ISA ARA-TANDINDONA SA ARA-BAKITENY NY 144 000 ???

1. Maranatha ( 04/08/2014 10:05)
[Color=blue]“Ary nahare ny isan’ izay voahisy tombo-kase aho : efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin’ ny firenen’ ny zanak’ Isiraely rehetra.” Apokalypsy 7 : 4[/color] [url=http://mharanatha.blogspot.com/2014/07/isa-ara-tandindona-sa-ara-bakiteny-ny.html]ATO INDRAY NY FAMELABELARANA[/URL]
novalian'i rhaj0 ny 08/08/2014 15:44
2. moustaraf ( 04/08/2014 12:39)
Salama namana,

4.Ary nahare ny isan'izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin'ny firenen'ny Zanak'isiraely rehetra....

9. Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany,

Apetraka aminao ny fanontaniana: izao ireo resahina ireo? samy hafa ve ireo, sa iray ihany?
Misaotra!
3. moustaraf ( 04/08/2014 13:06)
Ao amin'ny fanazavana omenareo manko, dia miezaka ianareo manazava lalam-pamonjena roa samy hafa, ary izay no olana amin'ireo baiboly dikan-teny;
Tokana ny lalam_pamonjena, ary tsy miova "omaly sy anio ary mandrakizay", tokana ny lalana ary iray ny vavahady dia YESHU'A irery ihany,
andian'olona iray ihany ireo lazaina ireo:
-tamin'ny voalohany dia t@ alalan'ny isa no nilazana azy 144.000 "Reko"
-rehefa avy eo dia naseho azy izy ireo "Hitako" 1.444.000 = olona maro be (ara-paminaniana)
-Avy amin'ny fokom'pirenena maro = ny israely ihany no misy fokom-pirenena dia 12, izay niparitaka manerana an'izao tontolo izao, ary samy hafa fiteny amin'izao fotoana izao.
Ireo ilay nolazain'ni Mesia t@ izy tonga tety hoe: "Mbola manana hondry hafa ivelan'ity vala ity aho, ary ireo dia tsy maintsy hoangoniko ho vala iray satria iray ihany ny mpiandry azy"

Raha ho hazavaina ny dikan-teny hebreo fototra dia vao maika hazava kokoa ny tena heviny.
Misaotra!
4. Maranatha ( 05/08/2014 07:54)

moustaraf:

Tsy naharaka ny teo aloha hianao namana IVERENO JEREVANA ITY

Na izany az hazavaiko eto ihany
IREO 144.000
-Ny niavian’ izy ireo: avy amin’ ireo foko roa ambiny folon’ ny Isiraely, izay midika ireo izay manaraka ny hafatry ny anjely telo amin’ ny fomba mahatoky tsy mivadika.
-Fotoana: ny fametahana tombo-kase dia nanomboka tamin’ ny taona 1844, rehefa nanomboka ilay asa fametahana tombo-kase.
-Tombo-kase : ireo 144.000 dia mandray ny fanomezan’ ny Fanahy Masina ary voaisy ny tombo-kasen’ Ilay Andriamanitra Velona.
“Ireo izay hanana ny tombo-kasen’ Andriamanitra eo amin’ ny handrin’ izy ireo, dia tsy maintsy mitandrina ny andro fitsaharana voalazan’ ny didy faha-efatra. Io no mampiavaka azy ireo amin’ ireo tsy mahatoky izay manaiky ny zavatra naorin’ olombelona eo amin’ ny toeran’ ilay tena andro fitsaharana marina. Ny fitsaharan’ Andriamanitra no ilay famantarana mampiavaka izay hanavahana ny olona izay manompo an’ Andriamanitra sy izay tsy manompo Azy. ( MS 27, 1899)”
Commentaires bibliques p 398

ILAY VONDRONA LEHIBE MISY IREO VAHOAKA ANALIN-KISA
-Ny niavian’ ireo vahoaka ireo : avy amin’ ny firenena rehetra, ny fokom-pirenena rehetra, ny fiteny rehetra ; ireo no voaavotra nandritra ny fotoana rehetra
-Fotoana : ny fotoana dia nanomboka hatrany am-piandohana ka nandritra ireo taonjato rehetra ambara-pahatongan’ ny farany.
-Tombo-kase : ireo voaavotra dia voaisy ny tombo-kasen’ ny Fanahy Masina
“Farany, dia, indreo “olona betsaka tsy tambo isaina avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samihafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry; niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany”. Vita ny adiny, azony ny fandresena. Nahatanteraka ny fihazakazahany izy ka nahatratra ny loka.” Hery mifanadrina. P. 692
“Afaka mahita ao amin’ ilay asa natao tamin’ ny andro pentekosta isika, ny zavatra izay ho vita amin’ ny alàlan’ ny fampiasana ny finoana. Ireo izay nino an’ I Kristy dia voaisy ny tombo-kasen’ ny Fanahy masina. (MS 85, 1903)”
Commentaires bibliques p 260

