Kilalao ara-baiboly
1. Tefigasy
(
27/06/2014 06:00)
Ny hitarika anao ho amin'ny fandinihana ny baiboly, ary izay no tanjoko amin'ny fandrosoana lohahevitra misary kilalao toa izao indray.
Fanontaniana no apetrako dia hiangaviako ianao mba handray anjara, na ho marina na ho diso :
1 - Iza no toko fohy indrindra ao amin'ny baiboly ?
2 - Iza no toko lava indrindra ao amin'ny baiboly ?
3 - Iza no andininy afovoany indrindra ao amin'ny baiboly (dikan-teny protestanta). Tsy ny pejy afovoany, tsy misy idiran'ny pejy fa ny isan'ny andininy rehetra ao amin'ny baiboly no hijerena azy.
Raha hitanao ireo dia hahazo tenin'Andriamanitra tena mahasoa sy mampahery tokoa ianao.

novalian'i rhaj0 ny 09/07/2014 16:46
2. bor2lais
(
30/06/2014 14:03)
Tsara tsindrina ihany angamba ny refy raisina eto : toko fohy indrindra = vitsy andininy indrindra ? :-)
3. Tefigasy
(
30/06/2014 16:00)
bor2lais:
Tsara tsindrina ihany angamba ny refy raisina eto : toko fohy indrindra = vitsy andininy indrindra ? :-)
Sady vitsy andininy indrindra no vitsy andalana indrindra no vitsy teny indrindra ihany koa
4. bor2lais
(
30/06/2014 17:00)
Tsy fantatro na marina na diso fa apetrako ihany :
1 - Iza no toko fohy indrindra ao amin'ny baiboly ?
=> Salamo 117 ?
2 - Iza no toko lava indrindra ao amin'ny baiboly ?
=> Salamo 119 ?
3 - Iza no andininy afovoany indrindra ao amin'ny baiboly (dikan-teny protestanta)
=> Salamo 118 and. ? :-)

5. Tefigasy
(
01/07/2014 05:15)

Aleo apetratsika mihitsy ilay soratra :
Ny toko fohy indrindra: roa fotsiny ny andininy ao aminy
Sal.117:
1 Midera an'i Jehovah ry firenena rehetra ;
Midera Azy , ry olona rehetra.
2 Fa lehibe ny famindram-pony amintsika ;
ary mandrakizay ny fahamarinan'i Jehovah.
Haleloia.
Ny andininy afovoany indrindra ao amin'ny baiboly :
Sal.118:8 "Tsara ny mialoka amin'i Jehovah noho ny mialoka amin'ny olona."
Ny toko lava inddrindra izay ahitana andininy 167: Sal.119
Misaotra alin'ny valin-teny
6. bor2lais
(
01/07/2014 10:18)
Sao misy milaza indray fa naka 19 tamin-dramose aho a (O boy ...) ! :-) :-)
7. miarana
(
09/07/2014 08:43)
Tohizako ny lalao raha tsy mampaninona antsika :
1 - Aiza ny andininy fohy indrindra ao amin'ny baiboly protestanta ? (misy valiny 2 azo ekena)
2 - Aiza ny andininy lava indrindra ao amin'ny baiboly protestanat ?
Misaotra antsika
1 - Aiza ny andininy fohy indrindra ao amin'ny baiboly protestanta ? (misy valiny 2 azo ekena)
2 - Aiza ny andininy lava indrindra ao amin'ny baiboly protestanat ?
Misaotra antsika
8. Tefigasy
(
09/07/2014 10:36)
miarana:
Tohizako ny lalao raha tsy mampaninona antsika :
1 - Aiza ny andininy fohy indrindra ao amin'ny baiboly protestanta ? (misy valiny 2 azo ekena)
2 - Aiza ny andininy lava indrindra ao amin'ny baiboly protestanat ?
Misaotra antsika
Mahafinaritra fa tohizo hatrany !
Sopapa fotsiny aloha no omeko eto fa tsy ny tena valiny mba hananan'ny hafa fotoana hitadiavana ihany koa. Raha sendra diso anefa ireto sopapako ireto dia mba teneno ihany aho hanohizako ny fikarohana sy hanomezako sopapa vaovao hafa indray :
1 - Ny andininy fohy indrindra : ao amin'ny bokin'i Joba (mbola tsy tenenina aloha ny toko misy azy)
2 - Ny andininy lava indrindra : ao amin'ny bokin'ny tantara na ny tantara voalohany (mbola tsy tenenina koa aloha ny toko misy azy)
Ahitsio raha diso fa ireo aloha no hitako : ilay voalohany misy litera 11 (miaraka amin'ny elanelana, teboka, faingo, ....) ilay faharoa misy litera 571 (miaraka amin'ny elanelana, teboka, faingo, .....)
9. bor2lais
(
09/07/2014 13:06)
Mamaky ny valintenin'i Tefigasy aho vao mahatsapa tokoa fa hay :
1. "Joba" mbola fohy noho "Jaona"
2. "Tantara" mbola lava noho "Estera"
... raha ny isan'ny litera no jerena ! hihihi ! :-)
1. "Joba" mbola fohy noho "Jaona"
2. "Tantara" mbola lava noho "Estera"
... raha ny isan'ny litera no jerena ! hihihi ! :-)
10. rhaj0
(
09/07/2014 13:44)
Dia ahoana izao ireo raha @ teny Anglisy na Hebreo na Arabo... na Frantsay (bordelais) ?... hi hi hi! :)
11. bor2lais
(
09/07/2014 16:12)
rhaj0:
Dia ahoana izao ireo raha ... Frantsay (bordelais) ?...
1. "Job" est plus court que "Jean"
2. "Chroniques" est plus long que "Esther"
:-) :-)