotra fotsy sady fahavalo...?
Ampy angamba ireo (fa ny versets indray dia tsy ho lany laniana raha ny hanaporofo ity LAINGA n° 29 ity indray)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.283