NY FITSARANA IREO MPANKAHALA FAHAMARINANA MANDRITRA NY ARIVO TAONA

1. Maranatha ( 14/11/2014 07:07)
Aza mitsara na inona inona alohan’ny fotoana , dia ny fiavian’ny Tompo ; izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ny fo . I Korintiana 4 : 15 . Lazain’i Daniela fa rehefa tonga ny fahagola dia homena rariny ny olo-masin’ny avo indrindra Daniel 7 : 22 . Amin’io fotoana io dia hanjaka sy ho mpisoron’Andriamanitra ny marina . Hoy i Jaona ao amin’ny Apokalypsy hoe : “Ary nahita ny seza fiandrianana maro aho , ary nisy nipetraka teo amboniny , ary nomena fahefana hitsara izy . Ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona” Apokalypsy 20 : 4-6 . Amin’io fotoana io araka ny nambaran’i Paoly mialoha , dia hitsara izao tonolo izao ny olona masina . I Korintiana 6 : 2 . Hery Mifanandrina pp 686 , 687 ATO NY FAMELABELARANA
novalian'i rhaj0 ny 14/11/2014 15:55
2. rhaj0 ( 14/11/2014 15:55)
Maranatha:
Aza mitsara na inona inona alohan’ny fotoana...

Heee... mitovy hevitra ihany kay izany izaho sy Maranatha rahefa atao ny kaonty... Fa raha ny fandraisako an'io dia ...

- samia manao ny ataony, samia samy manao ny Reviny, ary ny Revy samy manan'ny Azy, ary..

- aza m(ifamp)itsaratsara sy mifanabosibosika sy mifampi-culpabiliser...

fa any @ andro farany dia Izy ihany no hitsara, ary Izy irery ihany no Mpitsara e...


Sa tsy izay indray ilay izy ?...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5577