Ny kristianina dia volavolaina hilalao faty, marina ve izany?
1. endriny
(
01/08/2013 08:31)
Io no resaky ny namako iray.
Dia ahoana angaha hoy ianao?
Isaky ny andro alahady na atao isaky ny fandraisana dia tenenina amin'ny olona mihintsy ahitsy ao an-dohany fa tsara ny ran' i Kristy izay latsaka, ary alainy endrika amin'ny divay dia sotroiny...
Dia rehefa avy eo dia azo hanina ny vatany, izay atao an-tsary toa mofo...
Dia ahoana koa hoy aho:
Dia hoy ilay ranamana hoe: Sambatra izay maty ao amin'i Kristy... sy manao sorona ny ainy ... Io no atao hoe terroriste manao vy very ny ainy hoy izy tsy naka sarotra
Ny fijerinareo?

novalian'i endriny ny 16/08/2013 05:43
2. jobiely
(
01/08/2013 09:15)
hilalao faty aona mo??????????? Kristy nge efa nitsangana tamin'ny maty e, VELONA MANDRAKIZAY mints ary izy zao ko.
Ny fisotroana ny divay sy ny fihinana ny mofo indray dia fahatsiarovana an' i Kristy fony izy niaraka nisakafo farany tamin'ny mpianany nialoha ny nahafatesany.
Nehemia oo, io ndray endriny fa manevateva ny KRISTY ANTSIKA.

3. Nehemiah
(
01/08/2013 12:25)
Efa miharihary ny mauvaise foi-ny (tsy kilalaon-teny izany an :-) ) ka tsy mila mivaky loha @'izao isika @'ity indray mitoraka ity ;)
5. booboo
(
01/08/2013 12:52)
:-D :-D zà koa mety karazan'ilay mieritreritra tahaka ny naman'i Endriny @ finoana Silamo (aza fady , aza tsiny @ namana silamo )satria tsy azoko ny raha lazain'i Baibolin-dreo fa raisiko ara-bakiteny matetika, vao maika koa miampy ny préjugés, loza mihitsy. Ataoko fa mety tsisy nampianatra ny tena dikan'ny sakramenta n'ny Fanasan'i Tompo izy dia mandray ara-bakiteny koa.
7. pisoonja
(
02/08/2013 08:52)
[Isaky ny andro alahady na atao isaky ny fandraisana dia tenenina amin'ny olona mihintsy ahitsy ao an-dohany fa tsara ny ran' i Kristy izay latsaka, ary alainy endrika amin'ny divay dia sotroiny].
Tsara ny ran 'i Kristy satria iny no nanadiovany ahy sy ianao tamin'ny fahotana, tombo-kase amin'ny andro fanavotana = tsy Kristy razana sanatria fa Kristy velona mandrakizay , mipetraka eo an-kavanan'ny ray .
[ Sambatra izay maty ao amin'i Kristy... sy manao sorona ny ainy ... ]
Sambatra izay maty ao amin' Kristy satria Kristy dia velona mandrakizay any an-danitra eo an-kavanan'ny Ray, tsy aleo ve maty ho an'ny Kristy toy izay maty ho lanin'ny kankana
8. moustaraf
(
04/08/2013 16:34)
Salama namana,
-Tena marina io voalzan'i Endriny io, ary io resaka fahafatesana, rà latsaka io no fototra iorenan'ny finoana an'Yeshu'a!
-Ny Torah dia efa nampianatra hoe:"tsy misy famelan-keloka raha tsy misy rà alatsaka"
-Tsy misy fanatitra raha tsy misy ondry vonoina
-Ny ràn'ilay fanatitra atentina @ tandroky ny alitara; ary ny nofony ohanin'ny mpisorona
sns....
Tonga Yesu'a; tanteraka ireo rehetra ireo! ary ho fanehoam-pinoana ny @ izany dia "raisina ary ohaninana ny mofo sy ny divay" isaky ny fotoany (Peshar)
-Ary ny tena mpanara-dia an'Yeshu'a dia maty isan'andro (mamono ny sitrapon'ny nofo) mba ho velona mandrakizay; fa izay tsy mahafaty ny nofony dia ny afon'ny fahatezerana no handoro azy @ fahafatesana faharoa.
MAHEREZA DAHOLO

