Andao hiombom-bavaka daholy indray fa tsy hiady intsony é

1. toriteny ( 18/10/2013 05:57)
Aoka mba ho vavaka toram-po, fisaorana, fangatahana, fanandratana no handeha hatao. Ary aza asiana ady sy commentaire intsony raha mety! Vavaka fanandratana rano ray no andeha hatao fa mendrika izany Izy. Hifankatia daholo isiaka ato ary hiara hitondra am-bavaka ny rehetra.

Misaotra anao Andriamanitro nifidy ahy tao anatin'ny maro, tsy nanary ahy na tamin'ny ady sarotra indrindra aza ary nampanantena ahy fiainana na dia tsy mendrika an'izany aza inty zanakao. Ny dera, ny haja, ny laza, ny voninahitra, ny halleluia dia ho Anao ary ho anao irery ihany mandrakizay. Amen
2. voromailala ( 21/10/2013 09:19)
Ilay Nanahary ô, misaotra anao fa mbola nomenao andro izahay ahafahanay mizara, mifankatia mifanome tanana.
Hampio izahay mba ahatsiaro anao isaky ny mifoka rivotra ary raha mandeha ny tongotray enga anie ho dia mankany aminao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0675