Tchouri - Philae sy ny Finoana

1. rhaj0 ( 14/11/2014 11:28)
@ izao mampalaza an'i Filahehy sy Tsoria izao, dia tena mba liana aho hoe... inona azany no lazaina @ Ankizy ny @ resaka toa ny hoe, A.tra nahary izao tontolo izao. Ahoana ny fampianarana amen'ny mpino (na Kristiana izy na Jiosy ets...) ny Zanany. Ohatra ho an'izay mifototra @ Baiboly...

- hoe Gen 1:1 ... nahary ny lanitra sy ny tany. Inona ity "lanitra" lazainy.. Inona ity lanitra mangamanga "noforonina" ity...

- na hoe Gen 1:3 ... dia nisy mazava. Ka dia izay izany vao "nirehitra" ny masoandro ve...
- dia hoe Gen 1:4 ... nampisarahin’ Andriamanitra ny mazava sy ny maizina. Ka nampisarahiNY ahoana azany.. rahefa fanina ihany ianao (mihodina) no mahita mazava, dia mihodina, dia mahita maizina ...

- etsetra...
novalian'i booboo ny 19/11/2014 17:27
2. gasy1zay ( 14/11/2014 14:22)

[quote=rhaj0]
@ izao mampalaza an'i Filahehy sy Tsoria izao,

Azafady fa tsy haiko na izaho no tsy dia maharaka na aona fa inona moa ny tianao ambara @ io ry rhaj0?
3. rhaj0 ( 14/11/2014 15:35)
http://www.lapresse.ca/sciences/astronomie-et-espace/201411/14/01-4818820-course-contre-la-montre-pour-philae.php :
Raha fintiniko, araka ny fahazoako azy, dia 10 taona lasa izay, dia niainga hihazo ny lanitra i Rosetta (sambon-danitra) izay nitondra an'i Philae (robot). Ny tanjona dia ny hametraka an'i Philae eny @ Tchouri (comete). Ary tanteraka izany omaly.

Aty aminay, na hoe izaho (sy ny zanako) sy izay olona fantatro, dia manaraka akaiky ny fandehany, ary tena miaiky ny fahaizan-draolombelona... Satria ity izany dia dingana iray (anisan'ny) lehibe ho an-draolombelona. Ny "on a marche sur la Lune" dia etsy @ volana, io akaiky miara-mahita io, fa ny "on s'est pose sur un comete" dia atsy @ 500 millions de km tsy hita maso any...

Ka rahefa avy mamisavisa io seho io, dia mamisavisa ny "univers", ny atao sy ny vitan'ny olona... dia... (nefa rehefa) mitsipilika kely atsy @ Baiboly ho'a ny tena... dia tena hoe... ahoana no hiresahana izany @ Ankizy... fa tena mifanipaka (mifandiso), na ny votoatin-kevitra na ny fihevitra... na ny zava-misy sy ny zava-tsy-misy-fa-vinaniana...

4. gasy1zay ( 14/11/2014 17:08)
Misaotra anao aloha nitondra ny fanazavana mikasika io resaka io, izaho moa tsy dia manaraka vaovao siantifika ohatranao fa ny zavatra tiako zaraina aminao dia izao :

Miala tsiny aloha raha mety ahatohana anao ny zavatra lazaiko eto fa ny fahitako azy dia na inona na inona fanazavana entiko eto dia efa naka "position" ianao ka tsy hino izay lazaiko toy ny ilay hoe manokatra resaka ianao nefa hoy ianao hoe tsy kapoaka izany. Tsy maninona anefa izany fa mba hambarako ihany anefa ny fomba fahitako azy.

Io Andriamanitra ivavahako sy ivavahanay Kristianina io, ilay Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina dia Andriamanitra Omniscient, mahay ny zavatra rehetra, Andriamanitra Omniprésent, eo @ toerana rehetra, ary Andriamanitra fitiavana.

Izy no naharo izao tontolo izao : tsy midika io fa izao tontolo izao = planete terre fa mbola lehibe noho izany ny hita sy ny tsy hita maso, raha miresaka hoe lanitra dia tsy hoe eny @ "rahona" akory fa toerana tsy hita @ mahaolombelona io fa hoan'ny fanahy ao anatintsika ,
Ny fanontaniana tokony apetrakao dia hoe nisy Dieu Créateur ve izao tontolo izao sa ny ilay théorie de l'évolution dia autocréation? Dia ahoana moa ry rhaj0 no nampa "intelligent" ilay gidro nefa ny "renard" ohatra izay biby voalaza ho maranintsaina indrindra aza mbola tsy manampanahy hatramizao?