9. pisoonja
(
05/08/2013 11:07)
Tsy misy maha-marina ny voalazan'ny endriny kosa aloha e, ny rà latsaka no fototra iorenan'ny finoana kristianina fa tsy faty no lalaovina fa finoana an'I Jeso Kristy maty sy nitsangana tamin'ny maty, noho izany tsy faty velively iny fa Andriamanitra velona.
Ny mofo sy divay dia efa firaisana latabatra amin'ny Kristy ety an-tany sahady , tsy misy resaka faty lalaovina mihitsy kosa aloa amiko e.
Mamono ny sitrapon'ny nofo satria maty isan'andro fa tsy milalao faty isan'andro

10. endriny
(
06/08/2013 16:10)
Raha ny baiboly no arahina fa izay no boky soridalana ho an'ny finoana kristianina, dia tsy mahagaga ahy raha mamolavola olona hilalao na hizatra faty na fahafatesana ny fomba finoana kristianina satria efa hatrany am-boalohany ny Atra lian-dra ny Andriamaniny, mila sorona foana ary nangataka mihintsy ny zanaka tokan'i Abrahama...
Tsy tanisaina intsony ny famonoana natao irei tsy nitovy sampy taminy. Dia hoy aho hoe: aiza ilay hoe tiavo ny fahavalonao.. dia misy milaza indray hoe efa faha testamenta taloha izany... Dia hoy indray aho: kay ve ilay Atra izany manova ny lalany araka izay itiavany azy fotsiny eh... Efa tamin'ny testamenta taloha eh...
Tsia Tompoko, fa mbola nitohy izany ary mbola mitohy mandraka anketriny: famonoana ireo vehivavy antitra ao Afrika lazaina fa mpamosavy, fandringanana ireo silamo lazaina fa mehry fihetsika raha manohitra ny tsy rariny atao azy, ny famonoana ireo pd sy ireo olona voan'ny sida, famonoana olona adala na manana aretina ara-tsaina fa lazaina fa itoeran'ny demonia...
Eto madagasikara dia ny fandoroana sy ny fandrobana ireo toerana fanasinana na fady ho an'ny tompon-tany ary ny famonoana ireo olona tratra nivoaka alina na mpamosavy

12. ratsirano
(
08/08/2013 05:23)
Tamin'ny fotoana nankalazainy ny Paska niaraka tamin'ny apostoliny no nisy fitenenan'i Jesosy momba ny fihinana ny nofony sy ny fisotrona ny rany (Matio 26:26-28)
Dia misy tokoa mino fa novain'i Jesosy ho tena nofony sy rany ilay mofo sy divay. Tsy nisy nanesorana anefa ny vatan'i Jesosy rehefa nizara an'io mofo io izy.
Dia azo hinoana ve hoe tena nihinana ny nofony sy nisotro ny rany ny apostoliny ? Tsia satria
raha jerena ny Levitikosy 17:10 dia fandikana ny lalàn'Andriamanitra izany.
Milaza koa Lioka 22:20 hoe "ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako". Ilay kapoaka mihitsy ve no fanekena vaovao ? Tsy mitombina izany satria tsy zavatra azo tsapain-tanana ny fanekena.
Noho izany dia misy heviny an'ohatra ilay mofo sy divay.
Jereo ao amin'ny www.jw.org
Mirary soa ho antsika rehetra.

13. bichette
(
12/08/2013 07:30)
rehefa tsy misokatra ny maso-panahy dia tsy mahatakatra izay tian'ny baiboly ambara !
14. endriny
(
16/08/2013 05:43)
Marina izany ry Bichette a,
Tsy mahagaga raha tsy mahadinika ny baiboly sy ny fototry ny baiboly ny olona, fa mitoky fotsiny amin'ny hoe ho any an-danitra rehefa maty... ka dia ataon'ny sasany fitadiavam-bola fotsiny, fiharian-karena mantsy e
Mazotoa e
Dia sokafy tsara ny maso, tandremo sao vizana