NY ASA FANELANELANANA AO AMIN'NY FITOERANA MASINA ANY AN-DANITRA

1. Maranatha ( 25/08/2014 05:34)
“ Kristy no nampiseho ny Rainy teto amin’izao tontolo izao ary mampiseho ihany koa eo anatrehan’ i Ray ireo olon-boafidy izay namerina indray ilay endriky ny Ray . Izy ireo no lovany… tsy misy mpitondra fivavahana, tsy misy mpiandany amin’ny foto-pivavahana anakiray afaka ny hanambara ny Ray afa tsy ny Zanany ihany, eny fa na dia ny zanak’i Adama aza. Ny olombelona dia manana mpisolo vava, mpiaro, izay afaka mamela ny fandikan-dalàna.” That I May Know Him, p. 73. ATO NY FAMELABELARANA

novalian'i rhaj0 ny 27/08/2014 12:59
2. endriny ( 25/08/2014 05:43)
Dia ahoana ilay hoe: "fa ny olona rehetra izay notineraka dia efa voafaritr'Atra ny lalan-kizorany"?

Raha io anao io no marina dia hay tsy fantatr'Atra akory ny mikasika izay olona ety ambonin'ny tany, fa tsy maintsy ilay Kristy no milaza izany amin'ny Ray. Izay toa mifanohitra amin'ito lazaiko eto ambony ito...

Aza fady fa izaho tsy mahay baiboly e...
3. Maranatha ( 25/08/2014 10:01)

endriny:

Dia ahoana ilay hoe: "fa ny olona rehetra izay notineraka dia efa voafaritr'Atra ny lalan-kizorany"?

Asio toko sy andininy fa fa sao dia mba teny nolazain'ny mpitondra fivavahana fotsiny tao aminareo io .

endriny:

Raha io anao io no marina dia hay tsy fantatr'Atra akory ny mikasika izay olona ety ambonin'ny tany, fa tsy maintsy ilay Kristy no milaza izany amin'ny Ray. Izay toa mifanohitra amin'ito lazaiko eto ambony ito...

Aza fady fa izaho tsy mahay baiboly e...

Ninian'i Tsitoha tsy nojerena intsony ny tety ambonin'ny tany tao aorian'ny fahalavoan'i Adama. Tsy tety intsony mihintsy Izy. Ny Mesia sy ny Fanahy masina ary ny Anjely sisa no nidina tety ambonin'ny tany nanatanteraka ny drafim-panavotana. raha misy ao anaty ny soratra masina nahita ny Ray tety ambonin'ny tany dia ny Mesia t@ Izy mbola tsy tonga nofo no hitany. Faharatsiana no hitany ety ambonin'ny tany tsy misy izay marina tsy misy izay mitady Azy hoy Izy. Any an-danitra Izy no mijery ny zanak'olombelona na misy mitady Azy na Tsia.
Izay mibebaka ka miala @ faharatsiany ka mangataka ny ràn'i Mesia mba hanadio azy dia azon'i Ray jerena izany olona izany, tsy noho ny fahamarinany fa noho ny fahamarinan'ilay zanany. Tsy efa novakianao ve ny Matio 22:11 Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady.12 Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Ny fahamarinan'i Mesia io akanjo fotsy izay tsy maintsy hanaovana ao @ fampakaram-bady io.
Fa fahasoavana no hamonjena anareo.
4. endriny ( 25/08/2014 17:16)

Maranatha:

Fa Andriamanitra dia tsy mila mpanelanelana, satria tsy misy maha-solotena an'Atra eto ambonin'ny tany...

Tsy izay mangataka fibebahana no ahazo rariny satria efa voalaza hoe: Alohan'ny andehananao eo amin'io alitara misy ireo olona ankifizinao io dia mandehana aloha mibebaka amin'ireo olona nanaovanao ratsy... Ny sisa rehetra fisehosehoana toa ny Fariseo daholo.

5. Maranatha ( 26/08/2014 05:16)

endriny:

Fa Andriamanitra dia tsy mila mpanelanelana, satria tsy misy maha-solotena an'Atra eto ambonin'ny tany...

Tsy mila mpanelanelana ahoana??? I kristy no mpanalalana antsika Aminy. I Tim 2:5 Fa iray no Ny Avo-indrindra, ary iray no Mpanalalana amin'Ny Avo-indrindra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,

Fa tsy i Marie na i Damôpre (mopera)na .... FA I KRISTY

endriny:

Tsy izay mangataka fibebahana no ahazo rariny satria efa voalaza hoe: Alohan'ny andehananao eo amin'io alitara misy ireo olona ankifizinao io dia mandehana aloha mibebaka amin'ireo olona nanaovanao ratsy... Ny sisa rehetra fisehosehoana toa ny Fariseo daholo.