Ny baiboly dia milaza fa Andriamanitra no namorina izao tontolo izao, fa ny fotoana eo @ Andriamanitra ve mitovy @ fotoana @ olombelona? 2 Pet 3:8 "Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin’ ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro." tsy midika izany hoe après ny big bang ny genèse na avant , io angamba no tian'i Papa François holazaina hoe tsy mifanohitra ny Baiboly sy ny Science raha manaiky ny science fa nisy Andriamanitra namorina.

Ny tiko ambara dia tsotra, ianao mijery lojikan'Andriamanitra izay mahay ny zavatra rehetra ohatrany ianao mijery ny lojikan'olombelona izay "limité" ny zavatra hainy sy vitany dia hoy ianao hoe "tsy possible" izany e! Gen 18-14: "Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’ i Jehovah va?"

Raha voa tsy voarainao io verset io dia hanontany foana ianao hoe fa nahoana no izao ary fa maninona no izao satria ny valiny dia tsotra Andriamanitra mahay ny zavatra rehetra ary tsy misy tsy vitany na inona na inona "miracle" na zavatra "impossible" @ sain'olombelona.

Amiko manokana ry rhaj0, tsy hitako loatra ny tombontsoa hoan'ny olombelona ny handeha hitady planeta hafa any, handeha any @ volana, sns, ny olombelona eto an-tany dia miaina anaty fahantrana, fahoriana , ady, sns fa ny mahamay ny olona sasany dia ny handany vola amin'ny zavampoana raha ny hevitro, raha hitady toerana tsara lavitra noho ny eto anefa dia efa misy any nomanin'i Jesoa Kristy hoan'izay manaiky azy, tsy vidiambola fa dia raisina @ finoana sy ny fandraisana ny mpamonjy.
5. gasy1zay ( 14/11/2014 17:53)

rhaj0:

Mazava ny fipetrakao. Iverenako aoriana na eny antsefatsefany eny, araka ny fahazoako azy io....

Ny fanontaniako (foana) moa dia hoe "inona azany no lazaina @ Ankizy". Ohatra eto: rahefa avy manazava ny Siansa aminy, dia nefa avy eo "mamono" izay resaka natao taminy teo, mamono (manilika satria mifanipaka) ilay hevitra (raison) sy ny fiheverana (raisonnement), satria hamaky Baiboly.

Raha ny fahazoako ny resakao io ambony io, dia hoe:
1- superpower i A.tra, dia namorona sy manana controle ny zava-drehetra,
2- ary ny lojikan'olombolona dia TSY ahatakatra ny lojika'A.tra.

Ka raha ampifandraisako @ Ankizy sy ny famakiany Baiboly izany (ilay 2- io) izany dia izao ny fehin-kevitra (miitatra) sintomiko :
= ny Baiboly dia lojikan'olombelona, ka ... TSY mila asiana sira akoriny fa mampifamaofao (ny Ankizy) fotsiny.

.. izay ve ? ...

Raha mikasika ny fampianarana ny Ankizy dia tsotra, mampahafantatra azy hoe iza moa io Andriamanitra ivavahantsika io araka io nambarako io, fa tsy tokony hametraka fisalasalana izy zany hoe dia tena vitan'Andriamanitra tokoa ve zany? Io fisalasalana io no no lojikan'olombelona fa tsy ny baiboly araky ny voalazanao.
Fanontaniana kely, i Rhaj0 ve zany mihevitra hoe tsy nisy nianatra science ny kristianina? Nampiova ny finoany ve nefa izany? Tsia, satria ianao nianatra hoe ny fiterahana dia ovule+spermatozoide ka raha mahay izany ve ny kristianina dia handaha hoe virjiny i Maria t@ niteraka an'i Jesoa? Fa averiko hoe misy ny science sy ny fahalalana fa Andriamanitra izay mahay ny zavatra rehetra dia tsy voafehin'ny lojika science, tsy voafehin'ny lojikana olombelona ka raha tsy mino izany ianao dia io ny vokany : lasa athé, agnostika, sns

