Niresaka ny olom-boaantso i Tefigasy tetsy ambany. Tsara ilay voaantso fa saingy mbola tsy ampy satria mbola tsy mpandresy.
Ity no voalaza fa mpandresy: - Apok 17:14 Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry, ary ny Zanak'ondry haharesy azy, satria Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky.
Noho izany ary aza mbola manao hoe alleluia raha mbola vao voaantso fotsiny. mbola ho fidiana hianao ary mbola ho hita eo raha mahatoky izay vao mivoaka ho mpandresy.
Ohatry ireny ekipan'ny baolina misolo tena an'i M/car ireny ohatra. Maro be no antsoina hanaovana ny selection fa na vita aza ny selection raha hita fa tsy dia azo antoka ka tsy mahatoky io Joueurs io dia esorina na soloina.