Ny hevitry ny tehina

1. endriny ( 14/01/2014 20:22)
Ny olona mitondra tehina dia ny olon-dehibe na ny olona antitra na ny manamboninahitra. Angira hoy ny fiteny sasany.

Ny tehina dia tsy entin'olona tanora eo amin'ny fiarahamonina Malagasy. Ny olona mitondra tehina dia loholona na loham-pianakaviana, izay mpitondra teny. Rehefa raikitra ny fivoriana eny am-pikabariana. Dia samy mametra ny tahiny amin'ny tany ny mpivory. Rehefa handray fitenenana dia mandramby tehina ho marika fa handray fitenenana na nomena alalana hiteny.

Ilay hoe ny olon-dehibe na ny olona antitra na ny manamboninahitra dia fomba manerana ny tany.

Ary ny tehina dia misy karazany araka ny vintan'ny olona sy ny tanjony. Ny tapa-kazo fikapohana omby dia tsy tehina akory fa rotsa-kazo na fidaroka.

Ny an'ny Katolika dia marik'aily hoe mpiandry ondry ny tehina, izany hoe tsy tehina fa fidaroka raha ny marina, ary dia hamasinina manokana mihintsy vao omena ny Kardinaly, Monseniera, ary ny Papa
novalian'i endriny ny 23/02/2014 00:44
2. Maranatha ( 15/01/2014 06:33)
Ny tehina indray raha ny ara-tsoratra masina dia :

Eksedosy 4:2 Ary hoy Tsitoha taminy: Inona moa iny an-tananao? Dia novaliany hoe: Tehina ity.
Nametrahan'i Tsitoha fahefana tao anatin'ilay tehina mba hahafahana manao fahagagana. (Vakio ny boky ny Eksodosy 16,17,18 ) Rehefa misy tranga sarotra dia iny tehina iny no nampiasaina. ohatra rehefa hiampita ny ranomasina mena dia nokapohina tamin'ny ny ranomasina dia nisaraka, rehefa tsy misy rano dia nokapohina tamin'iny ny vato dia niboiboika rano, rehefa misy ady dia hasandratra ambony iny dia maharesy ny zanak'israely sns...
Fa taty amin'ny Nomery 16,17 indray iny tehina iny dia nampiasain'i Tsitoha mba hilazana izay olona nametrahany ny fahefany raha nihodina tamin'i Mosesy sy Arona ry Kora sy Datana ary Abirama. Dia nampitsimohin'i Tsitoha ny tehina izay nankasitrahany.

Rehefa miresaka ny Tempoly isika amin'izao dia isika izay tempolin'i fanahy masina dia tsy maintsy hahitana io Tehina io (Vakio Hebreo 9:1-5) , Izany hoe ny fandaminana izay nametrahan'i Tsitoha ny vahoakany maneran-tany. Tsy maintsy manaraka ny fandaminana ao amin'ny Fiangonana'A/tra vao hitan'ny lanitra. Hita ao koa ohatra ny Didy folo, ny vilany misy mana izay samy manana ny heviny avokoa ankehitriny.

Diniho tsara sao mihinana ambolony fotsiny.
3. endriny ( 23/02/2014 00:44)
Tsy mihinana am-bolony fa tsy boka mondry ka,

Fa ny tehina dia samy hafa ary samy manana ny andraikiny eo amin'ny fiaraha-monina misy azy. Fa ilay filazana fa ny tehin ho an'ny katolika no mahavariana satria endrik'ilay mpiandry ondry tsara ilay izy...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5194