Io anefa dia ijoroko vavolombelona eto fa tsy hoe mino tsy nisy questionnement fa dia tena nanandrana tokoa hoe tena mihaino vavaka ve ity Andriamanitra ity, fa efa ampolotaona maro izay nanarahana ny Tompo izay fa dia tena mahagaga ny fomba fitondrany ny fiainako. tena marina ry Rhaj0 ilay voalazanao hoe raha izay no finoanao dia mahasoava fa dia tena mahasoa tokoa ny miaraka @ Jesoa Kristy, tena nahasoa , tsapako hoe mahasoa ahy ary mino aho fa mbola hahasoa anay mianakavy @ andro rehetra sisa iainanay.
6. rhaj0 ( 14/11/2014 18:23)
Ny anao izany ny resaka ao anaty Baiboly dia
1- TSY asiana fisalasalana, ary
2- raisina "tsy ilavana porofo" na hoe "porofoina" (izany hoe TSY mila ampiharana ny lojikan'olbln) ?

Eny sa Tsia ?

Dia nefany anie, mi-anticiper aho fa indraidray sy matetika dia mihodikodina mialahoala ny valin-tenin'i Gazy1zay :
3- f'angaha moa tsy "lojikan'olbln ilay hoe "sens figure" sy "sens propre" ???

Nianatra Siansa ny Kristiana kah... eo @ 30%-n'ny beloha ao @ Oniversitia no Kristiana (ary ny ~70% ambiny dia atheista na agnostic..)
7. gasy1zay ( 14/11/2014 18:53)
1-Eny
2- Eny
3- "sens propre" sy "sens figuré" dia mikasika ny fanoharana tao @ testamenta taloha toy ny faminaniana nambaran'ireo mpaminany ohatra hoe misy ny mpampiakatra sy ampiakarina na ny ao @ testamenta vaovao nataon'i Jesoa Kristy t@ izy nampianatra, ohatra "izaho no tena voaloboka ary ianareo no sampany" izany hoe mila takarina ny tian'i jesoa ambara @ ilay hoe "voaloboka" sy "sampany", eto izany dia miezaka mamantatra ny fampianarana fa tsy hoe manao fanadihadiana hoe mitombina ve izany? marina ve izany?

ny lojikan'olombelona tiko tenenina dia ny fomba fisainan'olombelona araka ny fahalalana sy ny fampianarana azony, ohatra hoe ny lojika olombelona nolazaiko anao eo ambony dia hoe firaisan'ny lahy sy ny vavy no mahatonga ny vohaka sy ny fiterahana, lojikan'olombelona dia loi de la gravité fa tsy misy olona mandeha ambony ranomasina.

Lojikan'Andriamanitra : Maria virjiny niteraka an'i Jesoa Kristy, i Petera (Piera)sy Jesoa nandeha teny @ Ranomasina.

8. rhaj0 ( 17/11/2014 18:22)
logique:
1 qui est conforme à science du raisonnement
2 qui est conforme à la cohérence, au bon sens
3 qui raisonne d'une manière cohérente
4 qui est la conséquence normale de ce qui précède
5 relatif à l'intelligence, par opposition à sentiments, intuition

Tsy haiko hoe iza @ ireo no "lojika'A.tra" tian'i Gasy1zay lazaina.
Dia tsy haiko koa hoe iza ireo "lojika" ireo no raisin'i Gasy1zay rahefa miresaka (baiboly, ets...)
9. gasy1zay ( 17/11/2014 19:58)

Miaraka @ Andriamanitra tsy misy lojika intsony satria Andriamanitra mahagaga ary mahay ny zavatra rehetra izy ry rhaj0, tsy voafehin'ny science sy fahalalan'olombelona ny heriny sy ny fahalalany.

Ny baiboly indray dia mitantara ny zavabitany sy ny fifandraisany t@ olombelona ary ny lalana hahafahantsika mitoetra miaraka aminy handova fiainana mandrakizay : fandraisana an'i Kesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy, ny fahitako ny baiboly dia tsotra, mety tsy mifanaraka @ fomba fisainana na lojikan'olombelona nefa inoako satria Andriamanitra mahay ny zavatra rehetra izy.
10. rhaj0 ( 17/11/2014 20:17)
Ka dia raha ny fahazoako ny resakao izany dia "tsisy lojikany" na i A.tra, na ianao.