NY ISIRAELY ARA-PANAHY

6-Iza ilay vahoaka isiraely ara-panahy ankehitriny ? Moa ve ny apostoly Jakoba nandefa ny taratasy nosoratany ho an’ ireo foko roa ambiny folo ao amin’ ny Isiraely ara-bakiteny sa ho an’ ny fiangonan’ Andriamanitra? Jakoba 1 : 1

“Ny zavatra izay nokasain’ Andriamanitra hatao ho an’ izao tontolo izao tamin’ ny alàlan’ Isiraely, izay vahoaka voafidy,dia hataony amin’ ny alàlan’ ny fiangonany…
“…Ny tenin’ny Tompo nambarany tamin’ny mpaminaniny ho an’ireo izay hiova fo sy hitandrina ny lalàn’Andriamanitra, dia nilazany fa izy ireo dia hisaina ho isan’ireo Isiraely ara-panahy: Fiangonan’I Kristy.”
Prophètes et rois, pp 540, 287
“Ireo foko folo tao avaratra dia lasa babo ka niala tamin’ ny fireneny tamin’ ny taona 722 talohan’ I Jesosy Kristy ( II Mpanjaka 17 : 6, 23). Olona vitsy monja avy tamin’ ny taranak’ izy ireo no niverina tany palestina ( jereo Ezra 6 : 17 ; 8 : 35). Araka izany ary, ireo foko roa ambiny folon’ ny isiraely dia tsy nisy teo amin’ ny fotoan’ andron’ I Jaona sy Jakoba. Jakoba dia nety nampiasa ny teny hoe : “foko roa ambiny folo” amin’ ny hevitra maneho ny sarambabem-bahoakan’ Andriamanitra manerana izao tontolo izao.’Seventh-day Adventist Bible commentary, Commentaires sur Jacques 1 : 1

7-Fintino ny toetran’ ireo zanakalahy (foko) roa ambin’ ny folon’ I Jakoba, ary ampitahao amin’ny toetran’ ny Isiraely vaovao? Genesisy 49 : 1-27

“Rehefa ho faty tokoa I Jakoba, dia nantsoina hanodidina ny farafarany avokoa ny zanany rehetra; ary hoy izy taminy : “Mivoria, hianareo mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany.” Impiry impiry moa izy, no efa nieritreritra tamim-pangitangitahana ny amin’ny ho avy sy ny amin’ izay hanjo ny taranany tsirairay avy. Izao izy, raha voahodidin’ny zanany izay vonona handray ny tso-dranony farany, dia notsindrin’ ny Fanahin’ Andriamanitra ka nahita ny ho avin’ ny zanany tsirairay avy.…”
“Hatramin’ izay taona maro nivarotany an’ I Josefa izay, dia nisy fiovana tokoa ny toetran’ ny zanak’ I Jakoba. Fahiny izy ireo dia be fialonana, mpanao an-keriny, loza be, mpamaly faty; ny fahoriana anefa dia nahatonga azy ho tsara fanahy amin’ ny namany, mpandà-tena ho an’ ny hafa, tia an-drainy ; ary na dia efa samy zoki-olona avokoa aza izy, dia nahay nankatoa tsara ny baikon-drainy.”
Patriarka sy mpaminany p 231, 220
5. moustaraf ( 05/08/2014 14:41)
Salama namana,
Tena mitompo ten fatratra ianareo @ daty 1844???
Tsy ianareo ihany fa ireo antokon'olon_kafa koa izay miezaka ny hanome daty, taona, sns...
Mitaona anarteo izahay hamaky sy handika ny baiboly fototra "HEBREO" fa tsy ny dikan-teny, sao mba mety hanampy anareo @ fandinihana ataonareo ihany.

Ny baiboly "grika " dia mbola mifanalavitr ihany @ hebreo "tanakh" ka tsy azo tena ifotorana, indrindra moa fa ny Frantsay sy ny anglisy ary ny malagasy.
Art tsy "ireo commentaires bibliques "ihany koa no tokony hasesy montotra fa tsy dia midika inona loatra akory ireny.

Misaotra!
6. Maranatha ( 06/08/2014 06:28)

Salama namana Moustafar,
Ny fiafaran'ny 2300 andro izay voalazan'i Daniel dia mifarana eo ary marina ny porofo rehetra toy ny nanosorana ny Messia, ny fahataperan'ny 70 herinandro nomena ny Jiosy t@ nahafaty an'i Stefana sns ....Daniel 8:13 Dia nandre ny masina anankiray niteny aho, ary nisy masina iray koa nanao tamin'ilay niteny hoe: Mandra-pahoviana ny fahitana mandrakariva* sy ny fahotana mahatonga fandravana mba hanolorana ny fitoerana masina sy ireo maro be ho fanitsaka? [Na: ny amin'ny fanatitra isan'andro]
14 Ary hoy izy tamiko: Taon-jato sy roa arivo andro*; ary nony afaka izany, dia amin'izay vao hodiovina** ny fitoerana masina

Indro efa vitako sary ilay izy
Tsy fiavian'i Messia akory ny fahataperan'ny 2300 andro fa fidirany ao amin'ny efitra masina indrindra ho fanadiovana ny fitoerana masina. Hianareo mahalala tsara ny fanaon'ny Mpisoronabe @ andro fanavotana . ao amin'ny efitra masina indrindra izany izao ny Mpamonjy manao fanavotana ny zanak'israely, Ny israely aram-panahy Romana 9:8 Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Ny Avo-indrindra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.
Asa raha ho hita eto ity sary ity :

Mba miangavy anareo re izahay mba adikao amin'ny teny gasy araka ny tokony ho izy ary io baiboly dikan-teny Hebreo io.

