Andro farany sa Far'andro?

1. rekinbelo ( 14/01/2014 18:59)
Salama namana isany,
Io no niadianay hevitra ka nisy ireo namana sasany milaza fa mitovy ireo, ny sasany miteny fa tsy mitovy dikan'ireo.
Raha amiko manokana aloha dia tsy mitovy mihitsy ny dikan'ireo teny ireo.
Tsy haiko ny hevitrareo namana isany
novalian'i rekinbelo ny 16/01/2014 19:58
2. endriny ( 14/01/2014 19:50)

rekinbelo:

Salama namana isany,
Io no niadianay hevitra ka nisy ireo namana sasany milaza fa mitovy ireo, ny sasany miteny fa tsy mitovy dikan'ireo.
Raha amiko manokana aloha dia tsy mitovy mihitsy ny dikan'ireo teny ireo.
Tsy haiko ny hevitrareo namana isany

Mba hazavao hoe ny tsy itovian'ireo hevitra roa ireo aza fady
3. rekinbelo ( 14/01/2014 20:10)
Mitovy ve ny dikan'ny hoe "taona farany" sy ny hoe "faran'ny taona"
Mahavaly ny fanontanianao ngamba io eeee?
4. Dreamlover14 ( 15/01/2014 07:15)
Ho anay Kristianina protestanta reformé,
- ny Fara andro dia mbola tsy tonga fa @ fotoana hiverenan'i Jesoa hitsara antsika olombelona. Io fotoana io dia tsy misy mahalala azy na rahoviana na rahoviana
- ny andro farany kosa dia nanomboka teo @ niakaran'i Tompo tany an-danitra mandra-piveriny indray hitsara antsika.

Isika izao no miaina ny andro farany, miandry ny fiverenan'ny Tompo.
5. endriny ( 15/01/2014 08:09)

rekinbelo:

Mitovy ve ny dikan'ny hoe "taona farany" sy ny hoe "faran'ny taona"
Mahavaly ny fanontanianao ngamba io eeee?

Ekeko io, saingy ilay izy tsy hoe "0@faran'ny andro" fa "fara andro" mitovy ny hoe "faran'ny faharatsiny" sy "fara faharatsiny"
6. takona ( 16/01/2014 08:51)
raha amiko indray dia tena samihafa ireo
ny andro farany dia amin'ny faharavan'izao tontolo izao
ny far' andro indray dia amin'ny fotoana fahafatesan'ny olona iray, izany hoe samy manana ny far'androny ny olona tsirairay
7. rekinbelo ( 16/01/2014 19:58)
Ekeko fa samy manana ny heviny ny olona rehetra, fa ny ahy aloha dia tsoriko eto fa samy hafa ireo, ny andro matetika dia ilazana fotoana iray, ohatra hoe t@ andron'ny Abrahama ohatra, izay milaza ny fotoana (époque) tamin'ny fotoana nahavelomany izany, koa raha raisina @ izay ary ny hoe andro farany dia époque farany na fotoana farany ny andro farany. Izay vanim-potoana miavaka indrindra eto @ tantaran'olombelona satria tsy hisy intsony mandrakizay.
Izany hoe ny andro farany dia fotoana iray farany idirana @ fotoana iray vaovao.Toy ny hoe mamarana époque ratsy iray dia hiditra @ époque vaovao iray;
Far'andro ndray amiko dia tsy misy fa teny lazaintsika fotsiny io satria raha alaina @ tena dikany izy io dia toy ny hoe tsy hisy intsony izany ny zvatra rehetra aorian'io. Ka tsy mitombina lotra io fomba fiteny iray io
Izay alo no azo natao fa mazotoa namana isany aaa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0912