Ny an'A.tra moa dia "zavatra" TSY takatry ny olb no ataony ao.
Ny anao indray dia "zavatra" TSY takatro (izany hoe mino = manaiky tsisy porofo) :-)
11. rhaj0 ( 17/11/2014 21:21)
dia entre-pa fa ny "sens propre" sy "sens figure" nefany dia mety @ famaritana #2, na 3 na 5 etsy ambony... Fa dia mifamaofao (amiko) ny resakao...

Raha ny tombatombako an'orona avy eto, dia rahefa "metimety" aminao, dia mampiasa lojika (toa ny olb rehetra) ianao, fa rahefa sarotsarotra, dia tonga ianao dia mihidy dia "mino".
12. gasy1zay ( 18/11/2014 03:13)

rhaj0:

Ka dia raha ny fahazoako ny resakao izany dia "tsisy lojikany" na i A.tra, na ianao.

Ny an'A.tra moa dia "zavatra" TSY takatry ny olb no ataony ao.
Tsy ampy kely ny volazanao satria tsy takatry ny sain'olombelona ny ataony satria tsy vitan'ny fahaizana sy ny herin'olombelona ary dia mahafinaritra rehefa ianao no mandinika ny fiainanao hoe ohatrany mandeha ho azy daoly ny zavadrehetra, milamintsaina, ohatrany fifaliana foana e!

Ny anao indray dia "zavatra" TSY takatro (izany hoe mino = manaiky tsisy porofo) :-)

Io samy manana ny antony inoany ry rhaj0, ianao mino zavatra voaporofo fa izaho mino ny zavatra tsapako sy niainako teo @ fiainako, mety tsy notsapaina tanana ohatrany ny an'i Thomas fa ny vokany kosa dia tena iainako andavanandro dia ireo valimbaka sy soa rehetra avy aminy na dia ny vady hendry, ny zanaka, ny asa fivelomana, fahasalamana fotsiny aza, ary ny tena tsy voavidy vola dia ny fiadanana miaraka aminy. Tena tsoriko aminao fa na ho faty ary aho anio dia tena tsisy fanahiana mintsy fa efa fantatro ny ho alehako :)
13. rhaj0 ( 18/11/2014 11:15)
Ka ianao izany toa hotry ny (isan'ilay) "voafidy", ka dia ao aminao (na nameny anao) ny vady hendry, ny zanaka, ny asa fivelomana, fahasalamana.. Fa anay (maroisa) maditra vady sy zanaka, mahantra sy ory saina ary tsy salama, anay ireo izany dia, io zahay "hitan'ny havanay" ato, fa raha satria ... "tsy mahay mangataka" (na mivavaka) izahay dia ny hadalanay, na izahay ihany no tompon'andraikitra @izany... fa TSY Izy.

Izay izany ilay Revy e...
14. gasy1zay ( 18/11/2014 14:32)

Tsia ry rhaj0, azon'ny olona rehetra atao no mahazo io fiainana feno fiadanana io saingy ny be sy ny maro no tsy mino hoe misy izany, na ny sasany mino ihany fa tsy mahafoy ny "revy" hafa tsy mifanaraka @ sitrampon'Andriamanitra, satria dia mila mibebaka tokoa vao mahita ny fahasoavan'Andriamanitra. Tsy sanatria akory ny tenako mirehareha hoe izaho no tena masina fa mba nanao ny ditra toy ny tanora hafa ihany koa saingy tsapako hoe tsy nitondra fifaliana maharitra izany ary ohatrany nisy banga teo @ fiainako, ary rehefa niaraka t@ Andriamanitra vao tsapako hoe tena izay ilay notadiaviko fa hitako.

Mba efa nanandrana ve ianao no milaza hoe voatokana hoan'ny olona "voafidy" izany zavatra izany?
izay mangataka no hovaliana, izay mandondona no hovahana,
Izay manantona ahy tsy ho laviko mihintsy
Andramo ka izahao fa tsara Jehovah

Ny fanontaniana dia hoe vonona ny hiala @ ireo fanaonao tsy mifanaraka @ sitrampon'Andriamanitra ve ianao?