Ny hevitry ny teny hoe FIBEBAHANA mihintsy no tsy azonao. Ny atao hoe mibebaka dia miaiky fa heloka izay vitanao teo dia miala @ iny ratsy iny hianao tsy mamerina intsony, manenina noho iny ratsy vita iny, raha azo atao ny manonitra azy dia honerina arak'izay azo atao. Hoy ny Ohab 28:13 Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po..

Ny dikan'izany raha naka ny tabletten'ny namanao hianao dia mila miaiky aloha fa fahotana iny nataonao iny (heloka) noho izany mila mitsotra amin'ilay namanao hianao fa hianao no naka azy, averinao ny zavany ary tsy mamerina izany intsony hianao. Mitsotra @ Ray koa hianao fa nanao izany ary mangataka ny ràn'i Mpamonjy mba hanadio anao amin'iny fahotana iny. Raha tsy manao intsony i endriny dia voafafa tanteraka ao amin'ny bokin'ny lanitra iny fahotana iny fa raha mbola miverina manao indray dia miaraka soratana amin'ilay teo aloha ny vaovao rehetra.

Ny mpino loterana tena mahay tsara an'io. Fa ny olana ho azy dia tsy mba mianatra akory ny lalàna izy mba hahafantarany ny mety ho ota izay ataony Romana 3:20 ...; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota.
6. rhaj0 ( 26/08/2014 14:56)
Maranatha:
voafafa tanteraka ao amin'ny bokin'ny lanitra iny fahotana iny...

O lehiroa a... tena mino tokoany (ara-baki-teny) ve ianao fa misy izany "bokin'ny lanitra" handraiketana ny "fahotana" izany ?

[size=8]Sahala @ bokin'i Pere Noel ?? [/size]
7. endriny ( 26/08/2014 16:14)

rhaj0:

Maranatha:
voafafa tanteraka ao amin'ny bokin'ny lanitra iny fahotana iny...

O lehiroa a... tena mino tokoany (ara-baki-teny) ve ianao fa misy izany "bokin'ny lanitra" handraiketana ny "fahotana" izany ?

[size=8]Sahala @ bokin'i Pere Noel ?? [/size]

Efa tany izy a, ary izy mihintsy no mpiandraiki-draharaha amin'io. Sady efa hitany tamin'ny nofy io araka ny nolazain'ny boky azy...
8. Maranatha ( 27/08/2014 06:09)

Indrisy, mandram-pahoviana no handeferako aminareo???
Apok 20:12 Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky, araka ny asany

Daniela 7:10 Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky.

Malakia 3:16 Ary tamin'izany izay natahotra an'i Jehovah dia samy niresaka tamin'ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an'i Jehovah sy mihevitra ny anarany.

Jeremia 2:22 Fa na dia misasa sirahazo aza ianao ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, ny helokao dia mbola voasoratra* eo anatrehako ihany, hoy ny Tsitoha Ray.

Mbola betsaka raha ny manodidina io boky io fa inoako fa ampy ireo hinoanareo .

endriny:

Efa tany izy a, ary izy mihintsy no mpiandraiki-draharaha amin'io. Sady efa hitany tamin'ny nofy io araka ny nolazain'ny boky azy...

Ohab 19:2 Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay miezaka mosalahy dia ho diso lalana.

Miezaha ihany ho mosalahy e!
9. rhaj0 ( 27/08/2014 12:59)
O lehiroa a... efa @ izao misokatra ny fahalalana izao ve ry nama... RAhefa atao ny tombatombana dia efa misy efa ho 108.000.000.000, na 108 miliara, ny isan'ny olona velona teto @ ity tany ity (tsy lazaina ny maty ambohoka na ny mbola menavava sns...)

Io ho'a ry Maranatha raha tao @ "vohitrakeliny' tao raolona fony androny, dia nino (na azo nampinoana) izany, hoe misy izany "bokin'ny lanitra" izany, sahala @ ireny bokim-pokonolona ireny, ary voasoratra ao ny anaranao sy izay (fahotana) nataonao.

Dia io koa ataovy ny kajikajy ny @ 144.000 lava-nao ao... sy ny Foko 12... aoka ho'a... mino aho fa ny Ankizy, raha vao mahay adisanina, ka misokatra dia mahalala ireo tarehimarika ireo, dia ... TSY hihaino anao intsony...

Ataovy eo ihany azany fa dia ... mijery anao anie ny Ankizy e...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3224