Fijoroana vavolombelona / fiainana miaraka amin'i Jesoa

1. Tefigasy ( 12/01/2015 14:50)
Nandeha nanao voyage tany amin'ny faritra iray atsimo antsinanan'i Madagasikara aho. Fiara tsy mataho-dalana ireny no netiko. Vao niainga teto Tana aloha dia efa otran'ny efa hafahafa izany ny fahazotoako andeha. Tsy haiko ianareo raha efa sendran'ny hoe misy zavatra manindry izany ny eritreritra. Niala teto aho tamin'ny 08 maraina, vao afaka antsirabe dia saika nokasohin'ny camion ilay fiara netiko. Mbola tsy dia nahataitra ahy loatra teo ny tranga. Hiditra ny fianarantsoa indray dia nankorisan'ny vatokely ilay kodiarana ka saika niankina tamin'ny sisin-dalana, soa ihany fa nalalaka ny arabe dia tsy tonga tany anaty tatatra ny fikorisihana.
Nijanona nandritry ny 20 minitra aho teo naka saina tsara sy nivavaka fa saika maty araky ny fiteny. Mpandeha mission foana aho hatrizay, saika efa voatetiko i Madagasikara fa mbola tsy niharan-doza izany aho hatramin'izay.
Notohizako ny lalana, nizotra niantsinana aho avy eo ary namely ny orana. Zavatra roa no tao an-tsaiko: raha tazomiko ny hafangainam-pandehako (mandeha amin'ny antonony : 70KM/H) dia tonga any amin'ilay toerana halehako aho eo amin'ny 08 alina eo, raha ampidiniko anefa io satria avy ny orana ka tokony vao maika hitandrina dia mety ho @ 10 alina any ho any aho vao ho tonga.
Nanapa-kevitra ny handeha mora aho na ho tratra alina aza. Nisy fidinana somary mihodina izay ilay lalana, teo amin'ny 40KM/H eo ny hafainganam-pandehako. Nisy bibidia nanapaka tampoka aho tao anatin'io fiholanana io, nitsahiko tampoka sy mafy ny frein, tsy nijanona ilay fiara fa nibolisatra moramora taminy arabe ary nifatratra tany anaty tatatra ny ilany avanana iray manontolo. Nihatona ny pneu avant sy arriere droite, ilay fiara tsy nety novelomina intsony. Ni-panique ny tenako ary niantso ze olona tokony antsoina rehetra. Ny vadiko no nantsoiko voalohany, avy eo ilay mpiara-miasa amiko amin'ilay toerana tokony handehanana mba hitsena ahy amin'ny fiarany. Vita izay dia nipetraka nitony tsara aho naka soufle.
Tao anatin'ny 300KM izany dia in-telo aho no nisedra olana, ary olana saika nitondra ny vatako tany am-pasana daholo.
Iny saina tonga iny indrindra aho no nisy olona iray nandalo ary niangaviako mba hitady fokonolona iray tanana aminy hibata ity fiarako tsy mahavita mihetsika intsony fa mitongilana ao anaty tatatra. Nilaza io olona io fa any @ 5km eo vao misy tanana maromaro hahitana olona. Nitohy hatrany ny tebitebiko, ilay lalana tsy dia misy fiara maro mifamezivezy akory. Lasa aho niditra tao anaty fiara dia nakipiko ny masoko, niezaka ny ho tony aho ary dia nivavaka.
Mbola teo ampivavahana aho no naheno fiara tsy mataho-dalana iray avy. Vazaha vavy iray niaraka tamin'ny mpamiliny ihany no tao anatiny. Tsy nila niresaka akory aho fa tonga dia nobaikon'ilay ramatoa ilay mpamiliny hoe andao isika hanampy azy. Ny orana amin'io nihabetsaka ihany. Nosintomina tao anaty tatatra ilay fiara netiko, teo amin'ny 10 minitra teo dia afaka tao, natao contre-attack dia velona. Tsy nojerenay aloha hoe inona no voa tamin'ilay fiara netiko fa dia afaka nandeha ilay fiara. Nisaorako ry zareo, notolorako vola ho fankasitrahana saingy tsy nety nandray mihitsy ilay ramatoa. Ilay soferany no nanome ahy ny laharan'ny findainy mba hiantsoako azy.
Notohizako ny lalako, tena napetrako teo anatrehan'ny Tompo ny diako ary nomeko safidy Jesoa fa raha izao no fomba hiantsoany ahy dia vonona aho ho any aminy satria efa intelo nisesy ny fambara sy ny loza nahazo ahy. Nanapa-kevitra ny handeha mafy aho avy eo (90KM/H moyenne sur voiture avec probleme) satria na toa mandeha mora aza mitranga foana ny loza. Ny tena nahagaga ahy anefa fa arakaraky ny nandehanako mafy, miampy orana sy lalana ratsy dia tsy niharan-doza intsony aho tao anatin'ny 260KM ambiny tamin'ny lalako.
Nisento tokana aho rehefa tonga, ary nanapa-kevitra indray fa hanao lohalaharana eo amin'ny fiainako ny fitoriana Azy satria matoa aho mbola tsy nalainy dia mbola tsy vitako ny mission-any. Mety samy hanana ny explication ianareo mikasika io zava-nitranga tamiko io fa ho ahy manokana dia zavatra roa no mibahana ao antsaiko :
-mino aho fa avy Aminy ihany io zava-nitranga io. Tafita ny hafany ary dia deraiko ny Tompo. Na ny reparation an'ilay fiara ary avy eo tsy nanahirana mihitsy.
-rehefa tena mipetraka eo amin'i Jesoa ny zavatra ataonao, na dia manao mihoatra ny tokony ho izy , feno risika aza ianao dia tsy hiharan'ny loza sy ny tafik'ilay ratsy
Voninahitra ho Azy irery ihany.
novalian'i Strong3 ny 30/01/2015 08:37
2. hery ( 12/01/2015 15:10)
Misaotra nizara.
Ilay hoe "mino aho fa avy aminy ihany io zava-nitranga io" no tsy azoko kely. Ilay aiza amin'ny tantara no lazainao hoe avy aminy? Sa izy manontolo?

Izaho mantsy saika tonga dia nanao hitsin-dalana be fotsiny hoe sembasembanin'ny ratsy rehefa manao ny asan'ny Tompo
3. booboo ( 12/01/2015 18:22)
Arabaina izany nieren-doza ! Tsy dia hitako loatra izay explications @ ireo fa ny lesona azo tsoahina raha izaho manokana, tsara ny Fiainana fa mampianatra hijery ny raha @ solomaso rozirozy. ( noheveriko fa hoe rehefa misy biby miampita dia tsy avily mihitsy ny volant ouz ilay moniteur-ko izay, sa ? )
4. rhaj0 ( 12/01/2015 18:29)
booboo:
Tsy dia hitako loatra izay explications @ ireo..

Mila alefanao mafimafy kokoa ny "imagination"-nao ary dia ho arakao ny fandehan'i Tefigasy :-)
5. Strong3 ( 30/01/2015 08:37)
Amin'ny finoana mbola mafana dia "mino fa avy Aminy ny zava-nitranga rehetra" __ [Hery] na izy tonga soa na izy saika niarandoza.

hoy ny Soratra; "Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao dia hiadana" __ mampitombo finoana ny famerimberenana fa velona ny Andriamanitrao.
Nampitandrina ny baiboly amin'ny fahalalana vaovao entin'ny sadoseo sy ny filôzôfa . mampiteraka fisalasalana ireny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1219