15. rhaj0 ( 18/11/2014 14:45)
ok..

MIverina @ Tchouri sy Philae aho..

Ny mahamendy ny olona @ ity dingana iray @ fandehanana any @ tontolo ambony any izao ka ahafahana milaza fa "on s'est pose sur un comete", dia tsy hoe ny milaza an'io fotsiny, fa indrindra koa ...

Rosetta's prime objective is to help understand the origin and evolution of the Solar System. The comet’s composition reflects the composition of the pre-solar nebula out of which the Sun and the planets of the Solar System formed, more than 4.6 billion years ago.

Hoe ny mba itombon'ny fahalalana hatrany, dia ny fahalalana ny @ ahoana no niavian'ny tontolo kelintsika (galaxie antsika) sy ny fivoarany.

Dia io ho'a rahefa avy manazava izany @ Ankizy, dia avy eo mitsipalotra ny Baiboly, dia hoe... tena mifanipaka mifamono ny hevitra sy ny fihevitra e...
16. gasy1zay ( 18/11/2014 15:16)

Izaho akory tsy misakana ny fandrosoan'ny science sy ny fahalalana, fa mba tiko ho fantatra ny hevitrao ry rhaj0, tena mendrika ny tetibola laniana @ zany ve io fahalalana tadiavina io raha @ izao fotoana iainantsika izao? Jereo ny levée de fonds @ ébola, jereo ny @ ady @ fiovan'ny toetrandro, ady @ tsy fahampiantsakafo, sns maninona no mandany vola @ fahalalana tsy hampivoatra ny fiainan'olombelona @ akampobeany nefa ity planeta iainantsika ity mihasimba andro aman'alina?

Mikasika ny fitaizana ankizy indray raha tena hitanao fa tsy hainao ny manazava ny science Vs baiboly dia eo ny sekoly alahady afaka mitaiza ny zanakao araka ny finoana kristianina, rehefa manaiky ianao hoe mahay ny zavatra rehetra Andriamanitra dia tsy misy mifanipaka intsony ny vokatry ny fikarohana sy ny teny voasoratra ao @ baiboly.
17. rhaj0 ( 18/11/2014 17:24)
Raha hiady hevitra @ biodzem-panjakana na koa izay biodzem-piangonana rehetra izao dia ho lava ny resaka... Olom-boafidy ary profesionely no nanapaka ny hevitra ... ny olom-panjakana moa tena "voafidy" tokoany, ary ny olom-piangonana koa ka "voafidy (?)" koa... ka dia izay izany.

Fa raha ny hevitro manokana, dia eny, mendrika ny laniana vola toy izany io atao io ahafahana "mampitombo fahalalana".. Ilay fikarohana siantifika anie misy "effets secondaires" be dia be e :
- mety hoe ny teknolozia voatery noforonina/noavaozina afaka ampiasaina amin-javatra hafa, mety hoe @ Fitsaboana..
- mety hoe ilay traikefa azo avy eo ahafahana manita-kevitra. Ohatra hoe, izao izao ny olona mihevitra fa mety afaka maka izay akora @ ireny comete sy zavatra mandehandeha eny...
Fa ny zava-dehibe voalohany dia ilay "mampitombo fahalalana" e... ny olb dia manana io saina tia ampitombo fahalalana io.. fa raha "tsy zava-dehibe" moa izany amina(re)o dia ... izay izany.

Ary raha miresaka fitaizana ny Ankizy ianao, dia eo indrindra azany fa, raha ny anay aloha, dia tena "inspiration" BE ho azy izao atao izao.. ary izany "inspiration" izany dia TSY voavidim-bola. Hoe, 10 taona lasa no nalefa i Rosetta ary dia nety ny kajy.. h@ ny nipetrahana @ ilay comete ka h@ paikapaika rehetra ahafahana mizaha ilay comete... Hoe, ilay Philae nisy dian-tanan'olona anie ka dia any @ 500 millions km any... Hoe, io atao io dia tambatry ny fahalalana sy traikefa raolombelona ary asa lavabe fa tsy hoe tongatonga ho azy tao... hoe ...

