NY FIANTOMBOHAN'NY ANTSO AVO LEHIBE

1. Maranatha ( 03/10/2014 06:59)
«Tsy maintsy toriana amin’izao tontolo izao ilay hafatry ny anjely faha telo, mampitandrina ny olona mba tsy hiankohoka eo anolohan’ ny bibi-dia sy ny sariny, ka manasa azy ireo mba hitambatra amin’ireo izay mitandrina ny didin’i Ray sy ny finoana an’I Jesoa. Apokalipsy 14 : 12. Tsy nampahafantarin’i Tsitoha antsika hoe rahoviana io hafatra io no hifarana, na rahoviana no hifarana ny andro-pahasoavana… Ny adidin-tsika dia ny mifoha, miasa sy miandry, ary miasa tsy ankijanona ho an’ireo fanahy izay efa mby ho faty. » – Maranatha, p. 105.
ARAHO ATO
novalian'i gasy1zay ny 06/10/2014 14:12
2. damah ( 03/10/2014 07:07)
Sao dia lasa site ny secte ary ty serasera ty e, tsy ato akory ny fanadiovana sain'olona na handrebirebena olona ! ny olona anie zao efa mibebaka sy kristianina daholo fa nareo be adihevitra ireo mihintsy no tara e, aleo angamba ianareo manokatra site hafa fa tsy hameno ato , fa toa mandrebireby ny rehetra ry secta isany a!dia ianareo aloha no mibebaha voalohany
3. rhaj0 ( 03/10/2014 12:48)
Aoka re ry Damah fa TSY ho "lasa site ny secte ty serasera ty", ary aza dia mora tezitra fa ny fiainana efa sarotra moa ka dia... ndao azany aloha mba hihomehy e...

Kisarisary io ambany io fa ts'hainao tokoany anie raha misy paika ataon-drizalahy ankinafina ao ambadika ao, dia nefany ianao fanina @ io, dia asainy manao zavatra (mampome) ao fotsiny e...

4. Maranatha ( 06/10/2014 05:22)

damah:

Sao dia lasa site ny secte ary ty serasera ty e, tsy ato akory ny fanadiovana sain'olona na handrebirebena olona ! ny olona anie zao efa mibebaka sy kristianina daholo fa nareo be adihevitra ireo mihintsy no tara e, aleo angamba ianareo manokatra site hafa fa tsy hameno ato , fa toa mandrebireby ny rehetra ry secta isany a!dia ianareo aloha no mibebaha voalohany

Damah a! aza manamafy ny fonao sao hanenenana.
5. rhaj0 ( 06/10/2014 10:24)
Ny sainy no noamafisiny... dia eo ianao.. hi hi..
6. gasy1zay ( 06/10/2014 14:12)
Mahagaga tokoa fa maro ny kristianina izay hanarina hoe miala @ fahotanao na ny fahazarandratsinao ianao dia tonga dia tohana ary manambara fa sekta ny olona be fananarana, tena ohatrany tonga saina aho hoe tena marina ilay hoe :" manomboka tsy mahazaka ny fampianarana marina sy tsy misy kilema ny olona"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3172