MIFIDIANA NY FIAINANA

1. YDIFAS ( 15/02/2014 20:35)
Faly miarahaba antsika rehetra. Manonona ny Fiadanan'i Kristy sy ny Fahasoavan'Andriamanitra ho amintsika rehetra.

Fony namorona ny olombelona Andriamanitra dia nataony niavaka tamin'ny voaary rehetra no nanaovany azy : "Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika..." Genesisy 1/26.
Izany hoe noforonina hitovy amin'Andriamanitra isika ary raha dinihina dia tsy tokony ho faty isika raha ny tokony ho izy (satria Velona Mandrakizay Andriamanitra ary nataony nitovy tamin'izany Toetrany izany isika). Tafiditra tamin'ny alalan'i Adama nefa ny fahafatesana noho ny tsy fankatoavany an'Andriamanitra. (vakio Genesisy 2/17)
Izany hoe nomen'Andriamanitra saina afaka nandinika (mandinika) sy afaka nisafidy (misafidy) ary nomeny fanahy afaka hanavaka (hanao) ny tsara sy ny ratsy, hahay hankahàla izay tsy araka an'Andriamanitra isika olombelona.
Raha tsorina dia nomena malalaka ny amin'ny fiainantsika isika na hanararaotra ny hiaina am-pahitsiana (indrindra ny hankatoa an'Andriamanitra) na hiaina arak'izay tiantsika fotsiny.
Firifiry moa ny olona no miady amin'ny fahafatesana amin’izao ora iresahantsika izao? firifiry ny miady varotra ny ho velona? Maro be ireo olona marary (ohatra any amin'ny hopitaly) no te hitohy hiaina hatrany (miala tsiny fa ratsy ilay ohatra) ka manao izay fara heriny, mandany vola aman-karena, manketsy sy eroa mikaroka vahaolana sy fahasitranana... sns, noho ny inona? satria mbola te ho velona, satria mamy ny miaina e!
Samy resy lahatra isika fa “te hiaina” sy “te hanana fiainana” ny olona ary azo tsoahana araka izany fa ny tsirairay dia te hiaina sy te ho ela velona.

Miara-manaiky isika fa "tsy misy fahafatesana ao amin'Andriamanitra". Izy ilay voalaza fa "Hatramin'izay ka ho Mandrakizay".
Tonga amintsika indray anio ny Teniny Izay voalazany fa “Fiainana” ka manao hoe: "Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao" Deotoronomia 30/19.
Hita mazava eto ny Fahendren'Andriananitra fa tsy manery ny olombelona Izy. Asainy misafidy malalaka ny olombelona na hiaina na ho faty.
Marihina moa fa ity Deotoronomia 30 ity dia tohin’ny Deotoronomia 28 izay manambara mazava ny vokatry ny fankatoavana sy ny fandàvana an’Andriamanitra (na ho voatahy amin’ny fitahiana rehetra na ho voaozona).
Miantefa amintsika ihany koa izany Tenin’Andriamanitra izany ka mamporisika antsika hifidy ny fiainana. Tian’Andriamanitra ho velona ao Aminy isika, tiany hanana fifandraisana Aminy farany izay akaiky indrindra ary tiany hiaina araka ny Teniny.
Mangetaheta ho amin’izany ve isika? Amin’ny fomba ahoana nefa?