[size=8](fa ny anao moa dia ilay Boky iray iny ihany, ilay Boky iray iny hatrany, izay ihany no tiatianao... Dia mahavaky vava ahy... Ohatra hoe, ny sambo fiara Noa izany ve no ataonao ho "inspiration" ho an'ny zanakao ao ?? ... eeee.... Fa dia eo ianao izany fa ny Ankizy kosany aloha dia ho lasa eee...)[/size]
18. rhaj0 ( 18/11/2014 18:11)
Ho an'izay tia ampitombo fahalalana ny @ Tchouri sy Philea, dia inty misy FAQ (Fanontaniana Apetraka Qely) : http://www.esa.int/Our_Activities/Space_Science/Rosetta/Frequently_asked_questions
19. gasy1zay ( 18/11/2014 18:37)

rhaj0:

Raha hiady hevitra @ biodzem-panjakana na koa izay biodzem-piangonana rehetra izao dia ho lava ny resaka... Olom-boafidy ary profesionely no nanapaka ny hevitra ... ny olom-panjakana moa tena "voafidy" tokoany, ary ny olom-piangonana koa ka "voafidy (?)" koa... ka dia izay izany.

Fa raha ny hevitro manokana, dia eny, mendrika ny laniana vola toy izany io atao io ahafahana "mampitombo fahalalana".. Ilay fikarohana siantifika anie misy "effets secondaires" be dia be e :
- mety hoe ny teknolozia voatery noforonina/noavaozina afaka ampiasaina amin-javatra hafa, mety hoe @ Fitsaboana..
- mety hoe ilay traikefa azo avy eo ahafahana manita-kevitra. Ohatra hoe, izao izao ny olona mihevitra fa mety afaka maka izay akora @ ireny comete sy zavatra mandehandeha eny...
Fa ny zava-dehibe voalohany dia ilay "mampitombo fahalalana" e... ny olb dia manana io saina tia ampitombo fahalalana io.. fa raha "tsy zava-dehibe" moa izany amina(re)o dia ... izay izany.

Ary raha miresaka fitaizana ny Ankizy ianao, dia eo indrindra azany fa, raha ny anay aloha, dia tena "inspiration" BE ho azy izao atao izao.. ary izany "inspiration" izany dia TSY voavidim-bola. Hoe, 10 taona lasa no nalefa i Rosetta ary dia nety ny kajy.. h@ ny nipetrahana @ ilay comete ka h@ paikapaika rehetra ahafahana mizaha ilay comete... Hoe, ilay Philae nisy dian-tanan'olona anie ka dia any @ 500 millions km any... Hoe, io atao io dia tambatry ny fahalalana sy traikefa raolombelona ary asa lavabe fa tsy hoe tongatonga ho azy tao... hoe ...

[size=8](fa ny anao moa dia ilay Boky iray iny ihany, ilay Boky iray iny hatrany, izay ihany no tiatianao... Dia mahavaky vava ahy... Ohatra hoe, ny sambo fiara Noa izany ve no ataonao ho "inspiration" ho an'ny zanakao ao ?? ... eeee.... Fa dia eo ianao izany fa ny Ankizy kosany aloha dia ho lasa eee...)[/size]

Rosetta's prime objective is to help understand the origin and evolution of the Solar System. The comet’s composition reflects the composition of the pre-solar nebula out of which the Sun and the planets of the Solar System formed, more than 4.6 billion years ago.

Inona @ io ry rhaj0 no teknolozia voatery noforonina/noavaozina afaka ampiasaina amin-javatra hafa
na traikefa azo avy eo ahafahana manita-kevitra
raha ny fahazoko an'io dia fiezahana mamantatra ny fiandohana sy ny fivoaran'ny système solaire

Amiko manokana aloha dia ny fiainana eto an-tany dia eo manodidina ny 80 taona raha mahateza koa tsy hitako hoe hitondra inona eo @ fiainako ny hitady fahalalana ny any @ 500 Millions km sy ny fiforonan'ny masoandro izany , aleoko miandrandra ny fiainana mandrakizay, ny fahaizana sy fahalalantsika olombelona tsy afaka manome ahy izay omen'Andriamanitra ahy.

Izaho miresaka aminao aloha dia notantaraina ny sambo fiaran'i Noa fony zaza fa tsy hitako hoe inona no vokandratsiny teo @ fiainako, hitako hoe manana ny ampy aho izao ary maro ny maniry ny fiainana iainako fa tsy ho reharehaiko anefa zany satria matoa ny tenako tonga @ izao misy ahy izao dia noho ny fitahiana sy ny fahasoavan'Andriamanitra.

