Sary

1. rhaj0 ( 11/11/2014 21:25)
Jereo ary banjino sy fantohy tsara eo @ ilay marika eo ampovoan'ireo sary roa ireo ny masonao, dia tsindrio ny bokotra |> ... raha te-ahita ny tsy fahita :-)

[size=8]Izaho mbola tsy nahita Devoly, fa raha hotr'io, dia tena Devoly mihintsy ireto Hollywood ireto[/size] :-)




novalian'i rhaj0 ny 13/11/2014 19:35
2. rhaj0 ( 12/11/2014 14:37)
Ilay izy izany, dia ny ati-dohanao ihany no mamboatra ilay sary (devoly) hitanao io ambony io.

Nisy fandaharana koa t@ tv taty, Najustez pas votre cerveau fa tena nampatahotra ahy.. Satria, raha ohatra hoe mitondra fiara ianao, @ autoroute ohatra, dia ny ati-dohanao, rahefa mikirakira izay hitany ao, dia manilika na mamorona sary, ary dia izay no lasa "hitanao".. Tena natahotra aho, satria ilay voahilika/voaforona dia tena mety mahatonga ilay lozam-pifamohivohizana.

Tena mbola eo am-pikarohana ny siantista ny @ ireo... Fa rahefa tsy takatry ny loha izao aloha, dia ... aleo tsotsorina @ ilay hoe... misy "devoly" e... na hoe "angatra" e...


3. rhaj0 ( 12/11/2014 14:49)
Fanampiny kely.. reko t@ tv taty koa vao t@ herinandro, fa nisy siantista nahavita fanandramana ni-simuler "out of body experience".

Io ilay hotry ny hoe, mandry eo ianao, nefa dia hotry ny mivoaka @ tenanao ianao ary mahita ny tenanao mandry eo.

Efa hitan-drizareo siantista hono hoe rahefa tairina @ electrode inona ny zone inona ao @ ati-doha ao, dia ahita ilay "out of body experience" ilay natao fanandramana.


Fa ireo "fahitana" rehetra ireo k'lou tsisy resaka ... "divay" na daina an.. :-) science pure fotsiny ihany

4. sitlo ( 13/11/2014 13:04)
Aktera mahay manao filma milay be ireo koa devoly a devoly.
5. Fiffi ( 13/11/2014 13:56)

rhaj0:



Najustez pas votre cerveau fa tena nampatahotra ahy..



aleko tsy mijery......
6. rhaj0 ( 13/11/2014 15:19)
Ilay sary io ambony io aloha dia mampihoro-koditra kely ihany no iafarany e... Rahefa mibanjina ilay lakroa eo afaovoana ianao, dia toa maharikoriko ireo aktera joli-joli; fa ny namanao akaikinao tsy mijery ilay lakora dia tsy mahita ny hitanao.

Izao nihevitra hoe, rahefa misy raha na zavatra na tranga na seho, dia ny "imagination"-nao no be dia be. Fanefa eto dia tena tsy "conscient" fanahy iniana, tsy ni-imaginer n'inon'inona mihintsy ianao eto fa tena hotry ny "perception"-nao... Nefa izany toa "construction" ao anaty ati-dohanao ao ilay izy.


Raha ampifandraisana @ loha-hevitra "Finoana" izao io... dia raha ny fahitako azy...

Ankoatry ny "imagination", sy ny "imagination collectif", izay "mampino" ny olona ka "mampahita" raha azy, dia io misy io koa izany, dia tena "construction" ataon'ny ati-doha, no "mampahita raha" ny olona

Fa ilay izy, ny zavatra iray tiako avoitra eto, dia rahefa misy io seho io ohatra, dia rahefa tsy takatry ny zanak'ati-doha (ny fiasan'ny zanak'ati-doha), dia inona moa fa dia aleo tsotsorina @ ... fanazavana tsotsotra...

7. rhaj0 ( 13/11/2014 18:18)
Fa ity izao mba anoavako antso avo @ izay namana eto mahay mikirakira youtube sy sary sy sarimihetsika.

Raha mba vitanareo ampidirina ao @ ilay youtube io ambony io, ity sary ity ambany ity (izay nalaina avy teto), dia tena isaorana mitafotafo... fa tena tiako dia tiako ho hita hoe, hanao ahoana ny fivoakany..



(raha tsy mety moa na hoe manahirana be dia tsy quoi e... tsisy an-tery eto)


8. rhaj0 ( 13/11/2014 19:35)
[size=8]Finoana/Fivavahana moa ny lohahevitra eto, dia tonga @io ny eritreritro, ary azo tohizana asisika ao koa na ny sarin'i Maria na ny Papa na izay mpitondra fivavahana rehetra e... Fa raha tsy tianareo moa izany, dia ireo politisiana indray azany atao re ry mpahay mikirakira a... hotry ny hampihomehy izao raha atao mifanaraka eo ohatra Ratsiraka/Ra8, dia Ra8/Rajoel dia etsetra... ho hita eo hoe iza no tena misary "devoly"... satria mety hoe, ilay tianao (tsy) mitombo tarehy [/size] :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4594