Vao haingana isika no nifidy filoham-pirenena sy olom-panjakana maro (tsy hoe hiresaka pôlitika akory). Matetika, maro no manankina ny “fiainany” amin’ireny mpitondra fanjakàna ireny. Mbetika aza latsaka amin’ny fiandaniana sy fifandrafiana mihitsy. Fa anio, henoy ny Tenin’Andriamanitra miteny amintsika manao hoe:”MIFIDIANA NY FIAINANA DIA HO VELONA IANAO SY NY TARANAKAO”.
Efa voalazantsika tetsy ambony fa ao amin’Andriamanitra io “Fiainana” izay tadiavin’ny olombelona etsy sy eroa io ary tsy misy fahafatesana ao Aminy.
Hoy Jesosy: « Izaho no... Fiainana… » Jaona 14/6, koa raha milaza izany Izy dia miteny amintsika hoe “FIDIO AHO” (=mifidiana ny Fiainana). Tsy izany ihany fa hoy koa Izy: “Izaho no fananganana ny maty sy Fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?Jaona 11/25 – 26
Mahereza, ry havana malala, minoa fa efa vonona ho antsika mandrakariva i Jesosy hanome antsika Fiainana be dia be (Jaona 10/10b) ary maimaimpoana izany. Matimaty ve ny fiainam-panahintsika? Marary ve ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra? Ankehitriny, ndeha avaozina indray ny fanoloran-tenantsika hanamafisantsika ny tokim-panompoantsika handraisantsika izany “Fiainan-danitra izany”.
Marihina fa tsy ho an’ny olona voatokana (pasitera, na mompera,… ohatra) izany “Fiainana” ambaran’Andriamanitra amintsika izany. “Tsy avy hiantso ny marina Aho”, hoy Izy, fa ny mpanota hanatona ahy amim-panenenana ka hibebabaka (Lioka 5/31 – 32)
Koa ndeha re hifidy ny Fiainana dia ho velona isika e, manatona an’Andriamanitra amim-pahasahiana handray izany “Fiainana” mihoampampana izany.

Tsy izay ihany fa mihoatra lavitra noho ny heverintsika no efa atobak’Andriamanitra amintsika isan’andro: “Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany Fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana fiainana; izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana fiainana”. 1 Jaona 5/11 – 1
Mino aho fa resy lahatra tanteraka isika fa tsy misy fiainana raha tsy Andriamanitra mihitsy no mamela izany hisy satria: “Izy no nisiam-piainana, ary ny fiainana no fanazavana ny olonaJaona 1 / 4.
Koa ndeha hifidy ny hiaina isika, mifidy ny “hiara-miaina” amin’i Jesosy Izay tsy manavakavaka no tsy mandatsa: ho ahy sy anao no nandaozan’i Jesosy ny lanitra sy ny harena tsy hita lany ao an-danitra; ho ahy sy ho anao no niaretan’i Jesosy ny fahoriana mihoatra noho ny efa niaretantsika; ny hahazoantsika famelan-keloka no naneken’i Jesosy ho kapohina sy ho fantsihana teo amin’ny hazofijaliana; ny hananantsika “Fiainana mandrakizay” no nahafatesan’i Jesosy ary nandreseny ny fahafatesana ka nitsanganany tamin’ny maty, nanokafany ny lanitra ho an’ny olona rehetra sy nanamboarany fitoerana ho vantanintsika rehetra izay “mifidy ny Fiainana”
Voalaza etsy ambony fa “efa NOMENA ANTSIKA ilay Fiainana”; ny anjarantsika dia ny mandray izany Fiainana izany: ny mandray an’i Jesosy Ilay Fiainana izany. Izany hoe, ny manaiky hiara-miaina amin’Andrimanitra no dikany: “Fa toa izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: NOMENY ny Zananilahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana Fiainana mandrakizay” Jaona 3/16
Koa “mifidiana ny Fiainana dia ho velona ianao sy ny taranakao”. Mino izany va ianao?

Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra mandrakizay ary ho antsika izay mifidy ny fiainana ny fitahiana sy ny fiadanana avy amin’i Jesosy Kristy
novalian'i Annih ny 01/03/2014 14:55
2. sitlo ( 16/02/2014 15:11)
Nemeiah numero 2
3. leva2 ( 18/02/2014 16:49)
Velona Jesosy !

Marina izany namana fa iza tokoa moa no tsy te ho velona ?
Saingy amin'ny fomba ahoana ? fa izy ity tsy vitan'ny vava miteny hoe : "raisiko ny fiainana" na hoe "raisiko ianao Jesosy", fa sarotra ny lalana mankany namana aaa.

