Afaka miara-miaina ve isika? (2)

1. rhaj0 ( 26/05/2014 16:58)
Ho tohizako indray ny resaka efa natao tatsy. Tsy izany fa rahefa mahita ny fifanakalozana eto aho, dia hotry ny mahatsapa fa tsy mifampiditra (exclusif) ny resaky (nefa samy mpino ny eto), ary toa ny mifanipaka an-karona foana no atao eto : ny "ady" sy "bibidia", Anosivolakely sy ry Soeur Fabiola.. ry Jiosy ... ny siansa ... Asa inona koa no hitanareo... Fa raha ny fahitako azy, marina fa serasera ny eto, dia mifanakalo hevitra (tsy voatery ho mitovy hevitra daholo foana), fa dia tena mahalana vao misy mifanotrona/mifanohana/...

Ka fanontaniana ny ahy.. Rahefa mifanipaka toa io ny resaka, nefa tsy hoe "resaka" fotsiny ilay izy fa tena "resaka lalina", any @ foto-pinoana na foto-pisainana farany lalina mihintsy... Dia ilay fanontaniako dia hoe : dia "afaka miara-miaina ve isika" na izany aza ?

Ny hanihany eto izao dia misy manao hoe, mandehana miara-misakafo any @ restau Le Dragon ohatra.. fa tena afaky ny "hiaraka" tokoany ve ireo olona roa mifanipaka foto-dresaka lalina ? Hoe ohatra hoe... miara-miasa, na miara-milalao na ... ohatra hoe mifanambady akoriny aza (na hoe ny zanaka no hifanambady)
novalian'i endriny ny 29/05/2014 17:47
2. Maranatha ( 27/05/2014 05:22)

rhaj0:

...... dia "afaka miara-miaina ve isika" na izany aza ?

Ny hanihany eto izao dia misy manao hoe, mandehana miara-misakafo any @ restau Le Dragon ohatra.. fa tena afaky ny "hiaraka" tokoany ve ireo olona roa mifanipaka foto-dresaka lalina ? Hoe ohatra hoe... miara-miasa, na miara-milalao na ... ohatra hoe mifanambady akoriny aza (na hoe ny zanaka no hifanambady)


Hoy ny Tompo Jaona 17:14 Efa nomeko azy ny teninao; ary halan'izao tontolo izao izy, satria tsy naman*'izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao.]15 Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin'ny ratsy*. [*Na: amin'ilay ratsy]16 Tsy naman* izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao

II kor 6:14 Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana'ny mazava sy ny maizina?15 Ary inona no ifanarahan'i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan'ny anjaran'ny mino sy ny tsy mino?16 Ary inona no ikambanan'ny tempolin'Ny Avo-indrindra amin'ny sampy ? Fa isika no tempolin'Ny Avo-indrindra velona, araka ny nataon'Ny Avo-indrindra hoe: Honina eo aminy sy handeha eo aminy Aho, ary izy ho oloko (Lev. 26. 11, 12).
3. rhaj0 ( 27/05/2014 12:33)
Raha ny fahazoako ny resaka aroson'i Maranatha, avy @ soratra notsongainy manokana (safidin'i Maranatha) avy ao @ Baiboly, dia TSY hiara-miaina, na hoe TSY hitakisina hiara-hiasa/hilalao/hisakafo/... @ TSY mitovy finoana na foto-kevitra fototra sy lalina aminy i Maranatha.

Diso ve izay fahazoako azy izay?
4. Maranatha ( 28/05/2014 05:41)

rhaj0:

Raha ny fahazoako ny resaka aroson'i Maranatha, avy @ soratra notsongainy manokana (safidin'i Maranatha) avy ao @ Baiboly, dia TSY hiara-miaina, na hoe TSY hitakisina hiara-hiasa/hilalao/hisakafo/... @ TSY mitovy finoana na foto-kevitra fototra sy lalina aminy i Maranatha.

Diso ve izay fahazoako azy izay?

Afaka miara-miaina ka fa ao anatin'ny Didin'A/tra tsy voadika izay no mahatonga ny hoe :tsy hialany @ izao tontolo izao fa ny hiarovana azy @ ilay ratsy.
Oh: raha hiara-misakafo dia izay hankasitrahan'A/tra no hiaraha-mihinana, hiaraka hilalao dia izay kilalao hankasitrahan'A/tra no hatao, hiara-hiasa dia asa mifanaraka @ sitram-pon'A/tra.
Fa ity kosa hafa mihintsy raha hivady (hikambana ho nofo iray no dikany) ka raha tsy mitovy indrindra ny finoana, dia tena ho sarotra tokoa ny hahatonga azy ireo ho iray. Izay no nahatonga ireto lesona teo aloha ireto ho raisina Genesisy28:1 Ary Isaka nampaka an'i Jakoba ka nitso-drano azy ary namepetra azy hoe : Aza maka vady avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita ianao.
Ezra 9:12 koa aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin'ny zananilahy, na maka ny zananivavy ho vadin'ny zanakareo-lahy; aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy mandrakizay, mba hahery ianareo ka hihinana ny soa avy amin'ny tany, dia hamela izany ho lovan'ny taranakareo mandrakizay
Nehemia 13:25 Dia nifandahatra taminy aho ka nanozona azy ary namely ny sasany sy nandrompotra ny volony, dia nampianiana azy tamin'Ny Avo-indrindra hoe: Aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin'ny zananilahy, ary aza maka ny zananivavy ho vadin'ny zanakareo-lahy, na ho vadinareo.

