Détecteur de hevi-dravina. Épisode 4 : ny fanaraha-damaody

1. Nehemiah ( 28/11/2013 08:44)
[size=16]IV - NY FANARAHA-DAMAODY[/size]

Famaritana : Fiantsoantsoana hoe : "Efa izay no lamaody fanaraky ny olona ka manaova koa ianao raha tsy te-ho taraiky !"

Teny filamatra : Vox populi, vox Dei

Ohatra vitsivitsy :
  • Dokam-barotra @ televiziôna izay mampiseho zatovo tsara tarehy, tsara bika, tsara akanjo sns be dia be misotro an'ilay zava-pisotro dokafana, ka hoatran'ny hoe izay no lamaody
  • Peer pressure, izany hoe faneren'ny namanao na ny mpiara-miasa/mianatra aminao na ny havanao sns hanao tahaka azy ireo.
  • Prôpagandy izay mampiseho ny lisitry ny artista sy ny fikambanana izay manohana an'ilay kandidà.
  • Hira prôpagandin'i Fery Vaovao : Safidin'ny maro an'isa, Rajaonarimampianina !
  • Gazety "L'Observateur", pejy voalohany : Les Malgaches ont toujours été des gens épris de justice et d'équité. Quand un dirigeant faillit à sa mission, ils se révoltent toujours pour le destituer. Qualifier cela de ­­­« coup d'État » importe peu aux révolutionnaires [sic], puisque l'histoire de Madagascar a toujours été jalonnée de révolutions, voire même d'assassinats, depuis la royauté au colonialisme, en passant par l'indépendance jusqu'aux trois Républiques[sic]. Les mouvements populaires de 1896, 1926, 1947, 1991, 2002[sic, lol :-)], et 2009, sont des révoltes héroïques que seuls les « légalistes » n'y donnent pas des valeurs.
  • - Inona no safidinao ?
  • - Izay safidin'ny daholobe.
  • Tsy misy mpifidy io kandidàn'ialahy io, ka tsy aleo ve ny kandidanay no fidiana, satria io no be mpifidy ?
  • Kandidà avy @ antoko kely tsy fantampantatra iny ve no miseho manakiana anay ?
  • Efa manaiky ny evôlisiona ny manam-pahaizana rehetra.
  • Efa manaiky fa aman-tapitrisa taona izao tontolo izao ny ankamaroan'ny kristiana.
  • Vitsy an'isa ny mpanohitra anay.
  • Tsy manaraka toetr'andro ny mpanohitra anay.

Tsara tadidiana

(mbola hitohy...)

N.B. : Rehefa mahatsikaritra an'izay ianareo dia mariho fotsiny fa tsy fitsapan-kevi-bahoaka no anapahana ny marina sy ny diso, na ny mety sy ny tsy mety.
novalian'i Nehemiah ny 30/11/2013 05:28
2. 5laody ( 29/11/2013 20:55)
Indrindra indrindra rehefa sendra ilay fanapahan-kevitra amin'ny alalan'ny tsanga-tanana.
3. Nehemiah ( 30/11/2013 05:28)
Eny marina, fanaon'ny olona (ny gasy aloha no hitako manao an'izay) ny manao hoe : "Izay tapaky ny maro no arahiko", fa tsy mba manana hazon-damosina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2448