Rhaj0 > ianao tena tia fikarohana sy fahalalana io mba valio raha voavalinao azafady izao :
fa maninona ny gidro no lasa olombelona misy fanahy? fa maninona ireo biby hafa no tsy niévoluer fa nijanona biby foana?

ito mba misy video tiko hozaraina aminao https://www.youtube.com/results?search_query=mythe+du+deluge

mba manana hevitra ve ianao hoe ahoana ny nahavitan'ny egyptiana ny piramida sy ireo zavatra hafa voalaza @ io fanadihadiana io araky ny fitaovana sy ny fahalalana nanany t@ zany?
20. rhaj0 ( 18/11/2014 20:38)
gasy1zay:
Inona @ io ry rhaj0 no teknolozia voatery noforonina/noavaozina afaka ampiasaina amin-javatra hafa na traikefa azo avy eo ahafahana manita-kevitra...

Ny siansa sy ny fikarohana siantifika dia TSY hoe misaratsaraka amina efitra ary samy manao ny saim-pantany ao, fa mifampizara fahalalana sy traikefa.

Ohatra eto izao, avy tatsy ilay FAQ teo :
The 10 instruments on board the lander will do an on-the-spot analysis of the composition and structure of the comet’s surface and subsurface material. A drilling system will obtain samples down to 23 cm below the surface and will feed these to the spectrometers for analysis, such as to determine the chemical composition. Other instruments will measure properties such as near-surface strength, density, texture, porosity, ice phases and thermal properties.

Ny "instruments" ampiasaina etsy dia ampiasaina eroa : mety hoe ny filan'i Philea no mampivoatra ny spectrometers ho ampiasaina ety an-tany koa... Izay ilay hevitra ankapobeny. Ny cas particulier eto dia tsy haiko.

gasy1zay:
Amiko manokana aloha dia ny fiainana eto an-tany dia eo manodidina ny 80 taona raha mahateza koa tsy hitako hoe hitondra inona eo @ fiainako ny hitady fahalalana ny any @ 500 Millions km

Rahefa "tsy mitondra inona eo @ fianaNAO (mandrakizay)" (manokana) izany dia tsy mahaliana anao... Safidinao izany ka dia izay izany. Raisiko noty.

Fa ny olona hafa kosany dia tia ampita ho an'ny taranaka "fahalalana", tahaka ny nazahoany fahalalana t@ zokiny. Mety hoe izay no lova tiany ampitaina, satria nankafy sy nankasitraka izy rahefa nahazo, ary izay ilay "mampifoha maraina", hozy ny Siantista.

gasy1zay:
maninona ny gidro ... egyptiana ny piramida ... mba valio raha voavalinao...

Efa nolazaiko teto ihany angamba fa averiko indray sady amafisiko..
Ny Siantista dia tsy mihambo ho mahalala na hoe ho manana ny valin-teny @ zava-drehetra @ izao fotoana izao.
- fa mahatoky izy fa rahefa mitombo fahalalana hatrany raolombelona, dia mety ho voavaly izany indray andro any aoriana any.
- ary tsy olana raha toa ka miova ny fanazavana, rahefa arahina fanadihadiana/fanazavana/porofo araka ny methode scientifique

Ohatra ho'a, ny teorian'ny Big-Bang. Mbola tsy fantatry ny Siantista hoe, inona na hotry ny ahoana ny fitranga sy fisehon'ny tontolo "taloha kelin'ny B-B". Tsy fantatra hoe karazana "interaction" inona no nisy eo @ raha (matieres), na koa azany hoe raha (matieres) inona marina no nisy. Na ny "taoriana kelin'ny B-B" azany mbola mila fikarohana lava ihany koa. Fa tsy mampaninona izany "tsy-fahalalana" izany.

Comets also carry complex organic molecules that may have been involved in the origin of life on Earth.

Sao dia ity no mampatahotra anao, raha ohatra ka voazavan'ny Siantista tokoany (indray andro any) ny "origin of life on earth" rahefa m(amp)iasa mafy an'i Philea ohatra izy...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1057