Mba voaboasy misimisy kokoa raha mety ee !
4. Annih ( 01/03/2014 14:55)
An'Andriamanitra irery iany anie ny voninahitra, ilay tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

Torotoro tokoa ny foko amin'izany voalaza rehetra izany, mino anefa aho fa tsapan'Andriamanitra izany hetahetampontsika ny amin'ny "FIAINANA"tsy iray iray izany nefa mba anjarantsika iany koa ny maneho aminy izany hetahetantsika izany. Tsy mora tokoa ny manatanteraka an'izany fa mila fahavononana ara-panahy nefa izy iany koa dia tsy hamela antsika ho irery ao anatin'izany. Amen
YDIFAS:

Faly miarahaba antsika rehetra. Manonona ny Fiadanan'i Kristy sy ny Fahasoavan'Andriamanitra ho amintsika rehetra.

Fony namorona ny olombelona Andriamanitra dia nataony niavaka tamin'ny voaary rehetra no nanaovany azy : "Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika..." Genesisy 1/26.
Izany hoe noforonina hitovy amin'Andriamanitra isika ary raha dinihina dia tsy tokony ho faty isika raha ny tokony ho izy (satria Velona Mandrakizay Andriamanitra ary nataony nitovy tamin'izany Toetrany izany isika). Tafiditra tamin'ny alalan'i Adama nefa ny fahafatesana noho ny tsy fankatoavany an'Andriamanitra. (vakio Genesisy 2/17)
Izany hoe nomen'Andriamanitra saina afaka nandinika (mandinika) sy afaka nisafidy (misafidy) ary nomeny fanahy afaka hanavaka (hanao) ny tsara sy ny ratsy, hahay hankahàla izay tsy araka an'Andriamanitra isika olombelona.
Raha tsorina dia nomena malalaka ny amin'ny fiainantsika isika na hanararaotra ny hiaina am-pahitsiana (indrindra ny hankatoa an'Andriamanitra) na hiaina arak'izay tiantsika fotsiny.
Firifiry moa ny olona no miady amin'ny fahafatesana amin’izao ora iresahantsika izao? firifiry ny miady varotra ny ho velona? Maro be ireo olona marary (ohatra any amin'ny hopitaly) no te hitohy hiaina hatrany (miala tsiny fa ratsy ilay ohatra) ka manao izay fara heriny, mandany vola aman-karena, manketsy sy eroa mikaroka vahaolana sy fahasitranana... sns, noho ny inona? satria mbola te ho velona, satria mamy ny miaina e!
Samy resy lahatra isika fa “te hiaina” sy “te hanana fiainana” ny olona ary azo tsoahana araka izany fa ny tsirairay dia te hiaina sy te ho ela velona.

Miara-manaiky isika fa "tsy misy fahafatesana ao amin'Andriamanitra". Izy ilay voalaza fa "Hatramin'izay ka ho Mandrakizay".
Tonga amintsika indray anio ny Teniny Izay voalazany fa “Fiainana” ka manao hoe: "Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao" Deotoronomia 30/19.
Hita mazava eto ny Fahendren'Andriananitra fa tsy manery ny olombelona Izy. Asainy misafidy malalaka ny olombelona na hiaina na ho faty.
Marihina moa fa ity Deotoronomia 30 ity dia tohin’ny Deotoronomia 28 izay manambara mazava ny vokatry ny fankatoavana sy ny fandàvana an’Andriamanitra (na ho voatahy amin’ny fitahiana rehetra na ho voaozona).
Miantefa amintsika ihany koa izany Tenin’Andriamanitra izany ka mamporisika antsika hifidy ny fiainana. Tian’Andriamanitra ho velona ao Aminy isika, tiany hanana fifandraisana Aminy farany izay akaiky indrindra ary tiany hiaina araka ny Teniny.
Mangetaheta ho amin’izany ve isika? Amin’ny fomba ahoana nefa?

