Ireo Mpandresy

1. Maranatha ( 05/08/2013 12:25)
Niresaka ny olom-boaantso i Tefigasy tetsy ambany. Tsara ilay voaantso fa saingy mbola tsy ampy satria mbola tsy mpandresy.

Ity no voalaza fa mpandresy: - Apok 17:14 Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry, ary ny Zanak'ondry haharesy azy, satria Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky.

Noho izany ary aza mbola manao hoe alleluia raha mbola vao voaantso fotsiny. mbola ho fidiana hianao ary mbola ho hita eo raha mahatoky izay vao mivoaka ho mpandresy.

Ohatry ireny ekipan'ny baolina misolo tena an'i M/car ireny ohatra. Maro be no antsoina hanaovana ny selection fa na vita aza ny selection raha hita fa tsy dia azo antoka ka tsy mahatoky io Joueurs io dia esorina na soloina.

VOANTSO-VOAFIDY-MAHATOKY
novalian'i bor2lais ny 06/08/2013 13:50
2. pisoonja ( 05/08/2013 13:40)
Ho tahian'ny Tompo amin'ny hafatra, marina ny voalazanao fa tsy maintsy voantso, voafidy ary mahatoky , fa ampiako kely , tsy hivoaka mpandresy ianao raha tsy efa ao aminy, miray aminy , miaraka aminy
3. bor2lais ( 06/08/2013 13:50)
pisoonja:

tsy hivoaka mpandresy ianao raha tsy efa ao aminy, miray aminy , miaraka aminy

+1
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4205