Mirary soa namana!
7. Maranatha ( 06/08/2014 06:30)
Ataovy ouvrir dans un nouvel onglet manokana tandrifin'ilay sary namana mba hahitana azy mazava tsara
8. moustaraf ( 08/08/2014 06:02)
Salama namana,
Raha te handinika ny teny malagasy dia ny hebreo tranainy izay hita ao amin'ny Torah no ahitana azy maro indrindra, izany hoe an'arivony maro izy no ao.

Ary ho antsika malagasy dia tombony ho antsika ny fiverenana amin'y fototry ny teny hebreo, raha handinika ny baiboly satria ao no misy ny fahamarinana "io no tenin'ny lanitra" nanomezana ny bokin'ny mpaminany sy nanoratana ny boky voalohany amin'ny TTVaoavao dia ny bokin'i Mathias.

Tsy ny fidiran'ny kohen gadol "mpisorona be" ao amin'ny efitra kadosh indrindra akory no zava-dehibe fa ny FIVOAHANY AVY AO, ARY NY FAMINDRANA NY FAHOTANA REHETRA ANY AMIN'I SHEDYM "AZAZEL " MBA HODORANA MIARAKA AMINY: izany no antsoina hoe FAMONJENA.

Ary ilay mpisorona be dia tsy izany jesosy izany (izay midika hoe jeus)dia ilay mpisandoka fa YESHU'A izay tononina hoe IESOAH, ka asakasak'izay manana mpisorona be hafa izay tsy notendren'ilay Ray any an-danitra.
MISAOTRA
9. Maranatha ( 08/08/2014 07:26)

Namana, ilay fikororohana ny teny tao babel dia mbola mipetraka sy manan-kery foana hatramin'izao. Azo antoka fa heken'i Ray ny fitenim-pirenena sy ny fokom-pirenena ary ny samy hafa fiteny rehetra .
NY hoe IESHOAH dia azo atao hoe Jesoa ho antsika M/sy.

moustaraf:

Tsy ny fidiran'ny kohen gadol "mpisorona be" ao amin'ny efitra kadosh indrindra akory no zava-dehibe fa ny FIVOAHANY AVY AO, ARY NY FAMINDRANA NY FAHOTANA REHETRA ANY AMIN'I SHEDYM "AZAZEL " MBA HODORANA MIARAKA AMINY: izany no antsoina hoe FAMONJENA.

Ary ilay mpisorona be dia tsy izany jesosy izany (izay midika hoe jeus)dia ilay mpisandoka fa YESHU'A izay tononina hoe IESOAH, ka asakasak'izay manana mpisorona be hafa izay tsy notendren'ilay Ray any an-danitra.
MISAOTRA

Misaotra namana, f'angaha tsy tokony ho fantarina izany ny fidirany ao???? toy ny hoe @ andro faha -10 @ volana faha -7.
Fanontaniana faharoa f'angaha Izy efa nivoaka tao??? ary angaha efa napetraka t@ lohan'ny satana ny heloky ny olona?????

Namana, tsy fireharehana fa mahafantatra betsaka mihoatra noho hianareo izahay rehefa nampahafantarin'ny fanahy masina anay ny drafitry ny fanavotana sy ny fanatanterahana azy rehetra. Amim-panetren-tena no hilazana aminao fa raha tsy voavonjy izahay dia tsy noho ny tsy fahalalanay ny marina tsy akory fa noho ny mbola mety ho fitiavanay an'izao tontolo izao ohatra na mety misy fahotana miafina mbola tsy foinay na ...

Namana, aza miantehitra amin'ny tantaram-pirazanana Rom 9:8 Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Ny Avo-indrindra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.

Izay no hisesehana hidirana @ vavahady ety satria maro no te hiiditra fa tsy afaka.
10. rabaradaka ( 08/08/2014 13:56)
diso tanteraka ny ady hevitra, io isa io dia tarehimarika nasehon'ny mpanoratra ilazana hoe betsaka fotsiny fa tsy misy heviny ara-panahy
11. rhaj0 ( 08/08/2014 15:44)
ieee... dia mitohy... ilay hoe "paradisa" koa dia "vokabolary" nasehon'ny mpanoratra ilazana hoe "ilay tsy takatry ny saina" fotsiny fa tsy misy heviny ara-panahy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4625