Vao haingana isika no nifidy filoham-pirenena sy olom-panjakana maro (tsy hoe hiresaka pôlitika akory). Matetika, maro no manankina ny “fiainany” amin’ireny mpitondra fanjakàna ireny. Mbetika aza latsaka amin’ny fiandaniana sy fifandrafiana mihitsy. Fa anio, henoy ny Tenin’Andriamanitra miteny amintsika manao hoe:”MIFIDIANA NY FIAINANA DIA HO VELONA IANAO SY NY TARANAKAO”.
Efa voalazantsika tetsy ambony fa ao amin’Andriamanitra io “Fiainana” izay tadiavin’ny olombelona etsy sy eroa io ary tsy misy fahafatesana ao Aminy.
Hoy Jesosy: « Izaho no... Fiainana… » Jaona 14/6, koa raha milaza izany Izy dia miteny amintsika hoe “FIDIO AHO” (=mifidiana ny Fiainana). Tsy izany ihany fa hoy koa Izy: “Izaho no fananganana ny maty sy Fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?Jaona 11/25 – 26
Mahereza, ry havana malala, minoa fa efa vonona ho antsika mandrakariva i Jesosy hanome antsika Fiainana be dia be (Jaona 10/10b) ary maimaimpoana izany. Matimaty ve ny fiainam-panahintsika? Marary ve ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra? Ankehitriny, ndeha avaozina indray ny fanoloran-tenantsika hanamafisantsika ny tokim-panompoantsika handraisantsika izany “Fiainan-danitra izany”.
Marihina fa tsy ho an’ny olona voatokana (pasitera, na mompera,… ohatra) izany “Fiainana” ambaran’Andriamanitra amintsika izany. “Tsy avy hiantso ny marina Aho”, hoy Izy, fa ny mpanota hanatona ahy amim-panenenana ka hibebabaka (Lioka 5/31 – 32)
Koa ndeha re hifidy ny Fiainana dia ho velona isika e, manatona an’Andriamanitra amim-pahasahiana handray izany “Fiainana” mihoampampana izany.

Tsy izay ihany fa mihoatra lavitra noho ny heverintsika no efa atobak’Andriamanitra amintsika isan’andro: “Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany Fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana fiainana; izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana fiainana”. 1 Jaona 5/11 – 1
Mino aho fa resy lahatra tanteraka isika fa tsy misy fiainana raha tsy Andriamanitra mihitsy no mamela izany hisy satria: “Izy no nisiam-piainana, ary ny fiainana no fanazavana ny olonaJaona 1 / 4.
Koa ndeha hifidy ny hiaina isika, mifidy ny “hiara-miaina” amin’i Jesosy Izay tsy manavakavaka no tsy mandatsa: ho ahy sy anao no nandaozan’i Jesosy ny lanitra sy ny harena tsy hita lany ao an-danitra; ho ahy sy ho anao no niaretan’i Jesosy ny fahoriana mihoatra noho ny efa niaretantsika; ny hahazoantsika famelan-keloka no naneken’i Jesosy ho kapohina sy ho fantsihana teo amin’ny hazofijaliana; ny hananantsika “Fiainana mandrakizay” no nahafatesan’i Jesosy ary nandreseny ny fahafatesana ka nitsanganany tamin’ny maty, nanokafany ny lanitra ho an’ny olona rehetra sy nanamboarany fitoerana ho vantanintsika rehetra izay “mifidy ny Fiainana”
Voalaza etsy ambony fa “efa NOMENA ANTSIKA ilay Fiainana”; ny anjarantsika dia ny mandray izany Fiainana izany: ny mandray an’i Jesosy Ilay Fiainana izany. Izany hoe, ny manaiky hiara-miaina amin’Andrimanitra no dikany: “Fa toa izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: NOMENY ny Zananilahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana Fiainana mandrakizay” Jaona 3/16
Koa “mifidiana ny Fiainana dia ho velona ianao sy ny taranakao”. Mino izany va ianao?

Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra mandrakizay ary ho antsika izay mifidy ny fiainana ny fitahiana sy ny fiadanana avy amin’i Jesosy Kristy

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2906