Nahafantatra ny fahatongavan'Atoa Ravalomanana ny Filoha Hery Rajaonarimampianina, araho eto ny fizotrany

1. rabaradaka ( 16/10/2014 15:36)
Tamin’ny 7 ora maraina : efa nanomboka tonga teny Faravohitra ireo ex Ministre, ex CT et ex CST et députés TIM
Tamin’ny 8 ora maraina hoy i Roland Ravatomanga : J’ai immédiatement téléphoné au cabinet de la présidence de la République, hier matin vers 8h, et j’ai tout fait pour joindre le président et finalement, on a pu discuter au téléphone directement (http://www.rfi.fr/emission/20141014-roland-ravatomanga-il-est-rentre-insu-autorites-malgaches/)

Tamin’ny 8 ora maraina mahery, efa nanomboka niakatra teny ny mpanao gazety, efa nisy olona maro teo ivelan’ny tranony
Tamin’ny 9 ora : saika nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety i Marc Ravalomanana fa nahemotra ny ora
Tamin’ny 11 ora : nanomboka ny valan-dresaka nataony.
Ny fanontaniana : naninona ny fitondrana Rajaonarimampianina no tsy nisambotra av hatrany an’i Marc Ravalomanna satria efa ho ora 3 be izao no efa fantany fa tao Faravohitra i Marac Ravalomanana. Naheno koa ny Fitondrana fa hanao conference de presse i Ravalomanana, azon’ny Fitondrana nosakana koa izany.
Vita ny conférence de presse : nanao fanambarana i Henri Rabary-Njaka, directeur du Cabinet de la Présidence.
Naninona no i Rabay-Njaka no nanao fanambarana izay tsy anjarany izany fa tokony ho ny Praiministra izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny filaminam-bahoaka sy fampandriana ny tany.
Tamin’ny 1 ora dia nasaina niala teo akaikin’ny tranon’ny Ravalomanana ireo vahoaka ary nasaian nivoaka koa ny tao an-tranony. Ny manodidina an-dRavalomanna no nampanao an’izany satria efa fantatra fa ho samborina izy
Tamin’ny 2 ora sy sasany tongan y GSIS naka azy.
Tsy tohizako intsony fa hamakafaka fohy dia fohy amin’izay aho.
Nahafantatra ny fidiran’ingahy Rvalomanana i Hery Rajaonarimampianina raha ny fihetsika nasehony. Efa ho ora 3 be mahery izao ve no efa nilazan’ingahy Ravatomanga izy hoe efa ao dia tsy naka fepetra fa dia nihainohaino fotsiny.
I Henri Rabary-Nkaka no noteren’ny Frantsay hanao an’iny fanambarana iny ary raha nahatsikaritra isika dia saika tamin’ny 5 ora hariva no voalaza fa hanaovan’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina fanambarana saingy nihemotra adin’ny roa izany satri ady hevitra be ny hoe hanao fanambarana sa tsia. Niditra an-tsehatra ny frantsay nanery ny Filoha Rajaonarimampianina nanao an’iny fanambarana iny. Etsy an-daniny dia i Henri Rabary-Njaka mbola nanao redaction ny kabarain’ingahy Filoha.
Ny frantsay no nanery ny Union africaine nanao an'iny fanambarana iny ary dia mody nanaraka fotsiny avy eo ny SADC, union européenne, sy ny sisa
Famintinana : I Henri Rabary-Njaka sy ny frantsay no tena tao ambadik’iny resaka rehetra mamoafady iny. Ny fanadalovan’ingahy KOLO Roger teny amin’ny vadin’ingahy Ravalomanna teny Faravohitra ny alarobia dia tehampiseho izy fa “neutre” ao anatin’izao resaka maloto izao ary mbola mitsinjo ny sezany ihany koa.
Misaotra anareo nanaiky namaky
novalian'i moi ny 27/10/2014 13:04
2. rhaj0 ( 16/10/2014 17:49)
Ka hoe efa nahafantatra izany i Rajao fa nandrasany ho tafiditra : izay izany ?

Dia i Rajao koa izany no "nanome ny baiko" ho an'i GSIS ? sa i Rabary ?

Raha resaka giravy toa io toa tsy maintsy i Rajao.. Nahasahy niteny ve i Rajao hoe nandray andraikitra aho ary dia nanome baiko, sa navelany manjavozavo tao fotsiny ?


Rahefa avelany manjavozavo ao dia manombatombana tokoany ny olona hoe :
- ny frantsay e...
- na fara-faharatsiny, mbola toa ilay revin'i Lesarla tatsy @ EKAR ihany, ka dia noraisin-dramilitera an-tanana ny raharaha
3. rabaradaka ( 17/10/2014 04:32)
raha ny analyse nataoko dia i Rabary no tena nikoropahan'ny frantsay ka nanery an'i Rajao fa i Rabary koa tena ratsy loha. Raha ny resaka henoko tao an-dapa dia tsy mifankahazo mihitsy i Rivo mainty sy Barin-Njaka gadanà
4. moi ( 27/10/2014 13:04)
Amiko dia ilay voalazan'ny filoha Rajao no inoako, hoe fantapantatra ihany....
Io no nanafoanany indray ilay 14 okt efa andro tsy fiasana novàna ho andro fiasana tampoka teo ! Ary ahoana ilay hoe tokony handray an'i Ra8 ny filoha ny takarivan'iny, kinanjo tsy izay no fiodiny ! (niova vokatry ny valandresaka nataon-dRa8 ve ?)
Amiko, nisy zavatra nifanarahana tao fa tsy nifanaja ny teny nifanomezana ry zareo dia izao no lasa fandehany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5153