Fanamasinana fanambadiana protestant

1. Ahrianna ( 23/07/2013 12:19)
Bonjour,

Saika mba hanontany ny fizotran'ny fanamasinana fanambadiana @ protestant azafady fa za mantsy tsy mpivavaka mintsy nefa ny fianakavianle vadiko mi-insite be amle izy, zareo mandresy lahatra oe zao sy zao fotsiny ny atao sao dia tsy zany fotsin fa any aho vao wen be. Misaotra
2. Tefigasy ( 23/07/2013 12:33)
Na samy protestanta aza ny fiangonana (FJKM, FLM, ... ) dia misy mahasamihafa azy ihany ny fomba hanamasinana fanambadiana. Arakarak'ilay fiangonana io.

Fa ianao no hamasinina sa olon-kafa ?

Raha ianao no hamasinina ka any amin'ny FJKM iliay izy no atao dia tsy maintsy misy dinika mialoha ataon'ny pasitera ho an'ireo tanora roa (lahy sy vavy) ho hamasinina. Eo amin'io dinidinika io no hamantaranao ny tokony atao rehetra alohany, ao anatiny , any aorian'ny fanamasinana. Tsy misy intsony surprise. Marihiko aloha fa tsy sakramenta ny fanambadiana ho an'ny protestanta

Raha tsy ianao indray no hamasinina dia araho fotsiny izay ataon'ny olona eo akaikinao eo fa tsy misy fahasarotany akory : amin'ny akapobeany dia mikipy na miondrika, mihira, mitsangana, mipetraka no atao mandritra ny fanamasinana raha ny fihetsiketsehana ivelany fotsiny no tianao hahatongavana amin'ilay hoe wen be
3. voromailala ( 23/07/2013 13:35)
Ahrianna> amiko manokana aloha dia "entre" anao sy ny vadinao no tena sarobidy. Aza avela ny olonkafa any ivelany no hibaiko ny tokony hatao amin'ny fitiavanareo sy ny tokatranonareo.
Zavatra telo no mitoetra hoy izy ary ny fitiavana no ambony indrindra.
Rehefa mifankatia ianareo dia izay no "important".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0746