Tchouri - Philae sy ny Finoana

21. gasy1zay ( 19/11/2014 14:23)
Ny tiko ambara aminao rhaj0 dia na izaho manoratra na ianao mety efa miatrika ny fitsarana (satria hoy aho 80 taona raha mateza) alohan'ny hatongavana @ izany indray andro any izany satria ny fahafatesana ara-nofo tsy azo ialana fa ny vokatry ny fikarohana mbola tsy hay hoe hoavina satria io nambarako anao io ohatra misy zavatra tsy voavalin'ny science ary ianao io ambony efa miaiky izany.

Ka raha ny amiko manokana tsy manahy ny fitsarana aho ary tsy manahy na hisy vokany ny fikarohana toy itony na tsia fa efa mino aho fa handova ny fiainana mandrakizay raha voatanako hatr@ farany ny finoako, misy manozongozona ihany izy io fa tsy ahoako fa tsy maintsy tanako hatr@ farany satria fantatro ary tsapako eo @ fiainako fa velona i Jesoa Kristy .

Ianao moa zany dia efa mieritreritra fa ny heverinao ho marina no tena izy ka raha toa kosa mifanohitra @ ny eritreretinao ohatra no mitranga ka voaporofo hoe tsy maintsy nisy mpamorina izao tontolo izao fa tsy afaka niforina irery dia aona? any ve vao hivavaka nefa isika mety efa lasan-ko razana @ zany?
22. rhaj0 ( 19/11/2014 14:37)
Ny anao izany ny safidinao ho'a, raha ny fahazoako azy, dia rahefa tsy voazava (-n'ny Siansa), dia tonga dia "mihidy" ary dia "mino".

Ianao izao mahalala ny Tantara tsara... hafa ny taloha, hoe tsy mahalala n'inon'inona ao @ vohitrakeliny ao raolona ka dia izay lazain'i Belazao (sy ilay Boky) dia inoana daholo... fa izao ianao mahalala ny Tantara, mahalala ny zava-misy erak'izao tontolo izao.

Ka raha araky ny Tantara sy zava-misy erak'izao tontolo izay takatrao izao io... tsy hitanao ve fa nisy fotoana nolazaina fa "finoana" ny fanazavana zavatra iray, dia nefa aty aoriana, kay afaka "nohazavaina" ihany ilay izy ??

Ary @ izao fotoana izao re ry Gasy1zay, dia mihazakazaka ny fivoaran'ny Siansa... Ka dia ho oainina (@ Ankizy) ao ho'a ianao fa dia ... ny Ankizy aloha dia lasa ee....
23. gasy1zay ( 19/11/2014 15:40)

rhaj0:

Diso ianao ka, izaho tsy mino astrologie, tsy mino chance sy destin fa amiko ny zavatra mitranga dia fitantan'Andriamanitra daoly, betsaka ny zavatra hinoan'ny olona sasany tsy hinoako, mino ny baiboly aho satria nampiariko t@ fiainako ilay izy dia tena tsapako ny vokany, tsapako fa tena miasa Andriamanitra eo @ fiainako tsy fitadiavana valiny @ zavamisy eo @ fiainana no niteraka finoana an'i Jesoa Kristy tato anatiko fa vokatry ny zavatra nitranga teo @ fiainako tao aorian'ny nanatonako an'i Jesoa Kristy sy ny nanankinako ny fiainako taminy.

Tsy maninona na mihevitra ny manana fahalalana lavitra noho ny tenako aza ny olona rehetra satria izaho koa resy lahatra fa izaho manana zavatra sarobidy lavitra noho ny fahalalana sy fahaizan'olombelona dia i Jesoa Kristy, hoy ilay hira hoe "Ampy ahy Jesoa", ianao mihevitra hoe mahantra indrindra aho na afabaraka tsy manaraka ny fivoaran'ny science , izaho nefa resy lahatra fa sambatra aho satria manana an'i Jesoa Kristy izay mahay ny zavatra rehetra (omniscient)

24. booboo ( 19/11/2014 17:27)
Tiako ilay filazan'i Gasy1zay ny niteraka finoana an'i Jesoa. Ny fomba fijeriko indray, dia tsy azo ferana / tsy afaka ferana ny fomba fifandraisan'Atra @ olona, ary izay no hitako mahafinaritra sy mahaliana @ ireny fikarohana siantifika bobaka be ireny ( na misy tsy mitondra mankaiza @ fiainan'olombelona aza ), satria eo no vao maika ahitana ny tena alehibenY amiko. Tahaka ny hoe mitondra inona @ fiainan'olombelona moa izay momba ny masoandro any, bah si, fantatra izao rehefa misy tempête solaire dia andro vitsy² dia miakatra ambony beee ny hafanana ety an-tany ( asa inona no ilaina ireo olona marobe ao @ Giec ireo ), atao inona izay momba ny vitsika any, bah si, afaka atao modely ho an'ny injienera hoe akory no atao @ ity resaka embouteillage ity ; Ny ahy manokana ohatra² izay no fomba fampitako @ zanako ny Finoana miainga avy @ bla² siansa, tsy ho azon'ny zanako kely mihitsy manko raha izaho no hi-bla² matotra beee ohatra an'i Gasy1zay (ohatra an ) toy io, efa sakafo vary sy laoka ara-pinoana nefa ry zareo mety mbola nono fotsiny...
(daaaa !! lasa lavabe, fa aza fady )
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1187