Raha tsorina dia izay mitovy finoana no tokony hifanambady
5. rhaj0 ( 28/05/2014 13:41)

Maranatha:
Afaka miara-miaina ka fa ao anatin'ny Didin'A/tra ...


Ny fahazoako an'io, dia "ao anatin'ny Didin'A/tra", hoy Maranatha, fa kosa,izany dia araka ny fandraisan'i Maranatha azy manokana. Satria dia efa hita eto foana fa samy hafa ny fandraisan'ny hafa azy manokana koa. Koa na ny fandraisan'ny Papa ny resaka sasany aza TSY mifanojo @ fandraisan'i Maranatha azy manokana.

Raha feheziko izany dia TSY afaky ny hiara-hiaina @ olon-kafa i Maranatha, rahefa hafa ny finoana/foto-kevitra lalina mivohy io olon-kafa io. Izay ny fandraisako azy.
6. endriny ( 28/05/2014 16:27)
Sarotra ho an'ny zanak'ondry hono ny miara-miaina amin'ny amboadia.

Ka tsy mahagaga raha aripaky ny zanakondry daholo izay tsy mitafy volon'ondry: Silamo, Jiosy, afrikanina...

Fa ilay zanak'ondry ihany koa mifandaka sy mifanoto ao am-bala satria miady vilona sy toera mafana.
7. rhaj0 ( 28/05/2014 17:40)
Izany hoe izany, raha ny fahazaoako an'i Endriny, dia ireo "zanak'ondry" izay natao (na milaza-tena)fa mba hoe malemy no tena mamango...

Izaho mihevitra fa tsy ny "zanak'ondry" rehetra. Raha ny fahatakarako azy, dia ireo "fondamentaliste" no manenja-tady @ n'a pas eo : ny fandikany manokana (interpretation personnelle) tsy asiana adi-hevitra no manimba ny rivom-piaraha-monina.

Jereo izao ohatra ny Papa Fransoa fa miezaka ny hisokatra (foana) @ moslimo sy finoana hafa. Miezaka misokatra @ homosexoaly ("who am I to judge", hoz'izy). Miezaka misokatra @ Atheist akoriny aza ("Just do good", hoz'izy).

Fa dia soa fa dia ny maroisa dia miezaka ny "miara-miaina". Fa dia zareo vitsy an'isa (fondamentaliste) ao izany no tsy te-hiaraka aman'olona, ka dia ao izany izy izany.

Fa dia ho hitan'ny ankizy ao...
8. endriny ( 28/05/2014 23:56)
Ka normal i Fransoa raha miantso fisokafana satria lasa daholo ny zanakondry tsy mahatanty daka sy totohondry koa.
Jereo itony santinonany e www.chateaux-belles-demeures.com/vente-centre-touraine/C100-eglise-chapelle/a-vendre.htm.
9. rhaj0 ( 29/05/2014 15:31)
Miresaka FIangonana amidy i Endriny, fa ny aty, ny hitako dia :

- ny fiangonana dia manana sous-sol ngezabe, ary dia ao no lasa toa tranom-pokonolona.. ohatra ivoriana, ary tsy voatery hoe mivavaka io, fa mety hoe, manao bingo (na loto) ohatra... manao lavanty ... in-1 mandeha aza ny reveillon gasy tamina sous-sol fiangonana tao Montreal raha tsy diso aho (t@ 96 io raha misy gasy avy ao Montreal koa eto)... Ilay tatsy @ St-Patrick New-York aza... zahay moa tanavo vao niakatra, dia nisy entana souvenir isan-karazany tanaty fiangonana teo @ fidirana, dia tonga dia naka : kay zavatra amidy ireto izy...

- fa nisy fiangonana iray izay namidin-drizareo, ary dia lasa boite de nuit... mihanahana kely ihany aho t@ izay fa ilay toerana nisy ny alitara dia lasa sehatra kely, ary teo no nanao "wet t-shirt contest" ry zavavy sy zalahy.. (ny wet t-shirt contest dia tondrahana rano ry zavavy sy zalahy, ary dia lena ny t-shirt sy ny zipette, ary dia mi-mouler tsara ny rondeurs... arahina dihy sexy (sy zavatra hafa, tsy ferana)... izany dia teo @ ilay alitara ... fahiny...


Izany hoe raha fehezina, dia lasa fanaovana bingo/loto, lavanty, fivarotana ny fiangonana (sasany).. ary misy ny namidy dia lasa boite de nuit (ary pire akoriny aza)


Ka io no nolazaiko an'i Toriteny hoe, ho "lasa adala" na ho "lasa hendry" ianao raha mahita ny ataon'olo aty (tsy toa ny hitanao mahazatra anao ao) :
- ho "lasa adala" ianao satria tsy ho eken'ny sainao ny zava-misy
- ho "lasa hendry" ianao, satria ho ekenao (tolerer) ny zava-misy... (vivre et laisser vivre)
10. endriny ( 29/05/2014 17:47)
rhaj0, Raha ny marina anefa araka ny evanjely izao dia tokony tezitra be ny kristianina satria: "Jesosy aza tezitra be mihintsy nahita ny mpiavarotra voromailala teny an-tokotanin'ny Sinagaoga". VAo tokotany fotsiny io a.

Ity lazainao ity anefa manao Bingo ao anaty lakavim-piangonana mihintsy.

Dia hisy hiteny indray izao hoe ny lakavy ange an'i Helo e...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6512